Ny soratra masina
Almà 44


Toko 44

Nandidy ny Lamanita i Môrônia hanao ny dinan’ny fandriampahalemana, fa raha tsy izany dia hofongorana—Nitsipaka ilay tolo-kevitra i Zerahemnà, ary nitohy ny ady—Nandresy ny Lamanita ny miaramilan’i Môrônia. Tokony ho 74–73 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia nitsahatra sy nihataka indray mandingana taminy izy. Ary hoy i Môrônia tamin’i Zerahemnà: Indro, ry Zerahemnà, fa atsy maniry ny ho olon’ny ra izahay. Fantatrareo fa ianareo dia eo an-tananay, kanefa tsy maniry ny hamono anareo izahay.

2 Indro, tsy nivoaka izahay hiady taminareo mba hahazoanay mandatsaka ny ranareo noho ny fahefana; sady tsy maniry ny hamarina na iza na iza ao amin’ny ziogan’ny fanandevozana izahay. Nefa izany no tena antony izay efa nahatongavanareo hiady taminy; eny, ary tezitra aminy ianareo noho ny fivavahanay.

3 Nefa ankehitriny, hitanareo fa momba anay ny Tompo; ary hitanareo fa efa natolony ho eo an-tananay ianareo. Ary ankehitriny dia mba tiako ny hahazoanareo fa izany no efa atao aminy dia noho ny fivavahanay sy ny finoanay an’i Kristy. Ary ankehitriny hitanareo fa tsy afaka mamongotra izany finoanay izany ianareo.

4 Ankehitriny hitanareo fa izany no finoana marina an’ Andriamanitra; eny, hitanareo fa Andriamanitra no hanohana sy hitahiry ary hitsimbina anay raha mbola mahatoky Aminy sy amin’ny finoanay ary amin’ny fivavahanay izahay; ary na oviana na oviana ny Tompo dia tsy hamela anay ho fongotra raha tsy hoe ho lavo ao amin’ny fandikan-dalana izahay sy mandà ny finoanay.

5 Ary ankehitriny, ry Zerahemnà, dia mandidy anareo aho, amin’ny anaran’ilay Andriamanitra Tsitoha izay efa nampahery ny sandrinay ka efa nanananay fahefana taminareo, tamin’ny finoanay, tamin’ny fivavahanay sy tamin’ny afomba fitsaohanay, ary tamin’ny fiangonanay sy tamin’ny fanohanana masina izay azonay tamin’ny vadinay sy ny zanakay, tamin’ny alàlan’ity bfahafahana ity izay mamatotra anay amin’ny taninay sy ny faritaninay; eny, ary koa tamin’ny fitandremanay ny teny masin’ Andriamanitra, izay ahazoanay ny fahasambaranay rehetra; ary tamin’izay rehetra tena lalaina taminy—

6 Eny, ary tsy izay ihany; mandidy anareo aho, noho ny faniriana rehetra izay anananareo mba ho velona, ny hanoloranareo anay ny fitaovam-piadianareo, ary tsy hokatsahinay ny ranareo fa hotsimbininay kosa ny ainareo, raha ho zorinareo ny lalanareo ka tsy hiverina indray ianareo hiady aminy.

7 Ary ankehitriny, raha tsy manao izany ianareo dia indro eto an-tananay ianareo, ary handidy ny oloko aho ny hanafihany anareo sy ny hampitondrany ny ratran’ny fahafatesana amin’ny tenanareo mba hahatonga anareo ho fongana; ary amin’izany dia ho hitantsika izay hanana fahefana eo amin’ity vahoaka ity; eny, ho hitantsika izay havarina any amin’ny fanandevozana.

8 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa avy nandre izany teny izany i Zerahemnà, dia nandroso izy ary nanolotra ny sabany sy ny simeterany ary ny tsipikany teo an-tanan’i Môrônia ary nanao taminy hoe: Indro, ireto no fitaovam-piadianay; hatolotray anareo ireto; nefa izahay dia tsy hamela ny tenanay hanao afianianana aminareo, izay fantatray fa hodikainay sy ny zanakay koa; nefa raiso ny fitaovam-piadianay ary avelao izahay hahazo hanainga hankany an-tany foana; raha tsy izany dia hotananay ny sabatray, ary dia na ho faty izahay na handresy.

9 Indro, izahay dia tsy ao amin’ny finoanareo; tsy mino izahay fa Andriamanitra no efa nanolotra anay ho teo an-tananareo; nefa mino kosa izahay fa ny hafetsenareo no efa nitsimbina anareo tamin’ny sabatray. Indro, ny asaron-tratranareo sy ny ampinganareo no efa nitsimbina anareo.

10 Ary ankehitriny, rehefa avy namarana ny filazana ireo teny ireo i Zerahemnà, dia naverin’i Môrônia tamin’i Zerahemnà ny sabatra sy ny fitaovam-piadiana izay efa noraisiny ka nilazany hoe: Indro, hofaranantsika ny ady.

11 Ankehitriny dia tsy afaka manatsoaka ny teny izay efa nolazaiko aho, noho izany raha velona koa ny Tompo, dia tsy hiainga ianareo raha tsy miainga miaraka amin’ny fianianana fa tsy hiverina indray hiady aminy ianareo. Ankehitriny satria eto an-tananay ianareo, dia na halatsakay amin’ny tany ny ranareo, na ekenareo ny fepetra izay efa natolotro.

12 Ary ankehitriny nony efa nilaza ireo teny ireo i Môrônia, dia notanan’i Zerahemnà ny sabany, ary tezitra tamin’i Môrônia izy sy niantsambotra mba hahazoany mamono an’i Môrônia; saingy raha naingainy ny sabany, indro, ny anankiray tamin’ny miaramilan’i Môrônia dia namely izany hianjera amin’ny tany, ary dia tapaka teo akaikin’ny fihazonana azy izany; ary namely an’i Zerahemnà koa izy ka nahafaka ny hodi-dohany ary nianjera tamin’ny tany izany. Ary niala avy teo anoloany i Zerahemnà nankany afovoan’ny miaramilany.

13 Ary ny zava-nitranga, ilay miaramila izay nijoro teo anila, izay namely ka nampiala ny hodi-dohan’i Zerahemnà, no naka ilay hodi-doha tamin’ny tany tamin’ny volon-doha sy nametaka izany teo amin’ny tendron’ny sabany ary nandroso izany tany aminy, sady nilaza taminy tamin’ny feo mahery hoe:

14 Toy ny efa nahalavo tamin’ny tany ity hodi-doha ity izay hodi-dohan’ny filohanareo, dia toy izany no hahalavo anareo amin’ny tany raha tsy manolotra ny fitaovam-piadianareo ianareo ary miainga miaraka amin’ny dinan’ny fandriampahalemana.

15 Ankehitriny dia nisy maro, rehefa nandre ireo teny ireo sy nahita ny hodi-doha izay teo amin’ny sabatra, no nozoin’ny tahotra; ary maro no nandroso sy nanipy ny fitaovam-piadiany teo an-tongotr’i Môrônia ary nanao ny adinan’ny fandriampahalemana. Ary izay rehetra nanao dina dia navelan’izy ireo hiainga hankany an-tany foana.

16 Ankehitriny ny zava-nitranga dia nisafoaka izaitsizy tokoa i Zerahemnà, ary novokisany ny miaramilany sisa ho tezitra, ka hiady amin-kery kokoa amin’ny Nefita.

17 Ary ankehitriny dia tezitra i Môrônia, noho ny kirin’ny Lamanita; koa nandidy ny olony izy ny hanafihany azy sy ny hamonoany azy. Ary ny zava-nitranga dia rafitra izy namono azy; eny, ary ny Lamanita dia niady niaraka tamin’ny sabany sy ny heriny.

18 Nefa indro, ny hodiny nitanjaka sy ny lohany nangadihady dia nihanjahanja ho an’ny sabatra maranitry ny Nefita; eny, indro, voatrobaka sy voaisy izy, eny, ary nianjera faingana izaitsizy tokoa teo anoloan’ny sabatry ny Nefita; ary nanomboka ho voalamaka toy ny efa naminanian’ilay miaramilan’i Môrônia izany izy.

19 Ankehitriny i Zerahemnà, nony hitany fa efa akaiky ho ringana avokoa izy, dia nikiaka mafy tokoa an’i Môrônia ka nampanantena fa izy ary koa ny olony dia hanao dina aminy, raha toa hotsimbininy ny ain’ireo sisa tavela, fa izy ireo kosa dia tsy hiverina ana oviana na oviana indray hiady aminy.

20 Ary ny zava-nitranga dia nasain’i Môrônia natsahatra indray ny asan’ny fahafatesana teo anivon’ny vahoaka. Ary nandray ny fitaovam-piadiana avy tamin’ny Lamanita izy; ary taorian’ny nanaovany ny adinan’ny fandriampahalemana taminy dia navela izy hiainga hankany an-tany foana.

21 Ankehitriny, ny isan’ny maty taminy dia tsy nisaina noho ny habetsahan’ny isa; eny, ny isan’ny maty taminy dia betsaka izaitsizy tokoa, na tamin’ny Nefita na tamin’ny Lamanita.

22 Ary ny zava-nitranga dia natsipiny tao amin’ny ranon’i Sidôna ny maty taminy, ary ireny dia efa lasana sy voalevina tao amin’ny halalin’ny ranomasina.

23 Ary ny miaramilan’ny Nefita, na ny an’i Môrônia, dia niverina ary nody tany an-tranony sy tany amin’ny taniny.

24 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahavalo ambin’ny folon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia. Ary dia toy izany no nifaranan’ny rakitsoratr’i Almà izay nosoratana teo amin’ny takelak’i Nefia.