Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Ny Firafitra sy ny Fandaharan’asan’ny Fiangonana, Filazana Ôfisialy 2, Fanafainganana ny Asa Famonjena, ny Fanambarana momba ny Fianakaviana, ary ny Mpaminany Velona (Fizarana 32)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ny Firafitra sy ny Fandaharan’asan’ny Fiangonana, Filazana Ôfisialy 2, Fanafainganana ny Asa Famonjena, ny Fanambarana momba ny Fianakaviana ary ny Mpaminany Velona (Fizarana 32)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity manaraka ity dia famintinana fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny fizarana 32. Ity famintinana ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny fotopampianarana sy fitsipika vitsivitsy fotsiny ny lesona izay ho ampianarinao ho an’ny fizarana 32. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjanao ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Day 1 (Ny Firafitra sy ny Fandaharan’asan’ny Fiangonana)

Nandritra ity lesona ity ny mpianatra dia nianatra fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manampy ny Ray any an-danitra amin’ny fanatanterahana ny fiainana mandrakizain’ireo zanany. Nianatra ihany koa izy ireo fa ny Firafitra sy ny fandaharan’asan’ny Fiangonana rehetra dia miasa eo ambany fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay mihazona ny fanalahidy hitarihana. Nahita ny mpianatra fa rehefa mandray anjara amin’ireo rafitra sy fandaharan’asan’ny Fiangonana isika dia mandray fitahiana izay misy amin’ny alalan’izy ireny. Dia nametraka tanjona izy ireo avy eo mba hanatsara ny fandraisany anjara amin’ny vondrona fanampiny sy ny fandaharan’asan’ny Fiangonana.

Andro 2 (Filazana Ôfisialy 2)

Rehefa nandalina momba ny fanambarana tamin’ny taona 1978 izay namela ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra handray ireo fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa ny mpaminany dia mikatsaka ny torolalan’ny Tompo manoloana ny fitarihana ny Fiangonana ary ny Tompo no mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny mpaminaniny amin’ny fotoana izay hitany fa maha mety izany.

Andro 3 (Fanafainganana ny Asa Famonjena)

Nianatra ny mpianatra avy tamin’ity lesona ity fa manafaingana ny asa famonjeny ny Tompo. Nianatra ihany koa izy ireo fa afaka mandray anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo izy ireo amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara, ny fandalinana ny soratra masina ary ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

Day 4 (Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao)

Nandritra ity lesona ity dia namantatra fotopampianarana sy fitsipika mifandraika amin’ny fianakaviana tahaka izao manaraka izao ny mpianatra: ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra; ny fahariana ny fiainana eto an-tany dia ampahany masina sy manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra; ary farany, ireo ray sy reny dia manana adidy ny hifanampy manoloana ireo andraikitra ao amin’ny fianakaviana amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo. Nianatra koa izy ireo fa ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ny Tompo isika raha tsy manatanteraka ny andraikitsika ao amin’ny fianakaviantsika.

Fampidirana

Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fitahiana avy amin’ny hoe tarihin’ny mpaminany velona sy mpahita ary mpanambara. Ireo mpianatra dia hianatra ihany koa ny torohevitra farany avy amin’ny Filohan’ny Fiangonana, ilay mpaminany nofidian’ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fitohizan’ny fanambarana amin’ny alalan’ny mpaminany

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Iza no mpaminany manan-danja indrindra aminao?

Asao ny mpianatra rehetra mba hisaintsaina izany fanontaniana izany ka hihaino ny valiny mandritra ny famakianao ity tenin’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity.

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny mpaminany tena manan-danja indrindra, raha ny ho antsika manokana dia ilay velona amin’izao andro sy vanon’andro izao” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,”New Era, mey 1975, 17).

  • Nahoana araka ny hevitrao ny mpaminany velona no tena manan-danja indrindra ho antsika?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra, dia tohizo ny famakiana ny tenin’ny Filoha Benson:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Izy no mpaminany manana ny torolalana avy amin’ Andriamanitra ho antsika ankehitriny. … Ny taranaka rehetra dia mila ny soratra masina taloha miampy ny soratra masina amin’izao fotoana izao avy amin’ny mpaminany velona. Ny famakiana sy fisaintsainana tena manan-danja indrindra azonao atao noho izany dia ny teny farany nataon’ireo mpitondratenin’ny Tompo. Izany no maha-zava-dehibe ny fanananao fahafahana hanana sy hamaky tsara ny teniny amin’ny alalan’ireo boky mivoaka ara-potoana ataon’ny Fiangonana” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” 17).

Hazavao fa isika dia manohana ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ny Filohan’ny Fiangonana anefa no hany olona iray tokana manam-pahefana hampiasa ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra eto an-tany ary izy no hany olona iray manam-pahefana handray sy hanambara fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo.

  • Oviana araka ny nianaranao tao amin’ireo lesona teo aloha ny Filohan’ny Fiangonana no nanambara fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo na nilaza fiovana manan-danja amin’ny fomba fiasan’ny Fiangonana? (Ireo valinteny dia mety ahitana ny fotoana nambaran’ny Filoha Wilford Woodruff ny Manifesto mikasika ny fampakarana vady maro [jereo ny Filazana Ôfisialy 1], ny fotoana nanambaran’ny Filoha Joseph F. Smith ireo fahamarinana tsy fantatra teo aloha momba ny tontolon’ny fanahy any ankoatra [jereo ny F&F 138], ary ny fotoana nanambaran’ny Filoha Spencer W. Kimball fa azon’ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra raisina ny fitahian’ny fisoronana [jereo ny Filazana Ôfisialy 2].)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity: Asao ny kilasy mba hihaino fahamarinana iray mikasika ny fanambarana amin’izao androntsika izao.

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny iray amin’ireo hafatra lehibe ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia ny filazana fa mbola manohy miresaka amin’ny zanany Andriamanitra. Tsy miafina any an-danitra any Izy fa miresaka amin’izao fotoana izao tahaka ny nataony fahiny. …

“Ireo torolalana tsy voavidy vola avy amin’ Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra dia hita ao amin’ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. Ankoatra izany, ny Tompo dia miteny amintsika amin’ny alalan’ireo mpanompony, tahaka ny ho ataony indray … amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ho avy izao” (“Nahoana isika no mila mpaminany?” Ensign, martsa 2012, 4).

  • Inona no fotopampianarana nampianarin’ny Filoha Uchtdorf mikasika ny fanambarana? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, nefa tokony hamantatra izao fotopampianarana manaraka izao izy ireo: Ny Tompo dia manohy ny firesahany amintsika ankehitriny amin’ny alalan’ny mpaminaniny velona. Azonao atao ny manoratra io fotopampianarana io eny amin’ny solaitrabe.)

  • Aiza no ahafahantsika mahita ny tenin’ireo mpaminany velona? (Ny valinteny dia tokony ahitana ny fihaonamben’ny Fiangonana, ny gazetibokin’ny Fiangonana, ny LDS.org, ary ny mormonchannel.org.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanohizan’ny Tompo ny firesahana amin’ny alalan’ny mpaminany velona dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha John Taylor ity. Asao ny kilasy hihaino ny hoe nahoana no fitohizan’ny fanambarana amin’ny alalan’ireo mpaminany no manan-danja.

Sary
Filoha John Taylor

“Mitaky hazo velona iray isika—loharano velona iray—fanahy velona iray, avy amin’ny fisoronana velona any an-danitra mankatỳ amin’ ny fisoronana velona etỳ an-tany. … Ary nanomboka ny fotoana voalohany nandraisan’i Adama hafatra avy tamin’ Andriamanitra, … dia notakiana hatrany ny fanambarana vaovao, izay ampifanarahana amin’ny toe-javatra tsy hitoviana amin’ireo fiangonana na olona nanomezana izany. Tsy ny torolalana hanangana sambofiara no fanambaran’i Adama, ary ny fanambarana ho an’i Noa dia tsy naniraka an’i Lota mba handao an’i Sodoma; ary izy roa ireo dia tsy nolazaina momba ny hifindran’ny zanak’Isiraely hiala an’i Egypta” (ao amin’ny The Gospel Kingdom, nof. G. Homer Durham [1987], 34; jereo koa ny F&F 1:30).

  • Nahoana isika no mila mpaminany velona raha araka ny voalazan’ny Filoha Taylor? (Ny Tompo dia manome toromarika manokana mifandraika amin’ny filàna sy toe-javatry ny vanim-potoana amin’ny alalan’ny mpaminany velona.)

  • Ahoana no iantefan’ny fahatakarana ny filàna fitohizan’ny fanambarana amin’ny fomba hihainoanao na hamakianao ny tenin’ny mpaminany velona?

Manaraka ny torohevitry ny mpaminany velona

Mba hanampiana ny fifanakalozan-kevitry ny mpianatra momba ny torohevitry ny mpaminany velona dia fidio ny lahateny iray na lahateny maromaro nataon’ny Filohan’ny Fiangonana tamin’ny fihaonambe tamin’ny taona lasa. Omeo tahadikan’io lahateny io ny mpianatra tsirairay mandritra ny fotoam-pampianarana. Omeo fotoana ny mpianatra mba hikaroka ireo fotopampianarana sy fitsipika ampianarin’ny mpaminany velona amin’izao fotoana izao.

Rehefa nomena fotoana ampy mba hamakiana ny mpianatra dia asaivo manao lisitra ireo fotopampianarana sy fitsipika ampianarin’ny mpaminany velona amin’izao fotoana izao izy ireo. Manasà mpianatra iray hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana sy fitsipika hitan’izy ireo dia anontanio ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana ireto na ireto fanontaniana rehetra ireto:

  • Inona amin’ireto fitsipika na fotopampianarana ireto no tsapanao fa tokony miantraika aminao manokana? Nahoana?

  • Amin’ny fomba ahoana no hiezahanao na ny fianakavianao hanaraka ny torohevitry ny mpaminany?

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fandalinantsika sy fampiharantsika ny fampianaran’ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra handika izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina:

Inona no hafatra tsapanao fa tian’ny Tompo ho raisinao avy tamin’ny tenin’ny mpaminany velona izay vao nohalalininao?

Inona no ho ataonao noho ny torohevitry ny mpaminany nomeny vao tsy ela?

Asao ny mpianatra mba hampihatra izay nosoratany. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manao izany izy ireo dia afaka mahazo toky fa hitahy azy ireo ny Ray any an-danitra. Entano ny mpianatra mba handalina sy hampihatra tsy tapaka ny fampianaran’ny mpaminany velona.

Asao ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona momba ny mpaminany velona.

Ho famaranana ity taonan’ny seminera ity dia amporisiho ny mpianatra mba hanohy ny fandalinana soratra masina isan’andro. Raha hianatra ny fandaharam-pianaran’ny seminera manaraka izy ireo dia azonao omena sosokevitra ny hanombohany sahady ny fandalinana ny Testamenta Taloha. Azonao atao ny manasa mpianatra iray hijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana noraisiny tamin’ny fanohizana ny famakiana soratra masina isan’andro na dia tsy nisy seminera aza tamin’izany fa niato kely.