Seminera
Lesona 119: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111


Lesona 119

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111

Fampidirana

Narahan-trosa lehibe ny Fiangonana tamin’ny taona 1836. Nandeha tany Salem, Massachusetts, izay toerana nantenaina hahazoana vola handoavana ireo trosan’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Tamin’ny 6 aogositra 1836, dia nandray ilay fanambarana izay voarakitra amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111 i Joseph Smith ka nomen’ny Tompo toky izy tao momba ireo olana mikasika ny trosa sy ny mahasoa an’i Ziona. Nomen’ny Tompo torolalana mifandray amin’ny fijanonan’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Salem ihany koa ny Mpaminany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111

Nanome toky sy torolalana ho an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ny Tompo

Atombohy amin’ny fangatahana ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany ny soratra masina ny valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto ny fotoam-pianarana:

  • Inona ireo zavatra sasantsany izay mitondra rarin-tsaina sy fiahiahiana eo amin’ny fiainanareo?

Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy mba hizara ireo eritreriny amin’ny iray kilasy manontolo. (Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ireo eritreritra sy zavatra niainana sasantsasany dia tena an’ny tena manokana ka tsy fizara.)

Hazavao fa tamin’ny fahavaratry ny taona 1836 dia niaina olana teo amin’ny toe-bolan’ny Fiangonana i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Tao amin’ireo taona mialoha izany dia nanangona trosa be ny Fiangonana rehefa nankatò ny didin’ny Tompo ireo mpitarika ny Fiangonana mba hanangana ny tempolin’i Kirtland sy nividy tany tany Ohio sy Missouri ary niantoka ny Tobin’i Ziona. Nila vola ihany koa ny Fiangonana mba hividianana tany ho an’ireo Olomasina tany Missouri izay noroahina avy tao amin’ny fonenany. Nanome torolalana an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ny Tompo tamin’ny taona 1834 mba “handoa ny trosa[ny] rehetra” (F&F 104:78). Nosembantsembanin’ny fahaverezan’ireo raharaham-barotra famoronana fidiram-bola tany Missouri anefa ireo ezaka natao mba handoavana ireo trosa ireo. Tsy nanana vola ampy hifanaraka amin’ny fitakian’ireo mpampindram-bola noho izany ireo mpitarika ny Fiangonana.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:80 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nampanantenain’ny Tompo fa hataony hanampiana ireo mpitarika ny Fiangonana tamin’ireo olana teo amin’ny trosan’izy ireo. Asao ny mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

Hazavao fa tamin’ny taona 1836 dia nisy mpikamban’ny Fiangonana iray izay nantsoina hoe William Burgess tonga tao Kirtland, Ohio ka niteny tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana momba ny vola be izay azo nalaina tany Salem, Massachusetts. Nilaza izy fa hita tao amin’ny valin-drihan’ny trano iray izany ary izy ihany no hany olona velona nahafantatra momba ny toerana nisy ilay vola.

Ampahafantaro ny mpianatra fa nandao an’i Kirtland i Joseph Smith, Sidney Rigdon, Oliver Cowdery, ary i Hyrum Smith tamin’ny 25 jolay 1836 mba hihaona amin’ireo mpampindram-bolan’ny Fiangonana tany New York. Taorian’ny andro vitsivitsy tany New York, dia nanao ny dia nankany Salem ilay vondrona. Nihaona tamin’izy ireo tao ny Rahalahy Burgess, nilaza izy anefa fa niova be ilay tanàna hatramin’ny fotoana farany nandehanany tany ka tsy afaka namantatra ilay trano izay nisy ilay vola izy. Nandeha ny Rahalahy Burgess fotoana fohy taorian’izay.

Sary
sarintany, Etazonia avaratra atsinanana
  • Ahoana araka ny eritreritrareo no mety ho fahatsapanareo taorian’ny fandehanana tany Salem niaraka amin’ny fanantenana fa hahita ny fomba hanampiana amin’ny fandoavana ny trosan’ny Fiangonana ka tsy nahita izay noeritreretinareo? Inona no mety ho nataonareo?

Hazavao fa nandany fotoana maromaro ireo mpitarika ny Fiangonana nitadiavana ilay trano izay voalaza fa nisy ilay vola. Tamin’ny 6 aogositra 1836, raha mbola tany Salem izy ireo dia nahazo ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111 i Joseph Smith.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:1 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ny fahatsapan’ny Tompo momba ny dian’ireo lehilahy ireto tany Salem. Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe hadalana dia azo faritana hoe “zavatra atao iray izay maneho fahalemena sy rediredy nefa tsy fandikana lalàna goavana; zavatra atao mifanaraka amin’ny fanirian’ny hahay handanjalanja, na amin’ny fitsipiky ny fitandremana mahazatra” [Noah Webster, An American Dictionary of the English Language, facsimile of the first edition (1828; repr., 1967), “Folly”].)

  • Inona tamin’ilay dia nankany Salem no azo heverina ho hadalana?

Ampahafantaro ny mpianatra fa na dia tsy nahomby aza ny fitadiavana vola dia nilaza ny Tompo fa mbola afaka hahazoan’ny fanjakany tombontsoa izany dia izany. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:2 ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra mba hitady izay nolazain’ny Tompo fa nananany tao amin’ny tanànan’i Salem.

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa nananany tao amin’ny tanànan’i Salem? (Rakitsoa betsaka sy olona maro.)

  • Rahoviana no nolazain’ny Tompo fa hanangonany ny olona izay nananany tao Salem? (Amin’ny fotoana mahamety izany.)

Ampahafantaro ny mpianatra fa i Joseph Smith sy ireo izay niaraka taminy dia nandany herinandro vitsivitsy tany Salem, ary nitory ny filazantsara izy ireo nandritra ny fijanonany tao. Dimy taona taty aoriana dia nantsoina hitory ny filazantsara tany Salem i Erastus Snow, ka nanangana sampana iray nahitana mpikambana 120 (jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 170–71).

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith tany Salem sy ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:1–2? (Mety hanolotra valinteny tsara samihafa ny mpianatra. Mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Afaka mamoaka zava-tsoa avy amin’ny ezaka ataontsika amin-kitsim-po ny Tompo.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hamoahan’ny Tompo zava-tsoa avy amin’ny ezaka ataontsika, na dia diso lalana aza isika amin’ny voalohany? (Mety ho valinteny ny hoe afaka manampy antsika hianatra avy amin’ny zavatra iainantsika Izy.)

  • Ahoana no hitaoman’izay anareo hahafantatra fa afaka mamoaka zava-tsoa avy amin’ny ezaka ataonareo amin-kitsim-po ny Tompo?

Hazavao fa nanome torolalana an’i Joseph Smith sy ny mpiara-manompo aminy ny Tompo mba hanampy azy ireo hanatontosa zava-tsoa raha mbola tany Salem izy ireo. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:5–8 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay tian’ny Tompo ho ataon’i Joseph Smith sy ny mpiara-manompo aminy.

  • Ahoana no nankaherezan’ny Tompo an’i Joseph Smith sy ny mpiara-manompo aminy mikasika ny trosan’ny Fiangonana sy ny amin’i Ziona?

  • Araka ny andininy 8, dia ahoana no hahafantaran’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tato amin’ny Fiangonana ny toerana tokony hipetrahan’izy ireo nandritra ny fotoana sisa tamin’ny fitsidihany an’i Salem?

  • Inona no fahamarinana azontsika hianarana avy amin’ny torolalan’ny Tompo ao amin’ny andininy 8? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Afaka mahazo ny torolalan’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fiadanana sy ny herin’ny Fanahiny.)

  • Ahoana no afahafahan’izany fitsipika izany manampy anao hiatrika ireo ahiahy sy olana?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:9–10 ka hitady ilay asa fanampiny nandidian’ny Tompo an’i Joseph Smith sy ny mpiara-manompo taminy mba hotontosain’izy ireo raha mbola tany Salem izy ireo. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

Ampahafantaro ny mpianatra fa nanaraka ny torohevitry ny Tompo i Joseph Smith sy ireo lehilahy hafa mba “hanadihady fatratra tokoa ny momba ireo mponina tranainy kokoa sady mpanorina [ilay] tanàna” (F&F 111:9). Nitsidika toerana manan-tantara izy ireo raha tany Salem. Nianatra izy ireo avy tamin’ireny fitsidihana ireny fa nampijaliana sy novonoina ny mponina sasany tao Salem, Massachusetts sy ny manodidina ny faritr’i New England noho ny tsy fandeferana sy fanompoana ara-pivavahana tafahoatra. (Jereo ny History of the Church 2:464–65.) Ireo zava-nitranga ireo dia nitarika an’i Joseph Smith hanoratra izao tao amin’ny tantarany: “Rahoviana ny olona no hitsahatra hiady amin’ny olona, ary hitsahatra hisintona [na haka] aminy ny zony masina mba hitsaoka ny Andriamaniny araka ny baikon’ny fieritreretany?” (ao amin’ny History of the Church, 2:465). Namerina nanamafy ny maha-zava-dehibe ny famelana ny olona rehetra hampiasa ny zony amin’ny fahalalahana ara-pivavahana ny Mpaminany taty aoriana (jereo ny Fanekem-pinoana 1:11). Na dia tsy nahazo ny vola izay noeritreretin’izy ireo ho hita tany Salem aza i Joseph Smith sy ireo mpiara-manompo aminy dia nahazo rakitsoa hafa avy tamin’izany dia izany izy ireo ka anisan’izany ny rakitsoan’ny fahalalana.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:11 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny torohevitra farany nomen’ny Tompo tato anatin’ity fanambarana ity. Hazavao fa ny teny hoe mandrindra araka ny nampiasaina ao amin’ny andininy 11 dia midika hoe mandamina.

  • Ahoana no hilazanao amin’ny teninao manokana ilay torohevitry ny Tompo ao amin’ny andininy 11? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Raha toa isika ka hendry sy miala amin’ny fahotana, dia handrindra ny zavatra rehetra ho tombontsoantsika ny Tompo. Azonao atao ny manazava fa na rehefa ireo olo-marina aza no mandalo fitsapana dia afaka “harindran’[ny Tompo ireny] zavatra ireny ho tombontsoan’izy ireo.”)

  • Inona no sasany amin’ireo safidy hendry azontsika atao? (Mety hanolotra valinteny samihafa ny mpianatra ka anisan’izany ny fiezahana hankatò ireo didy.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “harindran’ny Tompo ny zavatra rehetra ho tombontsoa[ntsika]”?

  • Oviana ianareo no nahita ohatra ny amin’izany fitsipika izany?

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny valintenin’izy ireo momba ilay fanontaniana napetrakao tany am-piandohan’ny kilasy. Angataho izy ireo hieritreritra ny zavatra nianarany avy amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111 izay afaka manampy azy ireo amin’ny olana hatrehan’izy ireo. Asao izy ireo hanoratra ireo zavatra eritreretiny ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

Farano amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fitsipika izay noresahinareo. Amporisiho ny mpianatra mba hanao asa araka ireo fitsipika ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:9. “Ity toerana ity mety ho azonareo amin’ny alalan’ny fanofàna”

Taorian’ny nahatongavan’i Joseph Smith sy ny mpiara-manompo taminy tany Salem Massachusetts dia nanofa trano izy ireo. Tsy izany no ilay trano izay nambarana fa misy vola ao amin’ny valin-drihan-trano. Izany trano nofaina izany no nambaran’ny Tompo rehefa niteny izy hoe: “Ity toerana ity mety ho azonareo amin’ny alalan’ny fanofàna” (F&F 111:9).