Seminera
Lesona 32: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25


Lesona 32

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25

Fampidirana

Nitohy ny fanenjehana ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpikambana tato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy nandritra ny fahavaratry ny taona 1830. I Emma vadin’i Joseph dia natao batisa tamin’ny 28 Jona saingy nampihemotra ny fandraisana azy ho mpikambana mandra-pahatongan’ny volana aogositra 1830 ny fanenjehana ireo mpikambana. Tamin’ny faramparan’ny volana Jona, teo anelanelan’ny batisan’i Emma sy ny fandraisana azy ho mpikambana, dia nahazo ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 i Joseph Smith. Ao anatin’izany ny Tompo dia nanome teny fampaherezana ho an’i Emma sy torolalana mikasika ny fianakaviany sy ireo andraikitra ao amin’ny Fiangonana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1–3

Nantsoin’ny Tompo hoe vehivavy nofinidy i Emma Smith

Alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatra telo hizatra an’ireto famintinana ny fiainana sy ny toetran’i Emma Smith ireo, izay vadin’ny Mpaminany Joseph. Atombohy amin’ny fanasana ireo mpianatra telo hitantara amin’ny mpianatra ny zavatra nianarany mikasika an’i Emma Smith ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny mampiseho sarin’i Emma Smith (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 88; jereo koa ny LDS.org).

Sary
Emma Smith
  1. Nanampy an’i Joseph Smith nandritra ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Emma.

    Fotoana fohy taorian’ny nanambadian’i Emma Hale an’i Joseph Smith dia nilaza tamin’i Joseph ny anjely Môrônia fa tonga ny fotoana handraisany ireo takela-bolamena. Vao mangiran-dratsy tamin’ny 22 Septambra 1827 i Joseph sy i Emma dia nitaingina sarety nankeo amin’ny Tendrombohitra Komôrà, izay nandraisan’i Joseph ireo takelaka. Noho ny fanenjehana nisy tao New York dia nifindra tao Harmony, Pennsylvanie i Joseph sy i Emma, izay toerana nividianan’izy ireo tany avy amin’ireo ray aman-drenin’i Emma taty aoriana. Tao Harmony no nanombohan’ny Mpaminany nandika ireo takelaka. Niasa ho mpitan-tsoratra tao anatin’ny fotoana voafetra i Emma tamin’i Joseph nanao ny fandikana. Hatreo aloha dia nodidiana i Joseph fa tsy tokony hampiseho na amin’iza na iza ireo takelaka, na tamin’i Emma aza. Na dia nijery ireo takelaka nipetraka teo ambony latabatra voasarona tamin’ny lamban-databatra aza i Emma dia tsy mbola nanainga ilay lamba mihitsy izy mba hijery izany.

  2. Niaina toe-javatra nampivarahontsana sy alahelo ary fanenjehana i Emma.

    Rehefa nonina tao Harmony, Pennsylvanie i Emma dia niteraka zazalahy nantsoina hoe Alvin, izay tsy naharitra ela akory dia maty. Lasa narary mafy i Emma ary natahotra i Joseph hoe tsy ho voatana ny ainy. Rehefa sitrana i Emma dia nandre ilay vaovao tena nampalahelo izy hoe narian’ny naman’i Joseph nantsoina hoe Martin Harris ireo sora-tanana 116 takila. Na dia tsy salama tsara aza i Emma dia nampionona ilay vadiny izay nalahelo mafy izy, izay tsy nanana intsony ny hery handikana teny. Niara-niandry ny sitrapon’ Andriamanitra tamin’ny fandikana ireo takelaka izy ireo. Voatery nandao ny tranony tao Harmony izy taty aoriana noho ny fandrahonana nataon’ireo olona ratsy fanahy.

  3. Tamin’ny andro nanaovana batisa an’i Emma dia nosamborina i Joseph.

    Tamin’ny volana Jona 1830 dia nanangana fefiloha tao amin’ny renirano iray teo akaikin’i Colesville, New York i Joseph sy ny vondrona kely iray nahitana ireo mpino mba hanamboatra dobo lalindalina ahafahana manatanteraka ireo batisa. Kanefa dia narodan’ny andian’olona iray ilay fefiloha talohan’ny nanatanterahana ireo batisa. Ny ampitson’io dia namerina nanangana ilay fefiloha ireo Olomasina ary nanao batisa olona 13, anisan’izany i Emma Smith. Tamin’io alina io, talohan’ny nanatanterahana ireo fandraisana ho mpikambana dia nosamborina i Joseph ary nampangaina hoe “olona mpanakorontana” (Histoire de l’Église,1:88). Notsaraina izy dia nafahana, saingy vao vita ilay fitsarana dia nisambotra azy avy hatrany ny mpitandro filaminana iray avy eo amin’ny faritra iray manodidina. Navotsotra indray izy. Noho ireo fanoherana tsy ankijanona ny ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fitoriana ny filazantsara dia tsy maintsy nanemotra ireo fivoriana handraisana azy ireo ho mpikambana ireo mpikamban’ny Fiangonana. Tsy noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana i Emma ary tsy nomena ny fanomezana ny Fanahy Masina raha tsy tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra. Tamin’ny faramparan’ny volana Jona, teo anelanelan’ny batisany sy ny fandraisana azy ho mpikambana, dia naharay fanambarana iray natao ho an’i Emma i Joseph, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 amin’izao fotoana izao.

  • Inona no nanaitra anareo mikasika an’i Emma Smith rehefa nahafantatra ny sasany tamin’ireo zavatra niainany ianareo?

Angataho ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1–3 mba hitady ireo teny sy andian-teny izay mety nampahery an’i Emma. Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny zavatra hitan’izy ireo sy hanazava ny antony hieritreretan’izy ireo fa mety nampahery an’i Emma ireo teny sy andian-teny ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana no hahazoanao fanampiana mandritra ireo fotoan-tsarotra amin’ny fahalalana fa zanakalahy na zanakavavy ao amin’ny fanjakan’ny Tompo ianao?

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo an’i Emma raha mahatoky sy “mandeha amin’ny lalan’ny hatsaran-toetra” izy?

  • Inona aminao no dikan’ny hoe “mandeha amin’ny lalan’ny hatsaran-toetra”? Amin’ny fomba ahoana no mety hiarovana ny olona iray amin’ny fandehanana amin’ny lalan’ny hatsaran-toetra?

Sariho ny sain’ny mpianatra hifantoka amin’ilay andian-teny hoe “vehivavy nofinidy” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:3. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika io fehezan-teny io. Hazavao fa rehefa natsangana ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny 1842 (folo taona mahery taorian’ny nanomezana ity fanambarana ity), dia nantsoina ho filoha voalohany tao amin’ilay fikambanana i Emma Smith. Tamin’io fotoana io dia novakin’i Joseph Smith ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25. Nohazavainy tamin’izany fa i Emma dia “nofinidy” satria “voafidy hanao asa iray manokana izy … ary ilay fanambarana dia tanteraka tamin’ny alalan’ny fisafidianana [azy] ho ao amin’ny Fiadidian’ilay Fikambanana, izy izay efa natokana mba hanazava ny Soratra masina teo aloha” (ao amin’ny Histoire de l’Église,4:552–53).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:4–16

Mandray torohevitra mikasika ny fianakaviany sy ny andraikiny ao am-piangonana i Emma Smith

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto ary asao ireo mpianatra handika izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina:

Torohevitra

Antso

Fampanantenana

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:4–16 ary hitady ireo andian-teny na hevitra izay mifandray amin’ireo sokajy teo voasoratra eo amin’ny solaitrabe. (Afaka manao izany tsirairay izy ireo na miaraka amin’ny namana iray.) Asao izy ireo hanoratra ny zavatra hitany eo ambanin’ny sokajy mifanaraka amin’izany. (Ohatra hoe azo sokajiana ho torohevitra ilay torolalana nomen’ny Tompo an’i Emma ao amin’ny andininy fahefatra manao hoe “aza mimonomonona” noho ny tsy nahitany ireo takelaka.) Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asaivo mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny vondrona kely maromaro izy ireo. Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana na omano amin’ny taratasy hozaraina amin’ny vondrona tsirairay izany. Azonao atao ihany koa ny manendry olona hitarika ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny vondrona tsirairay mba hametraka fanontaniana sy hamporisika ny mpianatra tsirairay handray anjara.

  • Iza amin’ireo andian-teny na hevitra hitanareo no maneho fa nahafantatra sy tia an’i Emma Smith ny Tompo? Hazavao ny maha porofom-pitiavan’ny Tompo ny andian-teny na ny hevitra tsirairay.

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:16 dia ahitana ny fanambaran’ny Tompo fa ilay torohevitra sy ireo fampanantenana ato amin’ity fizarana ity dia nataony ho antsika ihany koa. Inona avy ireo lesona izay nianaranao avy amin’ny tenin’ny Tompo tamin’i Emma? (Rehefa hitanao ireo fahamarinana ireo dia soraty izy ireo.)

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ny valinteniny amin’ireo fanontaniana ireo izy ireo dia angataho hilaza amin’ny mpianatra rehetra ireo fitsipika hitany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:4–16. Ny valinteniny dia mety ahitana ny sasany amin’ireto manaraka ireto na izy rehetra (na dia mety ho amin’ny fomba hafa aza no ilazany izany):

Tokony hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao isika ary hikatsaka ny zavatra izay maharitra mandrakizay.

Rehefa mitsaoka ny Tompo amin’ny alalan’ny hira tsara isika dia hitahy antsika Izy.

Afaka mahita fifaliana sy fampiononana amin’ny fifikirana amin’ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ Andriamanitra isika.

Raha mitandrina mandrakariva ny didin’ Andriamanitra isika dia handray ny satroboninahitry ny fahamarinana.

Rehefa milaza ireo fahamarinana hitany ny mpianatra dia hifanakalozy hevitra amin’ny kilasy manontolo ny valintenin’izy ireo. Araho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa manasa ireo mpianatra ianao mba hanazava ny zavatra hitany sy hizara hevi-baovao ary ohatra. Mety hanampy tokoa ireto fanontaniana sy torolalana eto ambany ireto rehefamitarika io fifanakalozan-kevitra io ianao.

Tokony hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao isika ary hikatsaka ny zavatra izay maharitra mandrakizay (jereo ny F&F 25:10).

  • Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety nanampy tokoa an’i Emma, indrindra fa tamin’ny naha vadin’i Joseph Smith azy, ilay torohevitra mba hametraka ireo zavatra maharitra mandrakizay alohan’ireo zavatr’ity tontolo ity? (Mety hanampy ny fanazavana fa nobeazina tao anatin’ny tokantrano iray tena niroborobo i Emma Hale, saingy niana matetika tao anatin’ny fahasahiranana lalina taorian’ny nanambadiany.)

  • Ahoana no hanampian’ilay torohevitra mba hametraka ny zavatra maharitra mandrakizay alohan’ny zavatr’izao tontolo izao antsika amin’izao fotoana izao ?

  • Inona ireo zavatra sasantsasany eto amin’izao tontolo izao izay matetika no apetraky ny olona alohan’ Andriamanitra?

  • Inona no azontsika atao mba hikatsahana ireo zavatra maharitra mandrakizay ?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo ka mametraka zavatr’izao tontolo izao, na inona izany na inona, alohan’ Andriamanitra.

Rehefa mitsaoka ny Tompo amin’ny alalan’ny hira tsara isika dia hitahy antsika Izy (jereo ny F&F 25:12).

  • Araka ny voalazan’io andininy io dia inona no zavatra iray izay mahafinaritra ny Tompo ? Inona no nolazainy mikasika ireo fitahiana izay azo avy amin’“ny hiran’ny marina”?

  • Inona no fitahiana azonao avy amin’ny fideranao ny Tompo tamin’ny alalan’ny hira mendrika?

Asao ny mpianatra hametraka tanjona mba hihaino hira mendrika sy tsara. Amporisiho izy ireo mba hikatsaka ireo fitahiana izay ho azony raha manatratra io tanjona io izy ireo.

Afaka mahita fifaliana sy fampiononana amin’ny fifikirana amin’ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ Andriamanitra isika (jereo ny F&F 25:13).

Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “mifikitra amin’ny fanekempihavanana” dia midika hoe mihazona mafy ireo fampanantenana nataontsika tamin’ Andriamanitra.

Mieritrereta olona iray fantatrao izay nijanona ho mahatoky tamin’ny fanekempihavanana nataony, eny fa na dia nandritra ny fotoan-tsarotra aza.

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha fitahiana izany fahatokiana izany ho azy?

  • Oviana ianao no notahiana satria nahatoky tamin’ireo fanekempihavanana izany nataonao?

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fomba azon’izy ireo hanandratana ny fony sy hanaja ny fanekempihavanana nataony.

Raha mitandrina mandrakariva ny didin’ Andriamanitra isika dia handray ny satroboninahitry ny fahamarinana (jereo ny F&F 25:15).

Hazavao fa ilay andian-teny hoe “handray ny satroboninahitry ny fahamarinana ianao” dia entina ilazana ny fahazoana ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo koa ny F&F 29:13).

  • Ahoana no mety hanampian’io fampanantenana io ny olona iray izay nandalo na mandalo zava-tsarotra?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mankatò mandrakariva fa tsy indraindray ihany ?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mivoatra noho izy ireo mankatò mandrakariva. Azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra ny eritreriny ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

Rehefa avy niresaka mikasika ireo fahamarinana avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 tamin’ireo mpianatra ianao dia asao izy ireo hieritreritra sy hanoratra ombam-bavaka ny zavatra tsapan’izy ireo fa tian’ny Tompo ho ataon’izy ireo raha miainga avy amin’ny zavatra nianaran’izy ireo androany tao am-pianarana. Amporisiho izy ireo hanatanteraka ireo zavatra tsapany ireo.