Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101:42 (Fizarana 21)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101:42 (Fizarana 21)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101:42 (fizarana 21) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98)

Rehefa nandalina momba ny herisetra nataon’ny mpihetraketraka tamin’ny Olomasina tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa mampizaha toetra ny tenantsika amin’ny Tompo isika amin’ny fitandremantsika ny fanekempihavanantsika na dia sarotra aza ny manao izany. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa raha mizaka ireo fampijaliana amim-paharetana isika ka tsy mamaly faty dia hanome valisoa ho antsika ny Tompo avy eo. Farany dia nianatra izy ireo fa ny fidirana an’ady dia afaka ny ho voamarina arakaraka ny toe-javatra voafaritry ny Tompo.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99–100)

Nianatra ireo mpianatra nandritra ity lesona ity fa misolo tena ny Tompo isika rehefa manao asa fitoriana ary ireo izay mandray ny filazantsara “tahaka ny ankizy madinika” (F&F 99:3) dia handray famindrampo. Nianatra ihany koa izy ireo fa raha manandratra ny feontsika mba hitoriana ny filazantsara amin’ny hafa isika amin’ny fahononam-po sy amin’ny fanahin’ny fahamorana dia hanampy antsika hahafantatra ny zavatra tokony tenenintsika isika ary ny Fanahy Masina dia hijoro ho vavolombelona ny amin’ny hafatra hoentintsika. Nahita ihany koa ireo mpianatra fa ny zava-drehetra dia hiara-miasa hahasoa ireo izay mandeha araka ny hitsiny eo anatrehan’ny Tompo.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–16)

Rehefa nandalina ny fandroahana ireo Olomasina avy tamin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa rehefa mandika ireo didy isika dia mamela antsika hijaly Andriamanitra; izany dia tsy mitovy amin’ny fitsapana sy ny fotoan-tsarotra iainan’ny olo-marina. Nianatra ihany koa izy ireo fa raha tsy maharitra famaizana isika dia tsy afaka ho hamasinina. Nahita ireo mpianatra fa na dia nanota aza isika dia hampiseho famindrampo amintsika ny Tompo. Rehefa miaina amim-pahamarinana isika dia afaka mahazo fampiononana amin’ny fahalalana fa ny vahoaka rehetra dia eo an-tanan’ny Tompo.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–42)

Nianatra ny mpianatra, tao anatin’ity lesona ity momba ny fomba hahafahantsika miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Namantatra ihany koa izy ireo ny fitsipika fa ireo izay mijaly fanenjehana noho ny anaran’ny Mpamonjy sy maharitra amim-pinoana dia hahazo anjara amin’ny voninahitr’ Andriamanitra. Ankoatra izany dia nahita izy ireo fa mba hanampiana ny olona eto an-tany handray ireo fitahian’ Andriamanitra dia tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotantsika isika ary manetry tena.

Fampidirana

Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny torolalana sasantsasany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98 izay nomen’ny Tompo ireo Olomasina izay nenjehin’ny mpihetraketraka. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba tokony hiatrehantsika ireo toe-javatra sarotra, ary afaka manampy amin’ny fankaherezana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny hery sy hatsarampanahin’ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98

Mamerina manome toky ny Olomasina mandritra ny fijalian’izy ireo ny Tompo

Mialoha ny hanombohan’ny kilasy dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao: Inona no mety ho tsapanao? Inona no hataonao?

Hazavao amin’ny mpianatra fa mandritra ny lesona androany izy ireo dia hianatra momba ny sasantsasany tamin’ireo fitsapana sy fanenjehana niainan’ny Olomasina nandritra ny volana jolay 1833 tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Hazavao fa ny mponin’i Missouri sasany dia tezitra tamin’ny Olomasina noho ny antony ara-pôlitika, ara-tsosialy, ara-toekarena ary noho ny fahasamihafana amin’ny lafiny fivavahana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity manaraka ity:

Ny sabotsy 20 jolay 1833 dia nisy mponina tao Missouri miisa teo amin’ny 400 ka hatramin’ny 500 teo izay tezitra nivory tao amin’ny lapan’ny fitsarana tao Independence, Missouri. Nisafidy kômity iray izy ireo mba hanoratra antontan-taratasy milazalaza ny fitakiany amin’ireo Môrmôna. Nitaky izy ireo mba tsy hisy Olomasin’ny Andro Farany instony avela hifindra ao amin’ny Fivondronan’i Jackson ary nilaza fa ireo izay efa nonina tao dia tsy maintsy miala araka izay haingana indrindra. Ankoatra izany dia notakian’izy ireo ny hanatsaharana ny famoahana ataon’ny gazetin’ny Fiangonana. Rehefa naseho tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana tany Missouri ireo fitakiana ireo dia tsy nahateny ireo mpitarika ny Fiangonana ka nangataka telo volana mba hisaintsainana ilay tolo-kevitra sy hifanakalozana hevitra amin’ireo mpitarika ny Fiangonana tany Ohio. Nolavin’ilay andiana mponina tao Missouri izay nanolotra ireo fitakiana ny fangatahan’ny mpitarika ny Fiangonana. Dia nangataka 10 andro avy eo ny Olomasina saingy 15 minitra ihany no nomena azy ireo mba hanomezany valinteny. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 132–33.)

Asaivo mamaly ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra.

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ity manaraka ity:

Nanjary mpihetraketraka vetivety teo ireo mponina tao Missouri izay tao amin’ilay fivoriana tao amin’ny lapan’ny fitsarana tao Independence ka nanapa-kevitra ny handrava ny biraon’ny fanontana sy ny milina fanontana. Niditra an-keriny tao amin’ny biraon’ny fanontana izy ireo ka nanipy ny fanaka teny amin’ny arabe sy teny an-jaridaina, nanimba ny milina fanontana sy nanaparitaka ireo litera sy isa kely atambatambatra amin’ny fanontana ary namotika saika ho ny asa voatonta rehetra, anisan’izany ny ankamaroan’ireo pejy tsy voatambatra tamin’ny Bokin’ny Didy. Avy eo dia nandeha nandrava ny Tsena Gilbert sy Whitney ilay andiana mpihetraketraka. Nihaona tamin’ilay andiana mpihetraketraka anefa i Sidney Gilbert talohan’ny nahafahan’izy ireo nanatontosa ny drafiny ary nampanantena fa hangorona ny entana sy hiala afaka telo andro. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 133.)

Asaivo mamaly indray ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra.

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ity manaraka ity:

Telo andro taty aoriana, tamin’ny 23 jolay dia nipoitra tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri indray ilay andiana mpihetraketraka ka nirongo basy lava, poleta, karavasy sy kibay tamin’ity indray mitoraka ity. Nandoro ny tobim-bilona sy ny saham-boa izy ireo ary nanimba trano sy vala ary tsena maro. Nony farany dia nifampiresaka tamina mpitarika ny Fiangonana niisa enina izay nanolotra ny ainy ho takalo ireo mpihetraketraka rehefa nahita izy ireo fa tandindomin-doza ny fananana sy ny fiainan’ireo Olomasina. Rehefa nandà izany tolotra izany ireo mpitarika ny mpihetraketraka dia nandrahona fa ho karavasiana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra raha tsy nanaiky nandao ny fivondronana izy ireo. Nanao sonia ny fifanarahana handao ny Fivondronan’i Jackson teo ambany famoretana ireo rahalahy—hiala mialoha ny 1 janoary 1834 ny antsasaky ny mpikamban’ny Fiangonana sy ny ankamaroan’ireo mpitarika, ary ny ambiny mialoha ny 1 aprily. Navelan’ilay andiana mpihetraketraka hijanona i John Corrill sy i Sidney Gilbert mba hivarotra ny trano sy tanin’ireo Olomasina izay voaroaka. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 134.)

Asaivo mamaly indray ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady izay voalaza ao anatin’ity fanambarana ity. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Araka ny sasin-teny ho an’ny fizarana, inona no zavatra miavaka mikasika ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–2. Asao ny mpianatra mba hitady ny torohevitra nomen’ny Tompo ireo Olomasina. (Mety hanampy ny fanazavana fa ny Sabaota ao amin’ny andininy 2, dia teny Hebreo izay midika hoe andiany na tafika. Ny fampiasana izany etoana dia manambara fa ny Tompo dia mibaiko ireo tafik’anjely na andian’anjely sy ireo tafik’i Isiraely na ireo Olomasina. [Jereo ny Bible Dictionary, “Sabaoth.”])

  • Inona no torohevitra nomen’ny Tompo ny Olomasina? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

  • Nahoana no manan-danja amin’ny Olomasina ny manolotra fisaorana mandritra ny fotoan-tsarotra?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe miandry ny Tompo amim-paharetana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nolazain’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny dikan’ny hoe miandry ny Tompo amim-paharetana.

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Inona … no dikan’ny hoe miandry ny Tompo? Ao amin’ ny soratra masina ny teny hoe miandry dia midika hoe manantena, manao zavatra mialoha, ary matoky. Ny hoe manantena sy matoky ao amin’ny Tompo dia mitaky finoana, faharetana, fanetrentena, fahamoram-panahy, fahari-po sy fitandremana ny didy ary faharetana hatramin’ny farany” (“Miandry an’i Jehovah: Aoka ny sitraponao no hatao,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 72).

  • Ahoana no hanampian’ny tenin’ny Loholona Hales anao amin’ny fahatakarana ny dikan’ny fiandrasana ny Tompo amim-paharetana?

  • Nahoana no ho nanan-danja ho an’ireo Olomasina tany Missouri ny torohevitra mba hiandry ny Tompo amim-paharetana?

  • Inona avy ireo teny fampiononana nomen’ny Tompo ny Olomasina ao amin’ny andininy 2?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika tsy feno manaraka ity: Raha toa ka misaotra amin’ny zava-drehetra isika sy miandry ny Tompo amim-paharetana dia …

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:3. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady izay nampanantenain’ny Tompo tamin’ny Olomasina raha toa ka hankatò ny toroheviny izy ireo.

  • Ahoana no hamenoanao ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe araka ny andininy 3? (Fomba iray mety hamenoan’ny mpianatra ilay fitsipika izao manaraka izao: Raha toa ka misaotra amin’ny zava-drehetra isika sy miandry ny Tompo amim-paharetana dia azon’ny Tompo atao ny manao izay mampahory antsika mba hiara-miasa hahasoa antsika.)

Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ny olona iray izay fantatr’izy ireo fa niandry ny Tompo tamim-paharetana nandritra ireo fotoan-tsarotra ka nahita antony mba hahavelom-pankasitrahana.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitondra soa teo amin’ny fiainan’izany olona izany ny fahoriany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:18. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra sady hitady ny fitahiana iray ho azon’ny mahatoky.

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fitsipika noresahanao tao am-pianarana androany ny lesona.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101; 102–105)

Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina ny mety ho fihetsik’izy ireo raha toa hiantso azy ireo ny Tompo hanao dia kilaometatra maro mandritra ny volana maro mba hanampiana mpikamban’ny Fiangonana sahirana. Hazavao fa rehefa handalina ny ambin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 sy ny fizarana 102 hatramin’ny 105 ireo mpianatra mandritra ny herinandro ambony dia hianatra izy ireo momba ny vondrona olona izay nilatsaka an-tsitrapo hanao ny dia avy tany Ohio mankany Missouri mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana namany. Io vondrona io dia nantsoina hoe Tobin’i Ziona.