Seminera
Lesona 4: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1


Lesona 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

Fampidirana

Hatramin’ny volana Nôvambra 1831 dia naharay fanambarana mihoatra ny 60 i Joseph Smith. Na dia teo aza izany dia tsy nanana ny tahadikan’ireo fanambarana ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Nampanao fihaonambe tao Hiram, Ohio ny Mpaminany mba hifampiresahana momba ny famoahana izany ho toy ny boky izay ho antsoina hoe ny Bokin’ny Didy. Nanoratra sasin-teny ho an’ilay boky ny komity iray ahitana loholona. Rehefa tsy afa-po tamin’io drafitra io ireo izay nanatrika ny fihaonambe dia nangataka an’i Joseph Smith mba hanontany ny Tompo ny amin’izay ho sasin-teny. Nahazo sasin-teny tamin’ny alalan’ny fanambarana i Joseph rehefa avy nitalaho tamin’ny Tompo tao anatin’ny vavaka. Lasa fizarana 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny sasin-tenin’ny Tompo momba ny Bokin’ny Didy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–16

Mampitandrina ny amin’ireo fitsarana izay ho avy amin’ireo mpikomy amin’ny Fiaviana Fanindroany ny Tompo.

Azonao atao ny manomboka ity lesona ity amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto eo am-pamakianao mafy izany. Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany, dia asao ny mpianatra iray na roa mba hizara ny valintenin’izy ireo.

  • Oviana no efa nisy olona iray nikatsaka ny hisarika ny sainao sy hampitandrina anao amin’ny zavatra iray ny olona iray? Ahoana no fihetsikao namalianao izany?

  • Inona no tsapanao mikasika ny ezak’izany olona izany mba hampitandrina anao? Nahoana ianao no mahatsapa ho toy izany?

Asehoy ny tahadikan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay anao, ary hazavao fa ny Tompo ao anatin’io boky io dia manome fampitandremana sy didy ary torolalana izay tena ilaina ho an’ny fahasambarana sy ny famonjena antsika. Lazao ny mpianatra fa nanambara ny fizarana 1 ny Tompo ho sasin-tenin’ireo fanambarana hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Manomana ny mpamaky amin’izay votoatin’ny boky iray ny sasin-teny amin’ny alalan’ny famintinana ny hafatra sy ireo tanjon’ny mpanoratra. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 dia azonao atao ny mampifandray ity lesona ity amin’ny fampahalalana sasany ao amin’ny fampidirana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mamantatra ireo teny na andian-teny nampiasain’ny Tompo mba hisarihana ny sain’ireo izay hamaky ny teniny. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra hitany. (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny mihaino dia midika hoe manongilan-tsofina tsara. Rehefa tena mihaino ny Tompo isika dia hanaraka ny toroheviny sy hankatò ny didiny.)

  • Iza no iantefan’ny resaky ny Tompo ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Niresaka tamin’ny mponin’ny tany rehetra ny Tompo fa tsy ny mpikamban’ny Fiangonana irery ihany.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ilay andian-teny hoe “hodradraina eo an-tampon-trano ny helony, ary hambara ny asany miafina”? (F&F 1:3).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4–7 ary angataho ny mpianatra mba hamantatra ny fomba nolazain’ny Tompo fa hanomezany ny fampitandremany amin’ny olona rehetra.

  • Amin’ny fomba ahoana hoy ny Tompo no hanomezany ny fampitandremany amin’ny olona rehetra? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra saingy tokony hamantatra izao fotopampianarana manaraka izao izy ireo: Amin’ny alalan’ny mpianatra nofinidiny no ampitan’ny Tompo ny fampitandremany amin’ny olona rehetra. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ity fotopampianarana ity ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4 na hanoratra izany eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny.)

  • Iza avy ireo mpianatra izay amin’ny alalany no hiresahan’ny Tompo sy hamoahany ny fampitandremany?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:8–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanambara ny Tompo fa hitsara ny olona rehetra araka ny asany sy ny fomba itondrany ny hafa Izy. Asaivo mamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:11–14 ny mpianatra iray ary asao ny mpianatra mba hanaraka izany ka hamantatra fampitandremana hafa.

  • Araka ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 12b, inona ny zava-nitranga izay nolazain’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12?

  • Ao amin’ny Fotopampianara sy Fanekempihavanana 1:14, inona araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo holazaina rehefa nampitandrina Izy fa ireo izay tsy mihaino ny mpaminaniny sy ny apôstôliny dia hosarahina hiala avy eo anivon’ny olona? (Hosarahina amin’ireo olo-marina izy ireo ary tsy hahazo ireo fitahiana izay afaka ny ho azo amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny filazantsara sy ireo fanekempihavanana.)

Hazavao fa ilaina ireo fampitandremana ireo noho ny faharatsiana sy ny apôstazia manerana izao tontolo izao. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:15–16. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mamantatra ireo teny na andian-teny izay mampiseho ny faharatsiana na ny apôstazia. Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny zavatra hitany.

  • Amin’ny fomba ahoana avy no handehanan’ny olona “amin’ny lalan[’izy ireo] avy, ary hanarahany ny endriky ny andriamani[ny] avy”? (F&F 1:16).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–33

Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny filazantsara mba hanomanana izao tontolo izao amin’ny antambo amin’ny andro farany.

Angataho ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17 ary hamantatra ilay teny nampiasain’ny Tompo mba hilazana ny faharatsiana sy ny apôstazia ary ny faharavana izay hitranga amin’ny andro farany. Rehefa fantatry ny mpianatra ny teny hoe antambo, dia hazavao fa manome vahaolana mba hanampiana antsika mandritra ny antambo amin’ny andro farany ny Tompo ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–33, (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe antambo dia ilazana ireo zava-mitranga mahatsiravina izay ahitana famoizan-javatra lehibe, fahoriana ary fijaliana lehibe.)

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity na zarao amin’ny mpianatra izany amin’ny alalan’ny fanaovana izany ao anatin’ny taratasy zaraina:

Inona no vahaolana nomen’ny Tompo amin’ny antambo izay ho tonga eto an-tany?

Ahoana no fomba ahafahan’io vahaolana io manampy antsika hiatrika ny antambon’ny andro farany?

F&F 1:17

F&F 1:18–23

F&F 1:29

F&F 1:30

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra mba hameno ilay tabilao tsirairay na miaraka amin’ny namana iray? Asaivo mamaky ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny ilany havia ao amin’ilay tabilao ny mpianatra ka hamantatra ireo vahaolana nomen’ny Tompo mba hanampiana antsika amin’ireo antambo amin’ny andro farany. Asaivo manoratra famaritana na manao sary ny zavatra hitany ao anatin’ny tsanganana afoavoany ao amin’ilay tabilao izy ireo. Asaivo soratan’izy ireo ao anatin’ireo efamira eo amin’ny ankavanana ny fanazavana fohifohy momba ny fomba ahafahan’ny vahaolana tsirairain’ny Tompo manampy antsika amin’ireo antambo amin’ny andro farany.

Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia asao ny mpianatra hitatitra ny zavatra nosoratan’izy ireo tao anatin’ilay tabilao. Tokony hahitana izao manaraka izao ireo valinteny eo amin’ny tsanganana afoavoany: niantso an’i Joseph Smith ny Tompo ary nanome fanambarana sy didy azy (jereo ny F&F 1:17); nandidy ny mpanompony ny Tompo mba handeha manerana ny tany hitory ny filazantsarany sy hanorina ny fanekempihavanany (jereo ny F&F 1:18–23); nanambara ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo (jereo ny F&F 1:29); ary namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany teto ambonin’ny tany ny Tompo (jereo ny F&F 1:30). Mety hiovaova ny valinteny ao amin’ny faritra havanana. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara izay zavatra nosoratany.

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra bebe kokoa momba ny fanambaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30, dia azonao atao ny manasa azy ireo mba hanisy marika ireo teny ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity izay maneho izao fahamarinana manaraka izao: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ilay hany fiangonana marina sady velona eto ambonin’ny tany.

  • Araka ny zavatra nianaranao tao amin’ny lesona teo aloha momba ny Apôstazia Lehibe, amin’ny fomba ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray ny antony maha-ilay hany fiangonana marina sady velona eto ambonin’ny tany Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasina amin’ny Andro Farany?

  • Inona no mahatonga ity fiangonana ity ho “velona”?

Hazavao fa afaka mitarika ny Fiangonany amin’ny fanambarana tsy tapaka ny Tompo amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ohatra iray amin’ny maha-velona ny Fiangonana ity fanambarana mitohy ity.

  • Nahoana no manan-danja aminao ny fahafantarana fa ianao dia ao anatin’ilay hany fiangonana marina sady velona eto ambonin’ny tany?

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo holazaina rehefa niteny Izy fa ankasitrahany ny Fiangonany “manontolo fa tsy amin’ny mpikambana tsirairay”? (F&F 1:30). (Na dia marina aza ny Fiangonana ary mahafaly ny Tompo izy iray manontolo, dia misy olona ao amin’ny mpikamban’ny Fiangonana izay mety tsy miaina amin’ny fomba izay mahafaly Azy.)

Asao ny mpianatra handinika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31–33 ary hamantatra ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny fahotana sy ny fibebahana.

  • Amin’ny fomba ahoana no hijeren’ny Tompo ny fahotana? Ahoana no ahafahantsika ho voavela heloka?

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:33, inona no zavatra mitranga amin’ireo izay tsy mibebaka?

  • Inona no dikan’ny hoe esorina ny “hazavana”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:34–39

Mitarika antsika handinika ireo fanambarana sy didy ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny Tompo.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:34–36 amin’ny alalan’ny fanazavana fa maneho ny faniriany indray ny Tompo mba hampitandremana ny olona rehetra hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–39. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mitady ireo fahamarinana izay nantitranterin’ny Tompo ao amin’ny famaranany ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

  • Fahamarinana inona avy no nantitranterin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–39? (Eo am-pizaran’ny mpianatra ireo fahamarinana hitany dia ataovy mazava tsara izao manaraka izao: Mila mandinika ireo didy nomen’ny Tompo isika. Ho tanteraka avokoa ny tenin’ny Tompo. Marina ny tenin’ny Tompo na nolazainy izany na nolazain’ny mpanompony.)

  • Araka ny zavatra nianaranao androany, amin’ny fomba ahoana no ahafahanao ho voatahy raha toa ianao ka mandinika ireo didy sy fanambarana nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?

Manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba nitahian’ny fandalinana ny soratra masina ny fiainan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny tanjona iray mba handalina isan’andro ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mandritra ny taom-pianarana. Angataho izy ireo mba hisaintsaina hoe rahoviana, aiza, ary hafiriana no handalinan’izy ireo isan’andro. Ampahafantaro azy ireo fa hanara-maso isaky ny fotoana tokony hanaovana izany ianao mba hanampiana azy ireo hahomby eo amin’ny fandalinany isan’andro.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:14. “Mampandria sofina amin’ny tenin’ireo mpaminany”

Nampianatra ny Loholona M. Russell Ballard hoe:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Zava-dehibe ry rahalahiko sy anabaviko ny manana mpaminanin’ Andriamanitra eo anivontsika. Fitahiana lehibe sy mahatalanjona no tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa mihaino ny tenin’ny Tompo izay omeny antsika amin’ny alalan’ny mpaminany isika. Miaraka amin’izany dia manome andraikitra ho antsika ny fahafantarana fa ny [Filohan’ny Fiangonana] no mpaminanin’ Andriamanitra. Tokony ho eny sy eo no ho eo ny valintenintsika rehefa maheno ny torohevitry ny Tompo izay ambarany amin’ny alalan’ny tenin’ny Filohan’ny Fiangonana isika. Ny tantara dia naneho fa misy fiarovana, fiadanana, firoboroboana, ary fahasambarana avy amin’ny fanatanterahana ny torohevitry ny mpaminany tahaka ny nataon’i Nefia fahiny hoe: ‘Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo’ (1 Ne. 3:7)” (“His Word Ye Shall Receive,” Ensign, mey 2001, 65).