Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–16


Lesona 42

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–16

Fampidirana

Tamin’ny desambra 1830 dia nanambara didy iray ho an’ny Fiangonana tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo mba hiangona tao Ohio (jereo ny F&F 37). Tamin’ny taona 1831 ny Tompo dia nanome fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38amin’izao fotoana izao, izay manazava ireo antony maro tokony hiangonan’ireo Olomasina tao Ohio. Nanome didy maro ihany koa izy mba hitarihana azy ireo tamin’ny fiarahana mivondrona. Ity lesona ity dia mahafaoka ireo andininy 16 ao amin’ny fizarana 38. Ato amin’ity fanambarana ity i Jesoa Kristy dia milaza amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana fa eo afovoan’izy ireo Izy. Nofaritany ihany koa ireo izay hahatanty ny Fiaviany Fanindroany, nampitandrina ny loza miandry ireo Olomasina Izy, ary nampahery ireo Olomasina.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–7

Milaza amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonany i Jesoa Kristy fa eo afovoan’izy ireo Izy

Asao ireo mpianatra hanao lisitra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ireo didy vitsivitsy izay tsapan’izy ireo fa mora aminy ny mankatò azy. Dia asao izy ireo avy eo hieritreritra hoe inona ireo didy izay sarotra ho azy ireo ny mankatò azy ary nahoana. (Afaka manoratra ireo heviny ireo koa ny mpianatra raha tsy mampaninona azy ireo ny manao izany.)

  • Nahoana no mety ho sarotra ho antsika ny mankatò ireo didy sasany ?

  • Inona no nandrisika anao hitandrina ireo didy izay sarotra ho anao ny mitandrina azy?

Ampahatsiahivo an’ny mpianatra fa tamin’ny desambra 1830 ny Tompo dia nandidy ireo Olomasina tao New York mba hiangona tao Ohio (jereo ny F&F 37). Sarotra tokoa ho an’ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo ny nankatò io didy io. Tamin’ny 2 janoary 1831 dia nivory tao an-tokantranon’i Peter Whitmer rainy ireo Olomasina avy amin’ireo sampana samihafa tao New York mba hanatrika ny fihaonambe fahatelo nataon’ny Fiangonana. Nandritra ilay fihaonambe dia maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no nametra-panontaniana mikasika ilay didy mba handeha tany Ohio.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mety ho sarotra tamin’ny sasany tamin’ireo Olomasina ny nankatò ilay didy hiala tao New York ary hivondrona tao Ohio?

Azonao atao ny manazava fa tsy ny olona rehetra tao amin’ilay fihaonambe no nahatakatra ny fahendrena nofonosin’io didy io. Ny sasany dia tsy nanaiky izany ho toy ny tenin’ny Tompo, ary ny sasany dia tsy vonona ny handao ireo tany famboleny sy fiompiany izay niroborobo tokoa sy ireo toe-javatra nampilamina azy ireo noho ny tsy maha-azo antoka ny toerana iray vaovao. Tena azo noheverina tokoa fa maro tamin’izy ireo no ho maty antoka amin’ny fivarotana ny fananany ary mety tsy ho afaka hamarotra ny fananany akory aza ny sasany.

Hazavao fa nandritra ny fihaonambe tamin’ny janoary 1831 dia nivavaka tamin’ny Tompo i Joseph Smith mba hahalala bebe kokoa mikasika ilay didy mba hivondrona tany Ohio. Namaly tamin’ny alalan’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38 amin’izao fotoana izao ny Tompo. Ampahafantaro ny mpianatra fa rehefa mandalina ity fanambarana ity izy ireo dia hianatra ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo rehefa manao safidy mikasika ireo didy izay hitany fa sarotra tandremana izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo fahamarinana azontsika ianarana mikasika an’i Jesoa Kristy. Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny miteny amin’izy ireo mba hanisy marika ireo teny sy andian-teny mifandray amin’ny valintenin’izy ireo.

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana mikasika an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo ? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo hitady ity fotopampianarana manaraka ity: Mahafantatra ny zava-drehetra i Jesoa Kristy.)

  • Mety ho tamin’ny fomba ahoana no nanampiana ireo Olomasina izay nodidiana handeha tany Ohio tamin’ny alalan’ny fahatakarana fa mahalala ny zava-drehetra i Jesoa Kristy?

  • Mety ho amin’ny fomba ahoana ihany koa no hanampian’io fahamarinana io antsika rehefa sarotra amintsika ny mankatò ireo didin’ny Tompo?

Hazavao fa talohan’ny nahazoana ity fanambarana ity mihitsy i Joseph Smith no nanao ny fandikana mifono fanitsiana mazava tsara ny Baiboly ary nahazo ny zavatra izay hita ao amin’ny Mosesy 6–7 ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy amin’izao fotoana izao. Ireo toko ireo dia mitantara mpaminany iray antsoina hoe Enoka sy ny vahoakany. Noho ny fahamarinana sy ny firaisankinan’izy ireo dia nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ireo vahoaka ireo. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:4 ary hitady ny zavatra nataon’ny Tompo ho an’i Enoka sy ny vahoakany. Asaivo milaza ny zavatra hitany ireo mpianatra. Azonao atao ny manazava fa rehefa nampiasa ilay andian-teny hoe “eo an-tratrako” ny Tompo dia eo anatrehany no tiany holazaina.

  • Inona no zavatra iray nataon’ny vahoakan’i Enoka ka nahatonga ny Tompo naka azy ireo hiakatra any an-danitra araka ny voalazan’ny andininy 4? (Nino ny anarany izy ireo.)

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa nataony ho an’ireo izay nino ny anarany? Inona no tsapanareo mikasika ny Mpamonjy avy amin’izany ?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:5–7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa Kristy mikasika ny toerana misy Azy.

  • Aiza hoy i Jesoa Kristy no misy Azy ?

  • Oviana ianareo no nahatsapa fa teo akaiky teo ny Mpamonjy na dia tsy afaka nahita azy tamin’ny masonareo aza ianareo ?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:8–12

Mamaritra izay olona hahatanty ny Fiaviany Fanindroany ny Tompo

Asehoy ilay sary hoe Ny Fiaviana Fanindroany (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 66; jereo ihany koa ny LDS.org). Hazavao fa rehefa nanampy ireo Olomasina tao New York ny Mpamonjy mba hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fiangonana tao Ohio dia niresaka mikasika ny Fiaviany Fanindroany Izy.

Sary
Ny Fiaviana Fanindroany

Angataho ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:8–10. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny zavatra nampahafantarin’ny Mpamonjy mikasika ny Fiaviany Fanindroany. Mety hanampy ny fanazavana fa ireo izay “hahatanty ny andro” (F&F 38:8) an’ny Fiaviana Fanindroany dia ireo izay ho afaka ny hijanona eto an-tany miaraka amin’ny Mpamonjy, fa tsy ireo izay ho fongotra, rehefa ho avy Izy.

  • Ahoana no hanampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe izany hoe voadio izany alohan’ny Fiaviana Fanindroany?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:11–12 ary hitady ny namaritan’ny Tompo ireo toe-javatra iainana izay hisy eto an-tany mialoha ny Fiaviana Fanindroany. Dia angataho ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra nianarany. (Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo andininy ireo dia azonao atao ny manazava fa ny firesahana ireo anjely izay miandry mba “hijinja ny tany” dia entina ilazana ilay fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary ao amin’ny Testamenta Vaovao [jereo ny Matio 13:24–30; F&F 86:1–7, izay hanangonana ny vary [ireo izay marina] alohan’ny handoroana ny tsimparifary [ireo izay ratsy fanahy].)

  • Inona no porofo hitanareo fa misy amin’izao fotoana izao ireo toe-javatra iainana voalaza ao amin’ny andininy 11 ireo?

  • Inona no azontsika atao mba hijanonana ho madio eo anivon’ireo toe-javatra iainana ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:13–16

Mampitandrina ireo Olomasina amin’ny loza ny Tompo ary mampahery azy ireo

Hazavao fa ankoatra ny firesahany mikasika ny Fiaviany Fanindroany dia nanome fampitandremana mikasika ny loza natrehin’ireo Olomasina ny Tompo. Resaho amin’ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:12 ary apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no nampianarin’ny Tompo mikasika ny fahavalon’ny Olomasina any amin’ny faran’ny andininy 12?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ilay andian-teny hoe “miray tetika ny fahavalo” dia mety hoentina milaza amin’ny ankabobeny fa mitambatra manohitra ny Olomasina amin’ny andro farany i Satana sy ny heriny. Mety entina milaza ireo olona izay fahavalon’ny Olomasina tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity ihany koa izany. Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:13 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ny fikasana nananan’io fahavalo niray tetika io. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Inona no azon’ny Tompo atao rehefa tandindomin-doza isika? (Mety hanolotra valinteny isan-karazany ny mpianatra. Ataovy izay hanantitranterana ity fitsipika manaraka ity ary soraty eo amin’ny solaitrabe izany: Afaka mampitandrina antsika amin’ny loza ny Tompo.)

Omeo fotoana fohy ny mpianatra hisaintsainana ireo hafatra nomen’ireo mpaminanin’ny Tompo antsika tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana sy tamin’ny alalan’ireo boky sy gazety navoakan’ny Fiangonana.

  • Ahoana no fomba maha-fampitandremana avy amin’ny Tompo ireo hafatra ireo amin’ireo loza ara-panahy sy ara-batana izay atrehintsika?

  • Inona koa ireo fomba hafa nampitandremana anareo tamin’ireo loza ara-panahy sy ara-batana?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:14–15 ary hitady ny fomba nampaherezan’ny Tompo an’ireo Olomasina nandritra io fotoan’ny loza sy tsy fahafantarana izay zavatra hiseho io. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:16. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra dia hitady ny zavatra nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina ho famonjena azy ireo. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ilay didy resahina eo dia ilay didy hiala ao New York mba ho any Ohio.

  • Ahoana no fomba mety naha-famonjena ara-batana ho an’ireo Olomasina ilay didy hiala tao New York?

  • Mety ho tamin’ny fomba ahoana no naha-famonjena ara-panahy ho azy ireo ilay didy mba hivondrona tao Ohio?

Ampio ilay fitsipika eo amin’ny solaitrabe mba ho lasa toy izao manaraka izao: Afaka mampitandrina antsika amin’ny loza ny Tompo ary manome antsika didy mba ho fiarovana antsika.

  • Ahoana no fomba ahafahana miaro antsika amin’ny fitandremana ny didin’ny Tompo?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa narovana tamin’ny alalan’ny fitandremana didy iray? (Azonao atao ny manome fotoana ireo mpianatra hieritreretana io fanontaniana io alohan’ny hangatahana azy ireo hamaly.)

Asao ireo mpianatra hitadidy ilay asa natao tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana izay nieritreretan’izy ireo mikasika ireo didy izay sarotra ho azy ireo ny mankatò azy. Asao izy ireo hieritreritra hoe ahoana no fomba ahafahan’ireo didy ireo ho lasa fitahiana avy amin’ny Tompo mba hiaro azy ireo amin’ireo loza ara-panahy sy ara-batana.

  • Amin’ny fomba ahoana no hamporisihana azy ireo hankatò ny didin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fahatakarana ilay fahamarinana voasoratra eo amin’ny solaitrabe, indrindra fa rehefa toy ny hoe sarotra ny mankatò ireo didy ireo?

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny fahafahan’ny Tompo mampitandrina antsika amin’ny loza sy manome didy izay hanome fiarovana ho antsika raha ankatoavina. Azonao atao ihany koa ny mijoro ho vavolombelona ny amin’io fahamarinana io.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:16. “Ho famonjena anareo, dia omeko anareo ny didy”

Nampianatra ny Filoha George Albert Smith hoe:

Sary
Filoha George Albert Smith

“Fony aho zazalahikely dia fantatro, na noheveriko fa fantatro, fa ny didin’ny Tompo dia ireo lalàny sy fitsipiny mba hitarihana ahy. Nihevitra aho hoe fantatro fa rehefa tsy mankatò ireo lalàna ireo dia hisy famaizana aorian’izany. … Saingy rehefa nihalehibe aho dia nianatra lesona tamin’ny fomba fijery hafa, ary amin’izao fotoana izao, araka ny fihevitro, ireo lalàn’ny Tompo … dia ilay hira mahafinaritry ny feon’ny Raintsika any An-danitra ao anatin’ny famindram-pony ho antsika. Ireo dia tsy inona fa ireo torohevitra avy amin’ny Ray be fitiavana, izay mieritreritra bebe kokoa izay mahasoa antsika noho izay azon’ireo ray aman-dreny eto an-tany atao, ary vokatr’izany, ilay zavatra izay toa nitondra ilay anarana henjana hoe lalàna teo aloha araka ny fiheverako azy dia nanjary lasa ilay torohevitra feno fitiavana sy mamy avy amin’ny Ray any An-danitra feno fahendrena ankehitriny. Ary noho izany dia hoy aho hoe tsy sarotra ho ahy ny mino fa tsara indrindra ho ahy ny mitandrina ireo didin’ Andriamanitra” (Teachings of Presidents of the Church: George Albert Smith [2011], 193–94).