Ny soratra masina
Almà 62


Toko 62

Nandeha tany an-tanin’i Gideôna i Môrônia mba hanampy an’i Pahôràna—Novonoina ho faty ny mpomba ny mpanjaka izay nandà ny hiaro ny taniny—Nahazo indray an’i Nefihà i Pahôràna sy i Môrônia—Nikambana tamin’ny vahoakan’i Amôna ny Lamanita maro—Namono an’i Amôrôna i Teankoma ary novonoina izy avy eo—Natosika hiala ny tany ny Lamanita, ary naorina ny fandriampahalemana—Niverina tamin’ny asa fanompoana i Helamàna ary nanorina fiangonana. Tokony ho 62–57 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga nony efa nandray izany taratasy izany i Môrônia dia nahazo hery ny fony sy heniky ny fifaliana izaitsizy tokoa noho ny fahatokian’i Pahôràna, fa izy koa dia tsy ampamadika ny fahafahana sy ny foto-kevitry ny taniny.

2 Nefa nalahelo fatratra tokoa izy noho ny helok’ireo izay efa nandroaka an’i Pahôràna hiala ny toeram-pitsarana, eny, raha fintinina, noho ireo izay efa nikomy tamin’ny taniny ary koa tamin’ Andriamaniny.

3 Ary ny zava-nitranga dia naka olona vitsivitsy i Môrônia, araka ny fanirian’i Pahôràna, sy nanome an’i Lehia sy i Teankoma ny fibaikoana ny miaramilany sisa ary nandeha nankany an-tanin’i Gideôna.

4 Ary natsangany ny afanevan’ny bfahafahana na taiza na taiza toerana nidirany ary azony ny hery rehetra tratrany nandritra ny diany rehetra nankany an-tanin’i Gideôna.

5 Ary ny zava-nitranga dia an’arivony no nirohotra teo ambanin’ny fanevany, sy naka ny sabany ho fiarovana ny fahafahany mba tsy hahatonga azy ireo any amin’ny fanandevozana.

6 Ary dia toy izany, rehefa naha-tafavory niaraka ny olona rehetra azony nandritra ny diany rehetra i Môrônia, no nahatongavany tao an-tanin’i Gideôna; ary natambatra ny heriny sy ireo an’i Pahôràna, ka nanjary natanjaka izaitsizy tokoa ireo, natanjaka kokoa noho ny olon’i Pako aza, izay ampanjakan’ireo mpiendaka ireo izay efa nandroaka ny bolon’ny fahafahana hiala ny tanin’i Zarahemlà sy efa nandray ny fizakana ny tany.

7 Ary ny zava-nitranga dia nandeha nidina i Môrônia sy i Pahôràna niaraka tamin’ny miaramilany nankany an-tanin’i Zarahemlà sy nandeha nanohitra ny tanàna ary nifanehatra tamin’ny olon’i Pako, hany ka tonga mba hiady izy ireo.

8 Ary indro, voavono i Pako, ary nalaina ho babo ny olona, ary naverina teo amin’ny toeram-pitsarany i Pahôràna.

9 Ary nandray ny fitsarana azy ireo ny olon’i Pako, araka ny lalàna, ary koa ireo mpomba ny mpanjaka ireo izay efa nalaina sy natao am-ponja; ary anovonoina araka ny lalàna izy ireo; eny, ireo olon’i Pako ireo sy ireo mpomba ny mpanjaka ireo, na zovy na zovy no tsy te handray fiadiana ho fiarovana ny taniny, fa te hiady kosa hanohitra izany, dia novonoina ho faty.

10 Ary dia toy izany no nilana ny tokony hanarahana tamim-pihenjanana tokoa izany lalàna izany ho filaminan’ny taniny; eny, ary na zovy na zovy no hita ho nandà ny fahafahany dia najedana faingana tokoa araka ny lalàna.

11 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahatelopolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia; rehefa namerina indray ny fandriampahalemana teo amin’ny tanin’i Zarahemlà, tany anivon’ny olony ihany i Môrônia sy i Pahôràna, rehefa nampitondra fahafatesana tamin’ireo rehetra izay tsy nahatoky tamin’ny foto-kevitry ny fahafahana.

12 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny fiandohan’ny taona fahiraika amby telopolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia, dia nataon’i Môrônia avy hatrany izay handefasana vatsy, ary koa ny handefasana miaramila enina arivo lahy tany amin’i Helamàna mba hanampy azy amin’ny fitanana izany faritry ny tany izany.

13 Ary nataony koa izay handefasana miaramila enina arivo lahy, niaraka tamin’ny habetsahan-tsakafo ampy, any amin’ny miaramilan’i Lehia sy i Teankoma. Ary ny zava-nitranga dia natao izany mba hanamafy ny tany hanoherana ny Lamanita.

14 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy namela vondron’olona sesehena tao an-tanin’i Zarahemlà i Môrônia sy i Pahôràna, dia nandeha niaraka tamin’ny vondron’olona sesehena nankany an-tanin’i Nefihà, rehefa tapa-kevitra ny handresy ny Lamanita tao amin’izany tanàna izany.

15 Ary ny zava-nitranga, rehefa nandeha nankany amin’ilay tany izy ireo dia nisambotra vondron’olona sesehena tamin’ny Lamanita sy nandripaka ny maro taminy ary naka ny vatsiny sy ny fitaovam-piadiany.

16 Ary ny zava-nitranga, taorian’ny efa nakany azy ireo, dia nataony izay hanaovan’izy ireo dina fa izy ireo dia tsy handray fitaovam-piadiana intsony hanohitra ny Nefita.

17 Ary nony efa nanao izany dina izany izy ireo, dia nalefany hiara-honina amin’ny vahoakan’i Amôna, ary niisa sahabo ho efatra arivo ireo izay tsy voavono.

18 Ary ny zava-nitranga, taorian’ny efa nandefasany azy ireo dia notohizany ny diany nankany an-tanin’i Nefihà. Ary ny zava-nitranga, nony efa tonga tao an-tanànan’i Nefihà izy ireo dia, natsangany ny lainy teo amin’ny lemak’i Nefihà, izay akaikin’ny tanànan’i Nefihà.

19 Ankehitriny dia nirian’i Môrônia ny hivoahan’ny Lamanita hiady aminy eo amin’ny lemaka; nefa nahafantatra ny herimpony lehibe fatratra tokoa sy nahita ny halehiben’ny isany ny Lamanita, koa tsy sahiny ny nivoaka hifanandrina taminy; koa tsy nivoaka androtriny izy mba hiady.

20 Ary nony tonga ny alina, dia nandeha tao amin’ny haizin’ny alina i Môrônia sy niakatra teo an-tampon’ny manda hitsikilo izay faritra amin’ny tanàna nitobian’ny Lamanita niaraka tamin’ny miaramilany.

21 Ary ny zava-nitranga dia tao atsinanana izy, akaikin’ny fidirana; ary resin-tory avokoa izy. Ary ankehitriny dia niverina tany amin’ny miaramilany i Môrônia sy nanao izay hanomanany faingana tady mahazaka sy tohatra mba halatsaka hidina avy eny an-tampon’ny manda ka manaraka ny aty rindrina.

22 Ary ny zava-nitranga dia nasain’i Môrônia nandroso ny olony sy nianika teo an-tampon’ny manda ary nidina tao amin’izany faritry ny tanàna izany, eny, dia tao andrefana izany, izay tsy nitobian’ny Lamanita niaraka tamin’ny miaramilany.

23 Ary ny zava-nitranga dia tafidina tao an-tanàna avokoa izy tamin’ny alina, tamin’ny alalan’ny tady mahazakany sy ny tohany; ary dia toy izany no nahatonga azy rehetra taty anatin’ny mandan’ny tanàna nony tonga ny maraina.

24 Ary ankehitriny, rehefa nifoha ny Lamanita sy nahita fa ny miaramilan’i Môrônia dia efa taty anatin’ny manda, dia nihorohoro izaitsizy tokoa izy, hany ka nandositra nivoaka ny vavahady.

25 Ary ankehitriny nony nahita i Môrônia fa nandositra teo anoloany izy, dia nasainy nandeha ny olony hanafika azy, sy nandripaka maro ary nanemitra manodidina ny maro hafa sy naka azy ho babo; ary ny sisa taminy dia nandositra nankany an-tanin’i Môrônia, izay tao amin’ny faritry ny sisin-tany akaikin’ny moron-dranomasina.

26 Dia toy izany no efa nahazoan’i Môrônia sy i Pahôràna ny fizakana ny tanànan’i Nefihà tsy nisy aina nafoy; ary nisy maro tamin’ny Lamanita no voavono.

27 Ankehitriny ny zava-nitranga dia maro tamin’ny Lamanita izay babo no naniry ny hikambana amin’ny avahoakan’i Amôna sy ho tonga vahoaka afaka.

28 Ary ny zava-nitranga dia izay rehetra naniry izany dia notovina taminy araka ny faniriany.

29 Noho izany, ny babo Lamanita rehetra dia nikambana tamin’ny vahoakan’i Amôna sy nanomboka nilofo izaitsizy tokoa, niasa ny tany, nikolo ny karazam-boa rehetra sy biby fiompy isan-karazany; ary dia toy izany no nanamaivanana ny Nefita tamin’ny enta-mavesatra lehibe; eny, hany ka nohamaivanina tamin’ny babo Lamanita rehetra izy.

30 Ankehitriny, ny zava-nitranga, dia i Môrônia, taorian’ny efa nahazoany ny fizakana ny tanànan’i Nefihà, rehefa naka babo maro izay nampihena ny miaramilan’ny Lamanita izaitsizy tokoa sy rehefa namonjy ny maro tamin’ny Nefita izay efa nalaina ho babo, izay efa nanatanjaka ny miaramilan’i Môrônia izaitsizy tokoa; koa nandeha i Môrônia avy tany an-tanin’i Nefihà nankany an-tanin’i Lehia.

31 Ary ny zava-nitranga, nony nahita ny Lamanita fa tamy hifanandrina aminy i Môrônia, dia natahotra indray izy sy nandositra teo anoloan’ny miaramilan’i Môrônia.

32 Ary ny zava-nitranga dia nanenjika azy isan-tanàna i Môrônia sy ny miaramilany, mandra-pifanenany tamin’i Lehia sy i Teankoma; ary nandositra niala an’i Lehia sy i Teankoma ny Lamanita, nidina tany amin’ny sisin-tany akaikin’ny moron-dranomasina, mandra-pahatongany tany an-tanin’i Môrônia.

33 Ary tafavory niaraka avokoa ny miaramilan’ny Lamanita, hany ka dia tao amin’ny vondrona iray izy rehetra tao an-tanin’i Môrônia. Ankehitriny, i Amôrôna, mpanjakan’ny Lamanita dia niaraka taminy koa.

34 Ary ny zava-nitranga, dia nilasy manodidina niaraka tamin’ny miaramilany tao amin’ny faritry ny sisin-tanin’i Môrônia i Môrônia sy i Lehia ary i Teankoma, hany ka ny Lamanita dia voatemitra manodidina tao amin’ny sisin-tany akaikin’ny tany foana tao atsimo sy tao amin’ny sisin-tany akaikin’ny tany foana tao atsinanana.

35 Ary dia toy izany no nilasiany nony alina. Fa indro, ny Nefita ary koa ny Lamanita dia reraka noho ny halaviran’ny dia; noho izany dia tsy notapahiny izay mety ho tetik’ady nandritra ny fotoana alina, afa-tsy i Teankoma; satria tezitra izaitsizy tokoa tamin’i Amôrôna izy, hany ka nihevitra izy fa i Amôrôna sy i Amalikià rahalahiny, no efa aanton’izao ady lehibe sy maharitra izao teo aminy sy ny Lamanita, izay efa anton’ny ady sy fandatsahan-dra be tokoa, eny, sy mosary be tokoa.

36 Ary ny zava-nitranga dia nandeha tao amin’ny fahatezerany i Teankoma nankany amin’ny tobin’ny Lamanita, ary dia naidiny tany ankoatra ny mandan’ny tanàna ny tenany. Ary nandeha izy nitondra tady, nitety ny toerana tsirairay dia nahita ny mpanjaka ihany; ary anotorahany lefona izy, izay nanatrobaka azy teo akaikin’ny fo. Nefa indro, ny mpanjaka dia nanaitra ny mpanompony talohan’ny nahafatesany, hany ka nanenjika an’i Teankoma ireo sy namono azy.

37 Ankehitriny ny zava-nitranga, nony nahafantatra i Lehia sy i Môrônia fa maty i Teankoma, dia feno alahelo fatratra tokoa izy ireo; fa indro, izy dia lehilahy izay efa niady tamin-kerim-po tokoa ho an’ny taniny, eny, tena sakaizan’ny fahafahana; ary efa niaretany ny fijaliana tena maro sy mangidy izaitsizy tokoa. Nefa indro, maty izy, ary efa nandeha tamin’ny lalana falehan’ny tany rehetra.

38 Ankehitriny ny zava-nitranga dia nandeha i Môrônia ny ampitso, ary nanafika ny Lamanita, hany ka naripany tamin’ny fandripahana lehibe izy; ary natosiny izy hiala ny tany; ary nandositra izy, ka tsy niverina nanohitra ny Nefita tamin’izay fotoana izay.

39 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahiraika amby telopolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia; ary dia toy izany no efa nananany ady sy fandatsahan-dra ary mosary sy fijaliana, nandritra ny taona maro.

40 Ary efa nisy vonoan’olona sy fifandirana ary fisaraham-bazana sy ny karazana heloka rehetra teo anivon’ny vahoakan’i Nefia; kanefa noho ny amarina, eny, noho ny fivavaky ny marina, dia notsimbinina izy.

41 Nefa indro, noho ny faharetan’ny ady izaitsizy tokoa teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita, dia maro no efa nanjary nihamafy fo, noho ny faharetan’ny ady izaitsizy tokoa; ary maro no efa nihanalefaka noho ny afahoriany, hany ka nanetry ny tenany teo anoloan’ Andriamanitra izy, tao amin’ny halalin’ny fanetrentena mihitsy.

42 Ary ny zava-nitranga, taorian’ny efa nanamafisan’i Môrônia ireo faritry ny tany ireo, izay nihanjahanja indrindra tamin’ny Lamanita, mandra-pahatonga azy ireo ho mafy tokoa, dia niverina tany an-tanànan’i Zarahemlà izy; ary i Helamàna koa dia niverina tany amin’ny tany lovany; ary nisy indray fandriampahalemana niorina teo anivon’ny vahoakan’i Nefia.

43 Ary natolotr’i Môrônia ho eo an-tanan’ny zanany lahy ny fibaikoana ny miaramilany, izay i Môrônihà no anarany; ary niala sasatra tao an-tranony ihany izy mba hahazoany mandany ny androny sisa amim-piadanana.

44 Ary i Pahôràna dia niverina teo amin’ny toeram-pitsarany; ary i Helamàna dia niadidy indray ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny vahoaka; fa noho ny ady sy ny fifandirana maro tokoa dia efa nanjary nilaina ny tokony hanaovana indray fitsipi-pitondrana tao amin’ny fiangonana.

45 Koa nandeha i Helamàna sy ny rahalahiny, ary nanambara ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny fahefana lehibe ho afandresen-dahatra ny olona maro ny amin’ny faharatsiany, izay nahatonga azy hibebaka amin’ny fahotany sy hatao batisa ho an’ny Tompo Andriamaniny.

46 Ary ny zava-nitranga dia naoriny indray ny fiangonan’ Andriamanitra, nanerana ny tany manontolo.

47 Eny, ary natao ny fitsipi-pitondrana momba ny lalàna. Ary ny ampitsarany sy ny lohan’ny mpitsarany dia nofidina.

48 Ary nanomboka aniroborobo teo amin’ny tany indray ny vahoakan’i Nefia sy nanomboka nitombo ary nihanahery izaitsizy tokoa indray teo amin’ny tany. Ary nanomboka nitombo harena fatratra tokoa izy.

49 Nefa na dia teo aza ny hareny, na ny tanjany, na ny firoboroboany, dia tsy tafasondrotra tao amin’ny avonavon’ny fony izy; tsy nitaredretra koa izy tamin’ny fahatsiarovana ny Tompo Andriamaniny; fa izy kosa dia nanetry tena izaitsizy tokoa teo anoloany.

50 Eny, nahatsiaro ny mahalehibe ny zavatra efa nataon’ny Tompo ho azy izy, fa efa nanafaka azy tamin’ny fahafatesana Izy sy tamin’ny fatotra ary tamin’ny fonja sy tamin’ny fahoriana isan-karazany rehetra, ary efa nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony.

51 Ary nivavaka tamin’ny Tompo Andriamaniny lalandava izy, hany ka ny Tompo dia nitahy azy, araka ny teniny ka dia nihanahery izy sy niroborobo teo amin’ny tany.

52 Ary ny zava-nitranga dia tontosa ireo zavatra rehetra ireo. Ary nodimandry i Helamàna tamin’ny taona fahadimy amby telopolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.