Seminera
Lesona 100: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97


Lesona 100

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97

Fampidirana

Ny 2 aogositra 1833 no nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97. Ao anatin’io fanambarana io dia nanome toromarika sy fankaherezana ho an’i Parley P. Pratt izay niahy ny sekolin’ny mpihazona ny fisoronana tao Missouri, sy ho an’ireo olona izay nanatrika izany sekoly izany ny Tompo. Nanamafy ny sitrapony koa ny Tompo mikasika ny fanorenan’ny Olomasina tempoly tao Missouri. Nampanantena Izy fa raha nanao izany izy ireo ka madio ny fony dia hanatrika ao Izy ary hitoetra ao ny voninahiny.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:1–9

Mampianatra ireo mpikamban’ny sekolin’ny loholona tao Missouri ny Tompo mikasika ny zavatra tsy maintsy ataony mba ho ekeny

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny nambara tsy feno ireto. Asao ny mpianatra mba hameno ireo fanambarana ireo ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Mandeha any am-pianarana aho satria …

Mandeha any am-piangonana aho satria …

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba namenoany ireo fanambarana.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny ririnin’ny taona 1832–33 dia nibaiko ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny Tompo mba hanorina ny Sekolin’ny Mpaminany tao Kirtland, Ohio. Niahy sekoly mitovy amin’izany i Parley P. Pratt tany Independence, Missouri—ny sekoly ho an’ny loholona. Nanoratra tamin’i Joseph Smith izay tany Ohio ny mpikambana tao amin’io sekoly io. Ho valin’izany dia nandefa taratasy iray izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97 ho azy ireo izy. Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:1 sady hamantatra ny fomba nanoritsoritan’ny Tompo ny ankamaroan’ireo rahalahy tany amin’ny tanin’i Ziona (Missouri).

  • Ahoana no nanoritsoritan’ny Tompo ny ankamaroan’ireo rahalahy tany Missouri?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:2 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny fampanantenan’ny Tompo tamin’ireo lehilahy ireo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona no fitsipika izay hitanao ao amin’ny andininy 1–2 mikasika ny fomba ahafahantsika mahazo fahendrena sy fahamarinana? (Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra fitsipika sahala amin’ity manaraka ity izy ireo: Raha manetry tena isika ka mikatsaka amim-pahazotoana ny hianatra dia hahazo fahendrena sy fahamarinana.)

  • Araka ny eritreritrao, ahoana no fomba hanampian’ny fanetrentena sy ny fahazotoana antsika amin’ny fahazoana fahendrena sy fahamarinana?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:3–5 sady hitady ny zavatra tsapan’ny Tompo mikasika ny asa fanompoan’i Parley P. Pratt sy ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ny Rahalahy Pratt. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra nianarany. Omeo toky izy ireo fa tahaka an’i Parley P. Pratt dia afaka mahalala koa izy ireo fa faly aminy ny Tompo rehefa manohy manaraka Azy izy ireo.

Mba hanomanana ireo mpianatra amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:6–9, dia manasà mpianatra roa mba hanao sary eny amin’ny solaitrabe. Asaivo manao sarina hazo izay mamoa voa tsara nambolena teo amin’ny tany lonaka eo akaikin’ny renirano ny mpianatra iray (see verse 9). Angataho kosa ilay mpianatra iray hafa mba hanao sarina hazo izay tsy mamoa voa tsara, ary misy famaky eo am-potony (jereo ny andininy 7).

Sary
hazo mamoa voa tsara
Sary
hazo miaraka amin’ny famaky

Hazavao fa maneho ny mpikamban’ny Fiangonana ny hazo ao amin’ireo sary roa ireo. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa maro tamin’ireo mpikambana tao amin’ny sekolin’ny loholona no nanetry tena sy nahatoky. Kanefa, lasa feno avonavona sy tsy nankatò ny sasany.

  • Raha maneho ny mpikamban’ny Fiangonana ireo hazo, inona kosa araka ny eritreritrao no asehon’ireo voa? (Ny asa na ny zavatra ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana. Raha sahirana milaza an’io valiny io ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:6 sady hitady ny valiny ao.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:6–7 ary angataho ny iray kilasy hitady ny fitsipika ampianarina ao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona ireo fitsipika sasantsasany izay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8–9 ary angataho ny iray kilasy hitady ny fitsipika ampianarina ao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona ireo fitsipika sasantsasany izay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety handrisihan’ny fanoritsoritana ny zava-manjò ireo hazo ireo antsika mba ho mahatoky bebe kokoa?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Raha te ho ankasitrahan’ny Tompo isika dia tsy maintsy …

Asao ny mpianatra mba hamerina hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8 sady hamantatra ny toetran’ny olona izay eken’ny Tompo. Rehefa hitany ireo toetra ireo dia fenoy toy izao ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe: Mba ho eken’ny Tompo isika dia tsy maintsy manana fo mahitsy sy torotoro ary fanahy manenina ka vonona ny hitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe manana fo torotoro sy fanahy manenina?

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena? (Mety ho anisan’ny valinteny ny hoe midika izany fa manao ny zava-drehetra izay azontsika atao isika mba hitandremana ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny Tompo.)

  • Inona no fahafoizan-tena sasany izay nataonao mba hitandremana ny fanekempihavananao?

Omeo fotoana ampy ny mpianatra handinihana ny fahamendrehany eo anatrehan’ny Tompo ka hieritreritra ny fomba ahafahany mampihatra ny fitsipika avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8 eo amin’ny fiainany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–21

Manamafy ny sitrapony mikasika ny fanorenan’ny Olomasina tempoly tao Missouri ny Tompo

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–12 ka angataho ny iray kilasy hitady ny fahafoizan-tena notakian’ny Tompo tamin’ny Olomasina tao Missouri.

  • Inona no fahafoizan-tena notakian’ny Tompo tamin’ireo Olomasina tao Missouri? (Nasaina nanorina tempoly izy ireo—trano ho an’ny Tompo.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa roa taona talohan’io no efa nanendry ny faritry ny tempoly ny Tompo (jereo ny F&F 57:1–3). Ny volana Jona 1833 dia nanoratra tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana tao Missouri i Joseph Smith ka nanome torolalana azy ireo mba hanomboka avy hatrany ny fanorenana ny tempoly. Kanefa rehefa nomena ilay fanambarana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97 tamin’ny 2 aogositra 1833 dia tsy mbola nanomboka ny fanorenana ireo Olomasina tao Missouri. Ankoatra izay, ny fanenjehana voalohany nataon’ireo mpihetraketraka tamin’ny Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, izay nitranga talohan’ny nahatongavan’ny tahadikan’ity fanambarana ity dia nampitombo fatratra ny fahasarotana tamin’ny fankatoavana io didy io.

Asao ny mpianatra hanadihady mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:12–14 sady hamantatra ny antony nahatonga ny Tompo naniraka ny Olomasina hanorina tempoly tao Missouri. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany. Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Aminao, ahoana no mahatonga ny tempoly ho “toeran’ ny fanati-pisaorana”? Ahoana no mahatonga izany ho “toeran’ ny fianarana”?

Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–20 miaraka amin’ny namana izy ireo sady mitady ny fampanantenana nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina raha toa ka nanorina tempoly izy ireo. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ny fampanantenana hahita an’ Andriamanitra any amin’ny tempoly dia mety hihoatra noho ny fahitana Azy amin’ ny masontsika ara-boajanahary dia vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David B. Haight ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
David B. Haight

“Marina tokoa fa tena nahita ny Mpamonjy ny olona sasany, kanefa rehefa mijery ao anatin’ny rakibolana ny olona iray dia mahita fa misy dikany maro ny teny hoe mahita, toy ny hoe lasa mahafantatra Azy, mahay manavaka Azy, mahalala Azy sy mahalala ny asany, mahatsapa ny lanjany na lasa mahatakatra ny momba Azy” (“Temples and Work Therein,” Ensign, nôv. 1990, 61).

  • Araka ny voalazan’ny andininy 15–17 dia ahoana no ahafahantsika ho mendrika ny hiaina ny voninahitra sy ny fanatrehan’ny Tompo ao amin’ny tempoly?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Haneho ny Tenany amin’ireo izay madio am-po Andriamanitra ao amin’ny tempoly.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “madio am-po”?

  • Inona no afaka ataontsika handiovantsika ny fontsika mba ahazoantsika mandray ny fitahiana avy amin’ny tempoly?

  • Inona no fitahiana tsapanao rehefa nandeha tamim-pahamendrehana tany amin’ny tempoly ianao? (Raha misy mpianatra mbola tsy nanana fahafahana nandeha tany amin’ny tempoly ao amin’ny kilasinao dia azonao soloina amin’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity izany: Inona no fitahiana tsapanao rehefa nikatsaka ny ho madio am-po ianao?)

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21 sy hamantatra ny fomba namaritan’ny Tompo ny teny hoe Ziona. Tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: I Ziona dia ny madio am-po.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:22–28

Manazava ny zavatra tsy maintsy ataontsika ny Tompo mba hahafahana miala amin’ny fahavinirany sy handraisana ny fitahiany.

Sary
rambondanitra

Mba hanomanana ny mpianatra hahatakatra ny hafatry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:22–24 dia mampisehoa na manaova sarina tadio. Hazavao fa mitranga manerana an’ izao tontolo izao ny tadio. Mety hivadika ho rambondanitra mahery vaika izay miteraka fahavoazana ratsy tokoa ny tadio mafy. Anontanio ny mpianatra raha efa nahita maso mivantana tadio na rambondanitra mahery vaika izy ireo na nahita izany tamin’ny horonantsary. Avelao ireo mpianatra hanoritsoritra ny zavatra niainany.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:22–24 ka asaivo mamantatra ny zavatra izay nampitahain’ny Tompo tamin’ny tadio ny mpianatra rehetra. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo. Hazavao fa ao amin’ny andininy 22, ny teny hoe famaliana dia entina iantsoana ny vokatry ny tsy fankatoavana ny Tompo.

  • Inona no mety mampitovy ny famalian’ny Tompo amin’ny tadio?

Asaivo mandalina mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:25–28 ny mpianatra sady mitady ny zavatra ilaina ataontsika mba hahafahana miala amin’ny famalian’ny Tompo sy hahazoana ny fitahiany. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny hoe raha isaky ny miseho ao anatin’ireo andininy ireo izany.

  • Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahafahana miala amin’ny famalian’ny Tompo sy hahazoana ny fitahiany?

  • Inona no ifandraisan’ilay hafatry ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo amin’ny sarin’ireo hazo roa izay noresahantsika teo aloha teo? Inona no zavatra ampianarin’ny andininy 27–28 momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka?

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ity fitsipika manaraka ity: Raha mankatò isika dia ho afa-miala amin’ny famalian’ny Tompo sady hahazo ny hamaroan’ny fitahiany.

Azonao atao ny manazava fa araka ny voalazan’i Parley P. Pratt, ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97 dia “tsy narahin’ny mpitarika sy ny mpikambana tao Missouri manontolo; na dia maro aza no nanetry tena sy mahatoky. Koa dia mirotsaka iray manontolo ilay fitsarana nitatao araka izay hasehon’ny tantara mandritra ny dimy taona manaraka” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 96). Tamin’ny volana Nôvambra 1833 dia voaroaka niala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ireo Olomasina ka niatrika tsy an-kijanona ny fanenjehana tao Missouri ambara-pandroahana azy ireo hiala ny faritany tamin’ny 1833 sy 1839.

Asao ny mpianatra mba handinika ny zavatra tsapany fa tokony hataony rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97 izy ireo. Entano izy ireo hanaraka izany bitsika izany mba hahafahany mahazo ny fitahian’ny Tompo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:3. Parley P. Pratt sy ilay sekoly tao Ziona

Nanoritsoritra ny sekolin’ny loholona tao Ziona sy ny asany nandritra ny lohataona 1833 ny Loholona Parley P. Pratt:

Sary
Parley P. Pratt

“Nivory isan-kerinandro io kilasy io, izay ahitana mpandray anjara tokony ho enimpolo. Teny ankalamanjana, teny ambanin’ny hazo be sasantsasany, teny amin’ny toerana mangingina tany an-tany foana no toerana nanaovana fivoriana, toerana izay nivavahanay, nitorianay sy naminanianay ary nanaovanay fanazarana mikasika ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina. Fitahiana lehibe no nirotsaka teo ka maro ireo zavatra lehibe sy mahatalanjona izay naseho sy nampianarina. Nanome fahendrena lehibe ho ahy ny Tompo ka nahafahako nampianatra sy nanorina ireo Loholona, ary nankahery sy namporisika azy ireo tao anatin’ny fiomanany amin’ny asa lehibe izay miandry anay. Izaho koa aza voaorina sy nahazo hery. Voatery nandeha an-tongotra aho mba hamonjena an’io sekoly io ary indraindray aza dia nandeha tsy nikiraro, tokony ho eo amin’ny folo kilaometatra. Indray isan-kerinandro aho no nanao izany, ankoatra ny fitsidihana sy ny fitoriana tany amin’ny sampana dimy na enina isan-kerinandro” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 93–94; jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faharoa [Church Education System student manual, 2001], 228).

Ireo izay nandray anjara tamin’ilay sekolin’ny loholona dia nianatra momba ny soratra masina, ny fotopampianarana, sy ny taranja toy ny fitsipi-pitenenana Anglisy, ny fiteny hafa, ny tantara, ny literatiora, ny filôzôfia, ny matematika ary ny sorakaliana ireo nandray anjara tao amin’ilay sekolin’ny loholona.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:13–14. Ny tempoly dia “toeran’ ny fianarana”

Hoy ny Loholona John A. Widtsoe tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona John A. Widtsoe

“Ny asa atao any amin’ny tempoly … dia manome fahafahana mahafinaritra hamelombelomana ny fahalalana sy ny tanjaka ara-panahintsika. … Hazavaina amintsika any amin’ny tempoly masina ny fomba fijery lehibe ho an’ny mandrakizay, mahita ny fotoana manomboka amin’ny fiandohany tsisy fetra ka hatramin’ny fiafarany tsy manam-pahataperany isika; ary aboraka amintsika ny fitohizan’ny fiainana mandrakizay. Dia hitako mazava tsara ny toerana misy ahy eo anivon’ny zavatr’izao tontolo izao, ny toerana misy ahy eo amin’ny zava-kendren’ Andriamanitra; afaka mametraka tsara kokoa ny tenako amin’ny toerana misy ahy aho, sady afaka manombatombana sy mandanjalanja ary manavaka sy mandamina tsara kokoa ireo adidy fanao mahazatra eo amin’ny fiainako, mba tsy hanahirana ahy na hanaisotra ny fahitako ny zava-dehibe izay nomen’ Andriamanitra antsika ireo zavatra madinika” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1922, 97–98; jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faha-2 [Church Educational System student manual, 2001], 229).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–16. Fahamendrehana hidirana ny tempoly

Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly ny mpikamban’ny Fiangonana iray vao afaka miditra ao amin’ny tempoly. Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny mpikambana tsirairay izay te handeha any amin’ny tempoly, na firy taona na firy taona, dia mila miomana ho amin’izany traikefa masina izany. Hametraka fanontaniana sasantsasany aminao ny evekanao sy ny filohan’ny tsatòkanao, izay mihazona ny fanalahidin’ny fahefan’ny fisoronana sady mpitsara tsotra ao amin’ny Fiangonana. Ho anisan’izany ireto fanontaniana manan-danja ireto: Moa ve ianao marin-toetra? Moa ve ianao madio ara-pitondrantena? Moa ve ianao manaja ny Tenin’ny Fahendrena? Moa ve ianao mankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena? Moa ve ianao manohana ireo manampahefan’ny Fiangonana? Ahitana taratra ny fihetsikao sy ny asa ataonao ny valin’ireo fanontaniana lehibe ireo.

“… Ny fitsipika izay napetraky ny Tompo ao amin’ireo fanontaniana ahazoana ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly dia mitovitovy amin’ny fitsipika hita ao amin’ny Jeunes, soyez forts” (“See the End from the Beginning,” Ensign na Liahona, mey 2006, 44).