Ny soratra masina
Almà 12


Toko 12

Niresaka tamin’i Zezrôma i Almà—Ny misterin’ Andriamanitra dia tsy azo omena afa-tsy ireo mahatoky—Tsaraina araka ny eritreriny, ny finoany, ny teniny ary ny asany ny olona—Hiaritra ny fahafatesana ara-panahy ny ratsy—Fotoana fizahan-toetra ity fiainana an-tany ity—Ny drafitry ny fanavotana no manatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty ary ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny finoana—Izay mibebaka dia manan-jo amin’ny famindram-po amin’ny alalan’ny Zanaka Lahitokana. Tokony ho 82 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny i Almà, rehefa nahita fa efa nahasina an’i Zezrôma ny tenin’i Amioleka, satria nahita izy fa i Amioleka dia nahatratra azy tamin’ny alaingany sy ny famitahany mba hamongorana azy, ary rehefa nahita fa nanomboka nangovitra izy noho ny bfahatsapana ny hadisoany, dia nisoka-bava sy nanomboka niteny taminy sy nanamafy ny tenin’i Amioleka ary nanazava mihoatra, na namelabelatra ny soratra masina mihoatra noho izay efa nataon’i Amioleka.

2 Ankehitriny ny teny izay notenenin’i Almà tamin’i Zezrôma dia ren’ny mponina manodidina; satria betsaka ny vahoaka, ary niteny toy izao izy:

3 Ankehitriny ry Zezrôma, noho ianao efa tratra tamin’ny lainganao sy ny famitahanao, satria tsy nandainga tamin’ny olona ihany ianao fa efa nandainga tamin’ Andriamanitra; satria indro, mahalala ny aeritreritrao rehetra Izy, ary hitanao fa ny eritreritrao dia nampahafantarina anay tamin’ny alalan’ny Fanahiny;

4 Ary hitanao fa fantatray fa ny tetikao dia tetika tena fetsy, araka ny hafetsen’ny devoly mba handaingana sy hamitahana ity vahoaka ity, mba hahazoanao mamporisika azy hanohitra anay, hanaratsy anay sy handroaka anay—

5 Ankehitriny, izany no tetiky ny afahavalonao, ary efa nampihariny taminao ny fahefany. Ankehitriny, dia mba tiako ny hitadidianao fa izay lazaiko anao dia lazaiko ny rehetra.

6 Ary indro lazaiko anareo rehetra fa izany no fandriky ny fahavalo, izay efa novelariny hisamborana ity vahoaka ity, hahazoany mitondra anareo ho amin’ny fanoavana azy, ka ho azony hahodidina anareo ny agadrany, mba hahazoany managadra anareo ho amin’ny faharavana maharitra mandrakizay, araka ny herin’ny fambaboany.

7 Ankehitriny rehefa avy nilaza ireo teny ireo i Almà, dia nanomboka nangovitra fatratra tokoa hatrany i Zezrôma, satria efa resy lahatra hatrany hatrany izy ny amin’ny herin’ Andriamanitra; ary efa resy lahatra koa izy fa i Almà sy i Amioleka dia nanana fahalalana ny aminy, satria resy lahatra izy fa izy ireo dia nahalala ny eritreritra sy ny fikasan’ny fony; satria fahefana no nomena azy ireo mba hahazoany mahalala ny amin’ireo zavatra ireo araka ny fanahin’ny faminaniana.

8 Ary nanomboka nanadina azy ireo tamim-pahazotoana tokoa i Zezrôma mba hahazoany mahalala misimisy kokoa ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary hoy izy tamin’i Almà: Inona no tian’i Amioleka lazaina raha niteny izy ny amin’ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty, fa ny rehetra no hitsangana amin’ny maty, na ny marina na ny tsy marina, ary hoentina hijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba hotsaraina araka ny asany?

9 Ary ankehitriny dia nanomboka namaofivaofy ireo zavatra ireo taminy i Almà, nanao hoe: Efa nomena ny maro ny hahalala ny amisterin’ Andriamanitra; kanefa nofeperana tamin’ny didy henjana ireo ny tsy hizara braha tsy arakaraka ny ampahany amin’ny teniny izay omeny ho an’ny zanak’olombelona, araka ny fitandremana sy ny fahazotoana izay asehony Azy.

10 Ary noho izany, izay amanamafy ny fony dia izy no mandray ny ampahany bkely indrindra amin’ny teny; ary izay dtsy manamafy ny fony dia izy no eomena ny ampahany betsaka indrindra amin’ny teny, mandra-panomezana azy ny fahafantarana ny misterin’ Andriamanitra mandra-pahafantarany izany tanteraka.

11 Ary ireo izay manamafy ny fony dia ireo no omena ny aampahany kely indrindra amin’ny teny mandra-pahatonga azy ireo tsy bhahafantatra na inona na inona ny amin’ny misteriny; ary amin’izany izy ireo dia entin’ny devoly ho babo ary tarihin’ny sitrapony hidina any amin’ny famongorana. Ankehitriny dia izay no tian-kambara amin’ny hoe dgadran’ny ehelo.

12 Ary i Amioleka dia efa nilaza mazava tokoa momba ny afahafatesana sy ny amin’ny fitsanganana avy amin’ity mety maty ity ho amin’ny toetry ny tsy mety maty ary ny fitondrana eo anoloan’ny toeram-pitsaran’ Andriamanitra mba bhotsaraina araka ny asantsika.

13 Raha amafisina ny fontsika amin’izany, eny, raha efa manamafy ny fontsika isika hanohitra ny teny, hany ka tsy hita amintsika izany, dia hahatsiravina ny toetrantsika amin’izany, fa ho voaheloka isika amin’izany.

14 Satria hanameloka antsika ny atenintsika, eny, ny asantsika rehetra no hanameloka antsika; tsy ho hita tsisy pentina isika; ary hanameloka antsika koa ny eritreritsika; ary amin’izany toetra mahatsiravina izany isika dia tsy ho sahy ny hiandrandra ny Andriamanitsika; ary ho faly aza isika raha afaka mibaiko ny vatolampy sy ny btendrombohitra hianjera amintsika mba dhanafina amintsika ny tavany.

15 Saingy tsy azo atao izany; tsy maintsy mandroso isika sy mijoro eo anoloany, eo amin’ny voninahiny sy eo amin’ny fahefany ary eo amin’ny heriny, fiandrianany ary fanapahany, ary miaiky ao amin’ny ahenatsika maharitra mandrakizay fa ny bfitsarany rehetra dia marina; fa marina amin’ny asany rehetra Izy, ary feno famindram-po amin’ny zanak’olombelona Izy ary manana ny hery rehetra hamonjy ny olona tsirairay izay mino ny anarany ary mamoa voa miendrika ny fibebahana.

16 Ary ankehitriny, indro lazaiko anareo fa tonga ny fahafatesana amin’izany, dia ny afahafatesana faharoa izay fahafatesana ara-panahy; izany no fotoana ka na zovy na zovy no maty ao amin’ny fahotany, araka ny bfahafatesan’ny nofo, dia ho dmaty koa araka ny fahafatesana ara-panahy; eny, ho maty izy raha ny amin’ny zavatra mikasika ny fahamarinana.

17 Izany no fotoana ka ny fijaliany dia ho toy ny afarihy afo sy solifara izay misondrotra miakatra mandrakizay mandrakizay ny lelafony; ary izany no fotoana izay hanagadrana azy amin’ny faharavana maharitra mandrakizay, araka ny hery sy ny fambaboan’i Satana, rehefa nampanaoviny araka ny sitrapony izy.

18 Amin’izany dia lazaiko anareo fa izy dia ho tahaka ny atsy nisy fanavotana natao; fa tsy azo avotana araka ny fahamarinan’ Andriamanitra izy; ary tsy mety bmaty izy satria tsy misy intsony ny fahalovana.

19 Ankehitriny ny zava-nitranga nony efa namarana ny filazany ireo teny ireo i Almà, dia nanomboka ho gaga kokoa ny vahoaka;

20 Fa nisy anankiray atao hoe Antiônà, izay lohan’ny mpifehy teo aminy, nandroso ary nanao taminy hoe: Inona ange ity nolazainao ity, fa hitsangana amin’ny maty ny olona ary hovana avy amin’ity mety maty ity ho amin’ny atoetry ny tsy mety maty, ka ny fanahy dia tsy mety maty na oviana na oviana?

21 Inona no tian’ny soratra masina holazaina amin’ny hoe, fa Andriamanitra efa nampitoetra ny akerobima sy ny lelafon-tsabatra tany atsinanan’ny saha bEdena, fandrao hiditra ireo ray aman-drenintsika voalohany ary hihinana amin’ny voan’ny hazon’aina ka ho velona mandrakizay? Ary dia hitantsika amin’izany fa tsy nisy fomba mba hahavelomany mandrakizay.

22 Ankehitriny dia hoy i Almà taminy: Izany no zavatra izay efa saika hohazavaiko. Ankehitriny dia hitantsika fa alavo i Adama noho ny nihinanany ny bvoankazo voarara, araka ny tenin’ Andriamanitra; ary hitantsika amin’izany, fa noho ny fahalavoany, ny olombelona rehetra dia nanjary olona dvery sy lavo.

23 Ary ankehitriny indro, lazaiko anareo, fa raha azon’i Adama natao ny anihinana tamin’ny voan’ny hazon’aina tamin’izay fotoana izay, dia tsy ho nisy ny fahafatesana, ary ho nanjary foana ny teny, ka manao an’ Andriamanitra ho mpandainga izany, satria niteny Izy hoe: bRaha mihinana ianao, dia ho faty marina tokoa.

24 Ary hitantsika fa tonga amin’ny olombelona ny afahafatesana, eny, ny fahafatesana izay efa notenenin’i Amioleka, izay fahafatesan’ny nofo; na dia eo aza izany dia nisy ny fotoana nomena ny bolona izay hahazoany mibebaka ao anatin’izany; noho izany ity fiainana ity dia nanjary fotoana fizahan-toetra; fotoana dhiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; fotoana hiomanana ho amin’ilay toetra tsisy fiafarany izay efa nolazainay, izay aorian’ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty.

25 Ankehitriny, raha tsy nisy ny adrafitry ny fanavotana izay efa nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao, dia tsy ho nety nisy ny bfitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty; saingy nisy ny drafitry ny fanavotana voaomana, izay hanatanteraka ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty, izay efa noresahana.

26 Ary ankehitriny, indro, raha toa ka azon’ireo ray aman-drenintsika voalohany natao ny nandroso sy nihinana tamin’ny ahazon’aina, dia ho efa fadiranovana mandrakizay izy ireo, satria tsy nanana toetra fiomanana; ary amin’izany ny bdrafitry ny fanavotana dia ho efa voasampona, ary ny tenin’ Andriamanitra dia ho efa foana, tsy ho nisy vokany.

27 Nefa indro, tsy izany no izy; satria efa avoatendry ho an’ny olona fa tsy maintsy ho faty izy; ary aorian’ny fahafatesana dia tsy maintsy mandalo bfitsarana izy, io ihany ilay fitsarana izay efa noresahinay, izay farany.

28 Ary taorian’ny efa nanendren’ Andriamanitra fa ireo zavatra ireo dia ho tonga amin’ny olona, dia indro, nahita Izy tamin’izany fa nilaina ny hahafantaran’ny olona ny amin’ny zavatra izay efa notendreny ho azy;

29 Noho izany Izy dia naniraka aanjely hitafa aminy, izay nanao ny hahitan’ny olona ny ampahany amin’ny voninahiny.

30 Ary nanomboka nantsoiny ny anarany hatramin’izay fotoana izay; koa aniresaka tamin’ny olona Andriamanitra ka nampahafantatra azy ny bdrafitry ny fanavotana, izay efa voaomana hatry ny dfanorenana izao tontolo izao; ary izany dia nampahafantariny azy araka ny finoany sy ny fibebahany ary ireo asany masina.

31 Koa nomeny ho an’ny olona ny adidy, satria tany am-boalohany dia efa nandika ny bdidy voalohany izy raha ny amin’ny zavatra izay ara-nofo, ka nanjary toy ireo andriamanitra, dnahalala ny tsara sy ny ratsy, satria nametraka ny tenany teo amin’ny toetry ny empanao, na napetraka teo amin’ny toetry ny mpanao araka ny sitrapony sy ny faniriany, na hanao ny ratsy na hanao ny tsara—

32 Koa nomen’ Andriamanitra ho azy ny didy, rehefa anampahafantariny azy ny drafitry ny fanavotana mba tsy hanaovany ny ratsy, satria ny famaizana amin’izany dia ny bfahafatesana faharoa izay fahafatesana maharitra mandrakizay raha ny amin’ny zavatra mikasika ny fahamarinana; fa ho an’ny toy ireny, ny drafitry ny fanavotana dia tsy mety manan-kery, fa araka ny hatsaram-po faratampony an’ Andriamanitra, ny asan’ny dfahamarinana dia tsy azo ravana.

33 Nefa niantso ny olona Andriamanitra tamin’ny anaran’ny Zanany (izany no drafitry ny fanavotana izay efa voaomana) nanao hoe: Raha mibebaka ianareo, ary tsy manamafy ny fonareo, dia hamindra fo aminareo Aho amin’izany, amin’ny alalan’ny Zanako Lahitokana;

34 Koa na zovy na zovy no mibebaka sy tsy manamafy ny fony dia izy no hanan-jo amin’ny afamindram-po amin’ny alalan’ny Zanako Lahitokana, ho bfamelana ny fahotany; ary hiditra ao amin’ny dfitsaharako izy.

35 Ary na zovy na zovy no manamafy ny fony sy manao heloka, dia indro, mianiana amin’ny fahatezerako Aho fa tsy hiditra ao amin’ny fitsaharako izy.

36 Ary ankehitriny, ry rahalahiko, indro, lazaiko anareo fa raha manamafy ny fonareo ianareo, dia tsy hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo ianareo; koa mihantsy Azy ny helokareo ka mandefa ny fahatezerany aminareo Izy, toy ny tamin’ny afihantsiana voalohany, eny, araka ny teniny tamin’ny fihantsiana farany tahaka ny tamin’ny voalohany, ho bfaharavana maharitra mandrakizay ho an’ny fanahinareo; noho izany, araka ny teniny, dia ho fahafatesana farany tahaka ny voalohany.

37 Ary ankehitriny ry rahalahiko, satria mahalala ireo zavatra ireo isika, ary marina ireo, dia aoka isika hibebaka sy tsy hanamafy ny fontsika mba tsy ahihantsiantsika ny Tompo Andriamanitsika ka hampianjera ny fahatezerany amintsika ao amin’ireto didiny faharoa ireto izay efa nomeny antsika; fa aoka isika hiditra ao amin’ny bfitsaharan’ Andriamanitra, izay efa voaomana araka ny teniny.