Seminera
Lesona 99: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–96


Lesona 99

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–96

Fampidirana

Tamin’ny 2 Aogositra 1833 dia nanome ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94 ny Tompo ka nibaiko ireo Olomasina mba handamina sy hanamboatra ny tanànan’i Kirtland sahala amin’ny fomba nasainy nandaminana sy nanamboaran’izy ireo ny tanànan’i Ziona tao Missouri. Nandidy ireo Olomasina koa ny Tompo mba hanangana trano ho an’ny fiadidiana (trano foiben’ny Fiangonana) sy trano printy ankoatra ny tempoly izay nasaina natsangan’ny Olomasina tany aloha. Roa volana talohan’izay, ny 1 jona 1833 dia nandray ny fanambarana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 i Joseph Smith ka tao anatin’izany no nanafaizan’ny Tompo ny Olomasina noho ny fanemorana ny fananganana ny tempoly. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 96 dia ahitana ny baikon’ny Tompo ny amin’ny fanendrena an’i Newel K. Whitney “hiandraikitra” (F&F 96:2) ny toerana izay hanorenana ny tempolin’i Kirtland.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94

Nandidy ny Olomasina ny Tompo mba hanangana trano roa sady nanamafy ny ilàna hananganana ny tempoly

Asaivo maka sary an-tsaina ny mpianatra hoe manana fahafahana ny handeha hamakivaky ny firenena iray misy tanan-dehibe maro izy izy ireo. Rehefa mandeha izy ireo dia mahatsikaritra fa misy toerana fanaovana fanatanjahantena ao amin’ny afovoan’ny tanan-dehibe tsirairay.

  • Inona no azo tsoahina avy amin’izany mikasika ny vahoaka ao amin’io firenena io?

  • Raha hamolavola tanàna lehibe iray ianao, inona no hapetrakao ao afovoan’ilay tanàna? Nahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:1, 3, 10. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady hamantatra ireo trano telo izay nasain’ny Tompo haorian’ny Olomasina tao Kirtland, Ohio. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany.

Sary
Drafitsarin’i Kirtland

Fantina avy amin’ny drafitsarin’i Ohio, tokony ho tamin’ny Aogositra 1833. Maneho ny Tempolin’i Kirtland sy ny trano izay ahafahan’ny Fiadidiana manao ny asany ary ny trano printy ny trano telo eo ankavanana.

  • Araka ny zavatra asehon’ireo trano telo ireo, dia inona no zavatra manan-danja ho an’ny Tompo? (Ny ôrdônansin’ny tempoly, ny asan’ny Fiadidiana Voalohany amin’ny fahazoana ny fanambarana sy ny fanompoana ny Fiangonana ary ny fanontana ireo soratra masina sy asa hafa izay nasain’ny Tompo atao.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:13–17 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nibaiko an’i Hyrum Smith sy i Reynolds Cahoon ary i Jared Carter ny Tompo mba hanangana kômitin’ny fanorenana ireo trano voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:16, sady hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo an’ireo Olomasina mikasika ny fanorenana ny trano ho an’ny fiadidiana sy trano printy. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Fa nahoana, araka ny hevitrao, no zava-dehibe ny manorina ilay tempoly mialoha ireo trano roa hafa? Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny lanjan’ny tempoly? (Azonao atao ny mampahafantatra ireo mpianatra fa tsy naorina mihitsy ireo trano roa hafa ireo.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95

Nanafay ny Olomasina ny Tompo noho ny fanemorana ny fananganana ny tempoly

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny voalohany dia nanome ny didy hanorenana ny Tempolin’i Kirtland ny Tompo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119 izay noraketina an-tsoratra tamin’ny 27 sy 28 desambra 1832. (Soraty eny amin’ny solaitrabe io daty io.) Asao ny mpianatra handinika ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 ka hitady ny daty nanomezana ity fanambarana ity. Asaivo ataony kajy ny hoe hafiriana eo ho eo ny manelanelana ireo daty roa ireo. Hazavao fa nandritra io fotoana io dia nividy ny toerana tao Kirtland izay hanorenana ny tempoly ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Kanefa ny 1 Jona 1833 dia tsy mbola nanomboka ny fananganana ny tempoly na ny fanomanana ny fototra akory ireo Olomasina.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1–3. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny zavatra nolazain’ny Tompo an’ireo Olomasina mikasika ny fanemorany ny fananganana ny tempoly. Asao ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Inona no ataon’ny Tompo ho an’ireo izay tiany? (Tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Manafay ireo izay tiany Andriamanitra. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masiny.)

  • Inona no atao hoe manafay? (Mamehy na manitsy.) Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia nahoana Andriamanitra no manafay ireo izay tiany?

Asao ireo mpianatra handinika ny fihetsika fanehony matetika rehefa faizina na ahitsin’ny olona izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity. Asaivo mihaino ny fihetsika nasehon’ny Olomasina sasany ho setrin’ny famaizan’ny Tompo ny mpianatra:

Rehefa avy nandray ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 i Joseph Smith dia nanao fihaonambe ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba handinihana ny fanorenana ny tempoly. “Nankasitraka ny fananganana trano rafetina amin’ny hazo ny sasany, fa ny hafa kosa te hanorina trano vita amin’ny vatan-kazo. Nampahatsiahy azy ireo i Joseph fa tsy trano ho an’ny olombelona no haoriny fa ho an’ Andriamanitra. Ka hoy izy: ‘Moa ve isika ry rahalahy isany hanorina trano vita amin’ny vatan-kazo ho an’Andriamanitsika? Tsia, manana drafitra tsara kokoa noho izany aho. Manana ny drafitry ny tranon’ny Tompo izay nomeny ahy aho.’” Rehefa avy nanazava ilay drafitra iray manontolo momba ilay tempoly i Joseph dia diboky ny hafaliana ireo rahalahy rehetra. Nandeha nankany amin’ilay toerana hanorenana ny tempoly izy ireo ka nanala ny fefy sy nampitovy tantana ny tanimbary izay nampiasain’ny fianakaviana Smith hambolena varimbazaha tany aloha. Rehefa avy nodiovina ilay toerana dia “nanomboka nangady fototra ho an’ny rindrina” i Hyrum Smith. Jereo ny Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith by His Mother, navoakan’i Preston Nibley [1958], 230, 231.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo Olomasina ireo mikasika ny fandraisana ny fananarana?

Lazao fa ao amin’ny andininy 3 ny Tompo dia nanoritsoritra ny fanemoran’ny Olomasina ny fanorenana ny tempoly ho “fahotana lehibe.” Asao ny mpianatra mba handalina ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:5–6 ka hitady ny zavatra nampitahain’ny Tompo amin’ny fahotana lehibe. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo.

  • Inona no mampitovy ny tsy firaharahiana ny didin’ny Tompo amin’ny fanorenana tempoly amin’ny hoe “mandeha ao amin’ny haizina amin’ny mitataovovonana”? Ahoana no mety mahatonga antsika “mandeha ao amin’ny haizina amin’ny mitataovovonana” raha mifidy ny tsy hiraharaha ny didy hafa isika?

Asao ny mpianatra hiara-hamaky amin’ny namana iray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:4, 8–9. Asaivo jereny ny antony nahatonga ny Tompo nandidy ny Olomasina hanangana ny Tempolin’i Kirtland. (Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “hahazoako manatanteraka ny asako mahatalanjona” [andininy 4] dia afaka iantsoana ny fomba mety andraisan’ny olona izay tsy mino ny fanambarana, ny fitsidihan’ny lanitra ary ireo zavatra ara-panahy hafa ny Famerenana amin’ ny laoniny ny filazantsara ho toy ny mahatalanjona.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny antony nahatonga ny Tompo handidy antsika hanorina tempoly? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Manomana ireo mpanompony ny Tompo any amin’ny tempoly mba hanao ny asany ary mampitafy hery azy ireo.)

Hazavao fa ny hoe mampitafy dia midika hoe manome fanomezana olona iray. Ny hoe hotafiana any amin’ny tempoly dia midika hoe mahazo hery sy fahalalana ara-panahy. Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Mandra-piditrao ny tranon’ny Tompo ary handraisanao ireo fitahiana rehetra izay miandry anao any, dia mbola tsy nandray ireo zava-drehetra atolotry ny Fiangonana ianao. Ireo fitahiana manan-danja sy avo indrindra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia ireo fitahiana izay raisintsika any amin’ny tempolin’ Andriamanitra” (“Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’ Izao Tontolo Izao,” Ensign na Liahona, mey 2011, 93).

  • Inona no ôrdônansin’ny famonjena roa izay tsy afaka raisintsika raha tsy any amin’ny tempolin’ Andriamanitra? (Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly sy ny famehezana ny fanambadiana.)

  • Inona avy ny sasany amin’ireo zavatra azonao atao amin’izao fotoana izao hiomananao handray ireo ôrdônansy sy ireo fitahian’ny tempoly? (Toy izao no mety ho valinteny: mahatoky amin’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana izay efa noraisiny ary miaina ho mendrika lalandava ny hihazona fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly.)

Hazavao fa asa lehibe tamin’ireo Olomasina ny fanorenana ny Tempolin’i Kirtland. Tamin’ny voalohandohan’ny taona 1833 dia latsaky ny 200 ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Ohio ary ny ankamaroany dia mahantra avokoa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:11–12. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo raha toa ka mitandrina ny didiny ireo Olomasina.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo raha toa ka mitandrina ny didiny ireo Olomasina?

Ampahafantaro ny iray kilasy fa nanam-pinoana ny fampanantenan’ny Tompo ny Olomasina tao Ohio ka nanorina ilay tempoly.

  • Inona no fitsipika azontsika nianarana avy tamin’ny andininy 11? (Tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha mitandrina ny didy isika dia hanana hery hanatanterahana izay zavatra nampanaovin’ny Tompo antsika.)

  • Inona ireo toe-javatra sasantsasany izay mety atrehinao ka azo ampiharana ity fitsipika ity? Oviana ianao no nahatsapa fa nandray ny fanampian’ny Tompo tamin’ny fanaovana zavatra iray noho ny fitandremanao ny didy?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:13–17 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe nanome toromarika mikasika ny refy sy ny asan’ny efitrano manokana tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny Tompo. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny andininy 14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hijery ny fomba iray izay nolazain’ny Tompo hanatanterahany ny fampanantenany ny hanomezana azy ireo hery hanorenana ny tempoly. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany. (Azonao atao ny milaza fa nampanantena ny hampiseho amin’ny olona telo ny fomba tokony hanorenana ny tempoly ny Tompo. Ny Fiadidiana Voalohany ireo olona telo ireo.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fanatanterahana io fampanantenana io dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ity andinin-tsoratra manaraka ity:

Niaraka nivavaka i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary i Frederick G. Williams ka nahita ny tempoly tao anaty fahitana. Rehefa avy nahita ny ivelany tamin’ny antsipiriany izy ireo dia “toa tahaka ny nandrakotra azy ireo ilay trano” ka nahita ny tao anatin’ilay trano izy ireo toy ny hoe tao anatin’ilay trano mihitsy (jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007)], ). Taty aoriana nony efa akaiky ho vita ilay tempoly dia nilaza i Frederick G. Williams fa nitovy tamin’ny antsipiriany tamin’ilay maodely izay hitany tao amin’ny fahitana izany, ary tsy hitany ny maha-samy hafa izany amin’ilay tempoly izay naorina.

  • Ahoana no fomba nanomezan’ny Tompo hery ny Olomasina hanaovana ny zavatra nasainy nataon’izy ireo ao anatin’io ohatra io?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 96

Voatendry hiandraikitra ny fananana rehetra izay ananan’ny Fiangonana i Newel K. Whitney

Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 96 dia nanome baiko ny Tompo fa tokony hiandraikitra ny fananan’ny Fiangonana ny Eveka Newel K. Whitney. Haorina eo amin’ny toerana izay notendren’ny Tompo ny tempoly ka hozarazarain’ny Eveka Whitney ho faritra ho an’ireo izay hitady lova ny sisa ambiny amin’ny toerana. Nomena ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay tompon’andraikitra tamin’ny famoahana ireo fanambarana ny sasany tamin’ireo faritra ireo. Ny fandraisana io lova io dia hanampy azy ireo hanokana ny fotoany amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo, ka anisan’izany ny famoahana ny tenin’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 96:4–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hamantatra ny hoe ahoana no hanampian’ny famoahana ny tenin’ Andriamanitra ireo Olomasina. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany.

Hazavao fa tao anatin’ity fanambarana ity koa dia nibaiko ny Tompo fa i John Johnson dia tokony hampidirina ho mpikamban’ilay Orinasa Miray, izay nanara-maso ny toe-bola sy ny tranom-pivarotana ary ny famoaham-bokin’ny Fiangonana.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hamintina ny zavatra nianarany avy amin’ity lesona ity. Amporisiho izy ireo hampihatra ny zavatra nianarany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1–2. “Izay tiako koa no faiziko”

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny maha-porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra ny famaizany:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tonga lafatra tokoa ka mahatonga Azy mitaky antsika amim-pitiavana mba hankatò ny didiny satria fantany fa amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàny ihany no ahafahantsika ho tonga lafatra tahaka Azy” (“Fitiavana sy lalàna,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 27).

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Na dia sarotra aza matetika ny miaritra dia tena tokony ho faly isika fa raisin’ Andriamanitra ho zava-tsarobidy ka handaniany ny fotoany ary mbola ahitsiny.

Misy tanjona telo farafahakeliny ny famaizana avy amin’ Andriamanitra: (1) handresena lahatra antsika fa mila mibebaka isika, (2) hanadiovana sy hanamasinana antsika, ary (3) hamerenana antsika amin’ny lalam-piainana izay fantatr’ Andriamanitra fa tsara kokoa ho antsika. …

“Aoka isika hivavaka mba hahazo izany fanitsiany entanim-pitiavana izany” (“Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” Ensign na Liahona, mey 2011, 98, 100).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:4. “Asako mahatalanjona”

Ny andian-teny hoe “ny asako mahatalanjona” dia avy ao amin’ny Isaia 28:21 izay nilazan’ny Tompo fa hanitsiany ny vahoaka izay tsy nino fa nila nibebaka izy ireo. Fisehoan-javatra hafahafa ny Famerenana amin’ ny laoniny ny filazantsara sy ny fanorenana ny Fiangonana marina eto an-tany ho an’ireo olona izay mihevitra fa hadalana ny mino ny fanambarana sy ny fitsidihan’ny lanitra ary ireo zavatra ara-panahy hafa. Toriana amin’ny olona maro izay mino fa efa manana ny fahamarinana ny hafatry ny Famerenana amin’ ny laoniny ny filazantsara. Mety mihevitra ny ezaka ataontsika ho hafahafa ny sasany amin’ireo olona ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8–9. Inona no atao hoe fanafiana masina “amin’ny hery avy any ambony”?

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ny fanafiana masina dia fanomezana na lova. Matetika ato amin’ny Fiangonana dia entina hiantsoana ny ôrdônansin’ny tempoly izay hanaovan’ny mpikambana fampanantenana sasantsasany izany ka ho setrin’izay dia mahazo fanomezam-pahasoavana amin’ny fahalalana sy hery ara-panahy izy ireo. Ny fanafiana masina izay resahina eto anefa dia tsy ilay mitovy amin’ny fombafomba masina izay atao any amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao. Ny mpikambana tao amin’ny fisoronana tao Kirtland dia nandray anjara tamin’ny “fanafiana masina tamin’ny ampahany fa ny ôrdônansy feno kosa dia natokana ho an’ny fombafomba masina taty aoriana rehefa ho hatsangana ny tempoly natokana hanatanterahana ilay ôrdônansy” (Bruce R. McConkie, ‘A New Commandment: Save Thyself and Thy Kindred!’ Ensign, aog. 1976, p. 10). Nomen’i Joseph Smith tao Nauvoo tamin’ny 4 Mey 1842 ny fanafiana masina feno voalohany.

“Nahitana fanasana sy fanosorana ary fanasan-tongotra ho an’ireo rahalahy ôfisialy tao amin’ny fisoronana ny fanafiana masina izay noraisina tao Kirtland. Nandrotsaka ny Fanahiny koa ny Tompo, na amin’ny teny hafa hoe nampitafy azy ireo tamin’ny hery ara-panahy, ka maro ireo nandray fanambarana sy fanomezam-pahasoavana hafa. (jereo ny History of the Church, 2:308–10)” (Doctrine and Covenants Student Manual, famoahana faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001], 226).