Seminera
Lesona 132: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–83


Lesona 132

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–83

Fampidirana

Tamin’ny 19 janoary 1841 ny Tompo dia nandidy ny Olomasina hanangana tempoly tao Nauvoo, Illinois. Ao amin’io fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 io ny Tompo dia nanazava ireo fitahiana izay homena ireo Olomasina raha toa ka hazoto amin’ny fananganana ilay tempoly izy ireo. Nandidy ireo Olomasina ihany koa ny Tompo mba hanorina trano mba hahafahan’ireo mpandeha mitoetra ao Nauvoo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–41, 56–83

Nandidy ireo Olomasina ny Tompo mba hanorina tempoly iray sy trano iray ho an’ireo mpitsidika an’i Nauvoo

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra iray izay notanterahanao ka nitaky fotoana sy ezaka na fahafoizan-tena lehibe avy aminao? Rehefa tonga ireo mpianatra dia asaivo miomana ny hamaly an’io fanontaniana io izy ireo. Aorian’ny fampaherezam-panahy dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy.

  • Nahoana no mendrika ny fotoana sy ny ezaka na ny fahafoizan-tena izay takiana tamin’izany ilay zavatra notanterahanao?

Hazavao fa tamin’ny 1841 dia nifindra toerana tao Nauvoo, Illinois ny ankamaroan’ireo Olomasina. Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–27 sady hitady ny zavatra izay nodidian’ny Tompo hataon’ireo Olomasina tao Nauvoo.

  • Inona no nasain’ny Tompo hataon’ireo Olomasina?

  • Inona no tian’ny Tompo hampiasain’ireo Olomasina mba hanorenana ilay tempoly?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:28 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sady hitady ny antony iray nolazain’ny Tompo fa tokony hanorenan’ireo Olomasina ny tempoly.

  • Nahoana no nodidian’ny Tompo hanorina tempoly ireo Olomasina? (Mba hanomezana toerana izay ahafahan’ny Tompo ho tonga sy hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny fisoronana.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ilay andian-teny hoe “fahafenoan’ny fisoronana” ao amin’ny andininy 28 dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Ny lehilahy tsirairay izay mahatoky sy handray ireo ôrdônansy sy fitahiana ireo no mahazo ny fahafenoan’ny fisoronana, ary ny Tompo dia nilaza hoe ‘ataony mitovy izy ireo amin-kery sy amin’ny tanjaka ary amin’ny fanapahana’ [F&F 76:95; jereo koa ny F&F 88:107]. … Nataon’ny Tompo izay nahatonga ny lehilahy tsirairay ao amin’ity Fiangonana ity, amin’ny alalan’ny fankatoavany, hahazo ny fahafenoan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tempolin’ny Tompo. Tsy azo raisina any amin’ny toeran-kafa izany” (ao amin’ny Doctrines of Salvation, natambatr’i. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 3:132–33).

Hazavao fa ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana—ny lehilahy sy ny vehivavy—dia afaka mahazo ny fahafenoan’ny fitahian’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansy rehetra any amin’ny tempoly. Amin’ny alalan’ireny ôrdônansy ireny dia afaka mahazo ireo fitahiana rehetra izay irian’ny Ray any An-danitra homena ny zanany isika. Hamafiso fa nanomboka amin’ny Tempolin’i Kirtland ny famerenana amin’ny laoniny ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly saingy tsy feno tanteraka izany. Ny fanorenana tempoly iray tao Nauvoo dia nahafahana nanohy ny famerenana amin’ny laoniny ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly (jereo ny F&F 124:28, 40–41).

  • Inona no atao hoe ôrdônansy? (Fombafomba masina sy manara-pitsipika izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana.)

Hazavao fa ilaina amin’ny fisandratana ny ôrdônansy sasany ary maro amin’ireny ôrdônansin’ny famonjena ireny no tsy azo atao raha tsy any amin’ny tempoly. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:29 sady hitady ny iray amin’ireo ôrdônansy manan-danja any amin’ny tempoly ireo izay nolazain’ny Tompo fa ilaina haverina amin’ny laoniny. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra.

Hazavao fa tamin’ny 15 aogôsitra 1840 no nampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith voalohany fa ny Olomasina dia afaka manatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena toy ny batisa ho an’ireo naman’izy ireo nodimandry sy ireo olona ao amin’ny fianakaviany izay tsy nanana fahafahana ny handray ny filazantsara (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 403). Taorian’io filazana io dia maro ireo batisa ho an’ny maty notanterahina tao amin’ny Reniranon’i Mississippi River na teo akaikin’ireo riandrano.

Asaomba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:30–34 ny mpianatra vitsivitsy. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny fitarihan’ny Tompo mahakasika ny toerana izay tsy maintsy anatanterahana ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty.

  • Aiza no toerana nolazain’ny Tompo fa tsy maintsy anaovana ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty mba ho ekeny izany? Nahoana no navelan’ny Tompo hanatanteraka batisa vetivety tany ivelan’ny tempoly ireo Olomasina?

Sary
Tempolin’i Nauvoo

Azonao atao ny mampiseho sarin’ny Tempolin’i Nauvoo (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 118; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa taorian’ny nandraisan’i Joseph Smith ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 dia nandeha faingana ny asa fanamboarana ny tempoly. Tamin’ny 3 ôktôbra 1841, rehefa vita tamin’ny ampahany ny efitrano ambanin’ny tempoly dia nilaza tamin’ireo Olomasina i Joseph Smith hoe: “Tsy hisy intsony ny batisa ho an’ny maty, mandra-pahafahana manao izany ôrdônansy izany any amin’ny tranon’ny Tompo. … Fa izany tokoa no lazain’ny Tompo!” (Teachings: Joseph Smith, 469). Tamin’ny 21 nôvambra 1841, taorian’ny fanamboarana sy fanokanana ny toerana fanaovana batisa tao amin’ny rihana ambanin’ny Tempolin’i Nauvoo dia naverina notohizana ny batisa ho an’ny maty. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 251–52; Teachings: Joseph Smith, 469–70.)

Sary
toerana fanaovana batisa

Rehefa naorina ny Tempolin’i Nauvoo dia nanome toromarika ny Mpaminany Joseph Smith fa ny toerana fanaovana batisa dia haorina ao amin’ny rihana ambany eo amin’ny lamosin’ny omby roa ambiny folo, izay naneho ireo foko roa ambiny folon’i Isiraely.

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124, dia aiza no hany toerana ahafahana mahazo ny fahafenoan’ny ôrdônansin’ny fisoronana mba ho fanavotana ny velona sy ny maty? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Ny tempoly no hany toerana ahafahana mahazo ny fahafenoan’ny ôrdônansin’ny fisoronana mba ho fanavotana ny velona sy ny maty.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no mety nahatonga an’io fotopampianarana io hanosika an’ireo Olomasina hanao ireo fahafoizan-tena izay ilaina mba hananganana ny tempoly tao Nauvoo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’io fotopampianarana io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity. (Azonao atao ny manome ny tahadikan’ilay teny nambara ho an’ireo mpianatra tsirairay.)

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Ireo izay mahatakatra ny fitahiana mandrakizay azo avy amin’ny tempoly dia mahafantatra fa tsy misy izany fahafoizan-tena lehibe loatra, na sarany mavesatra loatra, na fahoriana sarotra loatra ka tsy mendrika nanaovana izany mba handraisana ireo fitahiana ireo. Tsy misy halavirana be loatra handehana, na sakana betsaka loatra ho resena na fahoriana be loatra ho zakaina. Takatr’izy ireo fa ireo ôrdônansin’ny famonjena izay raisina any amin’ny tempoly no hanome antsika fahafahana indray andro any hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra ao amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay ary ho tafiana amin’ireo fitahiana sy hery avy any ambony izay mendrika hanaovana ny fahafoizana sy ny ezaka rehetra” (“Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’Izao Tontolo Izao,” Ensign na Liahona, mey 2011, 92).

  • Fahafoizan-tena inona no mety hataonao mba hahamendrika sy hahavonona anao handray ireo ôrdônansin’ny tempoly?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:38–41 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sy hitady ny antony nahatonga ny Tompo nandidy an’i Mosesy hanorina tabernakely tany an-tany foana sy ny antony nahatonga azy nanome baiko ny vahoakany hanorina tempoly tany amin’ny tany nampanantenaina. (Mety ilainao ny manazava fa tsy nanatanteraka ny batisa ho an’ny maty i Mosesy sy ny vahoakany. Tsy nisy asa ho an’ny maty notanterahana raha tsy efa ny Mpamonjy no nanao izany asa izany tany amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny fahafatesany.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 38, dia nahoana no nodidian’ny Tompo ireo Isiraelita fahiny mba hanorina tabernakely sy tempoly?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana roa manaraka ireto:

Maninona ny tempoly no manan-danja ho anao? Nahoana ny Fiangonana no manorina tempoly?

Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Angataho ny mpianatra tsirairay hifidy iray amin’ireo fanotaniana eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra mba hitodika any amin’ny mpiara-miasa aminy ka hifandimby hamaly ny fanotaniany miainga amin’ny zavatra nianarany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–41. Ankoatra izay dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hizara ny eritreriny (na ny eritreritr’ireo mpiara-mianatra aminy) amin’ny iray kilasy.

Azonao atao ny mamintina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–24, 56–83 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ankoatra ny tempoly dia nomen’ny Tompo toromarika ireo Olomasina mba hanangana fotodrafitrasa iray hafa nantsoina hoe ny Tranon’i Nauvoo, izay toerana azon’ireo olona izay nitsidika tao Nauvoo nipetrahana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:42–55

Nanazava ny zavatra hitranga ny Tompo raha nankatò ny didy hanangana tempoly ny Olomasina

Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:42–45, sady hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hitranga raha toa ka manorina ilay tempoly ireo Olomasina sady mihaino ny feony sy ny feon’ny mpanompony. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:46–54 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nilaza tamin’ireo Olomasina izay zavatra hitranga raha toa ka manorina ilay tempoly izy ireo kanefa tsy mihaino ny feony na ny feon’ny mpanompony. Nanazava ihany koa ny Tompo fa ho ekeny ny ezaka hataon’ireo Olomasina amin’ny fanaovana ny asany (anisan’izany ny fananganana tempoly) eny fa na dia voasakana aza izy ireo amin’ny fanaovana izany noho ny fanenjehana izay nanjo azy ireo.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:55 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa ho asehon’ireo Olomasina Aminy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny hananganana ny Tempolin’i Nauvoo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 55, dia manaporofo inona amin’ny Tompo isika rehefa mankatò ny didiny? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Manaporofo ny fahatokiantsika isika amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny ezaka sy ny fotoana ary ny fahafoizana izay mifandray amin’ny fitandremana ireo didin’ny Tompo indraindray.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahafahana hampiseho ny fahatokianao amin’ Andriamanitra hanosika anao hankatò ny didiny?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 55, dia inona ireo fitahiana fanampiny izay nampanantenain’ny Tompo an’ireo Olomasina raha toa ka nanorina tempoly iray tao Nauvoo izy ireo?

Hazavao fa ireo fitahiana momba ny voninahitra sy ny tsy fahafatesana ary ny fiainana mandrakizay nampanantenaina ao amin’ny andininy 55 dia manana toetra mandrakizay.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa ny fitahiana izay raisintsika noho ny fahatokiantsika amin’ny Tompo dia mety tsy eo no ho eo?

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina fotoana teo amin’ny fiainany izay nankatoavany ny didy iray noho ny faniriana ho tsy mivadi-pitokisana sy mahatoky amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany sy tsapany momba ny fanehoana amin’ny Tompo ny tsy fivadiham-pitokisany sy ny fahatokiany. Asao ireo mpianatra mba hitady fahafahana ny hampiseho ny fahatokiany amin’ny Tompo.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:45. “Fa tsy hoesorina hiala eo amin’ny toerany izy ireo”

Fony nandidy ireo Olomasina ny Tompo mba hanorina tempoly iray dia nampanantena ihany koa Izy fa “tsy hoesorina hiala amin’ny toerany izy.”

Hoy ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Nandritra ny fotoan-tsarotra iray no nanomezan’ny Tompo ilay fampitandremana izay hentitra indrindra fantatro ao amin’ny soratra masina rehetra. Nisy ifandraisany tamin’ny fanorenana ny Tempolin’i Nauvoo izany. Fantatr’ireo Olomasina avy amin’ny traikefa fa ny fanohizana ny fananganana ny tempoly dia hitondra fanenjehana mahatsiravina, koa dia nahemony izany. Nanome fanalavam-potoana ny Tompo ka nilaza hoe: ‘Raha tsy manao izany zavatra izany ianareo amin’ny fiafaran’ny fifamotoana, dia holavina miaraka amin’ny maty eo aminareo ny maha-fiangonana anareo, hoy ny Tompo Andriamanitrareo’ [F&F 124:32].

“Io fanambarana io dia mifono fampanantenana mahagaga izay matetika adino: ‘Ary raha mihaino ny feoko ny vahoakako, ary mihaino ny feon’ ireo mpanompoko izay efa notendreko hitarika ny vahoakako, dia indro, lazaiko aminareo marina tokoa, tsy hoesorina hiala amin’ny toerany izy’ [F&F 124:45].

“Tadidio io fampanantenana io. Hazony izany. Izany dia tokony ho fankaherezana lehibe ho an’ireo izay sahirana amin’ny fihazonana ny firaisan-kinan’ny fianakaviana ao anatin’ny fiarahamonina izay tsy mitsahatra ny tsy miraharaha, eny mankahala mihitsy aza an’ireo fenitra izay ilaina mba hahasambatra ny fianakaviana. …

“Averiko ilay fampanantenana fa ireo izay mihaino ny feon’ireo lehilahy izay natsangan’ny Tompo dia ‘tsy hoesorina hiala amin’ny toerany’ [F&F 124:45].

“Saingy arahana fampitandremana ilay fampanantenana: ‘Fa raha tsy mety mihaino ny feoko izy, na ny feon’ ireo lehilahy izay efa notendreko, dia tsy hotahina’ [F&F 124:46]” (“The Twelve Apostles,” Ensign, sept. 2005, 20).