Seminera
Fizarana 31: Andro 4, Môrônia 7:1–19


Fizarana 31: Andro 4

Môrônia 7:1–19

Fampidirana

Noraketin’i Môrônia ny toriteny iray izay nomen’i Môrmôna rainy an’ny “rahalahin[ny] malala” taona maro talohan’izany (Môrônia 7:2). Ity lesona ity dia mamelabelatra ny ampahany voalohany amin’ny toritenin’i Môrmôna izay hita ao amin’ny Môrônia 7. Izany dia miompana amin’ny fampianarany mikasika ny fanaovana asa marina amin-kitsimpo sy ny fanazavany ny fomba hanavahana ny tsara sy ratsy. Handalina ny sisa amin’ny toritenin’i Môrmôna ianao ao anatin’ny lesona manaraka ao amin’ny Môrônia 7.

Môrônia 7:1–10

Mampianatra ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy momba ny asa sy ny finiavana i Môrmôna

Sary
paoma

Efa nahita zavatra iray ve ianao izay tsy tsara araka ny fahitana azy ety ivelany akory ny ao anatiny? Mety ho ohatra iray amin’izany ny voankazo iray toy ny paoma izay marikivy na masaka loatra. Mitanisà ohatra roa na telo hafa izay azonao eritreretina:

Saintsaino ny fomba ahafahana mampitaha ireo ohatra ireo izay tsy tsara araka ny fahitana azy ety ivelany akory ny ao anatiny amin’ny endrika ivelany sy ny tanjon’ny olona any anatiny any. Noraketin’i Môrônia an-tsoratra ny tenin’i Môrmôna rainy mikasika ny toetry ny fontsika rehefa manao asa marina isika. Vakio ny Môrônia 7:2–3mba hahafantarana ny olona niantefan’ny resak’i Môrmôna.

Niantso ny rahalahiny izay niresahany teto ho toy ny “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” i Môrmôna ( Môrônia 7:3). Halalino ny Môrônia 7:4–5 mba hahitana ny fomba nahafantaran’i Môrmôna fa tena mpianatry ny Mpamonjy marina ireto Nefita ireto.

Mieritreritra ve ianao fa afaka milaza ho olo-marina amin’izao fotsiny ny olona iray? Inona no antony raha eny na inona no antony raha tsia?

Niresaka mikasika io olana io i Môrmôna ao amin’ny Môrônia 7: 6. Eo am-pandalinanao ity andininy ity dia mety ho tianao ny hanisy marika ilay andian-teny hoe “finiavana marina.” Afaka manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe manana finiavana marina ity fanazavana avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity: Tsipiho ireo ampahany amin’ny fanazavana izay manaitra anao.

“Tsy hoe tsy maintsy manao ny marina fotsiny ihany isika. Tsy maintsy miasa amin’ny antony marina isika. Ny fomba maoderina ilazana izany dia antony tsara. Matetika ny soratra masina no mampitovy ity toe-tsaina tsara ity amin’ny teny hoe fo feno finiavana na finiavana marina.

“Ataon’ny soratra masina mazava tsara fa mahatakatra ny tanjontsika sy hitsara ny asantsika arakarak’izany Andriamanitra (Pure in Heart [1988], 15).

Namaritra ireo vokatra ateraky ny fikatsahan’ny olona iray hanao asa tsara fa tsy amin’ny finiavana marina i Môrmôna. Vakio ny Môrônia 7:7–10 ary fantaro izay zava-mitranga rehefa manao asa marina tsy amin’ny finiavana marina isika. Mianatra isika avy amin’ireo andininy ireo fa mba ho voatahy amin’ny asa tsara dia tsy maintsy manao azy ireny amin’ny finiavan’ny fo marina isika. Hita ao anatin’ny finiavana marina ny fanaovana asa tsara noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny hafa.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo fahasamihafana tsikaritrao rehefa nanao asa tsara tamin’ny finiavana marina ianao sy rehefa nanao ny mifanohitra amin’izany dia ny fanaovana zavatra tsara iray tamin’ny finiavana feno fitiavan-tena?

  2. Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ilay fitsipika hoe mba ho voatahy amin’ny asa tsara dia tsy maintsy manao azy ireny amin’ny finiavan’ny fo marina ianao dia saintsaino ity toe-javatra manaraka ity: Misy namana iray izay namaky ny Bokin’i Môrmôna mangataka ny fanampianao mba hahatakatra ny Môrônia 7:9 ka milaza hoe, “Namaky aho fa raha mivavaka tsy amin’ny finiavana marina ny olona iray dia ‘tsy mahasoa azy na amin’ny inona na amin’ny inona izany, fa tsy mandray ny toa azy Andriamanitra.’ Indraindray aho mahatsapa toy ny tsy mivavaka amin’ny finiavana marina izany. Tokony hijanona tsy hivavaka fotsiny ve aho?” Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny fomba hamalianao izany fanontaniana izany, ary hazavao ny antony hamalianao amin’ny fomba toy izany.

Ny Filoha Brigham Young dia nanome ity torohevitra manampy tokoa ity momba ny fomba ahafahantsika mahazo faniriana mba hivavaka amin’ny finiavana marina: “Tsy maninona na mahatsapa te hivavaka ianao na tsia, fa rehefa tonga fotsiny ny fotoana hivavahana dia mivavaha. Rehefa mahatsapa tsy te hanao izany isika dia tokony hivavaka mandra-pananantsika fahatsapana fa tena te hanao izany”(Enseignements des Présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 45).

Eritrereto ny fomba ifandraisan’ny torohevitry ny Filoha Brigham Young amin’ny fankatoavana ireo didy hafa ankoatra ny vavaka. Indraindray ny fanaovana ny marina dia afaka manampy mba hitondra faniriana hanohy hankato izany didy izany amin’ny antony marina.

  1. Mba hampiharana ny fampianaran’i Môrmôna mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa tsara amin’ny finiavana marina dia misafidiana iray amin’ireto didy manaraka ireto: fifadian-kanina, fandoavana fahafolonkarena, fanompoana ny hafa, fandalinana ny soratra masina, fanajana ray aman-dreny, fijanonana ho madio ara-pitondrantena. (Anisan’ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena ny fahatsaran-toetra rehefa mampiasa Internet na tranonkala ifaneraserana amin’olona. Anisan’izany ihany koa ny tsy fanaovana na inona na inona izay mety hitarika amin’ny fandikan-dalàna ara-piraisana ara-nofo.) Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao rehefa nikatsaka ny hankatò izany didy izany tamin’ny finiavana marina ianao?

    2. Inona no torohevitra homenao ny olona mitovy saranga aminao mikasika ny fomba hankatoavana amin’ny finiavana marina izany didy izany?

Môrônia 7:11–19

Mampianatra ny fomba hitsarana ny tsara sy ny ratsy i Môrmôna

Ahoana no ahafahantsika miteny fa ratsy ny zavatra iray kanefa tsy nanandrana izany akory? Nanolotra torohevitra mba hanampiana antsika rehefa miatrika toe-javatra toy izany i Môrmôna.

  1. Vakio ny Môrônia 7:11–13 ary tadiavo ny fomba hitsarana ny tsara amin’ny ratsy. Mety ho tianao ny hanisy marika ireo andian-teny izay manaitra anao. Fintino izay nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny famenoana ity tena manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina:

    1. Izay avy amin’Andriamanitra …

    2. Izay avy amin’i Satana …

Nanamafy i Môrmôna fa manasa sy mamporisika antsika mba hanao ny tsara lalandava Andriamanitra. Mariho fa manasa sy mamporisika antsika ihany koa ny devoly araka ny Môrônia 7:12 Eritrereto ireo fomba sasantsasany entin’ny devoly hanasana sy hamporisihana antsika mba hanota.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Niresaka mikasika ny tanjon’i Satana amin’ny fikatsahana ny mba hanaovantsika ny ratsy lalandava ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “ I Satana na Losifera na ny Rain’ ny Lainga—izay tianareo hiantsoana azy—dia tena misy, ilay faharatsiana miseho amin’ ny endrik’ olombelona. Ny tanjony dia ny hisompatra ao anatin’ny toe-javatra rehetra. … izy dia manohitra mandrakizay ny fitiavan’ Andriamanitra, ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy ary ilay asa hitondrana fiadanana sy famonjena. Hiady hanohitra izany izy na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza hahafahany manao izany. Fantany fa ho resy izy ary horoahina amin’ ny farany, saingy tapa-kevitra izy fa hamotika miaraka aminy, olona maro hafa, araka izay tratrany. (“Mpandray Anjara Avokoa Isika,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 44).

  1. Mba hanampiana anao hiomana hampihatra ny fampianaran’i Môrmôna amin’ny fitsarana ny tsara sy ny ratsy dia tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny ankamaroan’ireo seho amin’ny fahitalavitra, hira, tarika, sites Internet, applications, jeux vidéos na fananana manokana tianao indrindra. (Mety ho tianao hovaina ity lisitra ity arakaraky ny zavatra mahaliana anao.) Hiverina amin’ity zavatra nosoratana tao anaty diary ity ianao aoriana ao ao anatin’ity lesona ity.

Vakio nyMôrônia 7:15–17 ary tadiavo ireo fahamarinana izay hanampy anao hahafantatra ny fomba hitsarana na avy amin’Andriamanitra ny zavatra iray na avy amin’ny devoly.

Ny Fanahin’i Kristy dia antsoina ihany koa hoe ilay Hazavan’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:18). Nanome ity fanazavana ity izay afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny Hazavan’i Kristy ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Samy hafa ny Fanahy Masina sy ny Hazavan’i Kristy. Na dia voafaritra amin’ny teny mitovy aza izy ireo ao amin’ny soratra masina dia zavatra roa samy hafa sy miavaka izy ireo. …

“Rehefa mahafantatra bebe kokoa momba ny Hazavan’i Kristy isika dia hahatakatra bebe kokoa momba ny fiainana sy hanana fitiavana lalina ny olombelona rehetra. …

“Na antsoina hoe Hazavan’i Kristy, na fahatsapan-tena ara-môraly, na feon’ny fieritreretana ity hazavana anaty ity, ity fahalalana ny tsara sy ny ratsy ity, dia afaka mitarika antsika handanjalanaja ny zavatra ataontsika izany—raha tsy hoe ampandeferintsika na ampanginintsika izany. …

“Ny lehilahy rehetra, ny vehivavy rehetra, sy ny ankizy avy amin’ny firenena, fivavahana, na volon-koditra rehetra—ny olon-drehetra, na aiza na aiza izy no mipetraka na inona inoany na inona ataony—dia manana ilay Hazavan’i Kristy tsy mety lo ao anatin’izy ireo. Eo anatrehan’io zavatra izany dia nohariana mitovy avokoa ny olon-drehetra. Ny fisian’ny Hazavan’i Kristy ao amin’ny olon-drehetra dia fijoroana ho vavolombelona fa tsy mifidy tavan’olona Andriamanitra” (“The Light of Christ,” Ensign, Apr. 2005, 8–10).

Manana ny fanomezana ny Fanahy Masina ihany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana vita batisa mba hanampy azy ireo hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Nampianatra ny Filoha Packer fa “afaka miasa amin’ny alalan’ny Hazavan’i Kristy ny Fanahy Masina” (“Light of Christ,” 10).

Vakio ny Môrônia 7:18–19 mba hahitana ny torohevitr’i Môrmôna ny amin’ny fomba handraisana andraikitra eo anatrehan’ny fananana ilay Hazavan’i Kristy ao anatintsika. Mety ho tianao ny hanisy marika ireo teny na andian-teny ao anatin’ireo andininy ireo izay milaza fa afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy isika rehefa mikatsaka amim-pahazotoana ny hanaraka ny Hazavan’i Kristy.

Ivereno ilay lisitra izay nataonao tao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ao amin’ny asa ampanaovina 5. Diniho amim-pitandremana ireo zavatra ao anatin’ilay lisitra nataonao ary “[mitadiava] amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny hazavan’i Kristy”(Môrônia 7:19) mba hamantarana raha toa ka avy amin’Andriamanitra na tsia ireo zavatra ireo. Mety hanampy ny fisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Hatraiza ny fanasan’ireo zavatra ireo anao mba hanao ny tsara, mba hino an’i Kristy, mba hitia an’Andriamanitra sy hanompo Azy?

  • Misy amin’ireo zavatra ireo ve mandresy lahatra anao “hanao ny ratsy… tsy hino an’i Kristy, … [na ] tsy hanompo an’Andriamanitra”? (Môrônia 7: 17.)

  • Mahatsapa ve ianao fa misy tokony hesorina amin’ny fiainanao amin’ireo zavatra ireo? Raha eny, ahoana no hanaovanao izany?

Nanolotra fampanantenana i Môrmôna fa rehefa misafidy ny hanaisotra izay mety ho zavatra tsy tsara eo amin’ny fiainanao ianao sy mikatsaka ny “hihazona avokoa ny zavatra tsara,” dia ho tonga “zanak’i Kristy” ianao (Môrônia 7:19).

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrônia 7:1–19 sy nahavita io lesona io tamin’ny  (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: