Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9; 11–16; Joseph Smith—Tantara 1:68–75 (Fizarana 4)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9; 11–16; Joseph Smith—Tantara 1:68–75 (Fizarana 4)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9; 11–16; sy Joseph Smith—Tantara 1:68–75 (fizarana 4) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9)

Rehefa mandalina ny fanandraman’i Oliver Cowdery handika teny ny takelaka ireo mpianatra dia hianatra fa ny fandraisana sy famantarana fanambarana dia mitaky ezaka avy amintsika. Nianatra koa izy ireo fa raha mandalina sy mangataka amim-pinoana izy ireo dia hiteny ao an-tsain’izy ireo sy ao am-pon’izy ireo amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny Tompo.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11–12)

I Hyrum rahalahin’ny Mpaminany dia naneho ny faniriany hanampy amin’ny asan’ny Tompo. Avy amin’ny fanambarana iray ho an’i Hyrum ireo mpianatra dia nianatra fa mandray fitahiana avy amin’ Andriamanitra arakaraka ny faniriana ananany izy ireo ary raha maniry ny hanao ny asan’ny Tompo izy ireo dia afaka ho fitaovana amin’ny fanaovan-tsoa be. Nanana fahafahana ihany koa ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba hahafahany mandalina sy mandray ny tenin’ny Tompo mba hahazoana ny Fanahiny sy heriny.

Andro 3 (Joseph Smith—Tantara 1:68–75; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13)

Ireo mpianatra dia nianatra fa i Jaona Mpanao Batisa dia nanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna, izay ahitana ny fanompoan’ny anjely, ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana dia eto an-tany indray.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–16)

I David Whitmer dia nanampy an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery tamin’ny fifindrana tany New York mba hitsoahana ny fanenjehana tany Pennsylvanie. Ireo mpianatra dia nianatra avy tamin’ny tenin’ny Tompo ho an’i David Whitmer fa raha mitandrina ny didy izy ireo ka maharitra hatramin’ny farany dia hahazo ny fiainana mandrakizay. Nianatra koa izy ireo fa rehefa manampy amin’ny asan’ny Tompo amim-pahatokiana izy ireo dia hotahiana na amin’ny lafiny ara-panahy na amin’ny lafiny ara-nofo. Ireo mpianatra dia nahita tamin’ny alalan’ny fandalinana ireo fanambarana nomena an’i John sy Peter Whitmer fa ny ezaka ataontsika mba hitondrana ny hafa amin’i Jesoa Kristy dia sarobidy amintsika ary Andriamanitra dia mahafantatra antsika manokana.

Fampidirana

I Oliver Cowdery, Hyrum Smith, Joseph Knight Rainy, David Whitmer, John Whitmer, ary Peter Whitmer dia samy nahita fa i Joseph Smith dia mpaminan’ Andriamanitra ary samy naniry ny hanampy tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Ny Tompo dia nampianatra azy ireo mikasika ny fanahin’ny fanambarana sy ny zavatra tokony ataon’ny olona iray alohan’ny fikatsahana hitory ny filazantsara.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9

Ny Tompo dia mampianatra an’i Oliver Cowdery sy Hyrum Smith mikasika ny fanahin’ny fanambarana.

Asaivo manangana ny tanany ny mpianatra raha toa izy ireo efa nanontany tena mikasika ny fomba ahafantarana raha efa nandray fanambarana avy tamin’ny Tompo izy ireo.

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8 sy 9 ary koa ny zavatra nosoratany tao amin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ireo toko tao amin’ny leson’ny andro 1 ho an’ity fizarana ity. Asaivo mijery ny zavatra nianarany momba ny fandraisana sy famantarana valim-bavaka ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra izay nianarany.

  • Inona no olana hatrehinao rehefa miezaka ny hamantatra ny fotoana izay handraisanao bitsika na fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina ianao?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8 sy 9 dia ahitana ireo torolalan’ny Tompo ho an’i Oliver Cowdery rehefa nanandrana handika teny ny takelaka volamena i Oliver. Avy amin’ireo fanambarana ireo isika dia afaka mianatra ny fomba handraisana sy hamantarana fanambarana. Asao ny mpianatra rehetra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3 (izay andinin-tsoratra masina fehezina) ka hanonona izany miaraka. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia miteny ao an-tsaintsika sy ao am-poantsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

  • Ahoana ny fahatakarana io fahamarinana io no manampy anao rehefa miezaka mamantatra fanambarana avy amin’ny Tompo ianao?

Hazavao fa ny fahaizana mikatsaka sy mandray fanambarana dia fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra natokana ho an’ny zanany rehetra.

Asaivo mamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:4 ny mpianatra iray ary asao ny mpianatra rehetra mba hanaraka ny vakinteny ka hitady ny fampanantenan’ny Tompo ho an’i Oliver raha toa ka “mampiasa” ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana izy. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “mampiasa” ny fanahin’ny fanambarana? (Mikatsaka valim-bavaka sy mitoetra mendrika ny handray izany.)

  • Inona ny fitsipika ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:4? (Na dia milaza izany amin’ny fomba hafa aza ny mpianatra dia alaivo antoka ny ahitan’izy ireo fa raha mampiasa ny fanahin’ny fanambarana isika dia afaka havotana amin’ny ratsy sy ny loza. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity.)

Asaivo mizara mombamomba ny fotoana niarovan’ny Tompo azy ireo na niarovana ny olona hafa fantatr’izy ireo noho ny fikatsahana sy fihainoana ny Fanahy Masina ny mpianatra.

Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1 ka hitady ny fomba izay ahafahany manatsara ny vavaka ataony mba hahafahany “mampiasa” ny fanahin’ny fanambarana.

Raha azo atao dia omeo tahadikan’ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ny mpianatra (na soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fiatombohan’ny fotoam-pampianarana izany):

Sary
Loholona David A. Bednar

“Satria mibitsika amintsika amin’ny feo malefaka ny Fanahy dia mora ny mahatakatra ny antony tokony hisorohana ny zavatra tsy mendrika amin’ny haino aman-jery sy ny zavatra mamoa fady ary ny zavatra fihinana sy ny fitondran-tena manimba sy mampiakin-doha. Ireo fitaovan’ny fahavalo ireo dia afaka mampihena ny hery ary mety miafara amin’ny famotehana ny fahafahantsika hahafantatra sy hamaly ireo hafatra malefaka avy amin’ Andriamanitra izay omena amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy. Ny tsirairay amintsika dia tokony handinika ao anatin’ny fahamatorana sy hisaintsaina ombam-bavaka ny fomba ahafahantsika mandà ny fanangolen’ny devoly ary ny fomba ahafahantsika ‘mampiasa’ amim-pahamarinana ilay fanahin’ny fanambarana eo amin’ny fiainantsika manokana sy ny fianakaviantsika (Ny Fanahin’ny fanambarana,”Ensign na Liahona, mey 2011, 87–88).

Asaivo vakin’ny mpianatra ny fanambarana nataon’ny Loholona Bednar ary asaivo mamantatra ireo andian-teny izay manampy azy ireo hahatakatra ny fomba ‘hampiasana’ tsaratsara kokoa na hikatsahana ny fanahin’ny fanambarana izy ireo. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo andian-teny ireo. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona ireo andian-teny izay hitanao ary nahoana izany no nanaitra anao?

  • Nahoana araka ny voalazan’ny Loholona Bednar no zava-dehibe ny fialana amin’ny ratsy raha toa maniry ny handray sy hamantatra fanambarana isika?

Asao ny mpianatra mba handinika fomba vitsivitsy izay hahafahany “mampiasa” tsaratsara kokoa ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana mba hahafahany mahazo fiarovana amin’ny ratsy. Azonao atao ny mamporisika azy ireo amin’ny fanoratana tanjona iray mikasika ny fomba “ampiasana” io fanomezam-pahasoavana io amin’ny fomba tanteraka kokoa eo amin’ny fiainany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba iray hafa hikatsahana fanambarana dia ampahatsiahivo izy ireo fa i Oliver Cowdery dia nomena lalana handika teny, fa rehefa nanomboka izy dia “tsy nanohy toy ny nanombohany” (F&F 9:5). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–8 ary asao ny mpianatra rehetra mba hanaraka ny vakinteny ka hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa tokony nataon’i Oliver mba handraisana fanambarana.

  • Raha miainga avy amin’ny torohevitry ny Tompo ho an’i Oliver Cowdery, inona no ianarantsika fa takiana matetika amintsika mba handraisana fanambarana? (Fitsipika iray mety ho hitan’ny mpianatra ny hoe mitaky ezaka avy amintsika ny fandraisana sy famantarana fanambarana. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe izany fahamarinana izany na ny fahamarinana iray toy izany izay nolazain’ny mpianatra.)

  • Inona no torohevitra omenao amin’ny alalan’ny fampiasana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8 ho an’ny namana iray izay handray fanapahan-kevitra manan-danja?

Azonao atao ihany koa ny mangataka ireo mpianatra mba hizara traikefa momba ny fotoana iray izay nilana ny fanaovana ezaka mba handray fanapahan-kevitra sarotra iray ka nangataka tamin’ny Ray any an-danitra avy eo raha toa ka nety ilay safidy noraisiny.

Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11–12; 14–16.

Nanome torolalana an’i Hyrum Smith sy i Joseph Knight Rainy ary ry Whitmer mirahalahy ny Tompo momba ny anjara asan’izy ireo amin’ny asan’ Andriamanitra

Asaivo maka sary an-tsaina ny mpianatra hoe asaina mandray anjara amina asa lehibe indrindra misy eto an-tany izy ireo. Lazao izy ireo fa ny volana mey sy jona 1829 dia nomena torolalana manokana mikasika ny sitrapon’ny Tompo ho azy ireo manoloana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ny lehilahy dimy.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto lohateny sy andalan-tsoratra masina manaraka ireto: Asaivo mikaroka ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mpianatra mba hitady ny torohevitry ny Tompo ho an’ny tsirairay amin’ireo lehilahy ireo ny amin’ny tokony hataon’izy ireo amin’ny fanampiana amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Asao ireo mpianatra mba handinika ireo andinin-tsoratra masina efatra rehetra. (Raha fohy ny fotoana dia zarazarao amin’ny mpianatra rehetra ny andinin-tsoratra masina ary asaivo mizara izay hitany amin’ny hafa ny mpianatra.)

Hyrum Smith

Joseph Knight rainy

David Whitmer

John sy Peter Whitmer

F&F 11:16, 18–19, 21

F&F 12:6–9

F&F 14:6-8, 11

F&F 15:4–6; 16:4–6

Rehefa avy nandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fitoviana izay voatsikaritrao amin’ ireo didy izay nomen’ny Tompo an’ireo lehilahy dimy ireo? Inona no fahasamihafana hitanao?

  • Araka ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11, dia nahoana ny Tompo no naniry ny “[hiandrasan’i Hyrum Smith] kely” (F&F 11:16) alohan’ny hitoriana ny filazantsara?

  • Inona no torohevitra nomen’ny Tompo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21 izay mety hanampy ny zatovolahy na ny zatovovavy iray izay miomana hitory ny filazantsara? (Ampio ireo mpianatra mba hamantatra ity fitsipika manaraka ity, avy amin’ny valintenin’izy ireo: Ireo izay mandalina ny tenin’ny Tompo dia handray ny Fanahiny ary ny hery ahafahana mandresy lahatra ny hafa ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara.) Azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra azony atao mba hitandrina bebe kokoa amin’ny ezaka izay ataony amin’ny fandalinana sy fandraisana ny tenin’ny Tompo ary asao izy ireo mba hametraka tanjona ny hampihatra ny fitaomana azony mandritra ny fisaintsainana.

Mba hanampiana ireo mpianatra hifehy tsaratsara kokoa ny soratra masina fehezina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1 dia asao izy ireo mba hiara-hanao tsianjery izany. Avelao izy ireo hampiasa ny soratra masiny raha ilaina izany. Zarao tsiroaroa ny mpianatra avy eo ary asaivo mampiasa ilay andinin-tsoratra masina izy ireo mba hanazavana aminn’ny namany ny fomba hitondran’ny Fisoronana Aharôna ny olona mankany amin’i Jesoa Kristy.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17–19)

Lazao ny mpianatra fa rehefa mandalina ny fizarana manaraka izy ireo dia hianatra momba ireo lehilahy izay nofidiana ho vavolombelona hahita ny takelaka volamena sy ny Liahona ary ireo fitaovana masina hafa. Hamaky ny tantaran’ny Mpamonjy mikasika ny nijaliany tao amin’ny sahan’i Getsemane sy teo ambonin’ny hazofijaliana izy ireo. Hamaky ihany koa mikasika ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fialana amin’izany fijaliana izany izy ireo.