Ny soratra masina
Almà 27


Toko 27

Nandidy an’i Amôna ny Tompo hitarika ny vahoaka Antia-Nefia-Lehia hankamin’ny toerana azo antoka—Nandany ny herin’i Amôna ny hafaliany tamin’ny fihaonany tamin’i Almà—Nomen’ny Nefita ny Antia-Nefia-Lehia ny tanin’i Jersôna—Nantsoina hoe ny vahoakan’i Amôna izy. Tokony ho 90–77 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny ny zava-nitranga, nony efa nahita ny Lamanita izay efa nandeha niady tamin’ny Nefita, taorian’ny adiny maro mba hamongotra azy, fa zava-poana ny mikatsaka ny famongorana azy, dia niverina indray tany an-tanin’i Nefia izy.

2 Ary ny zava-nitranga dia tezitra izaitsizy tokoa ny Amalekita noho ny fahavoazany. Ary nony hitany fa tsy afaka namaly faty tamin’ny Nefita izy, dia nanomboka namoky ny olona izy ho tezitra, hanohitra ny vahoaka aAntia-Nefia-Lehia brahalahiny; noho izany dia rafitra indray izy namongotra azy.

3 Ankehitriny izany vahoaka izany dia nandà aindray ny handray ny fiadiany sy namela ny tenany hovonoina araka ny fanirian’ny fahavalony.

4 Ankehitriny, i Amôna sy ny rahalahiny, rehefa nahita ity asa fandringanana ity teo anivon’ireo izay tiany sy nankamamiany tokoa sy teo anivon’ireo izay efa nitia sy nankamamy azy ireo tokoa—satria izy ireo dia noraisina miova tsy ny anjely nirahin’ Andriamanitra hamonjy azy amin’ny faharavana maharitra mandrakizay—noho izany, rehefa nahita ity asa famongorana lehibe ity i Amôna sy ny rahalahiny, dia nentanin’ny fangorahana izy ireo, ary ahoy ireo tamin’ny mpanjaka:

5 Aoka isika hanangona ity vahoakan’ny Tompo ity, ary aoka isika handeha hidina any an-tanin’i Zarahemlà, any amin’ny Nefita rahalahintsika, ary handositra hiala ny tanan’ny fahavalontsika, mba tsy hahafongotra antsika.

6 Nefa, hoy ny mpanjaka taminy: Indro, hamongotra anay ny Nefita, noho ireo famonoana olona sy fahotana maro efa nataonay taminy.

7 Ary hoy i Amôna: Handeha aho ary hanadina ny Tompo, ary raha milaza amintsika Izy hoe, mandehana midina any amin’ny rahalahinareo, moa handeha va ianareo?

8 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Eny, raha lazain’ny Tompo aminy hoe mandehana, dia handeha izahay hidina any amin’ny rahalahinay, ary ho andevony izahay mandra-panonitray aminy ny famonoana olona sy ny fahotana maro izay efa nataonay taminy.

9 Nefa hoy i Amôna taminy: Mifanohitra amin’ny lalàn’ny rahalahintsika, izay efa nataon’ny raiko, ny mety hisian’ny aandevo eo anivony; noho izany dia handeha isika hidina sy hitoky amin’ny famindram-pon’ny rahalahintsika.

10 Nefa hoy ny mpanjaka taminy: Adino ny Tompo, ary raha lazainy izahay hoe mandehana, dia handeha izahay; raha tsy izany dia ho faty eto amin’ny tany izahay.

11 Ary ny zava-nitranga dia nandeha i Amôna ary nanadina ny Tompo, ary hoy ny Tompo taminy:

12 Ento ity vahoaka ity hiala ity tany ity mba tsy ho faty izy; fa i Satana dia efa nahazo vahana be tamin’ny fon’ny Amalekita izay mamoky ny Lamanita ho tezitra amin’ny rahalahiny mba hamonoana azy; noho izany dia mandehana ianao miala ity tany ity; ary hotahiana ity vahoaka ity amin’ity taranaka ity, fa hotsimbiniko izy.

13 Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia nandeha i Amôna ary niteny tamin’ny mpanjaka ny teny rehetra izay efa nolazain’ny Tompo taminy.

14 Ary novoriany miaraka ny vahoakany rehetra, eny, ny vahoakan’ny Tompo rehetra, izay nanangona miaraka ny biby fiompiny rehetra sy niainga niala ny tany ary tonga tany an-tany foana izay nanasaraka ny tanin’i Nefia tamin’ny tanin’i Zarahemlà, ary tonga tany akaikin’ny sisin-tany.

15 Ary ny zava-nitranga dia hoy i Amôna taminy: Indro, izaho sy ny rahalahiko dia handeha hankany an-tanin’i Zarahemlà, ary hitoetra eto ianareo mandra-piverinay; ary hozahanay ny fon’ny rahalahinay raha tiany ny hidiranareo ny taniny.

16 Ary ny zava-nitranga, raha nandeha niditra ny tany i Amôna, dia nihaona tamin’i Almà izy sy ny rahalahiny teo amin’ny atoerana izay efa voalaza; ary indro, izany dia fihaonana feno hafaliana.

17 Ankehitriny, ny afifalian’i Amôna dia lehibe loatra ka henika izy; eny, voatelina tao amin’ny fifalian’ Andriamanitra izy, mandra-bpahalany ny heriny; ary niankarapoka tamin’ny tany dindray izy.

18 Ankehitriny, moa va izany tsy fifaliana tafahoatra? Indro, izany no hafaliana izay tsy misy mandray afa-tsy ny olona mibebaka marina tokoa sy ny mpikatsaka fiadanana mietry tena.

19 Ankehitriny, ny hafalian’i Almà tamin’ny fihaonany tamin’ny rahalahiny dia lehibe tokoa, ary koa ny fifalian’i Aharôna, ny an’i Ômnera, ary ny an’i Himnia; kanefa, indro ny fifaliany dia tsy Ilay mihoatra ny heriny.

20 Ary ankehitriny, ny zava-nitranga dia notarihin’i Almà ny rahalahiny hiverina any an-tanin’i Zarahemlà, hankany an-tranony mihitsy. Ary nandeha izy ireo sy nitantara tamin’ny alohan’ny mpitsara ny zavatra rehetra izay efa nanjo azy ireo tany an-tanin’i Nefia, tany anivon’ny Lamanita rahalahiny.

21 Ary ny zava-nitranga dia nandefa filazana eran’ny tany manontolo ny lohan’ny mpitsara, naniry ny feon’ny vahoaka momba ny fampidirana ny rahalahiny, dia ny vahoaka Antia-Nefia-Lehia.

22 Ary ny zava-nitranga dia tonga ny feon’ny vahoaka, nanao hoe: Indro, ho foinay ny tanin’i Jersôna, izay ao atsinanana akaikin’ny ranomasina, izay mifandray amin’ny tanin’i Soafeno, izay ao atsimon’ny tanin’i Soafeno; ary io tanin’i Jersôna io no tany izay homenay ny rahalahinay ho lova.

23 Ary indro, hametraka ny miaramilanay eo anelanelan’ny tanin’i Jersôna sy ny tanin’i Nefia izahay mba hahazoanay miaro ny rahalahinay any an-tanin’i Jersôna; ary izany no ataonay ho an’ny rahalahinay dia noho ny fahatahorany handray fiadiana hanohitra ny rahalahiny, fandrao hahavita fahotana izy; ary izany fahatahorany lehibe izany dia tonga noho ny fibebahany naharary izay nataony noho ny famonoany olona maro sy ny faharatsiany mahatsiravina.

24 Ary ankehitriny, indro izany no hataonay ho an’ny rahalahinay mba hahazoany mandova ny tanin’i Jersôna; ary hiambina azy amin’ny fahavalony miaraka amin’ny miaramilanay izahay raha tahiny ka homeny anay ny ampahany amin’ny fananany hanampiana anay mba hahazoanay mikarakara ny miaramilanay.

25 Ankehitriny ny zava-nitranga nony efa nandre izany i Amôna, dia niverina tany amin’ny vahoaka Antia-Nefia-Lehia izy, ary i Almà koa dia niaraka taminy, nankany an-tany foana izay efa nananganany ny lainy, ary nampahafantatra azy ireo zavatra rehetra ireo. Ary notantarain’i Almà taminy koa ny afiovam-pony, niaraka tamin’i Amôna sy i Aharôna ary ireo rahalahiny.

26 Ary ny zava-nitranga dia niteraka fifaliana be izany teo anivony. Ary nandeha izy nidina nankany an-tanin’i Jersôna ary nandray ny fizakana ny tanin’i Jersôna; ary nantsoin’ny Nefita hoe ny vahoakan’i Amôna izy, noho izany izy dia navahana tamin’izany anarana izany hatramin’izay.

27 Ary teo anivon’ny vahoakan’i Nefia izy, ary noraisina koa ho isan’ny vahoaka izay isan’ny fiangonan’ Andriamanitra. Ary niavaka koa izy noho ny zotom-pony tamin’ Andriamanitra ary koa tamin’ny olona; fa amahitsy sy marin-toetra tanteraka tokoa izy tamin’ny zava-drehetra; ary bniorina tamin’ny finoana an’i Kristy hatramin’ny farany izy.

28 Ary izy dia nihevitra ny fandatsahan-dra ny rahalahiny tamin’ny rikoriko indrindra; ary tsy azo noresen-dahatra na oviana na oviana izy mba handray fiadiana hanohitra ny rahalahiny; ary tsy nihevitra na oviana na oviana ny fahafatesana tamin’ny horohoro faran’izay kely indrindra izy, noho ny fanantenany sy ny fijeriny an’i Kristy sy ny fitsanganana amin’ny maty; noho izany, ho azy, ny fahafatesana dia efa voatelin’ny fandresen’i Kristy.

29 Koa naleony niaritra afahafatesana tamin’ny fomba maharary sy mangirifiry indrindra, izay mety ho nampiharin’ny rahalahiny, toy izay handray ny sabatra na ny simetera hamelezana azy.

30 Ary dia toy izany no naha-vahoaka mazoto sy lalaina azy, dia vahoaka nankasitrahan’ny Tompo fatratra tokoa.