Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84–87 (Fizarana 18)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84–87 (Fizarana 18)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84–87 (fizarana 18) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–42)

Nandalina fanambarana iray momba ny tempoly izay hatsangana ao amin’ny Jerosalema Vaovao ireo mpianatra ary namaky ihany koa momba an’ny ezak’i Mosesy amin’ny fanomanana ny vahokany mba hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra. Nianatra ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra: Mba hahafahantsika mitovy amin’ Andriamanitra sy hitoetra eo anatrehany dia tsy maintsy mandray ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka isika; ary raha milofo amin’ny antso ananany ireo izay mandray ny fisoronana dia hamasin’ Andriamanitra izy ireo ary handray izay rehetra ananany.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–120)

Nandritra ity lesona ity dia nianatra fitsipika roa ireo mpianatra izay afaka manampy azy ireo hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra: Raha mitandrina fatratra ny tenin’ Andriamanitra isika dia hahazo fahazavana amin’ny alalan’ny Fanahin’i Kristy; ary raha mihaino ny feon’ny Fanahin’i Jesoa Kristy isika dia hanatona ny Ray. Ireo mpianatra dia nianatra ihany koa fa ny saintsika dia hihamaizina ary ho hita eo ambany fanamelohana isika raha manao ambanin-javatra ny tenin’ Andriamanitra. Naverina ihany koa nandritra ity lesona ity ny torohevitra fa tokony handalina ny soratra masina amim-pahatokiana sy hampihatra izay zavatra ampianarin’izany isika. Fanampin’izany dia nianatra ny mpianatra fa ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra dia manana andraikitra ny hanao ny anjarany amin’ny fanampiana ny fampielezana ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–86)

Nandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia nandinika ny maha-zava-dehibe ny bokin’ny Fiangonana. Nianatra izy ireo fa raha miaina ireo lalàn’ Andriamanitra isika dia ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny Fiangonana ho mpikambana mahatoky. Ireo mpianatra dia nianatra ihany koa hevi-baovao momba ny fanoharan’ny vary sy ny tsimparifary ary nahita fa ny Tompo dia hanangona ireo olo-marina mandritra ny andro farany ary handrava ny ratsy fanahy amin’ny Fiaviany Fanindroany. Fanampin’izany dia nianatra ireo mpianatra fa afaka mitondra famonjena ho an’ny hafa isika amin’ny fanampiana azy ireo handray ireo fitahian’ny filazantsara.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87)

Ireo mpianatra dia nandalina ny faminanian’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny ady amin’ny andro farany sy nianatra fa ny Tompo dia afaka manambara ny hoavy amintsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa ny tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith dia efa tanteraka ary nianatra izy ireo ny fomba nahatanteraka izany. Nandinika ihany koa izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fitsanganana amin’ny toerana masina ary ny tsy hanesorana antsika ambara-pahatongan’ny Tompo.

Fampidirana

Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra misimisy kokoa sy hanazava ny fotopampianaran’ny fisoronana. Manome fahafahana ireo mpianatra mba hizara avy amin’ny fandalinana nataony ny zavatra nianarany nandritra ity herinandro ity mikasika ny fomba hahafahantsika ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra sy ny filofosana ao amin’ny fisoronana ihany koa izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fanamarihana: Ho fanomanana ity lesona ity dia asao ny mpianatra iray hitondra tahadikan’ny fitohizam-pahefan’ny fisoronana ho an’ny mpianatra rehetra (ny an’ny olona ao amin’ny fianakaviany na ny azy). Ny tahadikan’ny fitohizam-pahefan’ny Fisoronana Melkizedeka an’ny tena manokana dia azo angatahina Firaketana ny Mpikambana sy ny Antotan’isa an’ny Fiangonana amin’ny fandefasana mailaka fangatahana amin’ny lineofauthority@ldschurch.org ka ny hoe PLA no atao votoanton’ny mailaka. Hisy valiny tonga ho azy izay mirakitra andalana fenoina sy haverina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84

Manambara ny fitohizan’ny fisoronan’i Mosesy ny Tompo

Ampio ireo mpianatra hanao famerenana ny teny voatokana sasantsasany izay nianarany nandritra ity herinandro ity amin’ny fizarana azy ireo mba hiaraka tsiroaroa. Aza asaina mijery ny solaitrabe ny mpianatra iray avy amin’ny ekipa tsirairay. Hazavao fa hanoratra teny na andian-teny fototra mifandray amin’ny fotopampianarana fototry ny filazantsara ianao. Ireo mpianatra mijery ny solaitrabe dia hamaritra na hanoritsoritra izany teny na andian-teny izany amim-pahanginana amin’ny namany ary ity farany dia hamantatra ny teny na andian-teny. Hifanakalo anjara asa avy eo ny mpianatra ary hanohy ity asa atao ity ianao amin’ny fanoratana teny na andian-teny vaovao eny amin’ny solaitrabe.

Atombohy ny asa atao amin’ny fanoratana ny hoe fisoronana eny amin’ny solaitrabe. Rehefa namantatra io teny io ny mpianatra dia tohizo ny asa atao amin’ny fampiasana ireto teny na andian-teny manaraka ireto: ôrdônansy, Fisoronana Aharôna, fanekempihavanana, Fisoronana Melkizedeka, ôrdônansin’ny famonjena. (Raha tsapanao fa hanampy izany dia azonao atao ny miato aorian’ny teny na fiteny manan-danja tsirairay izay hita ary manao famerenana ny famaritana izany miaraka amin’ny mpianatra rehetra. Ireo famaritana fohy ho an’ny sasantsasany amin’izany dia hita ao amin’ny asa atao fampifandraisana teny ao amin’ny Fizarana 18: Andro 1 ao amin’ny torolalana ho an’ny fandalinana ho an’ny mpianatra seminera any an-trano. Ho fanazavana lalindalina kokoa dia jereo ny “Fisoronana sy Fanalahidin’ny Fisoronana” na “Ôrdônansy sy Fanekempihavanana” ao amin’ny fizarana hoe Fotopampianarana Fototra an’ny tovana hita any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.) Rehefa vita io asa atao io dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ôrdônansin’ny filazantsara inona no ôrdônansin’ny famonjena? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto ôrdônansy manaraka ireto: batisa, fandraisana ho mpikambana, fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka [ho an’ny lehilahy], ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana any amin’ny tempoly.)

Hazavao hoe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 dia mampianatra fa ny fanirian’i Mosesy dia ny hanampy ny hafa hanakaiky bebe kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Asao ny mpianatra mba hijery haingana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:6–17 sady hitady ny fomba nahafahan’i Mosesy nanoritra ny fahefan’ ny fisoronany hatrany amin’i Adama, izay nandray izany avy tamin’ Andriamanitra.

  • Inona no nianaranao momba ny fisoronana avy tamin’ireo andininy roa ireo? (Mety hamantatra karazana fitsipika maro ny mpianatra nefa ataovy izay hanamafisana ity manaraka ity: Ny fisoronana dia avy amin’ Andriamanitra ary omena amin’ny alalan’ny fametraha-tanana ataon’izay mihazona fahefana.)

Eto dia asao ilay mpianatra mba hampiseho ny tahadikan’ny fitohizam-pahefana, ka ataovy amin’ny alalan’ny famakiana izany na amin’ny fanoratana eny amin’ny solaitrabe. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny fitohizam-pahefan’ny fisoronana dia mampiseho ny fomba nanomezana ny fahefan’ny fisoronana avy amin’ny mpihazona ny fisoronana iray mankany amin’ny mpihazona iray hafa, avy amin’i Jesoa Kristy mankany amin’ny mpihazona ny fisoronana ankehitriny.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny fahafahan’ny mpihazona ny fisoronana manoritra ny fahefan’ny fisoronany miverina mankany amin’ Andriamanitra? (Jereo ny Hebreo 5:4.)

  • Inona ireo traikefa nanananao izay nankahery ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fisoronana?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44.

  • Inona no fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay mandray ny fisoronana sy milofo amin’ny antsony? (Tokony hahalala ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha milofo amin’ny antsony ireo izay mandray ny fisoronana dia hanamasina azy ireo sy hanome azy ireo izay rehetra anananany Andriamanitra.)

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany izay entin’ny mpihazona Fisoronana Aharôna hilofosana amin’ny antsony ao amin’ny fisoronana?

  • Oviana ianao no notahiana noho ny filofosan’ny olona iray tamin’ny antsony?

Mba hanampiana ireo mpianatra hizara ny hevi-baovao sasantsasany izay hitany tamin’ny fandalinany nandritra ity herinandro ity dia azonao atao ny mametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana ireto na ireto rehetra ireto. (Fanamarihana: Rehefa manomana ity ampahan’ny lesona ity ianao dia mety ilaina ny hanaovanao famerenana ny andro 2 an’ity fizarana ity ao amin’ny torolalana ho an’ny fandalinana ho an’ny mpianatra seminera any an-trano.)

  • Inona no nianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fihainoana fatratra ny tenin’ Andriamanitra? (Jereo ny F&F 84:43–45, 54–58.)

  • Inona no nitranga tamin’ny fiainanao noho ny fandalinanao sy fampiharanao tamim-pahatokiana ny tenin’ Andriamanitra?

  • Inona no andraikitsika amin’ny vahoakan’ny tany? (Jereo ny F&F 84:61–62, 85–88.)

  • Ahoana no ahafahanao manampy amin’ny fanatanterahana ny adidy amin’ny fitondrana ny filazantsara ho an’izao tontolo izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87

Maminany i Joseph Smith fa halatsaka amin’ ny firenen-drehetra ny ady

Asaivo manao famintinana ny zavatra nianarany momba ny faminaniana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87 ireo mpianatra.

  • Ahoana no nankaherezana ny finoanao fa ny Tompo dia afaka manambara ny hoavy amin’ny alalan’ny mpaminaniny tamin’ny fandalinanao an’ity fanambarana ity?

  • Ahoana no nampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa i Joseph Smith dia mpaminany marina tamin’ny alalan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87?

Hamafiso fa ny faminaniana tsirairay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87 dia efa tanteraka na mbola ho tanteraka avokoa. Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8 mba hianatra ny zavatra nasain’ny Tompo hataontsika mba hanomanana antsika amin’ny ady sy ny voina izay hanjò ny tany amin’ny andro farany.

  • Inona no nandidian’ny Tompo hataontsika? (Ampio izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Tokony hitsangana amin’ny toerana masina isika ka tsy hoesorina ambara-pahatongan’ny Tompo.)

  • Inona ireo toerana masina izay afaka manome fiadanana sy fiarovana amin’ny loza ho antsika?

  • Ahoana no fahatsapanao ny fitahian’ny fiadanana na ny fiarovana amin’ny loza rehefa mitsangana amin’ny iray amin’ireo toerana masina ireo ianao?

Farano ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nifanakalozana hevitra.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88–89)

Mba hanomanana ireo mpianatra amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88–89 dia azonao atao ny manasa azy ireo mba handinika ireto manaraka ireto: Efa nahatsapa ny tenanao ho irery na efa niahiahy ve ianao fa tsy niraharaha ny toe-javatra nisy anao manokana na ny filànao ny Ray any an-danitra? Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 ianao tadiavo ny valintenin’ny Tompo momba ireo fahatsapana ireo. Inona ireo “sain-dratsy sy fikasana … izay misy sy hisy ao am-pon’ny mpiaramioko” (F&F 89:4) amin’ny andro farany? Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 ianao tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo izay afaka miaro anao amin’ireo sain-dratsy ireo fikasana ireo.