Seminera
Lesona 158: Fanafainganana ny Asa Famonjena


Lesona 158

Fanafainganana ny Asa Famonjena

Fampidirana

Tamin’ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia niitatra naneran-tany ny asan’ny Tompo. Miaina ao anatin’ny fotoana iray izay hanafainganan’ny Tompo ny asany isika. Ireo tanoran’ny Fiangonana dia manana loharanom-pitaovana sy fahafahana maro handray anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manafaingana ny asany ny Tompo

Asao ny mpianatra iray mba handeha eny amin’ny lafiny iray hafa amin’ny efitrano amin’ny famindra antonony. Avy eo dia asao ilay mpianatra mba hiampita indray ary hanafaingana ny famindrany. Mandritra ny mpianatra miampita ny efitrano fanindroany dia anontanio ny mpianatra rehetra ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no hevitry ny hoe manazatra zavatra iray? (Manafaingana izany.) Inona ireo antony sasany mety ilain’ny olona iray ny fanafainganana ny asa iray ataony?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny hoe inona no zavatra nolazain’ny Tompo fa hohafainganiny. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe manafaingana ny asany ny Tompo?

Raha niresaka mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73 ny Loholona Russell M. Nelson dia nilaza izy hoe: “Izany fotoan’ny fanafainganana izany dia ankehitriny” (“Thus Shall My Church Be Called,” Ensign, mey 1990, 17). Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Isika dia miaina amin’ny fotoana izay ny hanafaiganan’ny Tompo ny asany.

  • Inona ireo fomba izay efa hitanao maso fa hafainganin’ny Tompo ny asany?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:10 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra, ary hikaroka hoe inona no sosokevitra omen’ireo andininy ireo mikasika ny antony hanafainganan’ny Tompo ny asany.

  • Inona no sosokevitra omen’ireo andininy ireo antsika mikasika ny antony hanafainganan’ny Tompo ny asany? (Mba hanampiana ny olona amin’ny Fiaviany Fanindroany.)

Manehoa sarin’ny Filoha Spencer W. Kimball (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 133; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa nandritra ny fanompoan’ny Filoha Spencer W. Kimball tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy no nanafainganan’ny Tompo ny asany. Ohatra, ny asa fitoriana dia nihitatra ary ny Fiangonana dia namoaka edisiôna vaovaon’ireo soratra masina. Rehefa namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hibosesika handroso ny Filoha Kimball dia niteny izy fa “ampy ny fotoana ela be nitsaharan’ny Fiangonana tamin’ny fandrosoana” (“Let Us Move Forward and Upward,” Ensign, mey 1979, 82). Nampianatra koa izy fa “Tsy maintsy manalava ny ezaka ataontsika isika ary tsy maintsy manao izany izao” (“Always a Convert Church: Some Lessons to Learn and Apply This Year,” Ensign, sept. 1975, 3).

Sary
Filoha Spencer W. Kimball
  • Inona araka ny hevitrao no tian’ny Filoha Kimball lazaina rehefa nilaza izy fa tsy maintsy “manalava ny ezaka ataontsika isika”?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba sasany hanafainganan’ny Tompo ny asany ankehitriny sy ny fomba sasany hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny asany, dia tariho ny asa ampanaovina manaraka:

Zarao ho vondrona telo ny mpianatra dia omeo ny iray amin’ireto fanomezana andraikitra hampianatra ireto ireo mpianatra ao amin’ny vondrona tsirairay. Omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra mba handalina sy hiomana hampianatra ireo asa ampanaovina ireo amin’ireo mpiara-mianatra aminy. Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia amboary ho vondrona telo ny mpianatra, ary mpianatra iray avy amin’ny vondrona teo am-boalohany no manorina izany. Asao ireo mpianatra mba hifandimby hampianatra ireo vondrona mikasika ny hoe ahoana no hanafainganan’ny Tompo ny asany sy hoe ahoana no ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’izany asa izany.

Andraikitra hampianatra 1: Fanafainganana ny Asa Fitoriana

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nilaza tamin’ny ireo Olomasina fa ny Tompo dia nanomana varavarana mivoha ho azy ireo mba hizarany ny filazantsara, ary tafiditra ao anatin’izany ireo firenena izay tsy namela ny hanaovana asa fitoriana tao aminy. Niteny ihany koa anefa izy fa ny Olomasina dia mila manomana ny tenan’izy ireo mba handray ireny fahafahana ireny. Nijoro ho vavolombelona ihany koa ny Filoha Kimball fa raha toa ka niomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ny zatovolahy tsirairay dia hanokatra varavarana sy hanome lalana iray handehanan’ny asa fitoriana amin’izao tontolo izao manontolo ny Tompo Nanambara izy hoe:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Fantatro fa ahitana voaly izy ireo, tahaka ny voaly vy sy voaly bararata. Fantatro ny hasarotan’izany satria isika dia efa nanao ezaka. Saingy tsy mahita antony tsara hanokafan’ny Tompo varavarana izay tsy niomanantsika hidiranana aho. Ahoana no hamotehany voalim-bỳ na ny voalin-kazo na ny voaly hafa raha tsy niomana hiditra isika?” (“When the World Will Be Converted,” Ensign, ôkt. 1974, 5, 7).

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia nanaraka ny torohevitry ny Filoha Kimball ary niomana ny hizara ny filazantsara. Nandritra ny fitantanann’ny Filoha Kimball ny isan’ireo misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno dia nihanitombo nihoatra ny 50 isanjato. Tamin’ny faraparan’ny 80 sy ny voalohandohan’ny 90, ny governemantan’ny Alemanina Atsinana izay firenena tao anatin’ny Firaisana Sôvietika teo aloha, ary firenena hafa izay tsy nahafahana nanao ny asa fitoriana dia nanomboka namela ireo misiônera hizara ny filazantsara tao amin’ireo firenena ireo. Tanteraka ny faminanian’ny Filoha Kimball.

Ny volana ôktôbra 2008, ny Filoha Thomas S. Monson dia namerina indray ilay torohevitra nomen’ny Filoha Kimball:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Mbola misy … faritra eto amin’izao tontolo izao izay mbola voafetra ihany ny fahafantarana antsika sy ny fahafahantsika mizara malalaka ny filazantsara. Toy ny nataon’i Filoha Spencer W. Kimball mihoatra ny 32 taona lasa izay, dia manainga anareo aho mba hivavaka mba hisokafan’ireo faritra ireo, ka hahafahantsika mizara amin’izy ireo ny fifaliana avy amin’ny filazantsara. Rehefa nivavaka isika tamin’izany ho setrin’ny fangatahan’ny Filoha Kimball, dia nahita fahagagana rehefa injay nifandimby nisokatra tsikelikely tamin’ny filazantsara ny firenena, izay nikatona tamin’ny Fiangonana teo aloha. Hitranga indray ny toy izany rehefa mivavaka amim-pinoana isika (“Fiarahabana amin’ny fihaonambe,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 6).

Hamafiso fa raha namporisika ny mpikamban’ny Fiangonana hanalava ny ezak’izy ireo ny Filoha Kimball, dia nanazava tsara ny andraikitry ny zatovolahy tsirairay tao amin’ny Fiangonana izy. Asao ny olona iray ao amin’ny vondrona mba hamaky mafy ny teny manaraka:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Apetraka matetika ilay fanontaniana hoe: Tokony hanatanteraka asa fitoriana ve ny zatovolahy tsirairay? Ary ny Tompo dia nanome ny valiny. Izany dia, Eny. Ny zatovolahy rehetra dia tokony hanao asa fitoriana” (“When the World Will Be Converted,” 8).

Ampahatsiahivo ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao fa ireo mpaminany dia manohy hatrany ny famporisihana ireo zatovolahy rehetra mendrika sy afaka manompo mba handeha hitory amin’ny fotoana feno. Ireo mpaminany koa dia mandray an-tanandroa ireo zatovovavy mba hanompo amin’ny fitoriana amin’ny fotoana feno raha manam-paniriana ny hanao izany izy ireo. Ny volana ôktôbra 2012 ny Filoha Thomas S. Monson dia nanambara fa hisy fiovana eo amin’ny taona takiana hirotsahana ho misiônera, izay mamela ireo zatovolahy mba hanomboka ny fanompoana rehefa feno 18 taona ary ny zatovovavy rehefa feno 19 taona.

Ifanakalozy hevitra miaraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny voalazan’ny mpaminanin’ny andro farany, inona no zavatra andrasan’ny Tompo avy amin’ireo zatovolahy izay manoloana ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpikambana ao amin’ny vondrona dia tokony hahitana ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’izy ireo: Tokony hiomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno sy hitandrina ny tenany ho mendrika ny hanompo ny zatovolahy tsirairay.)

  • Nahoana no zatovolahy rehetra no tokony hiomana hanompo amin’ny fotoana feno?

  • Ahoana no fiomanana amin’ny fitoriana amin’ny fotoana feno manomboka izao no hanampy anao handray anjara amin’ny asan’ny Tompo?

  • Ahoana araka ny hevitrao ilay fiovana nentanim-panahy mikasika ny taona takiana amin’ireo misiônera hanompo amin’ny fotoana feno no mandray anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo?

Andraikitra hampianatra 2: Edisiôna vaovaon’ny soratra masina

Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao mba handinika ny zavatara hataon’izy ireo raha misy namana akaiky azy manontany hoe: “Maniry ny hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra aho. Inona no tokony hataoko?” Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no ho lazainao ilay namanao?

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Hitako fa rehefa ataoko tsizarizary ny fifandraisako amin’ Andriamanitra ary rehefa toy ny hoe tsy misy sofin’ Andriamanitra mihaino, ary tsy misy feon’ Andriamanitra miteny, dia tena lavitra tokoa aho. Fa rehefa miroboka ao anatin’ny soratra masina aho, dia mihena ny elanelana ary miverina ny aim-panahy” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 135).

Ampahafantaro ireo mpikambana ao amin’ny vondrona fa ny tenin’i Filoha Kimball dia manazava ny ilantsika tokoa ny fahafahana mampiasa ny soratra masina. Asao ny mpikambana iray ao amin’ny vondrona misy anao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:58–59. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny vondrona ary hamantatra hoe nahoana no irian’ny Tompo ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hamoaka ireo fanambarana ireo.

  • Ahoana no ahafahan’ny fandalinana soratra masina manampy antsika hanalava ny ezaka ataontsika sy mba handraisantsika anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo?

Hazavao fa tamin’ny fiatombohan’ny taona 1970 ireo mpitarika ny Fiangonana dia nahatakatra ny ilan’ny mpikamban’ny Fiangonana ny mba ho zatra kokoa amin’ny soratra masina ary mba hanana ny Baiboly amin’ny edisiôna manokana mba hahafahana mandalina sy mampianatra. Ny taona 1979, taorian’ny taona maro feno aingam-panahy sy ezaka dia natontan’ny Fiangonany ny Baiboly edisiôna ôfisialy King James amin’ny teny anglisy. Io Baiboly io dia ahitana fanampiana mivelatra ho an’ny fandalinana izay tsy nisy teo aloha, anisan’izany ny fitaran’ny fanovozan-kevitra eo ambanin’ny pejy sy ny fampifandraisana andininy ary ny fanampiana hafa; ireo lohatenin’ireo toko efa nankatoavina; ireo sombiny amin’ny dikantenin’i Joseph Smith, ny Torolalana ho an’ny soratra masina, ary ny Rakibolan’ny Baiboly. Ny taona 1981, ny Fiangonana dia namoaka edisiôna vaovaon’ny triptika amin’ny teny anglisy izay ahitana ny fanovozan-kevitra ambanin’ny pejy efa nankatoavina, ny lohatenin’ireo toko, ny sarin-tany, ary ny tovana. Ny taona 2009, ny Fiangonana dia namoaka ny edisônina LDS ny Baiboly Reina-Valera amin’ny teny espaniola.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny teny manaraka nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay natao iray taona taorian’ny famoahana ny triptika amin’ny teny anglisy ny taona 1981. Asao ireo mpianatra mba hihaino hoe ahoana no fakany sary an-tsaina ireo edisiôna vaovaon’ny soratra masina ireo izay hitahy fiainan’olona ary hampandroso ny asan’ Andriamanitra.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Amin’ny fandehanan’ny taona maro, ireo soratra masina ireo dia hiteraka taranaka Kristianina mifandimby mahatoky izay mahafantatra ny Tompo Jesoa Kristy ary vonona ny hankatò ny sitrapony.

“… Hahazo fahalalana ambony mifandraika amin’ny filazantsara mihoatra lavitra ny zavatra takatr’ireo razambeny izy ireo. Hanana fijoroana ho vavolombelona izy ireo fa i Jesoa no Kristy ary hanana fahafahana ny hanambara sy hiaro Azy” (Soratra Masina,”Ensign,nôv. 1982, 53).

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny soratra masina dia mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy. Ny fandalinana ny soratra masina dia afaka manampy antsika handray ny fijoroana ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy ary hanampy ny fiainantsika ho feno Fanahy Masina.

Hazavao fa ezaka lehibe no natao ary mbola hitohy ho atao mba hanomezana ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo soratra masina sy ny fanampiana amin’ny fandalinana tena ilainy izay amin’ny fitenin’izy ireo.

Ifanakalozy hevitra miaraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no manan-danja ny fandalinana soratra masina isan’andro?

  • Ahoana no nanampian’ny fandalinana ny soratra masina manokana anao mba hanampiana amin’ny fandraisana anjara amin’ny asan’ny Tompo?

Andraikitra hampianatra 3: Fanafainganana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana

Asao ny vondrona misy anao mba haminavina hoe firy ny tempoly efa naorina tao anatin’ireo 143 taona teo anelanelan’ny fanorenana ny Fiangonana ny taona 1830 sy ny niantsoana ny Filoha Spencer W. Kimball ny taona 1973 (tempoly 17). Avy eo dia asao ilay vondrona mba haminavina hoe firy ireo tempoly nambara na voaorina 40 taona lasa teo anelanelan’ny taona 1973 sy 2013 (tempoly 153).

Hazavao fa ny fanorenana tempoly dia nitombo be teo ambany fitarihan’ny Filoha Gordon B. Hinckley. Asao ny olona iray ao amin’ny vondrona misy anao mba hamaky ny teny nataon’i Filoha Hinckley:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Manana faniriana mivaivay aho ny mba hisian’ny tempoly akaikikaiky kokoa ny Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao. … Ny asa dia mandroso haingana araka izay azontsika atao. Vavaka tsy tapaka ataoko ny mba handehanan’izany haingana kokoa mba ho afaka hiditra mora kokoa ny trano masin’ny Tompo ny vahoakantsika” (“Of Missions, Temples, and Stewardship,” Ensign, nôv. 1995, 52, 53).

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15, 17 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny vondrona ary hikaroka ny andraikitra hananantsika amin’ny razambentsika. Avy eo dia vakio mafy ity filazana fotopampianarana manaraka nomen’ny Loholona David A. Bednar ao amin’n Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “andraikitsika araka ny fanekempihavanana ny mikaroka ny momba ireo razambentsika ary manatanteraka ho azy ireo ny ôrdônansin’ ny famonjena ao amin’ ny filazantsara” (“Hitodika ny fon’ny zanaka,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 25).

Hamafiso fa ny fanorenana ireo tempoly sy ny fandrosoan’ny tantaram-pianakaviana dia porofo fa Andriamanitra dia manafaingana ny asany eny ambadiky ny voaly. Asao hamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Bednar manaraka eto ity ny mpianatra iray: Asao ny vondrona hihaino hoe ahoana no ahafahan’izy ireo handray anjara amin’ny asan’ny Tompo.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Tsy kisendrasendra ny fahatongavan’ ny FamilySearch sy ireo fitaovana hafa amin’ izao fotoana izao izay fotoana maha havanana an’ ireo tanora eo amin’ ny lafin’ ny teknôlôjia ara-pahalalam-baovao sy ara-pifandraisana amin’ ny endriny maro. Voahofana handefa hafatra amin’ ireo finday sy amin’ ireo solosaina ny rantsantananareo mba hanafainganana sy hampandrosoana ny asan’ ny Tompo—fa tsy hoe hifandraisana amin’ ny fomba haingana fotsiny amin’ ireo namanareo. Ireo fahaiza-manao hita soritra eo anivon’ ireo tanora maro amin’ izao fotoana izao dia isan’ ny fiomanana mba hitondra anjara biriky ao anatin’ ilay asa famonjena” (“Hitodika ny fon’ny zanaka,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 26).

Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny vondrona misy anao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no traikefa tsara nanananao tamin’ny fanaovana ny asan’ny tantaram-pianakaviana na ny fandehanana tany amin’ny tempoly mba handraisana anjara amin’ny ôrdônansy ho an’ny maty?

Ny andraikitsika dia ny mampandroso ny asa

Rehefa avy namita ny fampianaran’izy ireo amin’ny vondrona kely ireo mpianatra dia asao ny mpianatra vitsy mba hizara ny eritreritr’izy ireo sy ny fahatsapany mikasika ny fanafainganana ny aan’ny Tompo.

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David B. Haight tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny mpianatra rehetra mba hihaino hoe inona no mitranga rehefa mandray anjara amin’ny asan’ny Tompo isika?

Sary
Loholona David B. Haight

“Ry rahalahy sy rahavavy, ny Tompo dia nanokatra lalana ary manao izay hitaran’ny asany manerana ny tany, ary toa fitahiana lehibe ho antsika rehetra—ny fandraisana anjara —amin’ny fomban’ny tsirairay manokana—amin’izany. …

“Iza ankoatra ireo mpaminanin’ Andriamanitra no afaka nahita mialoha ny fahagagana ny amin’ny hafainganam-pivoaran’ny asan’ny Tompo? Raha ny marina, dia araka ny nolazain’ny Tompo mialoha ao amin’ny fizarana 88 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manafaingana ny asany amin’ny fotoany Izy (jereo F&F 88:73)” (“Missionary Work—Our Responsibility,” Ensign, nôv. 1993, 61, 62).

  • Araka ny hevitr’i Loholona Haight dia inona hitranga rehefa mandray anjara amin’ny asan’ny Tompo isika? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Afaka ny ho voatahy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo isika.)

  • Inona ireo fitahiana niainanao raha nandray tamin’ny fanafaingananana ny asan’ny Tompo ianao?

Asaao ireo mpianatra mba handinika ireo fahafahana izay nananan’izy ireo mba handraisany anjara amin’ny asan’ny Tompo. Asao izy ireo mba hamaly ny fanontaniana manaraka ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina:

  • Inona avy ireo fomba afaka handraisanao anjara amn’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo?

Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ireo mpianatra mba hametraka tanjona sy hanaraka izay noraisiny an-tsoratra. Farano amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo ary ny andraikitsika sy ny fahafahantsika handray anjara amin’ny asan’ny Tompo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

“Tsy mainsty manalava ny ezaka ataontsika isika”

Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Manana koa ve isika zavatra tiantsika zaraina? Eny! Manana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika, ilay filazantsaran’ny fiadanana, filazantsaran’ny fifaliana. Manana fahamarinana isika izay afaka manatsara ny olona bebe kokoa sy tanteraka, ny fanambadiana ho sambatra sy mamy kokoa, ary ireo tokantrano dia toy ny any an-danitra. Manana ny fisoronana isika ilay fahefan’ Andriamanitra hitahy ireo tokantrano sy ny fiainany ary ny fiainan’ny hafa. Eny, tena amin’ny tenantsika, ny tokantranontsika, ny kôlejintsika, ny kilasintsika, ary ireo andraikitsika ao amin’ny Fiangonana no tsy maintsy hitondrantsika ireo izay noraisintsika ireo am-pahazotoana. Ary an’ireo naman’ny Fiangonana mpifanolobodirindrina amintsika ary mifandray fa angatahina amintsika ny hizara koa toy ny nizarana antsika.” Ny Tompo dia nandidy antsika mba hanao toy izany. Tsy maintsy manalava ny ezakitsika isika ary tsy maintsy anao izany izao” (“Always a Conver Church: Some Lessons to Learn and Apply This Year,” Ensign, sept. 1975, 3).

Ny Fiadidian’ny Fitopololahy

Ny fitaran’ny fiadidian’ny fitopololahy dia porofo fa manafaingana ny asany ny Tompo.

Ny taona 1976, ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanorina ny Kôlejy voalohany ao amin’ny fitopololahy, ary nampiana Kôlejy fanampiny ao amin’ny fitopololahy rehefa nitombo ny Fiangonana. Ny isan’ny kôlejy dia afaka mitohy mitombo arakaraky ny filàna.

“[Toy ny tamin’ny taona 2014] dia nisy… Kôlejin’ny fitopololahy miisa valo. Ny kôlejy tsirairay dia mety ahitana mpikambana hatrany amin’ny 70 isa. Ny mpikamban’ny Kôlejin’ny fitopololahy dia antsoina matetika fotsiny hoe ‘fitopololahy.’ Ireo fitopololahy dia antsoina mba hitory ny filazantsara ary hanangana ny Fiangonana. Miasa eo ambany fitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Fiadidian’ny Fitopololahy izy ireo. …

“… Ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejy voalohany sy faharoa ao amin’ny Fitopololahy dia raisina ho toy ny Manampahefana Ambony, izay midika fa manana ny fahefana hanompo na aiza na aiza eto an-tany izy ireo. Ny mpikambana any amin’ireo kôlejy ambiny dia antsoina hoe Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary ny fahefan’izy ireo dia voafetra eo amin’ny faritra izay hanompoany” (“Quorums of the Seventy,” LDS.org).