Seminera
Lesona 86: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–44


Lesona 86

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–44

Fampidirana

Tamin’ny volana Septambra 1832 dia niverina tany Kirtland, Ohio ireo misiônera rehefa avy nitory ny filazantsara tany amin’ny faritra antsinanan’i Etazonia. Nandritra ny fihaonan’izy ireo mahafinaritra dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 i Joseph Smith. Nandritra ny roa andro no nandraisany ilay fanambarana: ny 22 sy 23 septambra 1832. Mizara ho lesona telo ny fizarana 84 ato anatin’ity boky ity. Ny lesona voalohany dia miompana amin’ny toromariky ny Tompo mikasika ny fisoronana sy ny fomba ahafahan’ny fisoronana manomana antsika hahazo ny zava-drehetra izay ananan’ny Ray any An-danitra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–30

Manambara ny Tompo fa haorina ny tempoly iray ary manazava ny tanjon’ny fisoronana Izy.

Raha mety dia mitondrà tahadikan’ny fitohizam-pahefan’ny fisoronan’ny olona iray (ny anao na an’ny olona ao amin’ny fianakaviana). (Azonao atao ny mandika ilay fitohizam-pahefan’ny fisoronana eny amin’ny solaitrabe.) Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny fitohizam-pahefan’ny fisoronana dia mampiseho ny fomba nanomezana ny fahefan’ny fisoronana avy amin’ny mpihazona ny fisoronana iray mankany amin’ny mpihazona iray hafa, avy amin’i Jesoa Kristy mankany amin’ny mpihazona ny fisoronana ankehitriny.

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 dia ahitana ny fanambarana momba ny fisoronana sy ny fomba hitahian’izany ny zanaky ny Ray any An-danitra. Manambara ny fitohizan’ny fisoronan’i Mosesy ny tapany voalohany amin’ilay fanambarana. Asao ny mpianatra mba hijery am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:6–19 sady hitady ny fomba nahafahan’i Mosesy nanoritra ny fahefan’ ny fisoronany mankany amin’ Andriamanitra.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny manoritra ny fahefan’ ny fisoronana miverina mankany amin’ Andriamanitra? (Jereo ny Hebreo 5:4.)

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:17 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sady hitady ireo andian-teny izay mamaritra ny toetoetra mandrakizain’ny fisoronana (“tsisy fiandohan’andro na fiafaran-taona”). Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona fa ny fisoronana dia hery sy fahefana mandrakizain’ Andriamanitra, ary zarao ny fankasitrahanao ny amin’ny hoe nanome io hery io tamin’ny olombelona Andriamanitra mba ho tombontsoan’ny zanany.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 19–22, dia inona ny fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka? (Mety hizara valiny maromaro ireo mpianatra. Ataovy izay hamantarany ity fotopampianarana manaraka ity: Miharihary ao amin’ ny ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka ny herin’ ny toetra araka an’ Andriamanitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fotopampianarana io.)

  • Inona amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena no tsy maintsy tanterahin’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka? (Fandraisana ho mpikambana, fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka, ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana any amin’ny tempoly. Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo ôrdônansy ireo.) Ahoana no fahitanao ny fisehoan’ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra tao amn’ireo ôrdônansy ireo?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 22, dia nahoana no zava-dehibe ny hahazoantsika ny ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka? (Mamela antsika hahita ny tavan’ Andriamanitra ka ho velona ny “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” izay hita ao amin’ireo ordônansy ireo.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Raha te ho lasa tahaka an’ Andriamanitra sy hitoetra eo anatrehany isika dia tsy maintsy mandray ny ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka.

Jereo ilay lisitry ny ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka izay eny amin’ny solaitrabe.

  • Iza amin’ireo ôrdônansy ireo no any amin’ny tempoly ihany no azo andraisana azy?

Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia vakio ity teny manaraka izay nambaran’ny Loholona Russell M. Nelson tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Ny tempoly no tanjon’ny fiaraha-mientana rehetra, ny lesona rehetra ary ny dingana rehetra irosoan’ny Fiangonana. … Tena zava-dehibe tokoa ireo ôrdônansin’ny tempoly. Tsy afaka miverina any amin’ny voninahitr’ Andriamanitra isika raha tsy miaraka amin’izy ireo” (“Prepare for the Blessings of the Temple,” Ensign, ôkt. 2010, 41).

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:23 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sady hamantatra ny zavatra nataon’i Mosesy mba hanomanana ny vahoakany hahita ny tavan’ Andriamanitra. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe hanamasinana dia midika hoe hanadiovana sy hatao masina. Nohamasinina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy isika.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:24–30 amin’ny alalan’ny fanazavana fa noho ny fahamafisam-pon’ny zanak’Isiraely dia nanary ny fahafahana hahazo ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo ôrdônansy mifandraika amin’izany eto amin’ity fiainana ity izy ireo. Kanefa, nanohy nanampy azy ireo hivoatra ny Tompo. Namela ny fisoronana ambany na ny fisoronana Aharôna Izy mba hitoetra eo aminy (jereo ny F&F 84:26–27).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31–44

Mampianatra ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana ny Tompo

Asao ny mpianatra iray izay mihazona ny fisoronana mba hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fitahiana azonao noho ny fihazonanao ny fisoronana? Inona no fitahiana azonao noho ny fihazonan’ny hafa ny fisoronana?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31–32 ny mpianatra iray. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hitady ny teny nampiasain’ny Tompo hanoritsoritana ireo izay mihazona ny fisoronana.

  • Ahoana no fomba niantsoan’ny Tompo ireo izay mihazona ny fisoronana? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny andian-teny hoe “zanakalahin’i Mosesy” no iantsoana ireo izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka ary ny andian-teny hoe “zanakalahin’i Aharôna” kosa no iantsoana ireo izay mihazona ny Fisoronana Aharôna.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana.

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44 dia fantatra amin’ny anarana hoe fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana. Ireo andininy ireo dia manasongadina (1) ny fanekempihavanana ataon’ny olona rehefa mandray ny fisoronana izy sy (2) ny fampanantenana ataon’ny Tompo amin’ireo mpihazona fisoronana mahatoky.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Raha toa ireo izay mandray ny fisoronana ka , dia … Andriamanitra. .

Asao handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44 amim-pahanginana na miaraka tsiroaroa ny mpianatra. Asaivo fenoiny ny banga ao amin’ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe araka ny zavatra voalazan’ireo andininy ireo.

  • Ahoana no fomba namenoanao ilay fanambarana? (Tokony hahalala ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha toa ireo izay mandray ny fisoronana ka hilofo amin’ny antsony sy hanaraka ny Tompo sy ny mpanompony ary hampandry sofina amin’ny tenin’ny fiainana mandrakizay dia hanamasina azy ireo sy hanome azy ireo izay rehetra anananany Andriamanitra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Milofo amin’ny fisoronantsika isika ary mampivelatra ny antsontsika rehefa manompo amin’ny zotom-po sy am-pientanentanana amin’ireo andraikitra izay niantsoana antsika tamin’ny alalan’ny fahefana mifanaraka amin’izany. … Milofo amin’ny antsontsika isika sy mampivelatra ny fahafaha-manaontsika rehefa mamonjy ireo izay malemy sy manome tanjaka ireo izay sahirana. … Milofo amin’ny antsontsika isika, rehefa mandeha amim-pahamarinan-toetra sy amim-pahamarinana” (“Magnify Your Calling,” Ensign, mey 1989, 48–49).

Hazavao fa rehefa mandray ny antso ao amin’ny Fiangonana isika dia manana fahafahana ny hanomana ny tenantsika sy ny hafa handray ny ôrdônansin’ny famonjen’ny fisoronana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Ary amin’ny fomba ahoana no hilofosan’ny olona iray amin’ny antso? Amin’ny alalan’ny fanaovana ny andraikitra mifanaraka amin’izany fotsiny. … Manantena amin’ny foko sy ny fanahiko iray manontolo aho fa hanaja izany fisoronana izany ny zatovolahy tsirairay izay mandray ny fisoronana ka ho marina amin’ny fahatokiana izay nomena tamin’ny fotoana nanolorana izany” (“Priesthood Power,” Ensign, nôv. 1999, 49, 51).

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany izay entin’ny mpihazona Fisoronana Aharôna hilofosana amin’ny antsony ao amin’ny fisoronana?

  • Oviana ianao no notahiana noho ny filofosan’ny olona iray tamin’ny antsony?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tsy voafetra ho an’ny mpihazona ny fisoronana fotsiny ihany ny fitahian’ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana. Mirotsaka amin’ny lehilahy sy ny vehivavy izay nofehezina tany amin’ny tempoly ny fitahiana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra. Vakio ity teny manaraka izay nambaran’ny Loholona Russell M. Nelson ity:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Indray andro any dia hiara-hitoetra mandrakizay eo anatrehan’ny fianakavianay sy eo anatrehan’ny Tompo izaho sy Rahavavy Nelson. Ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana izay nataonay tany amin’ny tempoly sy ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana izahay, ary izany dia manome toky anay, araka izay voalazan’ny Tompo hoe: ‘izay rehetra ananan’ny Raiko dia homena [anareo]’ (F&F 84:38).

“Mahazo amin’ny fitahian’ny fisoronana ireo rahavavy izay mahatoky. Eritrereto kely ireo teny hoe ‘izay rehetra ananan’ny Raiko’ ireo. … Midika izany fa tsy misy valisoa eto an-tany—tsy misy fahombiazana hafa—izay afaka manonitra ireo fitahiana harotsaky ny Tompo amin’ireo izay tia Azy sy mitandrina ny didiny (jereo ny Môrônia 4:3), ary maharitra hatramin’ny farany (jereo ny F&F 14:7)” (“Identity, Priority, and Blessings,” Ensign, aog. 2001, 10).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fampanantenana manokana ataon’ny Tompo izay ampahany amin’ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nambara manaraka izay tsy feno ity: Ny Tompo dia mampanantena fa …

Asao ny mpianatra mba hamerina hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–34, 38, 42. Asaivo jeren’ny mpianatra ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo izay ampahany amin’ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Mety hilaza izy ireo fa ny Tompo dia: (1) hanamasina antsika amin’ny alalan’ny Fanahy (jereo ny andininy 33); (2) hanavao ny vatantsika (jereo ny andininy 33); (3) handray antsika ho isan’ny taranak’i Abrahama—izany hoe hanome antsika ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama sy ny taranany (jereo ny andininy 34), (4) hahatonga antsika ho nofinidiny na voafidy (jereo ny andininy 34); (5) hanome antsika izay ananan’ny Ray (jereo ny andininy 38); ary (6) hilaza ny anjeliny amin’ny fiandraiketana antsika (jereo ny andininy 42). (Rehefa milaza ny fampanantenana ao amin’ny andininy 38 ireo mpianatra dia azonao atao ny manentana azy ireo hieritreritra ny toetra sy ny voninahitr’ Andriamanitra fa tsy ny fananana ara-nofo. Ohatra: mety mahazo ny fahamarinany, ny fitiavany sy ny fifaliany ary ny fiadanany isika. Mety hotahiana amin’ny alalan’ny fahafenoan’ny heriny isika.)

Asao ny mpianatra mba hizara ny antony mahatonga ny fisoronana ho zava-dehibe ho azy ireo. Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fitahian’ny fisoronana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:3–5. “Ity taranaka ity”

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:3–5 ny fanambaran’ny Tompo mikasika ny hoe haorina eo an-tananan’i Jerosalema Vaovao ao amin’ny faritanin’i Missouri ny tempoly iray. Ao amin’io fanambarana io, izay nomena tamin’ny 1832, dia nilaza ny Tompo fa haorina ao amin’ “ity taranaka ity” ny tempoly (F&F 84:4–5). Mbola tsy naorina io tempoly io, kanefa nodidian’ny Tompo ny Olomasina mba hanorina tempoly maro hafa. Nafahan’ny Tompo vetivety tamin’ny fanorenana ny tempoly tao an-tananan’i Jerosalema Vaovao ny vahoakany (jereo ny F&F 124:49–51).

Nanoratra toy izao ny Filoha Joseph Fielding Smith mikasika ilay andian-teny hoe “ity taranaka ity”:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Vato mahatafintohina ny sasany io fanambarana io ary misy maro isan-karazany ireo fandikana ny hevitry ny hoe taranaka. Mihevitra ny sasany fa zato taona ny taranaka iray; ny sasany kosa mandray izany ho roapolo amby zato taona. Misy koa anefa ny hafa izay mihevitra fa ilay hoe taranaka izay resahana eto sy any amin’ny soratra masina hafa dia entina hilazana ny vanim-potoana tsy voafetra iray. Hoy ny Mpamonjy: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana.” Tsy entina hilazana taona izany, fa vanim-potoan’ny faharatsiana. Mety hidika ho vanim-potoan’ity fotoampitantanana ity ilay hoe taranaka. Ankoatra izay, voafetra ihany ilay filazana ao amin’io fanambarana tao amin’ilay teny nindramina teo ambony teo io. “Fa tsy ho lany marina tokoa ity taranaka ity,” sns. Tsy mikasa ny hanome fanazavana na inona na inona momba io andian-teny io akory isika fa milaza kosa fa eo am-pelantanan’ny Tompo ireo raharaha ireo ka hanatanteraka ny tanjony izy amin’ny fotoana heveriny fa mahamety izany” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:337).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:24–25. “Nalainy … ny Fisoronana Masina”

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:25 fa nalain’ny Tompo teo anivon’ny zanak’Isiraely izay niaraka tamin’i Mosesy tany an-tany foana ny fisoronana masina. Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe “nesorin’ny Tompo teo anivony ny Fisoronana Melkizedeka izay mitantana ny filazantsara, raha amin’ilay heviny hoe tsy nitohy sy tsy nampitaina avy amin’ny mpihazona ny fisoronana iray mankany amin’ny iray hafa izany, araka ny hevitra mahazatra an’ilay teny. Nesorina niala niaraka tamin’i Mosesy ny fanalahidin’ny fisoronana ka nitaky fanomezan-dalana masina manokana izay fanendrena ho amin’ny fisoronana amin’ny hoavy” (The Mortal Messiah, 4 vols. [1979–81], 1:60).

Nanazava bebe kokoa ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Fantatsika avy amin’ny alalan’ny Dikantenin’i Joseph Smith fa nanome torolalana an’i Mosesy ny Tompo nanao hoe: ‘Hoesoriko hiala avy eo afovoany ny fisoronana; koa ny lamiko masina, mbamin’ny ôrdônansiny.’ (DJS Eks 34:1; nampiana soramandry.)

“Io fisoronana avo io sy ny ôrdônansy mifandraika amin’izany dia nesorina niala teo amin’i Isiraely ambara-pahatongan’ny andron’i Jesoa Kristy. …

“Teo anelanelan’ny vanim-potoan’i Mosesy sy ny an’ i Kristy dia mpaminany sasantsasany ihany no nanana ny zo hahazo ny fisoronana avo sy ny fitahiana izay afaka mitondra ny olona eo anatrehan’ Andriamanitra” (“What I Hope You Will Teach Your Children about the Temple,” Ensign, aog. 1985, 9).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:28. Natokan’ny anjely

Ao anatin’ity teny nambara manaraka ity dia miresaka mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:28 ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ka manazava fa fony feno valo andro i Jaona Mpanao Batisa dia notendrena na nofidiana hanatanteraka iraka iray—fa tsy notendrena ho amin’ny fisoronana tamin’izany fotoana izany. Notendrena hanongana ny fanjakan’ny Jiosy sy hanomana ny làlan’ny Tompo i Jaona. Nanapaka ny anjely iray fa hanao izany tokoa izy.

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Hoy i Lioka: ‘Dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’ Andriamanitra.’ Taty aoriana dia hoy i Jaona: “Fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko” an’izao sy izao. (Jaona 1:33.) Tsy fantatsika hoe iza no naniraka azy. Kanefa fantatsika kosa fa “natao batisa izy fony izy mbola tao amin’ ny fahazazany [izany hoe fony izy feno valo taona] ary natokan’ ny anjelin’ Andriamanitra, tamin’ ny fotoana nahafeno valo andro azy, ho amin’ ity hery ity [mariho tsara fa tsy ho amin’ny Fisoronana Aharôna, fa] hanongana ny fanjakan’ ny Jiosy sy hanitsy ny làlan’ ny Tompo eo imason’ ny vahoakany, ka hanomana azy ireo ho amin’ ny fiavian’ ny Tompo izay eo an-tanany avokoa no omena ny hery.” (F&F 84:24.) Tsy fantatsika hoe oviana no nandraisany ny Fisoronana Aharôna kanefa hita miharihary fa nandray izany taorian’ny batisany izy, na oviana na oviana ny taona nahamety izany, ary talohan’ny nanirahan’ilay iray izay tsy notononiny ny anarany mba hitory sy hanao batisa amin’ny rano” (The Mortal Messiah, 4 vols. [1979–81], 1:384–85).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44. Fahatokian-tena amin’ny alalan’ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana

Ny Filoha Henry B. Eyring dia niresaka mikasika ny fahatokian-tena izay tokony hananan’ny mpihazona ny fisoronana rehefa manao ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Ny fahamendrehana manoloana ny fanaovana fianianana sy fanekempihavanana dia mitondra ny fanomezana lehibe indrindra amin’ ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra: ny fiainana mandrakizay. Izany no tanjon’ny Fisoronana Melkizedeka. Amin’ny alalan’ny fitandremana ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny fotoana nandraisantsika ny fisoronana sy ny fanavaozantsika azy ireny amin’ny alalan’ireo fombafomba atao any amin’ny tempoly, no hanomezana fampanantenana antsika amin’ny alalan’ny fianianana nataon’i Elohima, izay Raintsika any An-danitra fa hahazo ny fahafenoan’ny voninahiny isika ka hiaina ny fiainany. Hahazo fitahiana amin’ny fifamatoran’ny fianakaviana ho mandrakizay isika miaraka amin’ny fampanantenana dia ny fitomboana mandrakizay. …

“… Misy antony roa farafahakeliny izay tokony hampatoky tena anao fa tsy ho kivy amin’ireo sazy izay hihatra: na izany noho ny tsy fitandremana ny fianianana sy ny fanekempihavanana na noho ny fanapahan-kevitra tsy hanaiky izany. Raha toa ianao ka manaiky ny fianianana sy fanekempihavanana ary mahatsapa fa sarotra loatra izany, na koa hoe tsy nahavita nanandrana nanatanteraka izany ianao dia mitovy ihany ny sazy. Tsy misy hisalasalana, noho izany, fa ny lalana tsara indrindra ho ahy sy ho anao dia ny mandray ny fisoronana masina ka miezaka mitandrina ireo fanekempihavanany amin’ ny fontsika iray manontolo. Raha misafidy ny tsy hanandrana izany isika dia ho azo antoka fa tsy hanana intsony ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay. Raha manandrana isika ka mahomby miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

“Kanefa mbola misy antony hafa iray izay tsy maintsy hanapahanao hevitra izao dia izao, dia ny fiezahanao amin’ny fonao rehetra mba ho mendrika izany fianianana sy fanekempihavanana izany ka hanana fahatokian-tena fa hahita fahombiazana ianao. Mampanantena fanampiana sy hery ho anao Andriamanitra, izay hanome fahombiazana anao, raha toa ka mampiasa finoana ianao.

“Mamelà ahy ianareo hamariparitra ireo fitahiana sasany izay horaisinareo rehefa mandeha am-pinoana ianareo.

“Voalohany, ny antony izay nanolorana anareo ny fianianana sy ny fanekempihavanana dia porofo fa nofinidin’ Andriamanitra ianareo noho ny fahalalany ny herinareo sy ny fahafahanareo manao zavatra. Efa fantany ianareo hatrany amin’ny tontolon’ny fanahy niaraka Taminy. Noho ny fahalalany mialoha ny tanjakareo dia namela anareo Izy hahita ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy sy homena ny fisoronana. Afaka matoky tena ianareo satria manana porofo ny amin’ny fatokiany anareo ianareo.

“Faharoa, nampanantena ny fanampiany manokana ny Mpamonjy rehefa hiezaka ny hitandrina ny fanekempihavananareo ianareo. Raha mandroso hatrany ianareo amin’ny fanajana ny fisoronana dia nilaza Izy hoe: ‘Ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo’ [F&F 84:88]” (“Ny finoana sy ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2008, 61–62).