Seminera
Fizarana 26: Andro 2, 3 Nefia 18


Fizarana 26: Andro 2

3 Nefia 18

Fampidirana

Rehefa namarana ny andro voalohany nanaovany asa fanompoana teo anivon’ny Nefita i Jesoa Kristy, dia nanatanteraka ny fanasan’ny Tompo Izy, ary nandidy ny vahoaka hivavaka mandrakariva amin’ny Ray ary handray ny rehetra ho namana. Nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay mankatò ireo didy ireo ny Mpamonjy. Avy eo Izy dia nanome torolalana ho an’ireo mpianatra Nefita roambinifolo mikasika ny asa fanompoan’izy ireo ao amin’ny Fiangonana. Talohan’ny niakarany tany an-danitra dia nanome azy ireo ny fahefana hanome ny Fanomezana ny Fanahy Masina Izy.

3 Nefia 18:1–14

Nanatanteraka ny Fanasan’ny Tompo teo amin’ireo Nefita i Jesoa Kristy

Vakio ity tantara manaraka ity izay notantarain’ny Loholona Gerald N. Lund, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy, ary alaivo sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ny fahatsapanao raha ianao ilay lehilahy ao anatin’ity tantara ity:

“Fotoana vitsivitsy lasa izay dia nisy lahatsoratra mahaliana mikasika ny fihanihana tendrombohitra izay [ahitana] tantara iray manome valiny mahatalanjona ho an’ilay fanontaniana manao hoe: ‘Inona no azontsika mpanompo tsy mahasoa atao mba hanonerantsika amin’i Kristy ny zavatra nataony ho antsika?’

“Miresaka momba ny lehilahy iray antsoina hoe Czenkusch izay mitantana sekoly mampianatra fihanihana tendrombohitra ilay lahatsoratra. … Teo am-panazavana tamin’ny mpanao gazety nanontany azy mikasika ny rafitry ny tady ifaharana fiarovana amin’ny loza rehefa mihanika tendrombohitra i Czenkusch. Izany no rafitra fiarovan-tenan’ireo mpihanika tendrombohitra mba tsy hianjera. Rehefa mahazo toerana azo antoka ny mpihanika iray dia mamatotra ilay tady ho an’ilay mpihanika tendrombohitra iray hafa, izay mazàna afatotra manodidina ny vatany. Ny hoe ‘Efa tsara fahatra ianao,’ dia midika hoe ‘Efa azo antoka ny tadinao. Raha misy zavatra mitranga, dia izaho no hiaro anao tsy hianjera.’ Ampahany manan-danja amin’ny fihanihana tendrombohitra izany. Henoy indray ary izao ny zavatra nitranga manaraka ao amin’ilay lahatsoratra: ‘Ny fifaharana amin’ny tady aro loza no nahitan’i Czenkusch ireo fotoana tsara indrindra sy ratsy indrindra tamin’ny fihanihana tendrombohitra. Indray mandeha dia nianjera avy eny amin’ny hantsana iray avo be i Czenkusch, namikitra tamin’ny zavatra telo nihazona azy izy ka nisarika ilay olona mpihazona ny tady aro lozany hiala tamin’ny sisiny marimarina tamin’ilay harambato. Tafajanona izy, ny loha avy any ambany, 3 metatra niala tamin’ny tany, rehefa nampijanona ny fianjerany ilay mpihazona ny tady aro lozany tamin’ny alalan’ny herin’ny sandriny izay novelariny. “Nanavotra ny aiko i Don,” hoy Czenkusch. “Inona no havalianao ny lehilahy tahaka izany? Omena tady fihanihana tendrombohitra efa nampiasaina hatao fanomezana amin’ny Krismasy ve? Tsia, mahatsiaro azy ianao. Tsaroanao mandrakariva izy”‘ [Eric G. Anderson, “The Vertical Wilderness,” Private Practice, nôv. 1979, 21; nampiana fanamafisana]” (“The Grace and Mercy of Jesus Christ,” ao amin’ny Jesus Christ: Son of God, Savior, ed. Paul H. Peterson, Gary L. Hatch, ary Laura D. Card [2002], 48).

Vakio ny 3 Nefia 18:1–11 ary tadiavo ny zavatra nasain’i Jesoa Kristy nataon’ny Nefita mba hahatsiarovana Azy. Azonao atao ny manisy marika ireo teny hoe fahatsiarovana sy mahatsiaro ao amin’ny andininy 7 sy 11. Araka ny eritreritrao, nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro mandrakariva ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy ho anao? Ahoana no hiovan’ny fomba fihetsikao rehefa mahatsiaro ny Mpamonjy ianao?

Ny didin’ny Mpamonjy mba hahatsiarovana ny vatany sy ny rany dia mety ho nanan-danja tokoa tamin’ny vahoaka satria vao avy nitsapa ireo holatra teo amin’ny vatany izy ireo, vao tsy ela akory talohan’izay. Na dia tsy nahita ireo holatra teo amin’ny vatan’ny Mpamonjy aza ianao, tahaka ny nahitan’ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izany, dia afaka mahatsiaro ny sorompanavotany rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny fahatsiarovanao nandritra ny fanasan’ny Tompo ny sorona nataon’ny Mpamonjy nanampy anao hahatsapa fankasitrahana ho Azy?

Ny tenin’i Jesoa Kristy voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 18:7–11 dia mampianatra ireto fitsipika manaraka ireto: Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa vonona ny hanao izay rehetra nandidiany antsika. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa hahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy. Avereno jerena ny 3 Nefia 18:7–11, ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra ireo fitsipika ireo. Eo am-pamakianao ny andininy 11 dia eritrereto ny zavatra mety ho tsapanao raha niteny ireo teny ireo taminao ny Mpamonjy.

  1. Misafidiana roa amin’ireto fanontaniana ireto mba hovaliana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    1. Inona avy ireo lafim-piainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoany izay mety hotsaroanao mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo?

    2. Inona no azonao atao mba hahatsiarovana mandrakariva ny Mpamonjy mandritra ny andro sisa amin’ny herinandro?

    3. Raha miezaka amin-kitsimpo ny hahatsiaro ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo ianao dia ahoana no mety ho fiantraikan’izany eo aminao mandritra ny herinandro manaraka?

Mitadiava fitsipika iray hafa ampianarina ao amin’ny 3 Nefia 18:7, 11 amin’ny alalan’ny famenoana ity fehezanteny manaraka ity amin’ny andian-teny izay manazava ny zavatra nampanantenain’ny Mpamonjy amin’ireo izay mandray ny fanasan’ny Tompo ary mahatsiaro Azy. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika ka mahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy, dia .

Sary
mofo sy rano
  1. Ampitahao ny 3 Nefia 18:12–14 sy ny Helamàna 5:12. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro manampy anao hametraka an’i Jesoa Kristy ho fototra hanorenanao ny fiainanao.

  2. Mba hanampiana anao hahatsiaro bebe kokoa ny Mpamonjy dia soraty isan’andro ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mandritra ny herinandro manaraka ny zavatra nataonao mba hahatsiarovana ny Mpamonjy tamin’io andro io. Azonao atao ny manoratra ny zavatra noeritreretinao nandritra ny fanasan’ny Tompo na ny fomba niantraikan’ny fahatsiarovana ny Mpamonjy teo amin’ny eritreritrao, sy ny teninao, ary ny asanao.

3 Nefia 18:15–25

Nampianatra ny Nefita i Jesoa hivavaka mandrakariva amin’ny Ray sy hiara-hivory matetika

Rehefa avy nanome ny fanasan’ny Tompo tamin’ny Nefita i Jesoa Kristy dia nampianatra azy ireo fitsipika manan-danja momba ny vavaka. Iray amin’ireo fitsipika nampianariny ny hoe: Raha miambina sy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray isika, dia ho afaka hanohitra ireo fakam-panahin’i Satana. Rehefa miambina isika dia miambina, na malina, na mitandrina ara-panahy.

Vakio ny 3 Nefia 18:15–21 ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra ilay fitsipika haseho etsy ambony. Nahoana araka ny hevitrao no samy tena ilaina ny miambina sy ny mivavaka mba hanoherana ny fakam-panahy?

Jereo fa ny 3 Nefia 18:15, 20–21 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Asio marika ao anatin’ny soratra masinao ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  1. Vakio sy eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ny roa na ny mihoatra izany amin’ireo fanontaniana:

    1. Ahoana no fomba nanampian’ny vavaka anao hanohitra ireo fakam-panahin’i Satana?

    2. Inona no azonao atao mba hanatsarana ireo vavaka ataonao manokana?

    3. Inona avy ireo fitahiana azonao avy amin’ny fiarahana mivavaka amin’ny fianakavianao? (jereo ny 3 Nefia 18:21).

    4. Inona no azonao atao mba hanampiana ny fianakavianao hanao vavaky ny mpianakavy tsy tapaka sy manan-danja?

Rehefa mivavaka amin’ny Ray any an-danitra isika ary manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy dia matetika te hanampy ny hafa ihany koa hanakaiky Azy bebe kokoa. Mieritrereta olona iray izay tianao ampiana mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Vakio ny 3 Nefia 18:22–24 ary tadiavo ao anatin’ireo andininy ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manompo ny hafa isika dia afaka manampy azy ireo hanatona an’i Kristy.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 18:24 dia nampianatra ny Mpamonjy fa tokony hanainga ambony ny fahazavantsika isika tsirairay avy mba hamirapiratany eo amin’izao tontolo izao. Nilaza ihany koa Izy fa Izy no fahazavana izay tokony haingantsika ambony. Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa manainga ambony ny fahazavan’ny Mpamonjy isika rehefa mitandrina ny didiny sy manaraka ny ohatra nasehony:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Tokony hitovy amin’ny Mpamonjy isika satria nampitandrina antsika Izy hoe “Mankanesa aty Amiko.’ “Moa ve tsy ho ankasitrahan’i Jesoa raha toa isika ka mamela ny fahazavantsika hamirapiratra mba hahatonga ireo izay manara-dia antsika hanara-dia ny Mpamonjy? Misy ireo izay mitady ny fahazavana, izay handingana amim-pifaliana ny vavahadin’ny batisa mankao amin’ilay lalana ety sy tery, izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny 2 Nefia 31). Ekenao ve ny ho io fahazavana io izay mitondra azy ireo mankany amin’ny toerana azo antoka? …

“Efa naka fotoana ve ianao hieritreretana fa mety ho ianao ilay fahazavana nirahin’ny Ray any an-danitra hitarika olona iray hafa hody any Aminy na mba ho fanilo avy lavitra mba hanoro ny lalana miverina amin’ilay lalana ety sy tery, izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay? Fanilo ny fahazavanao ary tsy tokony hitsahatra hirehitra mihitsy na hampivily lalana ireo izay mitady ny lalana hiverenana hody. …

“… I Jesoa Kristy no ilay fahazavana izay nomena antsika mba hanarahantsika sy ahafahantsika mahafantatra izay lalana haleha. [Mivavaka aho] mba hisafidianantsika tsirairay avy ny tsara [mba hahafahantsika] mampitraka sy mampahery ireo olona manodidina antsika” (“That Ye May Be Children of Light” [Fampaherezam-panahy an’ny D.F.F ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, nôv. 3, 1996], 6–7).

Ny fivavahana ho an’ny hafa, sy ny fanasana azy ireo hanatrika ireo fivoriam-piangonana, ary ny fanehoana ohatra tahaka ny an’i Kristy dia fomba azontsika ampiasaina mba hanompoana ny hafa. Eitrereto ny zavatra tsapanao rehefa nanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ianao ka nanampy olona hafa hanakaiky bebe kokoa ny Mpamonjy. Inona no hataonao anio na amin’ity herinandro ity mba hamelàna ny fahazavanao hamirapiratra, mba hanarahan’ireo izay manaraka anao ihany koa ny Mpamonjy?

3 Nefia 18:26–39

Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy mba hihavana amin’ny olon-drehetra

Rehefa avy nametraka ny fanasan’ny Tompo ny Mpamonjy, ka nampianatra ny Nefita mikasika ny vavaka dia nitodika tany amin’ireo mpianatra roambinifolo nofidiany Izy, ka nampianatra azy ireo ny fomba itarihana sy hitondrana ny raharahan’ny Fiangonana (jereo ny 3 Nefia 18:26–39). Jereo ao amin’ny 3 Nefia 18:26 fa nitsahatra niteny tamin’ny valalabemandry ny Mpamonjy ary nitodika tany amin’ireo mpitarika “izay efa nofinidiny.” Ny hafatra nomeny ao amin’ny andininy 28–29 dia nomena ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ho toy ny fampitandremana mba tsy hamela ireo izay tsy mendrika handray ny fanasan’ny Tompo.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia tokony hifantoka amin’ny fahamendrehan’ny tenan’izy ireo manokana ahafahany mandray ny fanasan’ny Tompo, ary hamela ny andraikitra hanapa-kevitra ny amin’ny fahamendrehan’ny hafa handray ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo izay nantsoin’ny Tompo hanao ny fitsarana toy izany, tahaka ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Vakio ny 3 Nefia 18:32 mba hitadiavana ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy ireo mpianatra hiahy ireo izay nania tamin’ny finoana. Eritrereto ny fomba ahafahanao manohy ny fiahianao ny namana iray, na ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, na olona iray ao amin’ny sampana na paroasy misy anao, izay nania tamin’ny finoana.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—3 Nefia 18:15, 20–21

Mandania minitra vitsy hanaovana tsianjery ny 3 Nefia 18:15, 20–21. Soraty amin’ny taratasy kely ireo andininy telo ary avy eo dia avereno tononina izy ireo. Rehefa avy namerimberina namaky azy ireo ianao dia manomboha mamafa na manala ampahany maro samy hafa amin’ireo andininy eo am-panohizanao manonona ireo andininy. Azonao atao ny mamerimberina io fomba fianarana io mandra-pahavoafafa na mandra-panala tanteraka ireo teny rehetra.

Rehefa manao tsianjery ireo andininy ireo ianao dia eritrereto izay zavatra nampianarin’ny Mpamonjy. Araka izay voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 18:15 dia nampianaran’i Jesoa Kristy an’ireo Nefita ny fomba andresena ny fakam-panahin’ny devoly. Mariho ny hery azo avy amin’ny vavaka. Afaka mahazo hery hanoherana ny fakam-panahy isika amin’ny alalan’ny vavaka.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 18:20–21 dia nampianatra i Jesoa Kristy fa rehefa mivavaka amim-pinoana isika dia mamaly mandrakariva ny vavaka ataontsika ny Ray, kanefa mamaly araka ny drafitra nataony ho an’ny zanany Izy sy ny zavatra fantany fa tsara ho antsika. Avereno mafy ny andininy 20: “Ary na inona na inona hangatahinareo ny Ray amin’ ny anarako, ka rariny, rehefa mino ianareo fa handray, dia indro homena anareo izany.” Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “ka rariny” ao amin’ity andininy ity? (Azonao atao ny mijery ny Jakoba 4:3.)

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

Nizara ity fijoroana ho vavolombelona ity ny Filoha Gordon B. Hinckley: “Velona Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra. Izy no Mpahary sy Mpanapaka izao tontolo rehetra izao, kanefa Raintsika Izy. Izy no Ilay Tsitoha sy ambonin’ny zavatra rehetra. Azo atao ny mifandray Aminy amin’ny alalan’ny vavaka. … Mahare ny vavaka ataon’ny ankizy ve izy? Eny, mazava ho azy. Mamaly izany ve Izy? Eny, mazava ho azy. Tsy voatery hifanaraka amin’izay iriantsika foana, saingy mamaly Izy. Mahare Izy ary mamaly” (Teachings of Gordon B. Hinckley [1997], 468).

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “[Ao amin’ny 3 Nefia 18:20] ny Mpamonjy dia mampahatsiahy antsika fa ny finoana, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny tanjany, dia tsy afaka mitondra vokatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Ilay tompon’io hery io. Ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo dia manaraka mandrakariva ny lamin’ny lanitra, ny fahatsaran’ny Tompo sy ny sitrapony ary ny fahendreny sy ny fotoany. Izay no antony tsy ahafahantsika manana finoana tena marina ny Tompo raha tsy matoky tanteraka ihany koa ny sitrapo sy ny fotoan’ny Tompo” (“Faith in the Lord Jesus Christ,” Ensign, mey 1994, 100).

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 18 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: