Seminera
Lesona 156: Ny Rafitra sy ny fandaharan’asan’ny Fiangonana


Lesona 156

Ny Rafitra sy ny fandaharan’asan’ny Fiangonana

Fampidirana

Koa satria mitohy miitatra ny Fiangonana dia nanentana ny fanahin’ ireo mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo mba hanangana rafitra sy fandaharan’asa ao anatin’ny Fiangonana mba hitahiana ireo Olomasina. Rehefa tafaorina ny sasany tamin’ireo rafitra sy fandaharan’asa ireo, dia tsy nilaina loatra izy ireo, fa rehefa nitombo hatrany hatrany ny Fiangonana dia lasa nanan-danja teo amin’ny asan’ny Tompo ho amin’ny famonjena ny zanany izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny rafitra ao amin’ny Fiangonana sy ireo fandaharan’asa dia manampy antsika hiomana sy handroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay

Atombohy ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina fa ny namana iray dia tsy mety mandray anjara amin’ny fivoriana sy fiaraha-mientan’ny Zatovovavy. Milaza izy fa tsy dia mahafinaritra loatra izany ary fandaniam-potoana fotsiny ihany.

Rehefa avy nanolotra io ohatra io ianao, dia asao ireo mpianatra mba handinika am-pahanginana ny zavatra mety azo atao mba hanampiana io namana io hahatakatra ny tanjon’ny fivoriana sy fiaraha-mientan’ny Zatovovavy.

  • Inona no holazainao fa tanjon’ny fikambanan’ny Zatovolahy sy Zatovovavy?

  • Ahoana no fomba anampian’ny fahalalana ny tanjon’ny rafitra iray an’ireo mpikambana ao aminy?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Mosesy 1:39 ary hikaroka ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra izay ataony. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Azonao atao ny mampahatsiahy an’ireo mpianatra fa ny tsy fahafatesana dia entina ilazana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny toetra nitsangana tamin’ny maty. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny olona rehetra dia hitsangana amin’ny maty na inona na inona faharatsiana na fahamarinana nataony teto an-tany. Ny fiainana mandrakizay dia milaza ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviana eo anatrehan’ Andriamanitra ary ny ho lasa tahaka Azy. Toa ny tsy fahafatesana dia tanteraka koa izany fanomezana izany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Kanefa mitaky ny “fankatoavantsika ireo lalàna sy ôrdônansin’ ny filazantsara” koa izany” (Fanekem-pinoana 1:3).

  • Raha ny tanjon’ Andriamanitra dia ny hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny zanany, dia Inona no tanjon’ny Fiangonana?

Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manampy ny Ray any An-danitra amin’ny fanatanterahana ny fiainana mandrakizain’ny zanany. Dia anontanio avy eo hoe:

  • Inona ireo fomba sasantsasany izay hanampian’ny Fiangonana amin’ny fanatanterahana ny fiainana mandrakizain’ny zanak’ Andriamanitra?

Hazavao fa ny Fiangonana dia manana rafitra maro—antsoina hoe vondrona fanampin’ny fisoronana—ary ny fandaharan’asa hafa izay manampy antsika handroso any amin’ny fiainana mandrakizay. Asao ireo mpianatra mba hilaza ny sasany amin’ireo. (Mety ho anisan’ny valinteny ny Fikambanana Ifanampiana, ny Zatovolahy, ny Zatovovavy, ny Kilonga, ny Sekoly Alahady ary ny fandaharan’asa toy ny takarivan’ny mpianakavy sy Seminera sy Institiotan’ny Filazantsara.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra hoe ahoana no fomba hanapian’ireo rafitra ao amin’ny Fiangonana sy ireo fandaharan’asa antsika amin’ny fianarana sy fandrosoana ao amin’ny filazantsara mba hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay, dia asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Hazavao fa io fanambarana io dia mikasika ny fandaharan’asan’ny Seminera sy Institiota fa ny fitsipika izay ampianariny dia azo hampiharina amin’ny vondrona fanampiny sy ny fandaharan’asa ao amin’ny Fiangonana hafa.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ireo fandaharan’asa ireo dia nanomboka tamin’izy ireo nahafinaritra fa tsy tena nilaina loatra. Nomena fotoana izy ireny mba hamelana sy hitombo ho lasa fiarovana ho an’ny Fiangonana. Ankehitriny izy ireny dia lasa fanomezan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena ny Isiraely amin’izao fotoana hahitana olana betsaka izao” (“Teach the Scriptures” [lahateny ho an’ny mpanaben’ny DFF, 14 ôkt. 1977], 3, LDS.org).

  • Tamin’ny fomba ahoana no seminera no nanampy anao manoloana ny olan’ny fiainana sasantsasany?

Hazavao fa ireo fandaharan’asa sy ny rafitra maro ao amin’ny Fiangonana dia nentanim-panahy ary misy mba hanomanana antsika amin’ireo olana eo amin’ny fiainana sy hanampy antsika handroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Mba hanampiana ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny fanampiana azon’izy ireo avy amin’ny rafitry ao amin’ny Fiangonana sy ny fandaharan’asa ao amin’ny Fiangonana dia zarao ho vondrona enina ny mpianatra. Omeo ny tahadikan’ireto fanontaniana manaraka ireto ny vondrona tsirairay (na soraty eny amin’ny solaitrabe izany) ary iray amin’ireto famintinana ara-tantara ireto. Asao ireo mpianatra mba handalina ireo famintinana ireo ao amin’ny vondrona misy azy ary hiomana hamaly ireo fanontaniana.

Ahoana no niatombohan’ireo rafitra na fandaharan’asa?

Ahoana araka ny hevitrao no hanomanan’izany antsika mba hiatrika ireo sedra sy olana amin’izao androntsika izao?

Ahoana araka ny hevitrao no hanampian’izany antsika amin’ny fandrosoana mankany amin’ny fiainana mandrakizay?

Sekoly Alahady

Tamin’ny taona 1849 dia mpikamban’ny Fiangonana iray nantsoina hoe Richard Ballantyne no nahatsapa fa ny ankizy dia mila toerana hianarany ny filazantsara mandritra ny andro Sabata. Ireo Olomasina tao Angletera dia vonona ny hanokatra kilasin’ny Sekoly Alahady, ary ny Rahalahy Ballantyne dia nanomboka ny kilasin’ny Sekoly Alahady voalohany tao Utah izay tao amin’ny paroasiny tao Salt Lake City ny volana desambra 1849. Fotoana kely taorian’izay ireo paroasy hafa dia nanomboka nanao izany ihany koa fa samy nanana ny fandaharam-pianarany avy. Ny taona 1867, ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana dia namorona ny Deseret Sunday School Union. Hatramin’ny taona 1870 dia nihoatra ny kilasy 200 ny Sekoly Alahady tafatsangana. Ankehitriny ireo paroasy sy sampana dia manana kilasin’ny Sekoly Alahady maromaro.

Zatovovavy

Ny Filoha Brigham Young dia nihaona tamin’ireo zanany vavy tao an-tranony ny 28 nôvambra 1869 ary nanasa azy ireo mba ho mpitarika hanampy ireo namany hahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny filazantsara, ny ho maotina amin’ny fitafin’izy ireo sy ny fihetsiny, ary ny hanalavitra ireo fironana sy ny fitondran-tenan’izao tontolo izao. Ny taona 1870 no nanorenana ny fikambanan’ny zatovovavy voalohany mba hanatanterahana ireo tanjona ireo. Io fikambanana io dia fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe Young Women’s Mutual Improvement Association (YWMIA), izay novaina taty aoriana hoe Zatovovavy. Tamin’ny fiatombohan’ny taona 1970 ireo mpitarika dia nanolotra ny fandaharan’asa Mon Progrès Personnel. Ny taona 1985 dia natolotra ny soatoavina sy ny lohahevitry ny Zatovovavy.

Zatovolahy

Ny Young Men’s Mutual Improvement Association (YMMIA) dia naorina ny 10 jona 1875 teo ambany fitarihan’ny Filoha Brigham Young. Io rafitra io dia natao mba hanampiana ireo zatovolahy hivelatra ara-panahy sy ara-tsaina ary koa mba hanome azy ireo fiaraha-mientana hialana voly. Ny taona 1913 ny Fiangonana dia niara-niasa tamin’ny skoto (Boys Scouts Of America) tao Etazonia. Teo amin’ny lafiny maneran-tany ny fiaraha-miasa tamin’ny fandaharan’asa skoto hafa dia natsangana araka izay azo natao. Ny anaran’ny fikambanana dia nivoatra ihany koa, tamin’ny voalohany dia niova hoe ny Fisoronana Aharôna–MIA, dia avy eo ny Fisoronana Aharôna ary farany Ny Zatovolahy. Tamin’ny taona 2001, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nanomboka ny fandaharan’asa Devoir Envers Dieu.

Kilonga

Tamin’ny taona 1877 i Aurelia Spencer Rogers “dia nahatsapa mafy fa misy zavatra tokony atao mikasika ny fitondrantenan’ireo ankizilahin’ny tanàna izay mandehandeha fotsiny etsy sy eroa, andro sy alina. Nahatsapa izy fa maro tamin’ireo ankizy ireo no tsy nampianarina ireo fitsipika fototra sy ireo soatoavina [mba hanomanana azy ireo] na amin’ny fahalalana na amin’ny toetra mba hitondrana ny filazantsara handroso hatrany, eny na koa mba ho lasa ray aman-dreny tsara sy olom-pirenena vanona” (“History of Primary,” lds.org/callings/primary/getting-started/history-of-primary). Nihaona tamin’i Eliza R. Snow izy, izay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’izany fotoana, ary nahazo fahazoan-dalana avy tamin’ny Filoha John Taylor izy ireo mba hanangana ny rafitry ny Kilonga tao Farmington, Utah, teo ambany fitarihan’i Eveka John Hess. Ny kilasin’ny Kilonga voalohany, dia natao ny 25 aogositra 1878 izay nahitana zazalahy sy zazavavy kely 224. Ny taona 1880 dia nantsoina ny mpitarika ny Kilonga maneran-tany voalohany, ary avy eo dia nanomboka nitsangana isaky ny paroasy ny kilasin’ny Kilonga.

Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara

Ny taona 1888 ny Fiangonana dia nanorina ny Birao Foiben’ny Fampianarana sy ny akademian’ny Fiangonana ary namorona kilasy fianarana filazantsara mba hanomezana fototra ara-panahyny fianarana laikan’ireo izay tsy nianatra tao amin’ny ny akademian’ny Fiangonana. Ny taona 1912 i Joseph F. Merrill, izay mpampianatra no sady mpikamban’ny Fiangonana, dia nanolotra drafitra izay mamela ireo mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana mba hamonjy kilasy fianarana filazantsara izay tafiditra ao amin’ny fandaharam-pianaran’izy ireo. Nantsoina hoe seminera izany, ary ny kilasy voalohany dia natao tao amin’ny Granite High School tao Salt Lake City, Utah izay nahitana mpianatra 70 nisoratra anarana. Raha niparitaka ny fandaharan’asan’ny seminera, dia fandaharan’asa mitovy amin’izany ihany koa no natsangana mba ho an’ireo tanora amin’ny taona tokony ianarana any amin’ny oniversite. Nantsoina hoe Institiota Fianarana Filazantsaran’ny Olomasin’ny Andro Farany izany, ary ny kilasin’ny institiota voalohany dia nanomboka ny taona 1926 tao Moscow, Idaho. Ny fiatombohan’ny taona 1950 dia nanomboka ny fandaharan’asan’ny seminera vao maraina tao Californie, ny fandaharan’asa fianarana seminera any an-trano dia nanomboka ny taona 1960, ary ny seminera sy institota fianarana filazantsara dia nitohy sy nihitatra hatrany maneran-tany.

Takarivan’ny Mpianakavy

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nampianatra fa ny fandaharan’asan’ny Fiangonana dia tokony ho “fanampin’ireo fampianarana sy fampiofanana ataontsika any an-trano. Tsy hisy na dia ankizy iray amin’ny zato aza no handeha lalan-diso, raha mirindra araka ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny tontolo iainana, ny ohatra ary ny fiofanana ao an-tokantrano” (“Worship in the Home,” Improvement Era, des. 1903, 138). Ny taona 1909 nyTsatòkan’ny Granite tao Salt Lake City, Utahdia nanomboka ny fandaharan’asa fanao isa-kerinandro amin’ny takariva iray ao an-trano, izay nolazain’ny Filoha Smith fa nentanim-panahy. Ny taona 1915 ny Fiadidiana Voalohany dia nanome sosokevitra ny hanaovana eraky ny Fiangonana ny takarivan’ny mpianakavy isam-bolana. Ny Fiadidiana Voalohany dia nampanantena fa: “Raha manaraka io torohevitra io ny Olomasina [izany hoe ny hanaovana ny takarivan’ny mpianakavy], dia mampanantena izahay fa fitahiana lehibe no ho vokatr’izany. Ny fitia ao an-tokantrano sy ny fankatoavana ny ray aman-dreny dia hitombo. Ny finoana dia hivelatra ao am-pon’ny tanoran’i Isiraely, ary hahazo hery izy ireo mba hiady amin’ny fitaoman-dratsy sy ny fakam-panahy izay misy eo amin’izy ireo” (ao amin’ny James R. Clark, natambatra, Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 6 vols. [1965–75], 4:339). Dimampolo taona taty aoriana, dia namoaka boky torolalana ho an’ny fianakaviana ny Fiangonana mba hampiasaina isan-kerinandro mandritra ny fampianarana ny filazantsara. Ny taona 1970 ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nanondro ny alatsinainy hariva ho andron’ny takarivan’ny mpianakavy ary nanambara fa tsy misy fiaraha-mientan’ny Fiangonana hafa tokony atao amin’io alina io.

Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ireo mpianatra amin’ny vondrona rehetra mba hamintina ny tantaran’ireo rafitra na fandaharan’asa niandraiketany sy hanazava ny valintenin’izy ireo mikasika ny fanontaniana noresadresahana.

Hazavao fa ny rafitra na fandaharan’asa tsirairay dia miasa mahaleo tena hatrany am-boalohany. Raha niitatra be ny Fiangonana ny taona 1950, dia nahita ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa ilaina ny hijerena ny fomba hahatratran’ireo rafitra na fandaharan’asa ny tanjon’ny Fiangonana. Nanapa-kevitra izy ireo ny hanambatra sy handrindra ny rafitra sy ny fandaharan’asa rehetra ao amin’ny Fiangonana amin’ny fitantanana sy ny fifantenana fandaharam-pianarana. Izany fiovana izany dia nanampy ireo fandaharan’asa sy rafitra mba hiatrika tsaratsara kokoa ireo filàna manahirana an’ny Fiangonana miroborobo sy ny fampatanjahana ny fianakaviana. Ao anatin’izany fandrindrana izany, ireo rafitry ny Fiangonana rehetra dia miasa eo ambany fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay mihazona ny fanalahidy hitantanana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ny fandrindrana dia fomba iray ao amin’ny fitantanana ny Fiangonana izay handraisana ny fandaharan’asa rehetra ao amin’ny Fiangonana, sy hitondrana izany eo amin’ny lafiny iray izay hifantohana, ny hamonoana izany ao anatin’ny fonosana iray monja, ary hampiasana izany ho fandaharan’asa iray, izay handraisan’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra anjara—ary hanaovana izany rehetra izany eo ambany fitarihan’ny fisoronana” (Let Every Man Learn His Duty [bokikely, 1976], 2).

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandray anjara amin’ireo rafitra sy fandaharan’asan’ny Fiangonana isika dia mandray ireo fitahiana azo avy amin’izy ireny. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hamaly izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

Tamin’ny fomba ahoana no rafitry ny Fiangonana sy ny fanadaharam-potoana no nitahy ny fiainanao? Ahoana no nitahian’ny Devoir Envers Dieu na ny Mon Progrès Personnel anao teo amin’ny fiainanao?

Ahoana no handraisanao anjara misy misy kokoa ao amin’ny Zatovolahy na Zatovovavy? Amin’ny Sekoly Alahady? Amin’ny takarivan’ny mpianakavy? Amin’ny seminera?

Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny eritreritrao mikasika ny hoe ahoana no notahian’ny rafitry ny Fiangonana ny fiainanao sy ny nanampian’izany anao sy ny fianakavianao hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ny maha-zava-dehibe ny seminera

Ny Filoha Thomas S. Monson dia namariparitra ny maha-zava-dehibe ny seminera:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Ankoatran’ny famonjena ny fivoriam-piangonana isan’alahady sy ireo fiaraha-mientana isa-kerinandro hariva, dia araraoty izany fahafahana izany na dia vao maraina be izany na amin’ny fotoana tsy hianarana ao an-dakilasy. Maro aminareo no manatrika seminera amin’izao. Toy ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainana dia ny ankamaroan’ny zavatra ho raisinao avy amin’ny traikefa amin’ny fanaovana seminera dia miankina amin’ny toe-tsainao sy ny fanirianao ny ho ampianarina. Enga anie ny toe-tsainao ka ho feno fanetrentena sy ny faniriana hianatra. Feno fankasitrahana ao ny amin’ny fahafahana nananako tamin’izao mbola mpitovo ny hamonjy seminera vao maraina, satria dia mitàna toerana lehibe izany amin’ny fivoarako manokana sy ny fivoaran’ny fijoroako ho vavolombelona. Afaka manova fiainana ny Seminera” (“Minoa, Mankatoava ary Mahareta,” Ensign na Liahona, mey 2012, 128).