Ny soratra masina
Almà 18


Toko 18

Nihevitra i Lamônia Mpanjaka fa i Amôna no ilay Fanahy Lehibe—Nampianarin’i Amôna ny mpanjaka ny momba ny Fahariana, sy ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ny olona ary ny fanavotana izay ho avy amin’ny alalan’i Kristy—Nino i Lamônia ary lavo tamin’ny tany miova tsy toy ny maty izy. Tokony ho 90 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia nasain’i Lamônia mpanjaka nandroso ny mpanompony ary nanambara ny amin’ny zavatra rehetra izay efa hitany momba ity raharaha ity.

2 Ary nony efa nanambara ny amin’ny zavatra izay efa hitany izy rehetra, ka efa fantany ny amin’ny maha-olo-mahatoky an’i Amôna tamin’ny fitsimbinana ny andian’ondriny, ary koa ny amin’ny heriny lehibe tamin’ny niadiany nanohitra ireo izay nitady hamono azy, dia talanjona fatratra tokoa izy, ary hoy izy: Marina tokoa raha tsy mihoatra noho ny olona ity. Indro, moa va tsy ity ilay Fanahy Lehibe izay mandefa famaizana lehibe toy izany amin’ity vahoaka ity noho ny famonoany olona?

3 Ary namaly ny mpanjaka izy ireo, nanao hoe: Na izy Fanahy Lehibe, na izy olona, dia tsy fantatray; fa ny hany fantatray dia atsy azon’ny fahavalon’ny mpanjaka vonoina izy; sady tsy azony ahahaka ny andian’ondrin’ny mpanjaka rehefa miaraka aminy izy, noho ny hakingany sy ny heriny lehibe; noho izany dia fantatray fa sakaizan’ny mpanjaka izy. Ary ankehitriny, Ry mpanjaka, dia tsy inoanay fa ny olona iray dia manana hery lehibe toy izany, satria fantatray fa tsy azo vonoina izy.

4 Ary ankehitriny, rehefa nandre izany teny izany ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: ankehitriny dia fantatro fa izy no Fanahy Lehibe; ary efa nidina izy amin’izao fotoana izao mba hitsimbina ny aintsika mba tsy hahazoako amamono anareo toy ny nataoko tamin’ireo rahalahinareo. Ankehitriny dia ity no Fanahy Lehibe izay efa noresahin’ny razantsika.

5 Ankehitriny dia izao no fomban-drazan’i Lamônia, izay efa noraisiny tamin-drainy, dia ny fisian’ny aFanahy Lehibe iray. Kanefa na dia ninoany aza ny Fanahy Lehibe iray, dia noheveriny fa na inona na inona nataony dia mety; na dia teo aza izany dia nanomboka natahotra fatratra tokoa i Lamônia, natahotra fandrao tsy nety ny nataony tamin’ny namonoany ny mpanompony;

6 Satria efa namono ny maro taminy izy noho ny rahalahiny efa nampihahaka ny andian’ondriny teo amin’ny toerana fampisotroana; ary satria nanana andian’ondry nihahaka izy ireny, dia toy izany no nahafaty azy ireny.

7 Ankehitriny dia fomban’ireo Lamanita ny nijoro teo amoron’ny ranon’i Sebo mba hampihahaka ny andian’ondrin’olona, fa tamin’izany no nahazoany nitondra nitsoaka ny maro izay nihahaka hankany amin’ny taniny, fa izany no fomba fandrobana teo aminy.

8 Ary ny zava-nitranga dia nanadina ny mpanompony i Lamônia mpanjaka, nanao hoe: Aiza ilay lehilahy izay manana hery lehibe toy izany?

9 Ary hoy ireo taminy: Indro, mamahana ny soavalinao izy. Ankehitriny ny mpanjaka dia efa nandidy ny mpanampony, talohan’ny fotoana nampisotroana ny andian’ondriny, fa tsy maintsy manomana ny soavaliny sy ny kalesiny ireo ary mitondra azy mankany an-tanin’i Nefia; satria efa nisy fanasana lehibe nomanin’ny rain’i Lamônia, izay mpanjaka nanerana ny tany manontolo, any an-tanin’i Nefia.

10 Ankehitriny nony nandre i Lamônia mpanjaka fa manomana ny soavaliny sy ny kalesiny i Amôna, dia vao mainka talanjona izy noho ny maha-olo-mahatoky an’i Amôna, ka nanao hoe: Marina tokoa fa tsy nisy mpanompo iray tamin’ny mpanompoko rehetra izay nahatoky tokoa hoatra ity lehilahy ity; fa mahatadidy na dia ny didiko rehetra aza izy mba hanatanterahina ireny.

11 Ankehitriny dia fantatro marina tokoa fa izy no ilay Fanahy Lehibe, ary mba iriko ny hankanesany aty amiko, saingy tsy sahy aho.

12 Ary ny zava-nitranga, rehefa nomanin’i Amôna ho an’ny mpanjaka sy ny mpanompony ny soavaly sy ny kalesy, dia niditra nankao amin’ny mpanjaka izy, ary nahita izy fa niova ny tarehin’ny mpanjaka; koa efa saika hiverina hiala avy teo anatrehany izy.

13 Ary ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny mpanjaka, nanao taminy hoe: Rabanà, izay raha adika, dia mpanjaka mahery na lehibe, noho ny fiheverany ny mpanjakany ho mahery; ary dia izany no nilazany taminy hoe: Rabanà, maniry ny hijanonanao ny mpanjaka.

14 Koa nitodika tany amin’ny mpanjaka i Amôna ary nanao taminy hoe: Inona no tianao hataoko aminao, ry mpanjaka? Ary tsy namaly azy nandritra ny ora iray ny mpanjaka, araka ny fotoany, satria tsy fantany izay tokony holazaina azy.

15 Ary ny zava-nitranga dia hoy indray i Amôna taminy: Inona no irinao amiko? Nefa tsy namaly azy ny mpanjaka.

16 Ary ny zava-nitranga dia heniky ny Fanahin’ Andriamanitra i Amôna, koa nahatakatra ny aeritreritry ny mpanjaka izy. Ary hoy izy taminy: Moa ve noho ianao efa nandre fa niaro ny mpanomponao sy ny andian’ondrinao aho, ary namono ny fito tamin’ny rahalahiny tamin’ny antsamotady sy tamin’ny sabatra, ary nanapaka hiala ny sandrin’ny hafa mba hiarovana ny andian’ondrinao sy ny mpanomponao; indro, moa va izany no mahatonga ny fahagaganao?

17 Hoy aho aminao, inona no mahatonga ny fahagaganao ho lehibe tokoa? Indro, izaho dia olona ary mpanomponao; noho izany, na inona na inona irinao ka marina, dia hataoko izany.

18 Ankehitriny nony efa nandre ireo teny ireo ny mpanjaka dia gaga indray izy, satria hitany fa afaka amamaky ny eritreriny i Amôna; fa na dia teo aza izany, dia nisoka-bava i Lamônia mpanjaka, ary hoy izy taminy: Iza ianao? Ianao va ilay Fanahy Lehibe izay bmahalala ny zava-drehetra?

19 Namaly i Amôna ary nanao taminy hoe: Tsy izy aho.

20 Ary hoy ny mpanjaka: Ahoana no ahalalanao ny fisaintsainan’ny foko? Mahazo miteny amim-pahasahiana tokoa ianao, ary milaza amiko ny momba ireo zavatra ireo; ary lazao ahy koa, hery toa inona no namonoanao sy nanapahanao hiala ny sandrin’ny rahalahiko izay nampihahaka ny andian’ondriko—

21 Ary ankehitriny, raha mety milaza amiko ny momba ireo zavatra ireo ianao, na inona na inona irinao dia homeko anao; ary raha toa ka ilaina dia hampiambenako anao ny miaramilako; nefa fantatro fa mahery kokoa noho izy rehetra ianao; kanefa, na inona na inona irinao amiko dia hotoviko aminao.

22 Ankehitriny, noho i Amôna hendry, kanefa morabe, dia hoy izy tamin’i Lamônia: Moa mety hihaino ny teniko va ianao raha lazaiko hoe hery manao ahoana no anaovako ireo zavatra ireo? Ary izany no zavatra izay iriako aminao.

23 Ary namaly azy ny mpanjaka sy nanao hoe: Eny, hino ny teninao rehetra aho. Ary dia toy izany no nahazoana azy tamim-pahakingana.

24 Ary nanomboka niteny tamim-apahasahiana i Amôna ary nanao taminy hoe: Mino va ianao fa misy Andriamanitra?

25 Ary namaly izy ary nanao taminy hoe: Tsy mahalala izay dikan’izany aho.

26 Ary tamin’izay dia hoy i Amôna: Mino va ianao fa misy ny Fanahy Lehibe iray?

27 Ary hoy izy, Eny.

28 Ary hoy i Amôna: Io no Andriamanitra. Ary hoy indray i Amôna taminy: Mino va ianao fa io Fanahy Lehibe io, izay Andriamanitra, no nahary ny zava-drehetra izay eny an-danitra sy ety an-tany?

29 Ary hoy izy: Eny, mino aho fa Izy no nahary ny zavatra rehetra izay ety an-tany; fa tsy fantatro kosa ny lanitra.

30 Ary hoy i Amôna taminy: Ny lanitra dia toerana izay ipetrahan’ Andriamanitra sy ny anjeliny masina rehetra.

31 Ary hoy i Lamônia mpanjaka: Moa ambonin’ny tany va izany?

32 Ary hoy i Amôna: Eny, ary mitsinjo ny zanak’olombelona rehetra Izy; ary fantany ny aeritreritra sy ny fisainan’ny fo rehetra; fa tamin’ny tanany no efa nahariana ny rehetra hatrany am-piandohana.

33 Ary hoy i Lamônia mpanjaka: Mino ireo zava-drehetra izay efa noteneninao ireo aho. Irahin’ Andriamanitra va ianao?

34 Ary hoy i Amôna taminy: Olona aho; ary ny aolona dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra tany am-piandohana, ary antsoin’ny Fanahiny Masina aho mba bhampianatra ireo zavatra ireo amin’ity vahoaka ity mba hahazoana mitarika azy ho amin’ny fahalalana ny momba izay mahitsy sy marina;

35 Ary ampahany amin’izany aFanahy izany no mitoetra ato amiko ka manome ahy bfahalalana ary koa hery araka ny finoako sy ny faniriako izay ao amin’ Andriamanitra.

36 Ankehitriny nony efa nilaza ireo teny ireo i Amôna, dia natombony tamin’ny nahariana izao tontolo izao ary koa ny nahariana an’i Adama, ary nolazainy azy ny zavatra rehetra momba ny fahalavoan’ny olona ary anotantarainy sy napetrany teo anoloany ny rakitsoratra sy ny bsoratra masin’ny vahoaka, izay efa noresahan’ny dmpaminany hatramin’ny fotoana izay nandaozan’i Lehia rainy an’i Jerosalema.

37 Ary notantarainy tamin’izy ireo koa(satria tamin’ny mpanjaka sy tamin’ny mpanompony) ny dia rehetra nataon’ny razany tany an-tany foana ary ny fijaliany rehetra noho ny hanoanana sy ny hetaheta, ary ny filofosany sy ny sisa.

38 Ary notantarainy tamin’izy ireo koa ny momba ny fikomian’i Lamàna sy i Lemoela ary ny zanakalahin’i Ismaela, eny, ny fikomiany rehetra dia notantarainy azy ireo; ary nohazavainy azy ireo ny rakitsoratra sy ny soratra masina rehetra hatramin’ny fotoana nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema ka hatramin’izao fotoana izao.

39 Nefa tsy izay ihany; fa nohazavainy azy ireo ny adrafitry ny fanavotana izay efa voaomana hatry ny fanorenana izao tontolo izao; ary nampahalalainy azy ireo koa ny momba ny fiavian’i Kristy, ary ny asan’ny Tompo rehetra dia nampahalalainy azy ireo.

40 Ary ny zava-nitranga, taorian’ny efa nilazany ireo zava-drehetra ireo sy nanazavany azy ireo tamin’ny mpanjaka, dia nino ny teniny rehetra ny mpanjaka.

41 Ary nanomboka niantso ny Tompo izy, nanao hoe: Tompo ô, mamindrà fo; araka ny afamindram-ponao sesehena izay efa namindranao fo tamin’ny vahoakan’i Nefia, dia mamindrà fo amiko sy amin’ny vahoakako.

42 Ary ankehitriny, nony efa nilaza izany izy dia niankarapoka tamin’ny tany miova tsy toy ny maty.

43 Ary ny zava-nitranga dia nalain’ny mpanompony izy ary nentiny nankao amin’ny vadiny ary nampandriany teo am-pandriana; ary nandry izy miova tsy toy ny maty nandritra ny roa andro sy roa alina; ary nisaona azy ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy, araka ny fanaon’ny Lamanita, ka nitomany fatratra tokoa ny fahalasanany.