Seminera
Fampahafantarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Tantaran’ny Fiangonana: Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra Seminera


Fampahafantarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Tantaran’ny Fiangonana: Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra Seminera

Ny Tanjontsika

Ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia manambara fa:

“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ho mendrika ireo fitahian’ny tempoly, ary hanomana ny tenan’izy ireo sy ny fianakaviany ary ny hafa amin’ilay fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rainy any An-danitra.”

Mba hahatratrarana ny tanjontsika, dia ampianarintsika ireo mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia ampianarina amin’ny fomba izay mitarika any amin’ny fahatakarana sy fampiorenana. Manampy ireo mpianatra isika mba hanatontosan’izy ireo ny andraikiny ao anatin’ny dingan’ny fianarana sy hanomana azy ireo hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa.

Mba hahatanteraka ireo tanjona ireo, dia entanina ianao sy ireo mpianatra izay ampianarinao mba hifehy ireto Fototry ny Fampianarana sy ny Fianarana ny Filazantsara manaraka ireto rehefa miara-mandalina ny soratra masina ianareo.

  • Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.

  • Manorina tontolo fianarana hanjakan’ny fitiavana sy ny fifanajana ary ahitana tanjona.

  • Mandalina ny soratra masina isan’andro ary mamaky ny lahatsoratra mifandray amin’ny lesona. (Ireo tabilao firaketana ny famakiana soratra masina dia hita ao amin’ny tovana, ao amin’ny fizarana faraparany amin’ity boky torolalana ity, ao amin’ny LDS.org, sy ao amin’ny store.lds.org [fitaovana lah. 10494].)

  • Mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny zavatra raketin’ny soratra masina ary ny tenin’ireo mpaminany.

  • Mamantatra sy mahatakatra ary mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe an’ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ary mampihatra izany.

  • Manazava, sy mizara ary mijoro ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara.

  • Mifehy ireo andalan-tsoratra masina manan-danja sy ireo Fotopampianarana Fototra.

Ity boky torolalana ho an’ny mpampianatra ity dia nomanina mba hanampy anao hahomby amin’ny fanatontosana ireo tanjona ireo.

Sary
vehivavy mamaky soratra masina

Fandaharam-pampianaran’ny Seminera sy Fandaharam-pampianaran’ny Tanora amin’ny Alahady

Manampy ny tanora hiova fò amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ezaka miray

Ny Fiadidiana Voalohany dia niantso ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpitarika mba “hanampy ny tanora hianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny fandalinany sy finoany manokana, hahita ny fahamarinan’ny filazantsara avy amin’ny tenany manokana, ary hankahery ny fianakaviany sy ny hafa amin’ny fizarana traikefa sy hevitra ary fijoroana ho vavolombelona.” Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireo hanaraka ny lalana izay “hitondra azy ireo amin’ny fiovam-pò” (Enseignez l’Évangile à la manière du Sauveur 2012, 2).

Teo ambany fitarihan’ny fisoronana ny rafitry ny Zatovolahy, ny Zatovovavy, ny Sekoly Alahady ary ny Seminera, izay niasa niaraka, dia nanorina fandaharam-pianarana mba hanampiana ny tanora amin’ny fanatanterahana ireo tarigetra ireo. Raha manana anjara asa manokana amin’ny fampatanjahana ny tanora ny rafitra tsirairay, dia tanjona fototry ny fandaharam-pianarana ho an’ny tanora rehetra kosa ny hitarihana ny tanora hanatona ny Mpamonjy sy hahatonga ny fiovam-pon’izy ireo ho amin’ny filazantsarany. Ny fandaharam-pianarana ho an’ny fikambanan’ny tanora tsirairay dia natokana mba hiara-hiasa amin’ny an’ny fikambanan’ny tanora hafa. Ohatra:

  • Ny “Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy” (izay fizarana navoaka ho an’ny loharanom-pitaovan’ny seminera sy ny fandaharam-pianaran’ny tanora amin’ny alahady) dia novolavolain’ny fikambanan’ny tanora mba hanampiana ireo mpampianatra sy ray aman-dreny ary mpitarika hianatra ny fomba fampianaran’ny Mpamonjy (jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara 2012, v–vii; Enseignez l’Évangile à la manière du Sauveur 2012, 4–5). Ny “Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy” dia mandinika ny fomba nanampian’ny Mpamonjy ny hafa amin’ny fahatakarana sy fampiharana ny fahamarinana masina izay nampianariny amin’ny alalan’ny famporisihina azy ireo mba hampihatra amim-pinoana sy handray anjara mavitrika mandritra ny fizotry ny fianarana. Ireo fitsipiky ny filazantsara avy ao amin’ ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ireo dia nampidirina tao amin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny fikambanan’ny tanora rehetra.

  • Ny fandaharam-pianarana ho an’ny fikambanan’ny tanora rehetra dia samy manantitrantitra fotopampianarana fototra mitovy. Ny Fotopampianarana Fototra izay antitranterina ao amin’ ny fandaharam-pianaran’ny seminera dia mifandray amin’ ny Fitsipika ara-potopampianarana Fototra izay ampianarina ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny tanora. Mandritra ny fotoam-pampianarana amin’ny alahady dia mifantoka amin’ny iray amin’ireo fotopampianarana ireo ny fandaharam-pianaran’ny tanora isam-bolana. Ireo fotopampianarana ireo dia hamafisina ao amin’ny seminera rehefa mandalina ny soratra masina nekena tsirairay ny mpianatra. Ity ezaka miray ity dia manampy amin’ny fanamafisana ny fahamarinana izay ianaran’ny tanora amin’ny alahady amin’izay ianaran’izy ireo ao amin’ny seminera ary ny mifamadika amin’izany ihany koa. Ny fanamafisana ireo fotopampianarana fototra mitovy ireo manerana ny fandaharam-pianaran’ny tanora rehetra dia mamela traikefa mahomby kokoa ho an’ny tanora sy ny mpampianatra ary ny ray aman-dreny.

  • Ny fandaharam-pianaran’ny fikambanana tsirairay dia natokana mba hanampiana ny tanora handalina bebe kokoa sy hanana fijoroana ho vavolombelona lalindalina kokoa momba ny filazantsara ka hianatra ny hampianatra izany amin’ny hafa. Mba hanatanterahana izany dia tanjon’ny loharanom-pitaovan’ny seminera sy ny fandaharam-pianaran’ny tanora ny manampy ireto farany handray anjara mivantana kokoa amin’ny maha-mpianatra ny filazantsara azy, hahita ireo fahamarinan’ny filazantsara ho an’ny tenany manokana ary hanazava sy hizara ary hijoro ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana ireo amin’ny hafa.

  • Ireo izay efa nantsoina hampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady, na Zatovolahy, na Zatovovavy na Seminera dia hahita fitoviana amin’ny lalana hoentina mampianatra sy mianatra ny filazantsara. Ny loharanom-pitaovana ho an’ny seminera sy ny fandaharam-pianarana ho an’ny tanora dia samy mifantoka amin’ny fanampiana azy ireo hiova fò lalindalina kokoa. Vokatr’izany tanjona ikambanana izany dia maro amin’ireo loharanom-pitaovana natao hanofanana sy ireo horonan-tsary izay natokana ho an’ny mpampianatra mpampiasa ny fandaharam-pianaran’ny zatovo amin’ny alahady no zarain’ny seminera ary tafiditra ao amin’ny LDS.org.

Lafiny manokana

Ny rafitra misy ny zatovo tsirairay dia manana anjara asa manokana amin’ny fanampiana ny zatovo hiova fò amin’ny filazantsara (jereo ny Enseignez l’Évangile à la Manière du Sauveur, 12–13). Ohatra, ny fandaharam-pianarana ampiasaina ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady sy ny Zatovolahy ary ny Zatovovavy dia mifantoka amin’ny fitsipika ara-potopampianarana fototra iray isam-bolana. Ny mpianatra seminera kosa dia mianatra fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara rehefa mandalina ny soratra masina nekena manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.

Amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara araka ny lohahevitra ao amin’ny fotoam-pampianarana amin’ny alahady ny tanora dia afaka mampitombo ny fahatakarana ny fotopampianarana manokana amin’ny fandinihana ny lafiny isan-karazany an’izany fahamarinana izany sy amin’ny fifampianarana izany. Ao amin’ny seminera ny zatovo dia afaka mianatra sy mahatakatra ireo fotopampianarana ireo ihany manoloana ny fahamarinana mifandraika amin’izany ao amin’ny soratra masina ary mahita soritra izany eo amin’ny fiainana sy fampianaran’ny olona ao amin’ny soratra masina. Ankoatra izany dia amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny tanora no afaka mampitombo ny fananany toky fa “Ny Ray any An-danitra dia tena miresaka amin’izy ireo amin’ny alalan’ny soratra masina, ary hampitombo ny fananany toky koa fa afaka maka hevitra ao amin’ny soratra masina izy ireo mba hahitana vahaolana sy valim-bavaka” (Howard W. Hunter, “Eternal Investments” [lahateny ho an’ny mpanaben’ny D.F.F., feb. 10, 1989], 2; LDS.org). Ho lasa zatra amin’ny soratra masina ihany koa ireo tanora ka ho afaka hampiasa izany amim-pahombiazana rehefa lasa misiônera na mpitarika na ray aman-dreny any aoriana. Ireo fomba fandalinana fotopampianaran’ny filazantsara roa ireo dia samy miara-miasa mba hanampiana ny tanora handalina ny filazantsara misimisy kokoa sy hanomanana azy ireo hampianatra izany amin’ny hafa.

Fanomanana ny Lesona

Nandidy ireo izay mampianatra ny Filazantsarany ny Tompo mba “hampianatra ny fitsipiky ny Filazantsarako, izay ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna, izay ao aminy no misy ny fahafenoan’ny Filazantsara” (F&F 42:12). Nampianatra koa izy fa ireo fahamarinana ireo dia tokony hampianarina araka izay “fitarihan’ny Fanahy,” izay “homena … amin’ny fivavaky ny finoana” (F&F 42:13–14). Rehefa manomana ny lesona tsirairay ianao dia katsaho ombam-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy mba hanampy anao hahatakatra ny soratra masina sy ny fotopampianarana ary ny fitsipika izay ao anatiny. Araho tahaka izany koa ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa manao drafitra ianao amin’izay fomba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny soratra masina, sy ho ampianarin’ny Fanahy Masina, ary hahatsapa faniriana hampihatra izay zavatra nianarany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no lahatsoratra voalohany indrindra ho anao rehefa miomana sy mampianatra ianao ato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Halalino ombam-bavaka ireo toko na andininy izay ho ampianarinao. Katsaho ny hahatakatra ny zava-miseho sy ny votoatin’ny andian-tsoratra masina izay hohalalinina, anisan’izany ny fizotry ny tantara voarakitra sy ny olona ary ny toerana sy ny zava-mitranga. Rehefa manomboka mifankazatra amin’ny zava-miseho sy ny votoatin’ny soratra masina tsirairay ho alalinina ianao, dia katsaho ny hamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay ao anatin’izany ary manapaha hevitra hoe iza amin’ireo fahamarinana ireo no manan-danja indrindra ho an’ireo mpianatrao ny mahatakatra sy mampihatra azy. Raha vantany vao voafaritrao ny zavatra hifantohanao, dia azonao faritana izay fomba hampianarana sy ny lalana harahina, ary ny atrikasa izay hanampy indrindra ireo mpianatrao hianatra sy hampihatra ireo fahamarinana masina izay hita ao amin’ny soratra masina.

Ity boky ity dia novolavolaina mba hanampiana anao amin’izany lamina izany. Avereno jerena tsara ny votoatin’ny lesona mifandray amin’ny soratra masina izay hoampianarinao. Azonao atao ny misafidy ny sosokevitra rehetra na ny sasany amin’izany ho an’ny andian-tsoratra masina iray, na azonao atao ihany koa ny mampifanaraka ireo hevitra naroso amin’ny toe-javatra sy ny zavatra ilain’ireo mpianatra izay ampianarinao.

Zava-dehibe ny hanampianao ny mpianatra handalina ny andian-tsoratra masina manontolo mandritra ny lesona tsirairay. Ny fanaovana izany dia hanampy ny mpianatra handray ny hafatra feno nokasain’ny mpanoratra ny soratra masina hampitaina. Rehefa mandrafitra ny lesona anefa ianao dia mety hahita fa tsy hanana fotoana ampy hampiasana ny Sosokevitra enti-mampianatra rehetra ao amin’ity boky torolalana ity ao an-dakilasy. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary diniho ombam-bavaka ny filàn’ny mpianatrao rehefa mamaritra ny ampahan’ny andian-tsoratra masina tokony hamafisina ianao mba hahafahana manampy ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fahamarinan’ny filazantsara ka hampihatra izany amin’ny fiainan’izy ireo. Raha fohy ny fotoana dia azonao atao ny mampifanaraka ireo ampahan’ny lesona hafa amin’ny alalan’ny famintinana ny andininy vitsivitsy mitambatra na amin’ny fitarihana ny mpianatra mba hamantatra haingana ny fitsipika na fotopampianarana iray alohan’ny hidirana any amin’ny andininy vitsivitsy mitambatra manaraka.

Rehefa mandinika ny fomba hampifanarahana ny votoatin’ny lesona amin’izay zavatra ilaina ianao, dia ataovy izay hanarahana ity torohevitra avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Matetika ny Filoha Packer no nampianatra, araka ny fahenoako azy, hoe mandray aloha isika, ary avy eo vao mampifanaraka. Raha toa isika ka miorina tsara ao amin’ilay lesona izay voatondro homentsika, dia afaka manaraka ny Fanahy avy eo mba hampifanaraka izany amin’izay ilaina” (“A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [Seminaries and Institutes of Religion satellite broadcast, aog. 7, 2012]).

Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izay mila fanampiana manokana. Ampifanaraho ireo atrikasa sy ny zavatra takiana mba hanampiana azy ireo hahomby. Ny fifandraisanao amin’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitondra dia hanampy anao hahazo an-tsaina ny zavatra ilain’ireo mpianatra ary hanampy anao hahomby amin’ny fampiainana zavatra manan-danja sy mampivoatra azy ireo.

Mandritra ny fanomananao lesona, dia mety hisafidy hampiasa ny fitaovana ahafahana manao fanamarihana sy diary ao amin’ny LDS.org na ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile ho an’ny fitaovana elekitrônika hoentina mandehandeha ianao. Azonao ampiasaina ireo fitaovana ireo mba hanisiana marika soratra masina, na lahatenin’ny fihaonambe, na lahatsoratry ny gazetibokin’ny Fiangonana na lesona. Afaka manampy sy mitahiry fanamarihana koa ianao mba hampiasaina mandritra ny lesona. Raha te hianatra misimisy kokoa momba ireo fitaovana ireo ianao, dia jereo ny pejin’ny Fanampiana mikasika ny fanaovana fanamarihana sy diary ao amin’ny LDS.org.

Fampiasana ny Boky Torolalana Isan’andro ho an’ny Mpampianatra

Teny Fanolorana ny Andian-tsoratra masina hohalalinina

Ny fampahafantarana ny andian-tsoratra masina hohalalinina dia manome famintinana fohy ny zava-miseho ao anatin’ny andian-tsoratra masina sy ny votoatiny ho an’ny lesona tsirairay.

Fampitambarana ireo andinin-tsoratra masina sy famintinana araka ny sahan-kevitra

Ny andian-tsoratra masina matetika dia voazara ho ampahan-javatra kelikely na vondrona andininy izay mifantoka amin’ny lohahevitra na zava-mitranga iray. Ny toko sy andininy ho an’ny andininy navondrona tsirairay dia arahin’ny famintinana fohy an’ireo zava-nitranga na ireo fampianarana ao anatin’io vondron-tsoratra masina io.

Fanampiana amin’ny Fampianarana

Ny fanampiana amin’ny fampianarana dia manazava ireo fitsipika sy fomba fampianarana ny filazantsara. Afaka manampy anao izy ireo eo amin’ny ezaka ataonao mba hampivoatra anao amin’ny maha-mpampianatra anao.

Ny vataben’ny lesona

Ny vataben’ny lesona dia ahitana torolalana ho anao rehefa mianatra sy mampianatra ianao. Mandroso hevitra enti-mampianatra izany izay ahitana fanontaniana, asa atao, teny nindramina, kisary ary tabilao maro.

Fotopampianarana sy Fitsipika

Koa satria ireo fotopampianarana sy fitsipika dia mivoaka ho azy avy amin’ny fandalinana ny lahatsoratry ny soratra masina, dia natao endrin-tsoratra matevina miavaka izy ireo mba hanampiana anao hamantatra sy hanantitrantitra azy ireny mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataonao miaraka amin’ireo mpianatra.

Sary

Ny sarin’ireo mpitondra ao amin’ny Fiangonana sy ireo zava-mitranga ao amin’ny soratra masina dia zavatra jeren’ny maso azonao ampiasaina ho fanampiana rehefa mampianatra ianao raha toa ka misy izany.

Faritra malalaka

Ny faritra malalaka dia azonao ampiasaina amin’ny fanomanana ny lesona, anisan’izany ny fanoratana fanamarihana, fitsipika, traikefa na hevitra hafa, araka izay hibitsihan’ny Fanahy Masina anao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny aava-miseho

Omena any amin’ny faran’ny lesona sasantsasany ny teny nindramina sy fanazavana fanampiny mba hanomezana fanampim-pahatakarana ho anao momba ny lohahevitra na andinin-tsoratra masina manokana. Ampiasao ny fampahalalana ato amin’ity fizarana ity mba hiomanana amin’ny famaliana fanontaniana na amin’ny fanomezana hevi-baovao fanampiny rehefa mampianatra ianao. Ny fitaovana fanaovana resadresaka fanampiny dia azo jerena ao amin’ny endrika elekitraonikan’ity boky torolalana ity ao amin’ny LDS.org.

Hevitra fanampiny enti-mampianatra

Misy Hevitra fanampiny enti-mampianatra any amin’ny fiafaran’ny lesona sasantsasany. Izany dia hanome sosokevitra entina mampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay mety tsy voalaza na tsy nifantohana tao amin’ny vataben’ny lesona. Izany dia afaka manome sosokevitra amin’ny fampiasana zavatra jeren’ny maso ihany koa, tahaka ny famelabelarana amin’ny alalan’ny DVD sy ny horonantsary ao amin’ny LDS.org. Ny hevitra enti-mampianatra fanampiny dia azo jerena ao amin’ny endrika elekitraonikan’ity boky torolalana ity ao amin’ny LDS.org.

Fandaharam-pampianarana ho an’ny Seminera Mianatra Isan’Andro (Izay fotoana ahafahana sy vao maraina)

Ity boky torolalana ity dia ahitana ireto singa manaraka ireto ho an’ny mpampianatra seminera isan’andro: lesona miisa 160 ho an’ny mpampianatra isan’andro, fanampiana amin’ny fampianarana ary loharano ho fampianarana ny soratra masina fehezina sy ny Fotopampianarana Fototra.

Lesona ho an’ny mpampianatra isan’Andro

Endriky ny lesona

Ny lesona tsirairay ato amin’ity boky ity dia mifantoka amin’ny andinin-tsoratra masina hohalalinina fa tsy amin’ny hevitra na fotopampianarana na fitsipika iray manokana. Io endriky ny lesona io dia hanampy anao sy ireo mpianatrao handalina ny soratra masina araka ny filaharany sy hiresaka mikasika ny fotopampianarana sy ny fitsipika rehefa miseho ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina izany. Rehefa mianatra mikasika ny sahan-kevitra nahitana ny fotopampianarana na ny fitsipika iray ireo mpianatra, dia afaka mihalalina ny fahatakaran’izy ireo an’io fahamarinana io. Ankoatra izany dia afaka mahita sy mahatakatra bebe kokoa ny hafatra amin’ny endriny manontolo izay tian’ireo mpanoratra soratra masina nentanim-panahy hampitaina ireo mpianatra. Ny fampianarana ny soratra masina amin’io fomba io dia hanampy ihany koa ireo mpianatra hianatra ny fomba hahitana sy hampiharana ireo fahamarinana mandrakizay eo amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina.

Tsy ny fizarana rehetra ao ao anatin’ilay andian-tsoratra masina ao amin’ny lesona tsirairay akory dia ifantohana avokoa. Ny fizarana sasantsasany dia tsy nomena lanja firy noho izy ireo tsy tena ivon’ny hafatr’ilay mpanoratra nentanim-panahy na noho izy ireo tsy dia azo ampiharina loatra amin’ireo tanora. Andraikitrao ny mampifanaraka ireo fitaovana ireo arakaraky ny zavatra ilain’ireo mpianatra na ny mahaliana azy ireo. Azonao atao ny manamboatra ireo hevitra omena ao anatin’ny lesona ato amin’ity boky torolalana ity amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hifantoka bebe kokoa amin’ny fitsipika na fotopampianarana iray manokana noho izay omena ao amin’ilay lesona, na koa amin’ny alalan’ny fisafidianana ny tsy dia hanomezana lanja loatra ny ampahany iray ao amin’ilay andinin-tsoratra masina izay novelabelarina amin’ny antsipiriany ao amin’ny boky torolalana. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hanao ireo fanamboarana ireo rehefa manomana sy mampianatra ianao.

Fotopampianarana sy fitsipika

Ao anatin’ny lahatsoratry ny lesona tsirairay, dia ho hitanao fa nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina miavaka tsara ny fotopampianarana sy fitsipika tena manan-danja maromaro. Navahana tao anatin’ny fandaharam-pampianarana ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo satria (1) maneho hafatra iray lehibe ampitain’ilay ampahan-tsoratra masina hohalalinina, na (2) azo ampiharina manokana amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra sy ny toe-javatra iainany, na (3) ireo no fahamarinana manan-danja izay afaka manampy ireo mpianatra hanatevina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Tompo. Fantaro fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampianatra fahamarinana betsaka ankoatra ireo izay avohitra ao anatin’ny fandaharam-pampianarana. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer fa ny soratra masina dia ahitana “fifangaroam-pahamarinana maro tsy mety tapitra izay hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny olona tsirairay amin’ny toe-javatra rehetra mety hisy” (“The Great Plan of Happiness” [CES Symposium on the Doctrine and Covenants/Church History, aog. 10, 1993], LDS.org; jereo koa ny Teaching Seminary: Preservice Readings [2004], 69, LDS.org).

Rehefa mampianatra ianao dia omeo fahafahana hatrany ireo mpianatra hamantatra ny fotopampianarana sy ny fitsipika ao amin’ny soratra masina. Rehefa manambara ireo fahamarinana izay hitan’izy ireo ireo mpianatra dia matetika izy ireo no mety hampiasa teny izay tsy mitovy amin’ny fomba nanambarana ny fotopampianarana na ny fitsipika iray ato amin’ity boky torolalana ity. Mety hahita ihany koa izy ireo fahamarinana izay tsy voaresaka ato amin’ny votoatin’ny lesona. Mitandrema mba tsy hilaza fa hoe tsy marina ny valintenin’ireo mpianatra satria tsy mitovy fotsiny amin’ireo teny izay nampiasaina tao amin’ny boky torolalana ny teny izay nampiasain’izy ireo na koa hoe fahamarinana tsy voaresaka tao amin’ny boky no hitan’izy ireo. Na izany aza anefa, raha toa ka tsy mifanaraka amin’ny fotopampianarana ny zavatra ambaran’ny mpianatra iray, dia andraikitrao ny manampy ilay mpianatra amim-pitiavana hanitsy ny zavatra voalazany sady manao izay hihazonana tontolo iray feno fitiavana sy fifampitokisana. Ny fanaovana izany dia hanome traikefa manan-danja avy amin’ny fianarana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasinao.

Hafainganam-pandeha arahina

Ity boky torolalana ity dia ahitana lesona ho an’ny seminera isan’andro miisa 160. Azonao atao ny manamboatra ny lesona sy ny hafainganam-pandeha araka izay ilaina mba hifanaraka amin’ny halavan’ny fotoana anananao hampianarana ilay lesona. Jereo ny tovana any amin’ny faran’ity boky torolalana ity ho an’ny karazana torolalana handrindrana ny taom-pianarana. Ny torolalana amin’ny fandrindrana dia miainga amin’ny taom-pianarana ahitana herinandro 36 na 180 andro ary ahitana “andro azo isafidianana izay hatao” miisa 20 izay azonao ampiasana mba hampifanarahana ireo lesona isan’andro, hanampiana ny mpianatra hahatakatra soratra masina manan-danja na Fotopampianarana Fototra sy hamerina ny loharanom-pitaovana natao teo aloha na hanisy fiatoana kely.

Enti-mody hanenjehana ny asa tsy vita

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana, Boky fandalinana ho an’ny mpianatra seminera amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano dia azo ampiasaina amin’ny fandaharam-pianaran’ny seminera isan’andro ho toy ny loharano hanaovana enti-mody hanenjehana ny asa tsy vita. Ny lesona ao amin’ny boky torolalana ho an’ireo mpianatra manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia mifanindran-dalana amin’ireo izay atolotra ato amin’ity boky ity. Ireo mpianatra izay imbetsaka loatra no tsy tonga dia azo asaina mamita ireo asa ampanaovina ao amin’ny boky fandalinana izay mifanaraka amin’ny lesona izay tsy natrehan’izy ireo. Ny asa ampanaovina dia azo atao printy avy ao amin’ny LDS.org, noho izany dia tsy voatery hanome ny boky manontolo ho an’ireo mpianatra izay mila manao enti-mody ianao. Misy fampahafantarana fanampiny momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana, Boky fandalinana ho an’ny mpianatra seminera amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano omena ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fandaharam-pianaran’ny Seminera ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano” ao amin’ireny loharanom-pitaovana hoenti-mampahafantatra ireny.

Fanampiana ho an’ny fampianarana

Ny fanampiana ho an’ny fampianarana dia hita eny amin’ny sisin’ity boky ity. Ireo fanampiana ho an’ny fampianarana ireo dia manazava sy mamelabelatra amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba hampiharanao sy ireo mpianatrao ny Fototry ny Fianarana sy Fampianarana Filazantsara eo amin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana. Manolotra sosokevitra ihany koa izy ireo ny amin’ny fomba hampiasana amim-pahombiazana ireo fomba fampianarana sy fahaiza-manao samihafa. Rehefa takatrao tsara ireo fitsipika voalaza ao amin’ny fanampiana ho an’ny fampianarana dia mitadiava fomba hizarana sy hampiharana azy ireo hatrany rehefa mampianatra ianao.

Fampiasana ny lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo leson’ny mpianatra

Ny famintinana dia hanampy anao hifankazatra amin’ny zava-miseho sy ny fotopampianarana ary ny fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra nandritra ny herinandro tao amin’ny boky fandalinan’ireo mpianatra.

Fampidirana ny lesona

Ny fampidirana ny lesona dia hanampy anao hahafantatra hoe ampahany iza ao amin’ilay andian-tsoratra masina hohalalinina no hifantohana ao amin’ny lesona.

Ny vataben’ny lesona

Ny vataben’ny lesona dia hanome fitarihana ho anao rehefa mandalina sy mampianatra ianao. Mandroso hevitra enti-mampianatra izany izay ahitana fanontaniana, asa atao, teny nindramina, kisary ary tabilao maro.

Fampivondronana ireo andininy sy famintinana araka ny sahan-kevitra

Ireo andininy dia navondrona arakaraky ny hitrangan’ny fiovana eo amin’ny sahan-kevitra sy ny votoatiny ao amin’ilay andian-tsoratra masina hohalalinina. Ny toko sy andininy ho an’ny andininy navondrona tsirairay dia arahin’ny famintinana fohy an’ireo zava-nitranga na ireo fampianarana ao anatin’io vondron-tsoratra masina io.

Fotopampianarana sy Fitsipika

Koa satria ny fitsipika sy ny fotopampianarana dia mipoitra ho azy avy amin’ny fandalinana ny lahatsoratry ny soratra masina dia natao soratra miavaka matevina izany mba hanampiana anao hamantatra sy hanantitrantitra azy ireny ao anatin’ny fifampiresahanao miaraka amin’ireo mpianatra.

Teny fampidirana ny fizarana manaraka

Ny andinin-tsoratra farany amin’ny lesona tsirairay dia ahitana topimaso kely hahalalana ny fizarana manaraka. Zarao amin’ireo mpianatrao io andinin-tsoratra farany io ho toy ny famaranana ny lesona tsirairay mba hanampiana azy ireo ho tsindrindaona hianatra ny soratra masina mandritra ny herinandro ho avy.

Fandaharam-pianaran’ny seminera ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Eo ambany fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana sy ny tomponandraikitry ny S&I, dia afaka atsangana ny kilasin’ny seminera ho an’ireo mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano amin’ny toerana izay tsy hahafahan’ny mpianatra manatrika isan’andro noho ny fahalaviran’ny toerana na ny antony hafa (toy ny tsy fahasembanana). Ireo kilasin’ny seminera ho an’ireo mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano ireo dia matetika tsy hita any amin’ny toerana izay misy kilasy isan’andro (andro fiasana) amin’ny alalan’ny seminera vao maraina na mandritra ny fotoana ahafahana.

Ny fandaharam-pampianarana Seminera ho an’ireo mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any An-trano dia ahafahan’ireo mpianatra mameno ny fepetra takiana amin’ny seminera amin’ny alalan’ny famitana ireo lesona tsirairay any an-trano fa tsy amin’ny alalan’ny fanatrehana ny kilasy mandritra ny herinandro. Ireo lesona ireo dia hita ao amin’ny boky torolalana mitokana atao hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana, Boky fandalinana ho an’ny mpianatra seminera amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano. Mihaona indray mandeha isan-kerinandro amin’ny mpampianatra seminera azy ireo mpianatra mba hanaterany ny asan’izy ireo ary mba handraisany anjara amin’ny lesona any an-dakilasy. Ny boky fandalinana ho an’ireo mpianatra sy ny lesona any an-dakilasy isan-kerinandro dia hazavaina misimisy kokoa etsy ambany.

Boky fandalinana ho an’ny mpianatra amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana, Boky fandalinana ho an’ny mpianatra seminera amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano dia natao mba hanampiana ny mpianatra amin’ny Fandaharam-pianarana any an-trano handray traikefa amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana mitovy amin’ny an’ny mpianatra seminera mianatra isan’andro. Noho izany dia mitovy amin’ny zavatra hita ao amin’ity boky ity ny hafainganam-pandeha arahina ao amin’ny boky fandalinan’ireo mpianatra sy ireo fotopampianarana sy fitsipika antitranteriny. Ny boky fandalinan’ireo mpianatra dia ahitana ihany koa torolalana mikasika ny soratra masina fehezina. Ireo soratra masina fehezina dia resahina arakaraka ny fisehony ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina ary matetika ireo asa atao an-tsoratra dia omena mandritra ny lesona izay iresahana ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Isan-kerinandro ireo mpianatra seminera manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia tokony hamita lesona efatra avy ao amin’ny boky fandalinan’ny mpianatra ary mandray anjara amin’ny lesona indray mandeha isan-kerinandro izay omen’ny mpampianatra seminera azy ireo. Vitain’ireo mpianatra ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ireo asa ampanaovina misy laharam-pamantarana ao amin’ny boky fandalinana. Tokony hanana diary fandalinana soratra masina roa ireo mpianatra, mba hahafahan’izy ireo mametraka ny iray any amin’ny mpampianatra ary manohy miasa ao anatin’ilay iray hafa. Rehefa mihaona amin’ny mpampianatra isan-kerinandro ireo mpianatra, dia omena ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano ny diary iray ary ny iray hafa averina any amin’ireo mpianatra mba ho ampiasaina amin’ny lesona mandritra ny herinandro manaraka. (Ohatra, mandritra ny herinandro iray dia vitain’ilay mpianatra ao anatin’ny diary 1 ny asa ampanaovina azy. Avy eo dia entin’ilay mpianatra any amin’ny kilasy io diary io ary omeny ny mpampianatra. Mandritra ny herinandro manaraka dia vitain’ilay mpianatra ao anatin’ny diary 2 ny asany. Rehefa mitondra ny diary 2 ilay mpianatra dia haverin’ny mpampianatra ny diary 1. Avy eo ilay mpianatra dia mampiasa ny diary 1 mba hamitana ny asa ampanaovina ho an’ny herinandro manaraka.)

Ireo mpianatra seminera rehetra dia amporisihina mba handalina ny soratra masina isan’andro ary hamaky ny lahatsoratra ho an’ilay lesona, kanefa ireo mpianatra manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia tokony hahatakatra fa izy ireo dia antenaina mba handany 30 ka hatramin’ny 40 minitra fanampiny amin’ny tsirairay amin’ireo lesona efatra ao anatin’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano isaky ny fizarana ary hanatrika ny lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano isan-kerinandro.

Lesona isan-kerinandro ho an’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano

Ny fizarana tsirairay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana, Boky fandalinana ho an’ny mpianatra seminera amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano dia mifandraika amin’ny lesona dimy ao amin’ny boky torolalan’ny mpampianatra isan’andro. Any amin’ny faran’ny tsirairay avy amin’ireo lesona dimy ato anatin’ity boky torolalana ity, dia ahitanao lesona iray isan-kerinandro ho an’ny mpampianatra mamin’ny fandaharam-pianarana any an-trano. Ireo lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano dia hanampy ireo mpianatra hanao famerenana sy hanatevina ny fahatakaran’izy ireo ary hampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’izy ireo rehefa nahavita ireo lesona ao amin’ny boky fandalinana ho an’ireo mpianatra izy ireo nandritra ny herinandro. Ireo lesona ireo dia mety hamakafaka ihany koa fahamarinana fanampiny izay tsy resahina ao amin’ny boky fandalinan’ireo mpianatra. (Mba hanampiana anao hanomana ny drafitry ny lesonao dia jereo ny torolalana handrindrana ny taom-pianarana ho an’ireo mpampianatra amin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano ao amin’ny tovana any amin’ny faran’ity boky ity.)

Amin’ny maha-mpampianatra amin’ny fandaharam-pianarana any an-trano anao, dia tokony hanana fahatakarana lalina ianao mikasika ny zavatra izay halalinin’ireo mpianatrao any an-trano isan-kerinandro mba hahafahanao mamaly ny fanontaniany sy mamorona fifanakalozan-kevitra manan-danja rehefa mihaona amin’izy ireo. Angataho ireo mpianatra mba hitondra ny soratra masin’izy ireo sy ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ary ny boky fandalinan’ireo mpianatra rehefa manatrika ny fotoam-pianarana isan-kerinandro izy ireo, mba hahafahan’izy ireo mijery azy ireny mandritra ny lesona. Ampifanaraho amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra ampianarinao ny lesona ary araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Azonao atao ihany koa ny mijery ny lesona ho an’ny mpampianatra isan’andro ao amin’ity boky ity rehefa manomana sy mampianatra ianao. Ny fandalinana ny fanampiana ho an’ny fampianarana sy ireo fomba ampiasaina ao anatin’ny lesona isan’andro dia afaka manatsara ny fampianarana ataonao isan-kerinandro. Omano izay mety ho zavatra manokana ilain’ireo mpianatra ampianarinao. Ohatra, raha toa ny mpianatra iray manana olana amin’ny fanoratana, dia avelao izy hampiasa fitaovana fandraisam-peo na hanonona izay ao an-tsainy amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na amin’ny namany iray izay afaka mirakitra an-tsoratra ny valinteniny.

Rehefa mifarana ny lesona isan-kerinandro dia angony ny diary fandalinan’ireo mpianatra soratra masina ary amporisiho hatrany izy ireo handalina tsy tapaka. Omeo azy ireo ny diary fandalinana soratra masina ho an’ny asa atao amin’ny herinandro ambony, araka ny fanazavana tao ambony tao amin’ny fizarana natao hoe “Boky fandalinana ho an’ny mpianatra amin’ny Fandaharam-pianarana any An-trano.” (Eo ambany fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ny ray aman-dreny ireo mpampianatra semineran’ny tsatòka voantso dia afaka mifanerasera amin’ny fomba elekitrônika amin’ny mpianatra seminera nisoratra anarana tamin’ny seminera manaraka fandaharam-pianarana any an-trano).

Rehefa mamaky ny asa nampanaovina ao anatin’ny diary fandalinan’ireo mpianatra soratra masina ianao, dia valio matetitetika ny asa ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny fanoratana fanamarihana kely na amin’ny alalan’ny fanaovana fanamarihana amin’ny fotoana manaraka hihaonanao amin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mikaroka fomba hafa hanomezana fanohanana sy torohevitra manan-danja manoloana ny zavatra vita. Izany dia hanampy ireo mpianatra hahafantatra fa miraharaha ny asan’izy ireo ianao ary hanampy azy ireo hanana faharisihana hanome valinteny mafonja rehefa mamaly.

Ny ankabeazan’ny ezaka ataon’ny mpianatra mba hahaizana andinin-tsoratra masina manan-danja dia ho ataon’izy ireo rehefa manatanteraka ny lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano. Ireo mpampianatra amin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano dia afaka manara-maso ny ezaka ataon’ny mpianatra mandritra ny lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra mba hanonona na hanao famerenana ny soratra masina fehezina izay mipoitra ao amin’ny lahatsoratra hita ao anatin’ny fizarana halalilina amin’io herinandro io .

Ireo loharano hafa

Ny Joseph Smith Papers Project

Nalaina avy tao amin’ny “History of the Church” (Tantaran’ny Fiangonana) sy ny Joseph Smith Papers Project (Tetik’asa mikasika ny asa soratr’i Joseph Smith) ny ankamaroan’ireo fampahalalana ara-tantara ato amin’ity boky ity. Nanampy manokana tamin’izany ny Boky 1 sy 2 tamin’ny The Joseph Smith Papers”, navoakan’ny “Church Historian’s Press” (sampana iray ao amin’ny Departemanta misahana ny Tantaran’ny Fiangonana an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany). Raha te hijery ireo sary amin’ny endrika elekitrônika sy raha te hamaky ny tahadikan’ny lahatsoratra niandohan’ny Joseph Smith Papers Project, dia tsidiho ny josephsmithpapers.org.

Fitaovana fanaovana fanamarihana sy diary

Ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera sy ireo torolalana ho an’ny mpianatra dia hita ao amin’ny LDS.org sy ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile ho an’ny fitaovana elektraonika hoentina mandehandeha ianao. Ny mpampianatra sy ny mpianatra dia afaka mampiasa ny fitaovana Fanamarihana sy Diary amin’ny alalan’ny internet mba hanisiana marika sy hanampiana naoty ny endrika elekitraonikan’ireo boky torolalana ireo rehefa manomana sy mandalina soratra masina izy ireo. Ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra sy ireo torolalana ho an’ny mpianatra dia azo sintonina amin’ny alalan’ny internet amin’ny endrika hafa (toy ny PDF, ePub, sy mobi [Kindle] files) ao amin’ny LDS.org.

Fitaovana fanampiny

Azo jerena amin’ny Internet ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto, amin’ny alalan’ny mpiandraikitra anao sy ny foibe mpaninjara an’ny Fiangonana eo an-toerana, ary ny fivarotan’ny Fiangonana ao amin’ny Internet (store.lds.org):