Ny soratra masina
Almà 59


Toko 59

Nangataka an’i Pahôràna i Môrônia mba hanamafy ny tafik’i Helamàna—Nahafaka ny tanànan’i Nefihà ny Lamanita—Tezitra tamin’ny governemanta i Môrônia. Tokony ho 62 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny ny zava-nitranga tamin’ny taona fahatelopolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia, taorian’ny efa nandraisan’i Môrônia sy ny namakiany ny ataratasin’i Helamàna, dia nifaly izaitsizy tokoa izy, noho ny fiadanana, eny, ny fahombiazana fatratra izay efa azon’i Helamàna, tamin’ny fahazoana ireo tany ireo izay efa very.

2 Eny, ary nampahafantariny ny olony rehetra, tamin’ny tany rehetra manodidina, tamin’ity faritra ity izay nisy azy izany mba hahazoan’ireo mifaly koa.

3 Ary ny zava-nitranga dia nandefa ataratasy avy hatrany tany amin’i bPahôràna izy, naniry ny hampamoriany lehilahy miaraka hanatanjaka an’i Helamàna, na ny miaramilan’i Helamàna, hany ka ho azony tanana mora foana izany faritry ny tany izay efa nanambinana azy tamim-pahagagana tokoa ny fahazoana izany.

4 Ary ny zava-nitranga, nony efa nandefa izany taratasy izany tany an-tanin’i Zarahemlà i Môrônia, dia rafitra indray izy namolavola drafitra mba hahazoany ny ambiny amin’ireo fananana sy tanàna ireo izay efa nalain’ny Lamanita taminy.

5 Ary ny zava-nitranga, raha mbola teo am-panaovana fiomanana ny handeha hiady amin’ny Lamanita toy izany i Môrônia, dia indro, ny vahoakan’i Nefihà, izay niara-nivory avy tamin’ny tanànan’i Môrônia sy ny tanànan’i Lehia ary ny tanànan’i Môriantôna, dia notafihan’ny Lamanita.

6 Eny, na dia ireo izay efa voatery nandositra avy tany an-tanin’i Mantia sy avy tamin’ny tany manodidina aza dia efa tonga ary nikambana tamin’ny Lamanita tao amin’ity faritry ny tany ity.

7 Ary satria tsy tambo isaina tokoa toy izany izy ireo, eny, sy nandray hery isan’andro isan’andro, dia nandeha izy ireo nifanandrina tamin’ny mponin’i Nefihà araka ny baikon’i Amôrôna ary nanomboka nandripaka azy tamin’ny fandripahana be izaitsizy tokoa.

8 Ary maro tokoa ny miaramilany ka ny ambiny tamin’ny mponin’i Nefihà dia voatery nandositra teo anoloany; ary tonga izy ireny sy nikambana tamin’ny miaramilan’i Môrônia.

9 Ary ankehitriny noho ny fiheveran’i Môrônia fa tokony hisy lehilahy halefa any an-tanànan’i Nefihà, hanampy ny mponina hitana izany tanàna izany, ary noho ny fahafantarana fa mora kokoa ny mitana ny tanàna tsy hianjera eo an-tanan’ny Lamanita toy izay ny maka izany indray aminy, dia noheveriny fa izy ireo dia hitana mora foana izany tanàna izany.

10 Koa nohazoniny ny tafiny rehetra mba hitana ireo toerana izay efa azony indray ireo.

11 Ary ankehitriny, nony nahita i Môrônia fa very ny tanànan’i Nefihà dia feno alahelo izaitsizy tokoa izy sy nanomboka nanontany tena, noho ny faharatsian’ny mponina, raha toa izy ireo ka tsy hianjera eo an-tanan’ny rahalahiny.

12 Ankehitriny dia izany no toe-javatra ho an’ny lohan’ny kapiteniny rehetra. Niroanahana sy nitalanjona koa izy ireo noho ny faharatsian’ny mponina, ary izany dia noho ny fahombiazan’ny Lamanita taminy.

13 Ary ny zava-nitranga dia tezitra tamin’ny governemanta i Môrônia, noho ny atsy firaharahiany ny momba ny fahafahan’ny taniny.