Seminera
Fizarana 31: Andro 3, Môrônia 6


Fizarana 31: Andro 3

Môrônia 6

Fampidirana

Namaramparana ny famitana ny rakitsorany teo amin’ireo takelaka i Môrônia tamin’ny alalan’ny fanazavana ny sasany amin’ireo fitakiana amin’ny olona iray mba ho vonona amin’ny batisa ao amin’ny Fiangonana. Dia nofariparitany avy eo ireo andraikitry ny mpikamban’ny Fiangonana eo amin’ny fikolokoloana ireo mpikambana hafa. Nanazava ny tanjon’ireo fivoriam-piangonana ihany koa i Môrônia ary nanamafy ny filana ireo fivoriam-piangonana mba hotarihin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Môrônia 6:1–3

Mamaritra ireo fitakiana ho an’ny batisa i Môrônia

Sary
ankizilahy iray atao batisa

Alaivo sary an-tsaina hoe manana mpiray tampo fito taona ianao izay ho valo taona afaka volana vitsivitsy. Nangataka anao mba hampianatra lesona amin’ny takarivan’ny mpianakavy mikasika ny fomba fiomanana amin’ny batisa ny ray aman-dreninao.

  1. Raha toa ka hampianatra izany lesona izany izao dieny izao ianao, inona no ho ampianarinao mba hanampiana ilay mpiray tampo aminao hiomana ho atao batisa? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireo eritreritrao.

Taorian’ny nampidirany ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo tao anatin’ny rakitsorany (jereo ny Môrônia 4–5) dia nanampy torolalana mikasika ny ôrdônansin’ny batisa i Môrônia. Vakio ny Môrônia 6:1–3 eo am-pitadiavana ireo zavatra takiana amin’ny batisa. Mety irianao ny hanisy marika ireo zavatra takiana izay hitanao ao anatin’ny soratra masinao.

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe ireo izay maniry ny hatao batisa dia natao hitondra “voa izay naneho fa mendrika izany”? (Môrônia 6:1.)

Saintsaino izay eritreretinao fa dikan’ny hoe manana “fo torotoro sy fanahy manenina” (Môrônia 6:2) alohan’ny hanaovana batisa. Araka ny voarakitra ao amin’ny Môrônia 6:1–3 , nanazava i Môrônia fa amin’ny alalan’ny batisa dia manao fanekempihavanana ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika sy manompo Azy hatramin’ny farany isika. Inona no ataonao mba hihazonana sy hanatanjahana ny fahavononanao hanompo an’i Jesoa Kristy?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny sasany amin’ireo fomba izay nezahinao natao hatramin’ny batisanao mba hihazonana sy hanatanjahana ny fahavononanao hanompo an’i Jesoa Kristy.

Môrônia 6:4

Manazava ny fomba hikolokoloana sy hamelomana ara-panahy ireo mpikamban’ny Fiangonana i Môrônia

Taorian’ny nanazavany ireo zavatra takiana amin’ny olona tsirairay alohan’ny fanaovana batisa, dia nanazava ny fomba hijanonan’ireo vao vita batisa ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony i Môrônia avy eo. Vakio ny Môrônia 6:4, ary tadiavo izay natao mba hanampiana ireo vao niova fo mba hijanona ho mahatoky.

Fintino izay nianaranao avy tamin’ny Môrônia 6:4 mikasika ireo andraikitrao amin’ireo mpikambana hafa an’ny Fiangonana.

Inona avy ireo fitahiana izay nambaran’ny Môrônia 6:4 fa ho tonga avy amin’ireo izay fahanana ny tenin’Andriamanitra?

Fahamarinana iray hafa nampianarina ao amin’ny Môrônia 6:4 ny hoe manana andraikitra hitadidy sy hamahana ara-panahy ireo mpikambana hafa an’ny Fiangonana.

Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fifamahanana amin’ny tenin’Andriamanitra ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny ankamaroan’ny olona dia tsy tonga any am-piangonana mba hitady fahamarinana vitsivitsy vaovao ara-pilazantsara fotsiny ihany na hahita namana tranainy, na dia manan-danja avokoa aza izany rehetra izany. Tonga hikatsaka traikefa ara-panahy izy ireo. Maniry fiadanana izy ireo. Iriny ny mba hampahatanjahana ny finoany’izy ireo sy ny hanavaozana ny fanantenan’izy ireo. Maniry izy ireo, raha tsorina, ny hofahanana amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra, ny ho hampahatanjahana amin’ny alalan’ireo herin’ny lanitra. Ireo amintsika izay nantsoina hiresaka na hampianatra na hitarika dia manana andraikitra hanatanteraka izany amin’ny fomba tsara indrindra vitantsika” (“A Teacher Come from God,” Ensign, Mey 1998, 26).

Moa ve ianao efa nieritreritra mikasika ny hamaroan’ny olona nivavaka ho anao, nanomana lesona ho anao, sy nampahery anao ary namporisika anao hazoto ato am-piangonana, sy nanampy anao nandritra ireo fotoan-tsarotra?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny momba ny olona roa na telo izay nahatsiaro anao tamin’ny fomba miavaka na namahana anao ara-panahy.

Aoriana kely ao dia hifampiresaho amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fianakaviana na amin’ny namana ny fomba nitahiana anao satria nahatsiaro anao na namahana anao tamin’ny tenin’Andriamanitra ny olona iray.

Nitantara ny tantaran’ny diakona iray tao amin’ny paroasiny izay nahatakatra ny filàna ny fanatontosana ny andraikiny amin’ny mpikambana hafa ao amin’ny kôlejiny ny Filoha Henry B. Eyring avy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Nipetraka teo akaikin’ny tranoko ny iray tamin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejiny. Izany zazalahy izany dia tsy mbola nanatrika fivorian’ny kôlejy na oviana na oviana na nanao zavatra niaraka tamin’ny mpikambana tao amin’ny kôlejiny. Tsy mpikamban’ny Fiangonana ny raikeliny, ary tsy mba niangona ny reniny.

“Nivory tao amin’ny filankevitra indray Alahady maraina ny fiadidian’ny kôlejin’ny diakona nisy azy dia. … Tao anatin’ny fivorian’ny fiadidian’izy ireo dia nahatsiaro ilay zazalahy izay tsy tonga na oviana na oviana ireto mpiandry ondry vao 13 taona ireto. Izy ireo dia niresaka momba ny tena ilàny izay zavatra noraisin’izy ireo. Nanome andraikitra ny mpanolotsainy mba hitady izany ondry mirenireny izany ilay filoha.

“Fantatro ilay mpanolotsaina, ary fantatro fa saro-kenatra izy, ary fantatro ny hasarotr’ilay andraikitra nampanaovina, koa dia nijery tamim-piahiahiana teo amin’ny varavarankeliko aho rehefa iny nandeha mora dia mora nandalo ny tranoko iny ilay mpanolotsaina, niakatra tamin’ny arabe nankany amin’ny tranon’ilay zazalahy izay tsy mba nandeha tany am-piangonana velively. Nanao tanana am-paosy ilay mpiandry ondry. Nijery ambany izy. Nandeha mora izy, toy ny fomba izay ataonao rehefa tsy azonao antoka fa te ho tonga any amin’ny toerana handehananao ianao. 20 minitra na mihoatra kely taorian’izay dia niverina nidina ny arabe niaraka tamin’ilay diakona very teo anilany izy. Niverimberina nandritra ny Alahady vitsivitsy ity toe-javatra ity. Dia nifindra toerana avy eo ilay zazalahy izay very taloha ary hita avy eo.

“… Taona maro taty aoriana, nanatrika fihaonamben’ny tsatòka iray tany amin’ny kontinanta iray lavitra ilay efitrano nivorian’ny filankevitr’izany fiadidiana izany aho. Nisy lehilahy fotsy volo iray nanatona ahy ary niteny mora hoe, ‘Nipetraka tao amin’ny paroasinao ny zafikeliko taona maro lasa izay.’ Tamim-pahalefahana no nitantarany tamiko ny fiainan’izany zazalahy izany. Ary avy eo dia nangataka ahy izy raha toa ka afaka hitady ilay diakona izay niakatra moramora izany arabe izany aho. Ary nangataka ahy izy raha toa ka azoko atao ny misaotra azy sy miteny aminy fa ny zafikeliny, izay efa lehilahy lehibe ankehitriny, dia mbola mahatsiaro” (“Watch with Me,” Ensign, Mey 2001, 38–39).

Eritrereto ireo olona manokana izay mety ho tian’ny Tompo “hotsaroanao” na “hofahananao.” Manaova drafitra iray ahafahanao mamahana azy ireo ara-panahy. Soraty eo amin’ny taratasy iray ny anaran’izy ireo ary apetraho eo amin’ny toerana iray izay ahafahanao mahatsiaro azy ireo izany.

Môrônia 6:5–9

Mamaritra ny tanjon’ny fivorian’ny Fiangonana sy ny fomba fitarihana izany i Môrônia

Alaivo sary an-tsaina hoe ray aman-drenin’ny zatovo iray ianao izay niteny tato anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa izay fa tsy te ho any am-piangonana izy satria toa tsy misy dikany sy mahakamo izany. Saintsaino izay hoteneninao mba hamporisihana ny zanakao mba hiangona sy mba hahatakarany ireo tena antony hiangonana tsy tapaka.

Tao anatin’ny rakitsorany dia nentanim-panahy mba hanazava ireo antony nihaonan’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny androny i Môrônia. Halalino ny Môrônia 6:5–6 ary tadiavo ny fomba ahafahanao mameno izao teny manaraka izao: Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mivory matetika isika mba.

Nizara ampahany tamin’ny taratasy avy tamin’ny namana iray iray naneho fiovan-toetra teo amin’ny fanatrehana fiangonana ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Nisy namana hendry iray nanoratra hoe:

“‘Taona maro lasa izay dia nanova ny toe-tsaiko mikasika ny fandehanana any am-piangonana aho. Tsy mankany am-piangonana mba ho an’ny tenako intsony aho fa ho an’ny hafa. Nanapa-kevitra aho fa hiarahaba ny olona mipetra-drery sy handray ireo vahiny, … ary hanolo-tena hanao asa iray. …

“‘Raha fintinina dia mankany am-piangonana isan-kerinandro aho miaraka amin’ny fikasana handray anjara mavitrika fa tsy hidonana-poana ary hitondra fiovana tsara eo amin’ny fiainan’ny olona. Vokatr’izany dia lasa nankafiziko sy nahafa-po ahy bebe kokoa ny fandehanako any am-piangonana.’

“Izany rehetra izany dia mampiseho ilay fitsipika mandrakizay hoe faly sy afa-po isika rehefa manao asa sy manompo amin’ny alalan’ny zavatra omentsika fa tsy amin’ny alalan’ny zavatra azontsika” (“Unselfish Service,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 96).

Mety ho nofenoinao tamin’ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto ilay teny tetsy ambony.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mivory matetika isika mba:

  • Hifady hanina sy hivavaka.

  • Hifampatanjaka ara-panahy.

  • Handray ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny Tompo Jesoa Kristy.

Saintsaino lalina ireo traikefa izay nanananao izay nampianatra anao ny maha-zava-dehibe ny fivavahana sy fifadiana hanina miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny paroasinao na ny sampana misy anao.

Sary
fianakaviana ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Hoy toy ny ahoana ny toe-javatra iainanao any am-piangonana raha toa ka mandeha any miaraka amin’ny faniriana mba hampatanjaka ara-panahy ny hafa ianao?

    2. Nahoana no sarobidy ny mandray matetika ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy?

    3. Ahoana no ahafahan’ny fandehanana any am-piangonana ho an’ireo tanjona izay voatanisa tetsy ambony manampy amin’ny “fihazonana[anao] amin’ny lalana tsara”? (Môrônia 6:4.)

Vakio nyMôrônia 6:7–8, ary tadiavo izay naha “hentitra tamin’ny fitandremana” an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Môrônia, na amin’ny teny hafa, inona no notandreman’izy ireo fatratra. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fifampianarantsika sy fifamporisihantsika ny hiala sy hibebaka amin’ny fahotana?

Nijoro ho vavolombelona i Môrônia fa isaky ny mibebaka sy mikatsaka famelan-keloka amin-kitsimpo isika dia ho voavela heloka. Mety irinao ny hanisy marika ity fahamarinana ao amin’ny Môrônia 6:8ity.

Nofaranan’i Môrônia tamin’ny fampianarana ny fomba tokony hitarihana ireo fivoriam-piangonana ity toko ity. Vakio ny Môrônia 6:9ary fantaro hoe iza no tokony hitarika ireo fivoriantsika ao am-piangonana. Mieritreritra fotoana iray izay nahatsapanao manokana ny fitaoman’ny Fanahy Masina nandritra ny fivoriam-piangonana iray.

Amin’ny fomba ahoana no hiantefan’ilay fitsipika hoe tokony hotarihina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ireo fivoriam-piangonana aminao? Raha toa ka angatahana hizara lahateny iray na hampianatra lesona mandritra ny fivoriam-piangonana iray ianao, ahoana no ahafahanao maka antoka fa izay teneninao dia mitondra anjara biriky amin’ny fanasana ny fitarihana sy fitaoman’ny Fanahy Masina mandritra izany fivoriana izany?

  1. Manorata drafitra iray ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izay ahitana ny fomba hiatrehanao ireo fivoriam-piangonana amin’ity Alahady ho avy ity. Mety ho tianao ny hampiditra ireo fomba hanasana ny Fanahy Masina ao anatin’ny fitsaohana ataonao sy izay fomba hahafahanao mahatsiaro sy mamahana ny hafa amin’ny alalan’ny fanatrehanao.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrônia 6 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: