Seminera
Lesona 160: Ilay Mpaminany velona


Lesona 160

Ilay Mpaminany Velona

Fampidirana

Ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia voatahy noho izy ireo tarihin’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara velona. Tamin’ny andro fahiny, ireo mpaminany dia nosafidin’ny Tompo ary nahazo fahefana ny hiteny amin’ny anarany. Toy izany koa, ny tenin’ny mpaminany velona amin’izao androntsika izao dia misolo tena ny feon’ny Tompo amintsika sy amin’izao tontolo izao (jereo ny F&F 1:37–38). Ao amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia handalina torohevitra vao haingana kely avy amin’ny Filohan’ny Fiangonana, ilay mpaminany nofinidin’ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fitohizan’ny fanambarana amin’ny alalan’ny mpaminany

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Iza no mpaminany manan-danja indrindra aminao?

Asao ny mpianatra rehetra mba hisaintsaina izany fanontaniana izany ary hihaino ny valiny mandritra ny famakianao ny tenin’ny Filoha Ezra Taft Benson.

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny mpaminany tena manan-danja indrindra, raha ho antsika manokana dia ilay velona amin’izao andro sy vanin’andro iainantsika izao” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” New Era, mey 1975, 17).

  • Nahoana araka ny hevitrao ny mpaminany velona no tena manan-danja indrindra ho antsika?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra, dia tohizo ny famakiana ny tenin’ny Filoha Benson:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Izy no mpaminany manana ny torolalana avy amin’ Andriamanitra ho antsika ankehitriny. … Ny taranaka rehetra dia mila ny soratra masina taloha miampy ny soratra masina amin’izao fotoana izao avy amin’ny mpaminany velona. Ny famakiana sy fisaintsainana tena manan-danja indrindra azonao atao noho izany dia ny teny farany nataon’ireo mpitondratenin’ny Tompo. Izany no maha-zava-dehibe ny fahafahanao sy mamaky tsara ny teniny amin’ny alalan’ireo boky mivoaka isaky ny fotoana voafetra ao amin’ny Fiangonana” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” 17).

Hazavao fa isika dia manohana ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ny Filohan’ny Fiangonana anefa no hany olona iray tokana manam-pahefana hampiasa ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra eto an-tany ary izy no hany olona iray manam-pahefana handray sy hanambara fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo.

  • Oviana araka ny nianaranao tao amin’ireo lesona teo aloha ny Filohan’ny Fiangonana no nanambara fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo na nilaza fiovana manan-danja amin’ny fomba fiasan’ny Fiangonana? (Ireo valinteny dia mety ahitana ny fotoana namoahan’ny Filoha Wilford Woodruff an’ilay Manifesto mikasika ny fampakarana vady maro [jereo ny Filazana Ôfisialy 1], ny fotoana nanambaran’ny Filoha Joseph F. Smith ireo fahamarinana tsy fantatra teo aloha momba ny tontolon’ny fanahy any ankoatra [jereo ny F&F 138], ary ny fotoana nanambaran’ny Filoha Spencer W. Kimball fa azon’ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra raisina ny fitahian’ny fisoronana [jereo ny Filazana Ôfisialy 2].)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity. Asao ny kilasy mba hihaino fahamarinana iray mikasika ny fanambarana amin’izao androntsika izao.

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny iray amin’ireo hafatra be voninahitra ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia ny filazana fa mbola manohy miresaka amin’ny zanany Andriamanitra! Tsy miafina any an-danitra any Izy fa miresaka amin’izao fotoana izao tahaka ny nataony fahiny. …

“Ireo torolalana tsy voavidy vola avy amin’ Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra dia hita ao amin’ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. Ankoatra izany, ny Tompo dia miteny amintsika amin’ny alalan’ireo mpanompony, tahaka ny ho ataony indray … amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ho avy izao” (“Why Do We Need Prophets?” Ensign, martsa 2012, 4).

  • Inona no fotopampianarana nampianarin’ny Filoha Uchtdorf mikasika ny fanambarana? (Mety ho amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany, kanefa tokony hahita zavatra mitovy amin’ity filazana fotopampianarana ity izy ireo: Manohy miresaka amintsika amin’ny alalan’ny mpaminaniny velona ny Tompo ankehitriny. Azonao atao ny manoratra io fotopampianarana io eny amin’ny solaitrabe.)

  • Aiza no ahafahantsika mahita ny tenin’ireo mpaminany velona? (Mety ho isan’ny valinteny ny fihaonamben’ny Fiangonana, ny gazetibokin’ny Fiangonana, ny LDS.org, ary ny mormonchannel.org.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanohizan’ny Tompo ny firesahana amin’ny alalan’ny mpaminany velona dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha John Taylor ity. Asao ny kilasy hihaino ny hoe nahoana no fitohizan’ny fanambarana amin’ny alalan’ireo mpaminany no manan-danja.

Sary
Filoha John Taylor

“Mitaky hazo velona iray isika—loharano velona iray—fanahy velona iray, avy amin’ny fisoronana velona any an-danitra mankatỳ amin’ ny fisoronana velona etỳ an-tany. … Ary nanomboka ny fotoana voalohany nandraisan’i Adama hafatra avy tamin’ Andriamanitra, … dia notakiana hatrany ny fanambarana vaovao, izay ampifanarahana amin’ny toe-javatra tsy hitoviana amin’ireo fiangonana na olona nanomezana izany. Ny fanambaran’i Adàma dia tsy nanome torolalana an’i Noà hanao ny sambofiara, ary ny fanambaran’i Noà koa dia tsy niteny tamin’i Lota hoe hafoizo Sôdôma, ary tsy nisy na iray aza tamin’ireo niresaka momba ny fialan’ny zanak’israely avy ao Egypta” (ao amin’ny The Gospel Kingdom, nofantenan’i G. Homer Durham [1987], 34).

  • Nahoana isika no mila mpaminany velona raha araka ny voalazan’ny Filoha Taylor? (Ny Tompo dia manome toromarika manokana mifandraika amin’ny filàna sy toe-javatry ny vanim-potoana amin’ny alalan’ny mpaminany velona.)

  • Ahoana no iantefan’ny fahatakarana ny filàna fitohizan’ny fanambarana amin’ny fomba hihainoanao na hamakianao ny tenin’ny mpaminany velona?

Manaraka ny torohevitry ny mpaminany velona

Mba hanampiana ny fifanakalozan-kevitry ny mpianatra momba ny torohevitry ny mpaminany velona dia fidio ny lahateny iray na lahateny maromaro nataon’ny Filohan’ny Fiangonana tamin’ny fihaonambe tamin’ny taona lasa. Omeo tahadikan’io lahateny io ny mpianatra tsirairay mandritra ny fotoam-pampianarana. Omeo fotoana ny mpianatra mba hikaroka ireo fotopampianarana sy fitsipika ampianarin’ny mpaminany velona amin’izao fotoana izao.

Rehefa nomena fotoana ampy mba hamakiana ny mpianatra dia asaivo manao lisitra ireo fotopampianarana sy fitsipika ampianarin’ny mpaminany velona amin’izao fotoana izao izy ireo. Manasà mpianatra iray hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana sy fitsipika hitan’izy ireo dia anontanio ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana ireto na ireto fanontaniana rehetra ireto:

  • Inona amin’ireto fitsipika na fotopampianarana ireto no tsapanao fa tokony miantraika aminao manokana? Nahoana?

  • Amin’ny fomba ahoana no hiezahanao na ny fianakavianao hanaraka ny torohevitry ny mpaminany?

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fandalinantsika sy fampiharantsika ny fampianaran’ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hamaly izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina:

Inona no hafatra tsapanao fa tian’ny Tompo ho raisinao avy tamin’ny tenin’ny mpaminany velona izay vao nohalalininao?

Inona no ho ataonao noho ny torohevitry ny mpaminany nomeny vao tsy ela?

Asao ny mpianatra mba hampihatra izay nosoratany. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manao izany izy ireo dia afaka mahazo toky fa hitahy azy ireo ny Ray any an-danitra. Entano ny mpianatra mba handalina sy hampihatra tsy tapaka ny fampianaran’ny mpaminany velona.

Asao ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona momba ny mpaminany velona.

Ho famaranana ity taonan’ny seminera ity dia amporisiho ny mpianatra mba hanohy ny fandalinana soratra masina isan’andro. Raha hianatra ny fandaharam-pianaran’ny seminera manaraka izy ireo dia azonao omena sosokevitra ny hanombohany sahady ny fandalinana ny Testamenta Taloha. Azonao atao ny manasa mpianatra iray hijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana noraisiny tamin’ny fanohizana ny famakiana soratra masina isan’andro na dia tsisy aza ny seminera tamin’izany fa nihato kely.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ireo mpaminany velona

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Tamin’ireo olombelona mety maty dia tokony hibanjina fatratra ny kapiteny ny masontsika dia ny mpaminany izany, mpahita ary mpanambara sady Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Io ilay lehilahy izay mijoro akaiky indrindra ny loharano velona. Misy ireo torolalana avy any an-danitra ho antsika izay afaka ho azontsika avy amin’ny alalan’ny mpaminany ihany. Ny fomba tsara indrindra handrefesana ny fijoroana miaraka amin’ny Tompo dia ny fijerena hoe ahoana no fahatsapanao mikasika izany, ny fihetsikao, ny teny feno fitaomam-panahin’ireo mpisolo tena azy eto an-tany, ilay mpaminany sady filoha. Ny teny feno fitaomam-panahy avy any amin’ny Filohan’ny Fiangonana dia tsy ho sangisangy na oviana na oviana. Ny olona rehetra dia afaka handray fanentanam-panahy daholo ary karazan’olona maro no voatokana amin’ny asa manokana Fa lehilahy iray ihany no mpitondratenin’i Tompo amin’ny Fiangonana sy izao tontolo izao, ary izany dia ny Filohan’ny Fiangonana. Ny tenin’ireo olona hafa dia hingain’ny teny feno fitaomam-panahy.

“ Na dia mety maty aza ny mpaminany dia tsy hamela ny Fiangonana hivily lalana velively Andriamanitra. (Jereo ny Discourses of Wilford Woodruff, pp. 212–13.) Andriamanitra dia mahalala ny zava-drehetra, hitany hatrany am-boalohany ny farany ary tsy misy lehilahy lasa ho Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy kisendrasendra izany, na mijanona eo noho ny vintana, na voantso tampoka.

“Ny mpaminany manan-danja indrindra raha araka ny hevitray dia ilay izay miaina amin’izao fotoana sy andro izao. Izany no mpaminany manana ny torolalana avy amin’ Andriamanitra ho antsika ankehitriny. Ny fanambaran’ Andriamanitra tamin’i Adama dia tsy nanoro hevitra an’i Noà hanangana ny sambofiara. Ny taranaka rehetra dia mila ny soratra masina taloha miampy ny soratra masina amin’izao fotoana izao avy amin’ny mpaminany velona. Noho izany, ny fotoana tena lehibe indrindra dia ny famakiana sy ny fisaintsainana tokony ataonao dia ny hanao ny teny farany feno nentanim-panahy avy amin’ny mpitondratenin’ny Tompo. Izany no maha-zava-dehibe ny fahafahanao mahazo sy mamaky tsara ny teniny ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana mivoaka isaky ny fotoana voafetra ireo” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” New Era, mey 1975, 16–17).

Nanamafy ny ilana mihaino ny mpaminany velona ihany koa ny Filoha J. Reuben Clark Zanany:

Sary
Ny Filoha J. Reuben Clark

“Efa elaela kely izay dia nisy kiboky izay teo amin’ny biraoko. … Voalaza teo amin’ny pejy ivelany ny hoe: ‘Mila mpaminany isika,’ ary rehafa namaky izany aho tamin’izany, sy mieritreritra izany amin’izao dia takatro hoe hatraiza ny fahajamban’izao tontolo izao. …

“… Tsy hoe tsy manana mpaminany isika, fa ny tsy ananantsika dia fihainoan’ny olona izany sy ny fahavononana hiaina tahaka ny efa nandidian’ Andriamanitra” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1948, 79–80).

Hoy ny Filoha Wilford Woodruff:

Sary
Ny filoha Wilford Woodruff

“Ny Tompo dia tsy hamela na oviana na oviana ahy na ny lehilahy iray hafa izay mitana toeran’ny Filohan’ity Fiangonana ity hitarika anareo haniasia. Tsy ao anatin’ny fandaharam-potoana izany. Tsy ao an-tsain’ Andriamanitra izany. Raha manandrana manao izany aho dia hoesorin’ny Tompo hiala amin’ny toerako ary ho toy izany koa ny olona hafa izay manandrana ny hitarika ny zanak’olombelona hiala amin’ny tenin’ Andriamanitra sy amin’ny adidiny” (Fanambarana Ôfisialy 1).