Seminera
Lesona 18: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11–12


Lesona 18

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11–12

Fampidirana

Fotoana fohy taorian’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna tamin’ny volana mey 1829 dia nisy lehilahy roa nitsidika ny Mpaminany Joseph Smith tany Harmony, Pennsylvanie: dia i Hyrum rahalahin’i Joseph Smith sy Joseph Knight rainy. Samy nilaza ny faniriany hanompo an’ Andriamanitra sy hanampy tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izy roalahy ireo. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11 dia mirakitra ny fanambaran’ny Tompo ho an’i Hyrum Smith mikasika ny fomba ahafahany mampiorina ny foto-kevitr’i Ziona. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12 dia mirakitra ny fanambaran’ny Tompo ho an’i Joseph Knight rainy sy ny fomba ahafahany koa mampiorina ny foto-kevitr’i Ziona.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:1–14

Mianatra ny fomba ahafahany manampy amin’ny fampiorenana ny foto-kevitr’i Ziona i Hyrum Smith

Asaivo mieritreritra ny fotoana iray izay nanirian’izy ireo hiditra na handray anjara amin’ny asa manan-danja na foto-kevitra iray ny mpianatra, toy ny fandrafetana ny asa atao ao am-piangonana, fanatanterahana asa fanompoana ho an’ny olona sahirana iray, na fandraisana anjara ao anatin’ny fikambanana iray any am-pianarana.

  • Inona no tsy maintsy nataonao mba handraisana anjara amin’ilay asa atao na ilay foto-kevitra? (Mety hilaza zavatra toy ny hoe fisoratana anarana, famenoana antontan-taratasy, firesahana amin’ny tompon’andraikitra iray, na asa izay maneho ny faniriany mba handray anjara ny mpianatra.)

Asao ny mpianatra hamaky ny lohatenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11 sy ny 12, ka hitady ny anaran’ireo olona roa izay naniry handray anjara ao amin’ny asan’ny Tompo. Dia asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:27 sy ny 12:7 ary hamantatra hoe iza koa no nasain’ny Tompo mba hanampy amin’ny asany.

  • Iza koa no nasain’ny Tompo mba hanampy amin’ny asany? (Ireo rehetra izay maniry hanampy Azy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11, dia hazavao fa natao ho an’i Hyrum Smith, izay niainga avy tany Palmyra, New York nankany Harmony, Pennsylvanie mba hijery an’i Joseph rahalahiny ny fanambarana ato anatin’ity fizarana ity. Azo atao hoe nahafantatra ireo toe-javatra niseho faramparany i Hyrum, toy ny fandrosoan’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Naniry hahafantatra ny fomba ahafahany manampy an’i Joseph ao amin’ny asan’ny Tompo izy. Nangataka tamin’ny Tompo i Joseph ka nahazo ity fanambarana ity. (Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny maha-zava-dehibe ny anjara asan’ny faniriana ao amin’ny asan’ny Tompo dia azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ireo teny hoe maniry, sy naniry ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:3, 8, 10, 14, 17, 21, 27.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:5–9. Angataho ny antsasaky ny mpianatra mba hitady ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Hyrum. Asao ny antsasaky ny mpianatra iray hafa mba hitady ny zavatra tsy maintsy ataon’i Hyrum mba hahazoana ireo fitahiana ireo. (Rehefa mamaly ny mpianatra dia mety ilainao ny manazava fa fahamarinana ara-panahy izay fantatra amin’ny alalan’ny fanambarana ihany no atao hoe “ireo misterin’ Andriamanitra” [F&F 11:7].)

  • Inona ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:8 momba ny faniriana hanao ny asan’ny Tompo? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia antitrantero ireto fahamarinana manaraka ireto: (1) Afaka mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika araka ireo faniriana tsara ananantsika. (2) Raha maniry ny hanao ny asan’ Andriamanitra isika dia ho fitaovana amin’ny fanaovan-tsoa be.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao: Inona no azoko atao mba “ho fitaovana amin’ny fanaovan-tsoa be” amin’ny taranaka misy ahy?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:10–14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny toromarika nomen’ny Tompo an’i Hyrum izay hanampy azy hanao soa be. Rehefa avy mamaky ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy mba hanoratra ny zavatra hitany eo ambanin’ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra mba handika ity lisitra ity ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. (Hanampy ilay lisitra izy ireo rehefa mitohy ny lesona.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mametraka ny fitokianao amin’ny Fanahy?

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13, ahoana no ahafahanao mamantatra ny fitaoman’ny Fanahy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hamantatra ireto fitsipika manaraka ireto izy ireo: (1) Mitarika antsika hanao ny tsara, handeha amim-panetrentena ary hitsara araka ny rariny ny Fanahin’ny Tompo. (2) Hanazava ny saintsika sy hameno fifaliana ny fanahintsika ny Fanahy.)

Eo am-pifanakalozanareo hevitra momba ireo fahamarinana ireo dia azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hamerina ilay andinin-tsoratra masina fehezina Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hanoratra ity soratra masina fehezina ity eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–14.

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13, inona ireo fomba sasany ahafahan’ny Fanahy mitaona ny saintsika sy ny fontsika?

  • Oviana no niainanao ny fitaoman’ny Fanahy tamin’ny iray amin’ireo fomba ireo? Tamin’ny fomba ahoana no nitarihan’izany traikefa izany anao mba “hanao soa”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:15–30

Nandidy an’i Hyrum Smith hiomana amin’ny antsony mba hitory ny Tompo

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:15–16. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra tian’ny Tompo hiomanan’i Hyrum Smith mba hataony. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa nodidiana tsy hitory i Hyrum Smith ambara-piantsoana azy hanao izany.

  • Araka ireo andininy ireo, nahoana i Hyrum Smith no “nampiandrasana kelikely” mialoha ny hiantsoana azy hitory ny filazantsara? (Mety mila manazava ianao fa ilay andian-teny hoe “ambara-panananao ny teniko, ny vatolampiko, ny fiangonako ary ny filazantsarako” dia entina ilazana ilay toe-javatra hoe tsy mbola naorina ny Fiangonana ary tsy mbola natonta ny Bokin’i Môrmôna.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:17–20 eo am-panarahan’ny mpianatra ny vakiteny, ka hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa nilain’i Hyrum atao mba ho tonga mpitory ny filazantsara mahomby. Azonao atao ny manampy ny valintenin’ny mpianatra amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hanoratra ny valintenin’izy ireo.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mifikitra amin’ny Tompo amin’ny fonao rehetra? (Mety mila manazava ianao fa ato anatin’ity sahan-kevitra ity, ny teny hoe mifikitra dia midika hoe mihazona mafy na tsy mihozongozona amin’ny zavatra iray.)

  • Andian-teny inona no miverimberina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:18 sy 20? (Azonao atao ihany koa ny manazava fa ilay andian-teny hoe “mitandrina ny didiko” dia hita ihany koa ao amin’ny andininy 6 sy 9.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Manomana antsika ara-panahy mba hanao ny asan’ny Tompo ny fitandremana ireo didy.

  • Ahoana no hanomanan’ny fitandremana ny didy anao ankehitriny amin’ny asa fitoriana ny filazantsara, ny fanambadiana sy ny asa fanompoana ato amin’ny Fiangonana amin’ireo taona ho avy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21–22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady zavatra iray hafa izay nilain’i Hyrum mba hatao hanampiana azy ho tonga mpitory ny filazantsara mahomby.

  • Inona no nolazain’ny Tompo tamin’i Hyrum fa tokony hataony mba hahafahany manambara ny teniny amin’ny olona? (Azonao atao ny manampy hoe mandalina ny soratra masina eo amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona ny fahasamihafana eo amin’ny fandalinana ny soratra masina mba hahafantarana ny tenin’ Andriamanitra sy ny mamaky tsotra ny soratra masina?

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo an’i Hyrum sy ireo hafa izay manaraka ilay lamina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21–22? (Tokony hahita izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Ireo izay mandalina ny tenin’ny Tompo dia handray ny Fanahiny sy ny hery handresena lahatra ny hafa momba ny fahamarinan’ny filazantsara.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12

Manoro hevitra an’i Joseph Knight ny amin’ny fomba hampiorenana ny foto-kevitr’i Ziona ny Tompo

Ilazao anaran’olona malaza vitsivitsy ny mpianatra. Anontanio raha toa ka efa naheno momba ireo olona notononinao ireo izy ireo ary angataho izy ireo mba hanazava fohifohy ny antony mampalaza azy ireo. Dia anontanio izy ireo raha toa ka efa naheno momba ny lehilahy iray antsoina hoe Joseph Knight rainy.

  • Eritrereto ireo olona ao amin’ny paroasinao na ny sampana misy anao izay manompo amim-pahatokiana sy amim-pahanginana. Ahoana no fomba anampian’izy ireo ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra?

Mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra ny momba an’i Joseph Knight rainy sy ny fandraisany anjara tamin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12. Hazavao fa i Joseph Knight rainy dia tsy be mpahafantatra amin’izao fotoana izao, kanefa nanohana ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny sakafo sy fitaovana hafa nandritra ny asa goavan’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna izy. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12 dia mirakitra fanambarana iray izay nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith ho an’i Joseph Knight rainy tamin’ny mey 1829. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12:6–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hamantatra ireo toetra marina tokony hananan’ireo izay te hanampy amin’ny asan’ny Tompo.

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12:8, inona ireo toetra takin’ny Tompo amin’ireo izay te hanampy amin’ny asany?

  • Manao ahoana ny ezaka ataonareo mba hananana ireo toetra ireo eo amin’ny fiainanareo?

Lazao amin’ny mpianatra fa i Joseph Knight rainy dia niezaka hatrany mba hanana ireo toetra tsara ireo sy hampihatra izany. Nanome fanampiana ara-batana sy ara-panahy ho an’i Joseph Smith izy nandritra ny asa fanompoan’ny Mpaminany. Taona maro taorian’ny nahazoan’i Joseph Smith ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12 dia noraketiny izao manaraka izao mikasika ny fahatokian’i Joseph Knight:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“I Joseph Knight, rainy … dia nahatoky sy marina, nahitsy sy ohatra tsara, ary tsara toetra sy tsara fanahy, nijanona ho marina sy mahatoky hatrany. … Lehilahy marina izy” (History of the Church, 5:124).

Mba hamporisihana ny mpianatra hisaintsaina sy hampihatra ny zavatra nianarany androany dia manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba hamaranany izao fehezan-teny manaraka izao: “Mba hahafahana manampy ny Tompo amin’ny asany, izaho dia …”

Azonao atao ny mamarana amin’ny fanehoana ny fomba hamenoanao io fehezan-teny io.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:2. “Maranitra kokoa noho ny sabatra roa lela” ny tenin’ Andriamanitra

Namaritra ny herin’ny tenin’ Andriamanitra ny Loholona Orson Pratt tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe:

Sary
Loholona Orson Pratt

“Ny hafatra iray mifono fahamarinana tsotra, rehefa avy amin’ Andriamanitra—rehefa navoaka tamin’ny alalan’ny fahefana avy amin’ Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny lehilahy notaomim-panahy dia milentika ao anatin’ny saina toy ny sabatra roa lela, ka mamotika ireo hevitra manimba mibahana ao an-tsaina, ilay hery matanjaky ny fahadisoana sy fombafomba taloha, izay heverina ho masina satria efa nisy ela be ka nanjary malaza tamin’ny alalan’ny fahendren’olombelona. Manasaraka ny fahamarinana araka ny tena izy tanteraka amin’ny fitaka izany—ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fotopampianaran’ny olona; mampahalemy ka manimba mora foana ny ady hevitra izay mety hampiasain’ny fahalalan’olombelona mba handringanana ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra izany. Ireo hevitry ny tena, ireo fanekem-pinoana noforonin’ireo olona tsy manana fitaomam-panahy, ary ireo fotopampianarana nipoitra tamin’ireo fianarana mandalina ny fivavahana dia manjavona tsy hita tahaka ny andon’ny maraina—levona tsy misy lanjany intsony ny rehetra rehefa ampitahaina amin’ny hafatra mivantana avy any an-danitra” (“Divine Authority—or was Joseph Smith Sent of God?”” Orson Pratt’s Works on the Doctrines of the Gospel [1945], 1:1).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:9. Inona no dikan’ny hoe “aza milaza na inona na inona afa-tsy fibebahana amin’ity taranaka ity”?

Nilaza ny Filoha Joseph Fielding hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Rehefa miantso ny mpanompony mba tsy hitory na inona na inona afa-tsy fibebahana ny Tompo dia tsy miteny akory Izy fa tsy afaka mitory momba ny batisa izy ireo sy miantso ny olona hankatò ny didin’ny Tompo, fa maniry izy mba ho anatin’ilay toe-tsaina amam-panahy hitondra ny olona hibebaka ny zavata rehetra izay teneniny sy ataony. Na iza na iza misiônera tsy manao izany dia tsy manatontosa ny adidiny izy” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:57).

Mampianatra izao manaraka izao momba ny fibebahana ny Miorim-paka ao amin’ny finoana

“Ny fibebahana dia iray amin’ireo fitsipika voalohan’ny filazantsara (jereo ny Fanekem-pinoana 1:4). Zava-dehibe ho an’ny fahasambaranao eo amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay izany. Mihoatra noho ny fanekena ireo fahadisoana fotsiny ny fibebahana. Ny fibebahana dia fiovan-tsaina sy fiovam-po izay manome antsika fomba fijery vaovao momba an’ Andriamanitra, sy ny tenantsika ary izao tontolo izao. Tafiditra amin’izany ny fialana amin’ny fahotana sy ny fitodihana any amin’ Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka. Atosiky ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny faniriana marina hankatò ny didiny izany” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004]).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:25. “Aza mandà ny fanahin’ny fanambarana”

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ity toromarika ho an’i Hyrum Smith ity dia ho “toromarika tsara ho antsika rehetra ankehitriny. Misy mpikamban’ny Fiangonana sasany toa mitaraina satria tsy manome fanambarana mba hapetraka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny Tompo, toy ny tany am-piandohana, ary manontany ny antony nampitsahatra ny fanambarana ato amin’ny Fiangonana izy ireo. Matetika raha amin’ity toe-javatra miseho ity dia tsy mahatoky amin’ny fitandremana ireo didy izay efa nomen’ny Tompo azy ireo ireo mpitsikera ireo ary tsy mahafantatra izy ireo fa ny fanambarana sy ny fitarihan’ny Tompo dia isaina ho toy ny famarana sahaza tsy tapaka ho an’ny Fiangonana. Tsy misy olona manana ny fanahin’ny famantarana ka tsy hahita fa ny tanan’ny Tompo dia nitarika ny vahoakany hatrany am-piandohana ary izany fitarihana izany dia hita ankehitriny tahaka ny tamin’ireo fotoana hafa ho an’ireo rehetra izay manetry tena sy manana fanahy manenina. (Jereo ny Jakôba 4:8.)” (Church History and Modern Revelation, 2 vols [1953], 1:57; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [Church Educational System manual, 2001], 26).