Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Joseph Smith—Tantara 1:1–65; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2 (Fizarana 2)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Joseph Smith—Tantara 1:1–65; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2 (Fizarana 2)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Joseph Smith—Tantara 1:1–65 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2 (fizarana 2) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Joseph Smith—Tantara 1:1–20)

Nianatra ireo mpianatra avy tamin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ny fikarohany ny fiangonana marina fa raha mangataka amin’ Andriamanitra amim-pinoana isika dia hamaly ny vavaka ataontsika Izy. Izy ireo dia nifantoka tamin’ny fahamarinana fa i Joseph Smith dia nahita an’ Andriamanitra ilay Ray sy i Jesoa Kristy Zanany. Nianatra ihany koa ireo mpianatra avy tamin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith fa velona Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ary olona roa mitokana sy miavaka ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Ho fanampin’izany dia nahita ireo mpianatra fa raha mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra amim-kitsimpo isika rehefa manakivy antsika i Satana, dia afaka manafaka antsika Andriamanitra.

Andro 2 (Joseph Smith—Tantara 1:21–26)

Nianatra ireo mpianatra avy tamin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith fa afaka mahazo hery avy amin’ny ohatra asehon’ny olona ao amin’ny soratra masina isika mandritra ny fotoan-tsarotra. Tamin’ny alalan’ny fandalinana ny fomba niatrehan’i Joseph Smith ny fanenjehana azy taorian’ny Fahitana Voalohany ireo mpianatra dia nianatra fotopampianarana sy fitsipika izay afaka manampy azy ireo rehefa misy manohitra izy ireo noho ny fijoroany ho vavolombelona. Ho fanampin’izany dia nianatra ireo mpianatra fa rehefa mampihatra ny fitsipika ampianarina ao amin’ny soratra masina isika dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany.

Andro 3 (Joseph Smith—Tantara 1:27–54; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2)

Naniry ny hahafantatra ny fitoerany eo anatrehan’ Andriamanitra i Joseph Smith. Niaiky ny fahadisoany sy ny fahalemeny izy ary nahatsapa alahelo. Rehefa miaiky ny fahotantsika sy mahatsapa alahelo ho an’izany tahaka an’i Joseph Smith isika dia afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hahazo famelan-keloka. Nandalina ny fitsidihan’i Môrônia an’i Joseph Smith ireo mpianatra ary nianatra fa Andriamanitra dia nanana asa ho an’i Joseph Smith izay hiely maneran-tany. Tafiditra tao amin’izany asa izany ny famerenan’i Elia tamin’ny laoniny teto an-tany ny hery famehezana alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Andro 4 (Joseph Smith—Tantara 1:55–65)

Ireo mpianatra dia nisaintsaina ny fampanantenan’i Môrônia ho an’i Joseph Smith fa ho voaro ireo takelaka, ary nianatra izy ireo fa raha toa tompon’andraikitra sy miaro ny zavatra nomen’ny Tompo antsika isika dia hitondra fiarovana sy fanampiana ho antsika Izy. Rehefa nandalina mikasika ny tantaran’i Martin Harris izay naka tahadikan’ny soratra tao amin’ny takelaka volamena sy ny dikan-tenin’ny Prôfesora Anthon ary ny Dokotera Mitchell ny mpianatra, dia nianatra izy ireo fa ny faminanian’ny mpanompon’ny Tompo dia ho tanteraka avokoa.

Fampidirana

Ity lesona ity dia afaka manampy hampitombo bebe kokoa ny fahatakaran’izy ireo ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith. Manome fahafahana azy ireo hianatra mikasika ny ezaka ilaina amin’ny fikatsahana valinteny amin’ny fanontaniana sy hankafỳ ny anjara asan’izy ireo amin’ny fianarana filazantsara ihany koa izany. Hianatra ireo fomba hankaherezana ny finoany manoloana ny fanenjehana sy ny fanoherana izay mety hiainany ireo mpianatra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1:5–20

Niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra ilay Ray sy i Jesoa Kristy Zanany

Asao ny mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay naniriany valiny amina fanontaniana ara-panahy na fanontaniana mahakasika ny filazantsara iray. Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no nataonao mba hahazoana ny valin’ilay fanontanianao?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nitovy taona amin’ny mpianatra seminera maro i Joseph Smith rehefa nanomboka nanana fanontaniana manan-danja iray ka nanomboka nikaroka ny valin’izany. Satria tsy nanam-paharoa ny zavatra niainan’i Joseph Smith, dia maodely arahina ho an’ny tsirairay amintsika mba handraisana fanampiana sy valiny avy amin’ny Tompo ny zava-nitranga izay nahatonga izany.

Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny andian-teny hoe “Ny tenako manokana dia nianatra” ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:20.

Zarazarao ho vondrona roa na telo ny mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay mba hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:8, 11–12, 14–15, ka hitady ny zavatra nataon’i Joseph Smith mba hahazoana ny valin’ny fanontaniany. Asao ny vondrona tsirairay mba handefa solontena eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra ny zavatra iray izay manan-danja hitan’ny vondrona misy azy. Lazao ny mpianatra mba tsy handika ny zavatra voasoratra eny amin’ny solaitrabe. Raha manana olana amin’ny fahafantarana ny zavatra nataon’i Joseph ny mpianatra dia azonao atao ny manampy azy ireo amin’ny fanomezana sosokevitra ny sasany amin’ireto manaraka ireto: Nandinika (nieritreritra) lalina i Joseph Smith, namonjy fivoriam-bavaka maro, nandalina ny fampianaran’ireo antokom-pivavahana maro samihafa, nandalina ny soratra masina, nivavaka tamim-pahavononana.

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fitsipika azonao ianarana avy amin’i Joseph Smith mikasika ny zavatra takiana amintsika amin’ny fianarana zavatra ara-panahy? (Na dia mety hampiasa teny samy hafa aza ny mpianatra dia tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ny fianarana ara-panahy dia mitaky ezaka avy amintsika. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no ilaina ny hanaovantsika ezaka mba hianarana fahamarinana ara-panahy?

  • Ahoana no fomba hanampian’ny fampiharana izany fitsipika izany anao amin’ny fandalinanao manokana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mandritra ity taona ity?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17 ary asaivo manaraka ny vakinteny ao amin’ny soratra masin’izy ireo ny mpianatra rehetra ka hitady ny zavatra niainan’i Joseph rehefa nanao ezaka mba hahazoana fahalalana izy.

  • Araka ny andininy 17, dia inona no hitan’i Joseph Smith? (Alaivo antoka fa mazava tsara ny hoe nahita an’ Andriamanitra ilay Ray sy i Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith.)

  • Inona no nianarany mikasika ireo olona roa ireo nandritra ny fahitany?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Joseph F. Smith ity, izay nanazava ny maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohany:

Sary
Filoha Joseph F. Smith

“Ny zava-nitranga lehibe indrindra tamin’izao tontolo izao, hatramin’ny nitsanganan’ny Zanakalahin’ Andriamanitra tamin’ny maty avy tamin’ny fasana ary ny niakarany tany an-danitra, dia ny namangian’ny Ray sy ny Zanaka ilay tovolahy Joseph Smith” (Gospel Doctrine, 5th ed. [1939], 495).

  • Nahoana araka ny fahatsapanao no zava-dehibe ny manana fijoroana ho vavolombelona fa tena niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:18–20, ary asaivo karohan’ny mpianatra ny zavatra nianaran’i Joseph manokana ho an’ny tenany noho ny fiezahany nanao zavatra tamim-pinoana. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no nianaran’i Joseph manokana ho an’ny tenany?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith mikasika ny zavatra mety hitranga rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra sy mampihatra ny zavatra novakiantsika isika? (Mety ho isan’ny valinteny azo ity fahamarinana manaraka ity: Raha mandalina amim-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra sy mampihatra izany amim-pinoana isika, dia afaka ny ho lasa mahafantatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ho an’ny tenantsika manokana. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eo amin’ny solaitrabe ary manasa ireo mpianatra mba hanoratra izany eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masin’izy ireo.)

  • Ahoana no fomba mety hanampian’io fahamarinana io ny namana na mpikambana iray ao amin’ny fianakavianao izay manana fanontaniana mikasika ny filazantsara?

  • Ahoana no fomba mety hanampian’io fahamarinana io anao manoloana ireo fanontaniana na ahiahy anananao?

Joseph Smith—Tantara 1:20–65; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Nanambady an’i Emma Hale sy nandray ny takelaka volamena ary nanomboka ny fandikan-teny i Joseph Smith

Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ny zavatra nitranga tamin’i Joseph Smith taorian’ny Fahitana Voalohany ny mpianatra. Alaivo antoka ny hahatakaran’izy ireo fa niatrika fanenjehana mafy ny Mpaminany taorian’ny nilazany tamin’ny hafa ny fahitany. Asao izy ireo hamaky samirery ny fiafaran’ny Joseph Smith—Tantara 1:20 manomboka amin’ny andian-teny manao hoe “Toy ireny efa …” dia apetraho avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny voalazan’i Joseph Smith no niaina fanenjehana lehibe izy tamin’ny fahazazany? (Tonga avy tamin’ny alalan’ny fitaoman’i Satana ny fanenjehana satria fantany fa i Joseph Smith dia “ho mpanakorontana sy ho mpanelingelina ny fanjakan’i Satana.”)

  • Inona avy ireo toe-javatra sasantsasany izay mety hahatonga anao na ny olona hafa hiharan’ny fanenjehana ankehitriny?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:24–25. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hijery ny zavatra azontsika atao mba hahazoana hery mandritra ny fotoan-tsarotra.

  • Inona no azontsika atao mandritra ny fotoan-tsarotra mba hahazoana hery ka hijanona ho mahatoky? (Mety ho samy hafa ny valintenin’ireo mpianatra. Alaivo antoka fa hitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Mandritra ny fotoan-tsarotra dia afaka maka hery avy amin’ny ohatra asehon’ny olona mahatoky ao amin’ny soratra masina isika. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eo amin’ny solaitrabe ary manasa ireo mpianatra mba hanoratra izany eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masin’izy ireo.)

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny Joseph Smith—Tantara 1:24–25, ka hitady ireo teny na andian-teny izay mety hanome herimpo na tanjaka azy ireo amin’ny fanaovana ny marina mandritra ny fotoana hanenjehana azy ireo. Rehefa avy nilaza ny andian-teny hitany ny mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo ny mba hanisy marika ny andian-teny manao hoe “Fa efa nahita fahitana aho; nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho.”

Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ampianarin’io andian-teny io anao mikasika ny tenivavolombelon’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany?

  • Ahoana no mety hanampian’io andian-teny io anao rehefa misy olona mitsapa ny tenivavolombelonao na manenjika anao noho ny zavatra hinoanao?

Farano ity lesona ity amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika noresadresahina tato amin’ity lesona ity. Asao ny mpianatra mba hizara ny traikefany na ny fahatsapany momba ireo fahamarinana ireo.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–7; 10; Joseph Smith—Tantara 1:66–67)

Tamin’ny fomba ahoana no nahavery ireo 116 pejy voalohany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nadikan’i Joseph Smith ka tsy hita intsony? Rehefa mandalina ny fizarana manaraka ny mpianatra dia hianatra momba an’i Martin Harris sy ny lahatsoratra very. Hianatra ihany koa izy ireo momba ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo izay maniry hanompo an’ Andriamanitra.