Seminera
Lesona 27: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–67


Lesona 27

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–67

Fampidirana

Ao amin’ilay fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia nanome didy ny Tompo ny hananganana ny Fiangonany tamin’ny 6 Aprily 1830. Nanome torolalana mikasika ny fitantanana ny Fiangonana ihany koa izy, ao anatin’izany ny fanazavana ireo anjara fanompoana samihafa an’ny fisoronana sy ireo andraikitr’ireo izay hitana ireo anjara fanompoana ireo. Noho ny fametrahana ireo anjara fanompoana ireo dia afaka nahazo ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy nanao fanekempihavanana ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–59

Nohazavaina ny andraikitr’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana

Soraty eo amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana izao manaraka izao: mitory, mampianatra, manazava, manentana, mampitandrina, ary manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy

Any am-piandohan’ny fotoam-pianarana dia resaho ireo teny eo amin’ny solaitrabe ary apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Iza no manana ireo andraikitra ireo? (Azonao atao ny manazava fa ny dikan’ilay teny hoe manazava dia mampianatra zavatra amin’ny antsipiriany bebe kokoa ary ny dikan’ilay teny hoe manentana dia mamporisika mafy ny olona mba hanao zavatra.)

Mety hilaza ny mpianatra fa manana ireo andraikitra ireo ireo mpaminany, apôstôly, ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana ary ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Mety hilaza ihany koa izy ireo fa andraikitra azon’ny mpihazona ny fisoronana rehetra tanterahina ireo, ao anatin’izany ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna. Raha tsy manonona ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna izy ireo dia lazao izany fahamarinana izany. Antitrantero fa ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny kilasinao dia nomena fahafahana manan-danja maro mba hanompo.

Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Hazavao fa nanambara tamin’i Joseph Smith ny maro tamin’ireo andraikitr’ireo mpihazona ny fisoronana ny Tompo, izay misy ifandraisany amin’ny fananganana ny Fiangonana. Asao ny vondrona iray handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–45 mba hitady ireo andraikitr’ireo loholona. Asao ny vondrona faharoa handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46–52 mba hitady ny andraikitr’ireo mpisorona. Asao ny vondrona fahatelo handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53–59 mba hitady ny andraikitr’ireo mpampianatra sy diakona. Eo am-pandalinan’izy ireo dia soraty eny amin’ny faratampon’ny solaitrabe izao manaraka izao :

Loholona

Mpisorona

Mpampianatra sy diakona

F&F 20:38–45

F&F 20:46–52

F&F 20:53–59

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà solontena iray na roa avy ao amin’ny vondrona tsirairay ho eo amin’ny solaitrabe ary hanao lisitra ireo andraikitry ny anjara fanompoana nohalalinin’izy ireo.

  • Inona ireo fahasamihafana tsikaritrareo eo amin’ny andraikitr’ireo loholona sy mpisorona sy mpampianatra ary diakona? Inona no hitanareo fa itovizany?

  • Inona no anjara fanompoana manana fahefana hametra-tanana mba hanome ny fanomezana ny Fanahy Masina? (Loholona; jereo ny andininy 41.) Inona avy ireo anjara fanompoana manana fahefana hikarakara ny fanasan’ny Tompo? (Loholona sy mpisorona; jereo ny andininy 40 sy 46.) Inona avy ireo anjara fanompoana manana fahefana ny hanokana ireo mpisorona sy mpampianatra ary diakona? (Loholona sy mpisorona; jereo ny andininy 39 sy 48.) Inona avy ireo anjara fanompoana manana fahefana ny hanazava sy hanentana ary hampianatra? (Loholona, mpisorona, mpampianatra, ary diakona; jereo ny andininy 42, 46, sy 59.)

  • Inona ireo fahamarinana azontsika ianarana mikasika ireo anjara fanompoan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fampitahana ny andraikitr’izy ireo?

Mety hahita ireto fitsipika samihafa ireto ireo mpianatra, kanefa ataovy izay hanantitranterana izao manaraka izao:

Rehefa mahazo anjara fanompoana ambony kokoa ao amin’ny fisoronana ireo zanakalahin’ny ny Ray any An-danitra dia mahazo andraikitra sy fahafahana hanompoana ny hafa bebe kokoa izy ireo.

Rehefa tendrena amin’ny anjara fanompoana fanampiny ao amin’ny fisoronana ny mpihazona ny fisoronana iray dia tazoniny ireo anjara fanompoana ambany kokoa sy ireo andraikitra miaraka amin’izany.

Manana andraikitra ny hanatanteraka ireo ôrdônansy sy hitandrina mandrakariva ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana ary hanompo azy ireo ny mpihazona ny fisoronana rehetra.

Rehefa avy manampy ireo mpianatra ianao mba hitady ilay fahamarinana farany ao amin’ilay lisitra teo aloha dia soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay lisitr’ireo andraikitry ny fisoronana izany .

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo andraikitry ny mpihazona ny fisoronana dia sariho ho amin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe ny sain’izy ireo ary apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fomba ahafahan’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna “mitandrina … ireo mpikambana ao amin’ ny fiangonana” ary “miaraka amin’izy ireo sy manatanjaka azy”? (ireo ohatra dia mety ahitana ny fampianarana isan-tokantrano, fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana, fikarakarana ny trano fiangonana sy ireo tanin’ny Fiangonana, ary fanatanterahana ireo asa hafa ampanaovin’ny eveka sy ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy.)

  • Inona avy ireo fomba ahafahan’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna “hanasa ny rehetra hanatona an’ i Kristy”?

Rehefa mifanakalo hevitra mikasika io fanontaniana io ireo mpianatra dia azonao atao ny mangataka mpianatra iray hamaky ity torohevitra manaraka ity:

“Raha toa ianao ka mpihazona ny fisoronana dia tsarovy fa tokony ho zavatra ao anatinao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-java-misy rehetra ny fisoronana. Tsy toy ny palitao lava akory izany ka azonao anaovana na esorina rehefa tianao. Ny fanendrena ao amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana dia antso hanaovana asa fanompoana mandritra ny fiainana, miaraka amin’ny fampanantenana fa ny Tompo dia nisafidy anao hanao ny Asany araky ny fahatokianao.

“Tokony ho mendrika ianao mba hahafahanao handray sy hampiasa ny fahefan’ny fisoronana. Misy fiantraikany eo amin’ny fahafahanao manompo ireo teny lazainao sy ireo fihetsika ataonao isan’andro. Tokony tsy hisy tomika ireo fihetsika asehonao ampahibemaso. Mbola manan-danja lavitra noho izany ny fihetsikao rehefa tsy misy mahita” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 127).

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany. (Ity teny nambara ity dia hita ao amin’ny “Hajao ny fisoronana ary ampiasao tsara,”Ensign na Liahona, nôv. 2008, 46.) Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra mba hanoratra izany eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 na ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

“Ny tanjon’ny fahefan’ny fisoronana dia hanome, hanompo, hampitraka ary hitaona fanahy” (Loholona Richard G. Scott).

Angataho ireo mpianatra hitantara ireo fotoana izay nahitan’izy ireo ireo mpihazona fisoronana nanome, nanompo, nampitraka ary nitaona fanahy. Azonao atao ny manampy ny fanamarihana avy aminao.

Lazao ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity fa raha miresaka mikasika ireo mpihazona ny fisoronana ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20, ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana kosa dia manana ny andraikitra sy ny tombontsoa hanompo ny hafa. Manana fahafahana marobe hanompoana ireo zatovovavy. Mety hisafidy ny hanao asa fitoriana ny sasany, ary hanana tombontsoa manokana ho lasa mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo indray andro any mba “hiara-hiasa amin’ireo lehilahy mpihazona ny fisoronana mba hampitombo ny finoana sy ny fahamarinan’ny tena manokana, hanamafy orina ireo fianakaviana sy ireo tokantrano, ary hitady sy hanampy ireo sahirana” (Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours2011, 7).

Omeo fotoana fohy ny mpianatra hanoratany mikasika ny zavatra nianarany avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–59 Amporisiho ireo zatovolahy hanoratra tanjona iray izay hanampy azy ireo hitandrina amim-pahatokiana sy hampatanjaka ireo mpikamban’ny Fiangonana. Azo atao izany ho isan’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fanatanterahany ny Devoir envers Dieu.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:60–67

Nomena ireo torolalana mikasika ny fanokanana ho ao amin’ny fisoronana

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:60 ary asao ny kilasy manontolo hitady ny anjara asan’ny Fanahy Masina rehefa misy olona atokana amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana.

Asaivo manangan-tanana ny mpianatra raha toa ka efa nahita fanokanana ho amin’ny fisoronana na efa notokanana ho ao amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana. Asao ny vitsivitsy amin’ireo izay nananga-tanana mba hizara ny zavatra niainany sy izay mety ho zavatra tsapany nandritra ireo fanendrena. Azonao atao ny mametraka ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no anjara biriky nentin’ny Fanahy Masina tao anatin’ilay fanokanana ?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny manaraka ity: Mila ny herin’ny Fanahy Masina ao anatin’izy ireo ireo mpihazona ny fisoronana rehefa manatanteraka ny andraikiny izy ireo.

Mba hanampiana ireo zatovolahy hieritreritra ny fahamendrehany rehefa manatanteraka ireo ôrdônansin’ny fisoronana izy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny fahefanareo dia azo avy amin’ny alalan’ny fanendrena anareo; ny herinareo dia azo avy amin’ny fankatoavana sy ny fahamendrehana. …

“Ny hery ao amin’ny fisoronana dia tonga avy amin’ny fanaovana ny andraikitrao amin’ireo zavatra mahazatra: fanatrehana ireo fivoriana, fanekena asa ampanaovina, famakiana soratra masina, fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena” (The Aaronic Priesthood,” Ensign, Nov. 1981, 32–33).

Asao ireo zatovolahy hieritreritra ombam-bavaka ny zavatra tian’ny Tompo hataon’izy ireo mba hanasana ny herin’ny Fanahy Masina hiaraka amin’izy ireo eo am-panatanterahany ireo andraikiny ao amin’ny fisoronana amin’izao fotoana izao sy amin’ny ho avy. Antitrantero fa ireo zatovovavy ihany koa dia manana andraikitra mana-danja ao amin’ny Fiangonana. Asao izy ireo hieritreritra ny zavatra tian’ny Tompo hataon’izy ireo mba hanasana ny herin’ny Fanahy Masina eo am-panatanterahany ireo andraikitra ireo.

Azonao atao ny manazava fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:61–63 dia miresaka ireo tanjona sasantsasany amin’ny fanaovana fihaonamben’ny Fiangonana, toy ny fanatanterahana ny raharaham-piangonana ampahibemaso.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:65. Hazavao fa ato amin’ity andininy ity, ny teny hoe fifidianana dia entina ilazana ny fanohanana omena ny olona iray alohan’ny hanokanana azy ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana. Asao ireo zatovolahy ao am-pianarana mba hampahatsiahy ny fotoana farany nanohanan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny na ny sampana azy ireo mba hotokanana ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana iray.

  • Inona no tsapanao rehefa hitanao fa nanohana ny fanokanana anao ireo mpikambana ao amin’ny paroasinao (na sampana)? Amin’ny fomba ahoana ny hanampian’ny fahatsiarovanao ny fanohanan’izy ireo anao amin’ny asa fanompoan’ny fisoronana ataonao ? (Ireo valiny dia mety ahitana fa hahatsapa ho tompon’andraikitra bebe kokoa ao amin’ny paroasy izy ireo noho ny asa fanompoana ataony ary hahatsapa ny fanohanan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy.)

Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny antony ankasitrahan’izy ireo ny fahefan’ny fisoronana. Zarao ihany koa ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana noresahina tao amin’ny lesona.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:42. Mitandrina ny Fiangonana

Rehefa niresaka ny tanjona fototry ny fisoronana ny Filoha James E. Faust ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia hoy izy hoe:

Sary
Filoha James E. Faust

“Ny fikarakarana ny hafa no toetra fototry ny andraikitry ny fisoronana. Izany no hery entina mitahy sy manasitrana ary mitantana ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsara” (“Power of the Priesthood,” Ensign, mey 1997, 41).

Ny Loholona W. Grant Bangerter tao amin’ny Fitopololahy dia niresaka an’ireo izay mihazona ny fisoronana ho toy ny “mpitandrina” izay mitandrina ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana:

Sary
Loholona W. Grant Bangerter

“Nanana tombontsoa lehibe aho nandritra ny taona maro tamin’ny fianarana mivantana avy amin’ny Filoha Marion G. Romney, izay nampianatra anay mikasika ireo ‘antontan-taratasy fanorenana mametraka ireo fitsipika fitantanana ny Fiangonana’—izany hoe ilay fanambarana nomena tamin’ny fotoana nandaminana ny Fiangonana ka namintinan’ny Tompo tao anatin’izany ireo fomba arahina izay tokony hitantanana ny Fiangonana. Ireo loholona, araka ny voalaza ao amin’ny fizarana faha 20 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, miaraka amin’ny fanampian’ny fisoronana ambany, no ‘mitandrina ny Fiangonana.’ (andininy 42, 53.) Atao amin’ny alalan’ny famangiana ny tokantranon’ireo mpikambana sy amin’ny fampianarana azy ireo ny andraikiny ny ampahany amin’izany ‘fitandremana’ izany. Ao amin’ny fanambarana iray hafa dia antsoina amin’ny fomba miavaka hoe ‘mpanompo maharitra’ ny kôlejin’ny loholona. (F&F 124:137.) Ireo izay mihazona ny Fisoronana Aharôna dia antsoina ihany koa hoe ‘mpanompo maharitra.’ (F&F 84:111.)” (“The Power of the Priesthood,” Ensign, nôv. 1975, 69).

Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nitantara ity tantara manaraka ity mikasika ny mpihazona ny fisoronana vao herotrerony iray izay nampivoatra ny fiainan’ny olona iray mpifanolobodirindrina taminy izay nila fanampiana sy nampahery azy:

Sary
Filoha James E. Faust

“Taona vitsivitsy lasa izay dia nisy kôlejin’ny mpisorona iray nanapa-kevitra hanangona sakafo ho an’ny sahirana ho tetikasa fanompoana iray. Tsindrin-daona handray anjara i Jim, iray tamin’ireo mpisorona ary tapa-kevitra hanangona sakafo mihoatra noho ny olona hafa izy. Tonga ny fotoana nihaonan’ireo mpisorona tao amin’ny trano fiangonana. Niara-nivoaka izy ireo ary niverina tamin’ny fotoana voatondro tamin’io hariva io. Nahagaga ny rehetra fa foana ny sarety kely fasian’i Jim entana. Toy ny hoe maloka endrika izany izy ka dia nihomehy azy ny sasany tamin’ireo zazalahy. …

“… Nanontany an’i Jim ilay mpanoro hevitra tao amin’ny Kôlejy raha toa ka tezitra izy. Niteny i Jim hoe: ‘Tsia, tsy izany loatra. Rehefa nivoaka nanangona ny sakafo aho dia tena nahazo betsaka. Feno ny sarety kely fasiako entana. Rehefa hiverina taty am-piangonana iny aho dia nijanona tamin’ny tranon’ny vehivavy tsy mpikamban’ny Fiangonana iray izay nisara-panambadiana ary mipetraka ao anatin’ny faritry ny paroantsika. Nandondona ilay varavarana aho ary nanazava ny zavatra ataontsika, ka nampandrosoany. Nanomboka nitady zavatra omena ahy izy. Nanokatra ny vata fampangatsiahana izy ary hitako fa zara raha nisy zavatra tao anatin’izany. Foana ireo lalimoara. Nony farany dia nahita boatim-paiso kely iray izy.’

“‘Tsy nampino ahy ny zava-niseho. Nisy ireto ankizy madinika nihazakazaka nanerana ny trano izay nila nomena sakafo kanefa natolony ahy ity paiso ambifotsy ity. Noraisiko izany dia nataoko tao anatin’ny saretiko ary nanohy ny lalako aho. Teo amin’ny antsasan-dalana mialoha ny fiolanana manaraka teo dia nahatsapa hafanana nanenika ahy aho ka fantatro fa mila miverina tamin’izany trano izany. Nomeko azy avokoa ny sakafo rehetra.’

“Dia hoy ilay mpanoro hevitra ao amin’ny Kôlejy hoe: ‘Jim a! Aza adino mihitsy ny zavatra tsapanao androany hariva satria izay nataonao sy tsapanao izay no tanjon’ity asa fanompoana ity.’ Nahazo ny sakafo ara-panahy avy amin’ny asa fanompoana tsy misy tambiny i Jim” (“Spiritual Nutrients,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 54).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46. “Ny andraikitry ny mpisorona dia ny mitory, mampianatra, manazava, manentana ary ny manao batisa sy ny mikarakara ny fanasan’ ny Tompo”

Sary
Ny filoha Wilford Woodruff

Hoy ny Filoha Wilford Woodruff: “Nitety toerana an’arivony kilômetatra aho ary nitory ny Filazantsara tamin’ny naha Mpisorona, ary, tahaka izay nolazaiko tamin’ireo mpiara-mivavaka teo aloha dia nanohana ahy ny Tompo ary nampiasa ny heriny mba hiarovana ny aiko tamin’ny fomba lehibe tokoa tahaka izay nataony na nandritra ny nihazonako izany anjara fanompoana izany na nandritra ny nihazonako ny anjara fanompoan’ny Apôstôly. Ny Tompo dia manohana ny olona rehetra izay mihazona ny ampahany amin’ny Fisoronana, na Mpisorona izany, na Loholona, na Fitopololahy, na Apôstôly, raha toa ka manandriana ny antsony sy manao ny andraikiny izy” (Deseret Weekly, 7 Nôv. 1896, 641). (Jereo koa ny Boyd K. Packer, “The Aaronic Priesthood,” Ensign, nôv. 1981, 33.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:60–67. Fanokanana ho amin’ny fisoronana araka ny tena izy

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamafy fa ny fanokanana ho amin’ny fisoronana araka ny tena izy dia tena zava-dehibe tokoa ho an’ny Tompo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ianao dia tsy afaka mahazo ny fisoronana raha tsy amin’ny alalan’ny olona iray manana fahefana ihany ary ‘fantary ny fiangonana fa manana fahefana.’ (F&F 42:11.)

“Tsy azo omena toy ny diplaoma ny fisoronana. Tsy azo omena anao toy ny mari-pankasitrahana izany. Tsy azo atolotra anao amin’ny alalan’ny hafatra na alefa aminao amin’ny alalan’ny taratasy izany. Amin’ny alalan’ny fanokanana araka ny tokony ho izy ihany no hahatongavan’izany. Tokony hisy mpihazona ny fisoronana izay nomena lalana eo. Tsy maintsy mametraka ny tanany eo ambony lohanao izy ary manokana anao.

“Izany dia antony iray hanaovan’ireo Manampahefana Ambony dia maro be—mba hampitana ireo fanalahidin’ny fahefan’ny fisoronana. Ny filohan’ny tsatòka rehetra manerana izao tontolo izao dia nahazo io fahefana io tamin’ny alalan’ny tanan’ny iray amin’ireo manampahefana ao amin’ny fiadidian’ny Fiangonana. Tsy mbola nisy ny tranga hafa naningana tamin’izany na dia iray aza.

“Tsarovy ireto zavatra ireto. Tena sarobidy tokoa amin’ny Tompo ny fisoronana. Tena mitandrina Izy ny amin’ny fomba hanomezana izany sy ny amin’ny olona manome izany. Tsy atao miafina mihitsy izany” (The Aaronic Priesthood,” Ensign, nôv. 1981, 32).