Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45–48 (Fizarana 11)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45–48 (Fizarana 11)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45–48 (fizarana 11) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–15)

Ao amin’ireo andininy voalohany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 ireo mpianatra dia namaky fa i Jesoa Kristy no nahary ny lanitra sy ny tany ary Izy no Mpisolovava antsika eo amin’ny Ray. Rehefa mianatra momba ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ho antsika isika dia afaka mampitombo ny faniriantsika hihaino ny feony.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:16–75)

Avy tamin’ny fandalinana ireo famantarana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ireo mpianatra dia nianatra fa raha mitsangana amin’ny toerana masina isika ka mandinika ireo famantarana dia ho vonona amin’io trangan-javatra lehibe io. Nianatra izy ireo, avy tamin’ny fanoharana momba ireo virjiny folo fa raha mandray ny fahamarinana isika ary manaiky ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika dia hahatanty ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika. Ity lesona ity dia mampahafantatra ireo mpianatra momba ny Jerosalema Vaovao.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46)

Ireo mpianatra dia nandany fotoana nieritreritra momba ny fomba tokony hitarihana ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana nandritra ity lesona ity. Nianatra izy ireo fa ireo mpitarika ny Fiangonana dia tokony tarihan’ny Fanahy Masina rehefa mitarika fivoriana ary ny Tompo dia nandidy ny tokony handraisantsika ny olona rehetra mandritra ny fivoriantsika am-pahibemaso. Nahita ireo fomba izay tsy hahafahana ho voafitaka ihany koa ireo mpianatra: (1) manaraka ny Fanahy amim-pahamasinana sy (2) miantso an’ Andriamanitra ary miaina amim-pankasitrahana Azy. Avy eo ireo mpianatra dia nandalina momba ny tanjon’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47–48)

Rehefa nianatra momba ny maha-zava-dehibe ny firaketana ho an’ny Fiangonana ireo mpianatra, dia nahita ilay fahamarinana hoe raha mahatoky amin’ny ezaka firaketana tantaram-piainana manokana isika dia hanampy antsika ny Fanahy. Rehefa nandalina ny sahan-kevitra ara-tantara mikasika ny fifindran’ny Olomasina avy tany New York nankany Ohio ny mpianatra dia nisaintsaina ny didin’ny Tompo ny amin’ny tokony hizarana ny fananantsika amin’ireo izay mila fanampiana izy ireo.

Fampidirana

Ity lesona ity dia momba ny fahatsiarovan’i Jesoa Kristy antsika rehetra. Hanana fahafahana hampifandray ireo fotopampianarana sy fitsipika nianarany nandritra ny herinandro amin’ny fomba hanehoan’ny Tompo ny fitiavany ho antsika ireo mpianatra.

Fanamarihana: Nandritra ny fandalinany manokana dia niasa tamin’ny fitadidiana tsy an-jery sy ny fampiharana ny soratra masina fehezina ao amin’ny Fotopampianarana sy fanekempihavanana 46:33 ny mpianatra. Azonao atao ny mangataka azy ireo mba hanonona tsy an-jery izany ary hizara amin’ny hafa ny fomba heveriny fa tokony “[hampiharan’ny tanora] hatsaran-toetra sy fahamasinana lalandava eo anoloan’[ny Tompo].”

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45–46

Mampianatra momba ny zavatra hitranga sy ny fanomezam-pahasoavana manan-danja amin’ny andro farany ny Tompo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Iza no mieritreritra anao amin’izao fotoana izao?

Azonao amporisihina ireo mpianatra mba haka fotoana hanao famerenana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45–46 ka hitady ireo andininy voamarika sy ireo fahamarinana rehetra izay hitany ka manohana ny hevitra fa ny Mpamonjy dia mieritreritra azy ireo ary liana manokana amin’izy ireo. Asaivo misaintsaina ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra ary asao izy ireo mba hamaly izany.

  • Inona no nianaranao nandritra ity herinandro ity izay manampy anao hahatakatra fa ny Tompo dia mahatsiaro anao? (Ny valintenin’ny mpianatra dia mety hahatsapana ireto hevitra manaraka ireto: Ny Mpamonjy no mpisolovava antsika eo amin’ny Ray; ny Mpamonjy dia mampiseho ny fitiavany ho antsika amin’ny fanambarana ireo zavatra hitranga mialoha ny Fiaviany Fanindroany; ary Andriamanitra dia manome antsika ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy rehefa mikatsaka sy mendrika izany isika.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa amin’izao fotoana izao ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia maro ireo fahavalo izay nampiely lainga sy tatitra diso momba ny Fiangonana sy ny Mpaminany Joseph Smith. Ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 dia nampahatsiahy ireo Olomasina fa nahatsiaro azy ireo ny Tompo, indrindra fa nandritra io fotoan-tsarotra io.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–6. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka handinika ny fomba nitondran’ity fanambarana ity fampiononana ho an’ireo Olomasina nandritra ny fotoana nanenjehana azy ireo. Asaivo miato ireo mpianatra eo am-pamakiany mba hahafahanao manontany ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa voavaky ny andininy mifandraika amin’izany:

  • Ahoana no hanehoan’ ilay fotopampianarana hoe i Jesoa Kristy dia nahary ny lanitra sy ny tany (F&F 45:1) fa liana manokana aminao ny Mpamonjy?

  • Ahoana no hanehoan’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:2 fieritreretany antsika?

  • Raha miainga avy amin’ny andininy 3, dia inona no heverinao fa dikan’ny andian-teny hoe “miaro ny tombotsoanareo?

  • Araka ny andininy 4, inona no niainan’ny Mpamonjy ka mahatonga Azy ho lasa mpisolovava antsika eo amin’ny Ray? (Niaina fijaliana sy fahafatesana Izy, ary koa fiainana tsisy fahotana. Azonao atao ny manasa mpianatra iray mba hanazava ny anjara asan’ny mpisolovava avy tamin’ny zavatra nianarany nandritra ny fandalinany manokana.)

  • Inona no fiantraikan’ny fahafantarana fa i Jesoa Kristy no mpisolovava antsika eo amin’ny Ray any An-danitra eo amin’ny safidintsika sy ny zavatra ataontsika amin’izao fotoana?

Mba hanantitranterana ny fahatsiarovan’ny Mpamonjy antsika dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity. Asaivo mihaino ireo hevi-baovao fanampiny momba ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha mpisolovava antsika Azy ny rehetra.

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“[I Jesoa Kristy] dia mijoro eo anelanelan’ny Ray sy ny olombelona. Miaro ny tombotsoantsika Izy. Fantatrao fa, rehefa niaina teto an-tany izy dia nivavaka matetika, ary nivavaka ho an’ireo mpianany, nitalaho tamin’ny Rainy ho azy ireo ary mbola nitalaho hatrany izy hatramin’izay, ary Izy dia mijoro eo anelanelantsika sy Andriamanitra, Ilay Raintsika” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1953, 58).

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hahafahan’ny olona iray misaotra ny Mpamonjy amin’ny maha mpisolovavany Azy? (Mba hanampiana ireo mpianatra hizara valinteny mitondra fisaintsainana ho an’ity fanontaniana ity dia azonao atao ny manasa azy ireo mba hijery ny zavatra izay nosoratany ho an’ny asa nampanaovina faharoa tao amin’ny lesony ho an’ny Andro 1 an’ity fizarana ity [F&F 45:1–15].)

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay nahatsapany fa tsy mba nisy olona nahatsiaro azy ireo na fotoana nahatsapany fa tsy nanan-danja noho ny olona iray hafa izy ireo.

Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asaivo mihaino ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy momba ny tsirairay amintsika ny mpianatra.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ry rahalahy sy rahavavy, mijoro ho vavolombelona aho fa tsy ambany lanja na kely fitia amin’ Andriamanitra ny tsirairay amintsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa tia antsika tsirairay Izy—na dia eo aza ny tsy fahazoantsika toky amin’ny tenantsika, ny ahiahintsika, ny tsy fiheverantsika ny tenantsika araka ny tokony ho izy sy ny zavatra rehetra hafa. Tsy mandrefy ny talentantsika na ny endritsika Izy; Tsy mandrefy ny asa fivelomantsika na ny fananantsika Izy. Mamporisika ny mpihazakazaka tsirairay Izy, ary mampilaza Izy fa ny hazakazaka dia hifaninanana amin’ny fahotana fa tsy eo amin’izy samy izy. Fantatro fa raha mahatoky isika dia hisy akanjo lavan’ny fahamarinana natokana ho antsika manokana ho vonona hiandry antsika tsirairay” (“The Other Prodigal,” Ensign, mey 2002, 64).

Asao ireo mpianatra hizara ny traikefany manokana momba ny fotoana nahatsapany fa mahatsiaro azy ireo Andriamanitra na momba ny fotoana nahatsapany ny famporisihana avy amin’ Andriamanitra.

Hazavao fa ny fomba iray nampiononan’ny Mpamonjy ireo Olomasina tany am-piandohany nandritra ny fotoana nanenjehana azy ireo dia ny nilazany fa ho avy eto an-tany indray Izy mba hitahy azy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andinin-tsoratra masina manaraka ity: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:55–59.

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ireo andininy ireo ka hitady ny fomba hitahiana ireo Olomasina amin’ny fiavian’ny Tompo izy ireo.

  • Inona araka ny andininy 57 no tsy maintsy ataontsika mba hiomanana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha mandray ny fahamarinana isika ka manaiky ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika dia hahatanty ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.)

  • Ahoana araka ny hevitrao ny fandraisana ny fahamarinana sy ny fanekena ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika no hampiomana antsika amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

  • Inona no efa nataonao tamin’ny fiainana mba handraisana sy hanekena ny fahamarinana? Tamin’ny fotoana ahoana ianao no efa notarihan’ny Fanahy Masina? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia zarao ny traikefa avy amin’ny fiainanao manokana)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47–48

Ireo Olomasina dia tokony hirakitra an-tsoratra tsy tapaka ny tantarany sy hizara ny fananany amin’ny hafa

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny ampahany tamin’ny fandalinana nataony nandritra ity herinandro ity dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny firaketana ny tantaran’ny tena manokana na ny diary. Amporisiho ny mpianatra mba hanohy ireo ezaka amin’ny firaketana ny tantaran’ny tena manokana na ny fanombohana ny fihazonana tantaran’ny tena manokana, azonao anontaniana ny antony ilàna ny firaketana tantaran’ny tena manokana izy ireo.

Asao ireo mpianatra hizara ny fitahiana efa niainany avy tamin’ny firaketana tantaran’ny tena manokana na avy amin’ny famakiana ny tantaran’ny ray aman-dreniny, ny raibeny sy ny renibeny na koa ny razambeny hafa.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–56)

Mba hanomanana ireo mpianatra amin’ny fandalinana mandritra ny herinandro manaraka dia azonao atao ny manasa azy ireo mba handinika izao manaraka izao: Ahoana no tokony hitoriana ny filazantsara amin’ny hafa? Ahoana no hahafantaranao fa mampianatra na mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao? Efa sarotra taminao ve ny namantatra raha avy amin’ Andriamanitra ny zavatra iray na avy amin’ny loharano hafa? Hazavao fa mandritra ny fizarana manaraka izy ireo dia hianatra ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny famantarana fahamarinana sy ny fialana amin’ny fampianaran-diso.