Seminera
Lesona 94: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–141


Lesona 94

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–141.

Fampidirana

Ity no lesona farany amin’ireo lesona efatra mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88. Nomena nandritra ny fihaonamben’ny mpisorona avo izay natao tamin’ny 27–28 desambra 1832 (andininy 1–126) ary ny 3 Janoary 1833 (andininy 127–141) ilay fanambarana. Miresaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–141 ity lesona ity. Amin’ity ampahany amin’ilay fanambarana ity dia nandidy andiana mpihazona ny fisoronana iray ny Tompo mba handamina ny Sekolin’ny Mpaminany teo ambanin’ny fitarihan’i Joseph Smith. Nasaina niara-nianatra tamin’ny alalan’ny fandalinana sy tamin’ny alalan’ny finoana ary nifampiseho fitiavana sy finamanana ireo izay nandray anjara tamin’ilay sekoly.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–126

Manoritsoritra ny toromariky ny fianarana ny Tompo

Atombohy amin’ny alalan’ny fifalnakalozan-kevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto ny lesona:

  • Inona izao no zavatra ianaranao any am-pianarana? Ao an-tokantrano? Any am-piasana? Any am-piangonana?

  • Inona no maha-samy hafa ny fianarana ny taranja any am-pianarana toy ny matematika na siansa amin’ny fianarana ny filazantsara? Inona no mety mampitovy izany?

Hazavao fa tamin’ny volana Janoary 1833, tao Kirtland, Ohio, dia nanaraka ny didin’ny Tompo ny andiana mpihazona ny fisoronana iray mba hiara-hivory tao amin’ny toerana iray izay nantsoina hoe Sekolin’ny Mpaminany mba hiomana amin’ny fitoriana ny filazantsara manerana ny tany. Rehefa nivory izy ireo dia nampianatra ireo rahalahy ireo ny fomba hahazoana hery na fanantenana ny Tompo. Asao ny mpianatra mba hitady fitsipika mikasika ny fianarana rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–141 izy ireo anio.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118 Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny fomba tokony hikatsahan’ireo mpikambana ao amin’ilay Sekolin’ny Mpaminany ny fianarana.

  • Amin’ ny fomba ahoana no tokony hikatsahan’ireo rahalahy ireo ny fianarana?

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana”?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky mafy ity teny manaraka noloazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra. …

“… Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia tsy afaka afindra avy amin’ny mpampianatra mankany amin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra na fampisehoana na fampiasana ao an-dakilasy; fa tsy maintsy mampiasa finoana sy manao asa ny mpianatra iray mba hahafahany mahazo fahalalana ho an’ny tenany” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 64).

Hazavao fa afaka mianatra amin’ny alalan’ny finoana isika rehefa mirotsaka amim-pahavitrihana amin’ny fahafahana mianatra, izay ombam-bavaka, ary avy eo mampihatra izay nianarantsika. Mianatra isika rehefa mampiasa finoana amin’ny alalan’ny fankatoavana.

  • Jereo ao amin’ny fiandohan’ny andininy 118 fa ny Tompo dia nilaza fa tsy nanam-pinoana ny sasantsasany. Inona no azontsika ianarana avy amin’ity andininy ity momba ny fampitomboana ny finoantsika? (Ampio ny mpianatra hitady fitsipika iray sahala amin’ity manaraka ity: Raha mikatsaka amim-pahavitrihana ny hianatra amin’ny alalan’ny fandinihina sy amin’ny alalan’ny finoana isika dia hitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny toe-javatra sasany izay ahazoany mampihatra ity fitsipika ity eo amin’ny fiainany dia vakio mafy ireto toe-javatra manaraka ireto. Rehefa voavaky daholo izany dia asaivo hazavain’ny mpianatra ny fomba ahafahan’ilay olona mikatsaka amim-pahavitrihana ny mianatra amin’ny alalan’ny fandinihana sy amin’ny alalan’ny finoana. Asaivo hazavain’izy ireo koa ny mahatonga ny hoe hanampy ilay olona hampitombo ny finoany ny fanaovana izany.

  1. Mamaky soratra masina tsy tapaka ny zatovovavy iray nefa mahalana izy vao miato mba hisaintsainana mikasika ny zavatra izay vakiany. Toa mahatsapa izy fa tsy mahasoa azy loatra ny famakiana ny soratra masina

  2. Manatrika ireo Fivoriam-piangonana ny zatovolahy iray ka faly amin’ny fandraisana anjara ao amin’ireo fifanakalozan-kevitra ao amin’ny kilasy. Indraindray izy dia mahatsapa fa misy zavatra izay manosika azy hanova ny fiainany araka ny zavatra ianarany, kanefa matetika izy no tsy manaraka ireo fitaomana ireo.

Rehefa avy niara-nandinika ireo toe-javatra ireo ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nitombo ny finoanao vokatry ny fikatsahana amim-pahavitrihana ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihina sy amin’ny alalan’ny finoana? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny asa nataonao anao hampitombo ny finoanao?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119–120, sady hitady ny zavatra izay nasain’ny Tompo hataon’ny Olomasina. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Hazavao fa ho setrin’ilay didy hoe manangana trano ao amin’ny andininy 119 dia nanorina ny Tempolin’i Kirtland ny Olomasina nony farany. Raha mbola teo an-dalam-panamboarana ny tempoly dia natao tao amin’ny efitrano ambony rihan’ny trano fivarotan’i Newel K. Whitney tao Kirtland ny Sekolin’ny Mpaminany.

  • Inona koa no ifandraisan’ny torohevitra ao amin’ny andininy 119 amin’ny toerana izay nivorian’ireo rahalahy nandritra ny Sekolin’ny Mpaminany? Amin’ny tranontsika? Amin’ny ezaka manokana ataonao amin’ny fianarana any am-pianarana? (Naorina araka ireo fitsipika izay nampianarina ao amin’ity andininy ity ny Sekolin’ny Mpaminany. Afaka ho tranon’ny vavaka, tranon’ny fifandian-kanina, tranon’ny finoana, tranon’ny fianarana ary tranon’ny filaminana ny tranontsika.

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Asao ny mpianatra hanadihady ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:121–126 miaraka amin’ny naman’izy ireo sy hitady ny fomba fitondrantena nandrasan’ny Tompo tamin’ireo rahalahy tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny zavatra hitany. Eo am-pandalinan’ny mpianatra ireo andininy ireo dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto torolalana manaraka ireto mba hiarahan’ny mpiara-miasa tsirairay avy tanterahina rehefa avy mamadihady ilay andinintsoratra masina izy ireo:

Manapaha hevitra ny amin’ny torohevitra tena manampy ny tanora izay mikatsaka ny hianatra ny filazantsara. Diniho miaraka ny antony mahatonga anao mihevitra fa zava-dehibe ireo asa atao ireo amin’ny fanampiana ny olona iray hianatra ny filazantsara.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra nahafahany namaky sy nifanakalo hevitra mikasika ny torohevitry ny Tompo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hanazava izay zavatra nianarany nandritra ny fifanakalozan-kevitra nataony. Rehefa mamaly izy ireo dia azonao ampiasaina ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana sy fanazavana manaraka ireto mba entina hanampiana azy ireo hahatakatra ny sasany amin’ny torohevitry ny Tompo:

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe: “atsaharo ny resaka kitoatoanareo rehetra, … tsikanikaninareo, …sy ny hamaivanan-tsainareo” (andininy 121)? Nahoana no mety hanampy anao amin’ny ezaka ataonao amin’ny fianarana ny zava-masina ny fanatsaharana ireo zavatra ireo ao anatin’ny toerana ara-panahy?

Hazavao fa ny fivoriana natao tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany dia tokony ho masina. Ireo toromarika mikasika ny tsikanikany sy ny resaka kitoatoa ireo dia nidika fa tsy maintsy feno fanajana ireo mpandray anjara tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany ao anatin’ny tontolo masina. Taty aoriana dia natao tao amin’ny tempoly ireo fivoriana ireo.

  • Jereo ny fiverimberenan’ilay teny hoe rehetra ao amin’ny andininy 122. Inona no mety ho fiantraikan’izany amin’ny kilasy iray raha toa ka mandray anjara amin’ny lesona sy miezaka ny mifampianatra ny mpianatra rehetra?

  • Araka ny eritreritrao, ahoana no mahatonga ny hoe misy fiantraikany amin’ny fahafahantsika mianatra na mahatsapa ny Fanahy ny fatoriana “mihoatra noho izay ilaina”? Araka ny eritreritrao, amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahazoana torimaso ampy tsara sy ny fitsanganana vao maraina manampy antsika hianatra amin’ny fomba tsara kokoa?

  • Ahoana no hamintinanao ny torohevitra momba ny fianarana izay nomena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–126? (Mety hahita fahamarinana isan-karazany ireo mpianatra. Rehefa avy mamaly izy ireo dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Hanampy antsika hianatra sy ho voaorina ny fanaovana asa marina sy fanatsaharana ireo asa tsy marina.)

  • Inona amin’ireo fitondrantena izay voalaza ao amin’ireo andininy ireo no tokony arahintsika na atsahatsika ato amin’ny kilasin’ny seminera mba ahafahantsika mianatra amin’ny fomba tsara kokoa ny filazantsara sy hiaraka ho voaorina?

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:121–126 sady hisaintsaina ny torohevitra izay tokony harahiny bebe kokoa eo amin’ny fiainany. Amporisiho izy ireo mba hanoratra tanjona ny hampihatra ny zavatra nianarany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:127–141.

Mametraka ny lamin’ny Sekolin’ny Mpaminany ny Tompo

Asao ho eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra maromaro ka hitanisa ireo toerana sasany izay ianarany ny filazantsara. (Mety ho toy izao ireo valinteny: Sekoly Alahady, kilasin’ny Zatovovavy na kôlejin’ny fisoronana, seminera, ary any an-trano.) Asaivo dinihin’ny mpianatra raha toa ka misy olona amin’ireo toerana ireo izay tsy fantatr’izy ireo tsara na manahirana azy ny mifankahazo aminy. Asao izy ireo hieritreritra ny iray amin’ireo olona ireo rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:127–141. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no fiantraikan’ny fifandraisako amin’ireo izay miara-mianatra ny filazantsara amiko amin’ny fahafahako mianatra sy mahazo hery avy amin’ny alalan’ny Fanahy?

Hazavao fa ny Tompo dia nanantena ny fametrahan’ireo mpikambana ao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany fifandraisana tsara eo amin’izy samy izy rehefa miara-mianatra izy ireo. Asao hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:128–134 ny mpianatra vitsivitsy. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny anjara asan’ny mpampianatra amin’ny fametrahana tontolom-pianarana hanjakan’ny fanahy ao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany.

  • Amin’ny fomba ahoana no tokony nametrahan’ny mpampianatry ny Sekolin’ny Mpaminany tontolom-pianarana hanjakan’ny fanahy? (Azonao atao ny manazava fa ny mpampianatra izay miarahaba ny mpikambana ao amin’ny kilasy dia midika fa faly nandray azy ireo ho tonga soa izy rehefa niditra tao an-dakilasy izy ireo. Fiarahabana manokana tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany izany.)

  • Inona no zavatra tsikaritrao amin’ilay fomba fiarahabana ao amin’ny andininy faha 133

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:135–137 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny anjara asan’ny mpianatra amin’ny fametrahana tontolom-pianarana tsara.

  • Karazam-pifandraisana toy inona no tokony nananan’ireo mpikambana tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany teo amin’izy samy izy?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 137 dia inona no fampanantenan’ny Tompo raha toa ka hanaraka ny torolalany ireo mpikambana tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany? (Ho lasa fitoerana masina izay ahafahan’ny Fanahy hampiorina azy ireo ilay sekoly.)

  • Inona no mety hitranga amin’ny kilasy ao am-piangonana na ao an-trano raha toa ka manaraka ny torolalan’ny Tompo ao amin’ny andininy 128–137 isika? (Mety hahita karazana fitsipika maro samihafa ny mpianatra, kanefa ataovy izay hanamafisana ity manaraka ity: Raha mampiseho finamanana sy fifankatiavana isika dia afaka manasa ny Fanahy rehefa miara-mandalina ny filazantsara.)

Asao ny mpianatra mba hijery indray ilay fifampiarahabana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:133.

  • Araka ny eritreritrao, ahoana no fomba ahafahantsika mampiseho “finiavana izay mitoetra, tsy miova ary tsy mety lefy, ny mba ho namana iray” amin’ny iray kilasy na amin’ny fianakaviana izay mety tsy fantatsika tsara na mety manahirana antsika my mitia azy?

  • Oviana ianao no nahatsapa tontolom-pianarana filazantsara izay nananan’ny tsirairay finiavana ny ho mpinamana amin’ny olon-drehetra? (Mizarà zavatra niainanao manokana.)

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba ahafahany mampivoatra ny finiavana hitia ireo izay miara-mianatra filazantsara aminy. Entano izy ireo hanaraka ny bitsika izay tsapany mba hampiseho hatsaram-panahy sy fitiavana bebe kokoa amin’ireo mpiara-mianatra sy amin’ny fianakaviana. Mijoroa ho vavolombelona fa hanampy azy ireo ny Tompo rehefa miezaka mitia ny hafa izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118 “Mikatsaha fianarana amin’ny alalan’ny fandinihina sy amin’ny alalan’ny finoana”

Nampianatra ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Filoha Marion G. Romney

“Mino ny fandinihina aho. Mino aho fa ny olona dia mianatra zavatra maro amin’ny alalan’ny fandalinana. Raha ny marina, ny zavatra tsikaritro dia hoe zara raha mahafantatra ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy izy ireo rehefa tsy mandalina. Mino koa anefa aho, sady mahafantatra, fa ny fianarana amin’ny alalan’ny fandalinana dia mandroso haingana kokoa rehefa miaraka amin’ny finoana” (Learning for the Eternities [1977], 72).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:121. “Atsaharo ny resaka kitoatoanareo rehetra, ny tsikanikaninareo rehetra”

Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia nasaina nanatsahatra ny resaka kitoatoa sy ny tsikanikany ary ny faniriana ara-nofo rehetra ireo mpikambana tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany satria tokony ho masina ny fivoriany ka ho atao any amin’ny tempoly amin’ny farany. Tsy midika anefa izany fa fahotana ny tsikanikany. Mahakasika ny tsikanikany, dia nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Afaka mahazo fahafinaretana ianao. Mazava ho azy fa azonao atao izany! Tianay ianao hiala voly. Tianay ianao hankafy ny fiainana. … Tianay ianao hientanentana sy hiravoravo, hihira sy handihy, hihomehy sy ho faly.

“Saingy rehefa manao izany ianao dia meteza hanetry tena sy hahery hivavaka, ka hirotsaka aminao ny fahasoavan’ny lanitra” (“A Prophet’s Counsel and Prayer for Youth,” Ensign, jan. 2001, 11).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:138–141. Ny fanasan-tongotra

Rehefa niditra tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany ireo rahalahy izay mihazona ny fisoronana dia noraisina tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanasan-tongotra izay nataon’ny Mpaminany izy ireo, araka ny ohatra napetrak’i Jesoa Kristy izay voasoritsoritra ao amin’ny Jaona 13. Nanazava mikasika io ôrdônansy io ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ôrdonasin’ny filazantsara ny fanasan-tongotra; fombafomba masina izay ataon’ny olomasina rehefa mitokana miala amin’izao tontolo izao ka mankao amin’ny tempoly masiny izy ireo izany. Tsy natao eo anatrehan’izao tontolo izao na ho an’ny olon’izao tontolo izao izany. Tao amin’ny efitrano ambony rihana no nanaovan’i Jesoa izany voalohany nandritra ny Fiaraha-misakafo Farany tamin’ny vanim-potoana sy tamin’ny fotoampitantanana nisy Azy.

“‘Zavatra roa no nataon’ny Tompontsika nandritra ny fanatanterahana io ôrdônansy io: 1. Nanantateraka ny lalàna nomena an’i Mosesy Izy, ary 2. Nametraka ny ôrdônansy masina izay tokony hotanterahan’ireo mpitantana ara-dalana teo anivon’ireo mpianany marina nanomboka hatreo Izy.

“‘Naverina tamin’ny laoniny tao anatin’ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra ny ôrdônansin’ny fanasan-tongotra ao amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana. …

“‘Nambara tsikelikely ny fahalalana mikasika ny fanasan-tongotra tamin’ity fotoampitantanana ity ka amin’izao fotoana izao dia nampidirina ao amin’ireo ôrdônansy nambara ho an’ny tranon’ny Tompo ny fahalalana feno mikasika izany’ (Mormon Doctrine, [ed. Faha-2 (1966), 829, 831])” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1966–73], 1:708, 710).