Seminera
Lesona 142: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133: 36–74


Lesona 142

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:36–74

Fampidirana

Ity lesona ity dia miresaka ny tapany faharoa amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133. Nahazo ity fanambarana ity i Joseph Smith tamin’ny faha 3 nôvambra 1831. Izany dia mamaly ny fanontaniana izay nananan’ireo misiônera mikasika ny fitoriana ny filazantsara ary ny fanangonana an’i Isiraely. Mamariparitra koa ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany izany ary manazava hoe inona no tokony ataontsika mba hahafahantsika ho vonona amin’izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:36–40

Manambara ny Tompo fa hotoriana amin’izao tontolo izao manontolo ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny

Atombohy amin’ny fametrahana ity fanontaniana ity ny lesona:

  • Tamin’ny fotoana inona ianao no tsindrin-daona be hihaona amin’olona iray? (Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Azonao atao koa ny mizara traikefa toy izany, raha tianao.)

Sary
Ny Fiaviana Fanindroany

Asehoy ilay sary hoe Ny Fiaviana Fanindroany (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 66; jereo ihany koa ny LDS.org).

  • Tsindrin-daona ve ianao ny hahita ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany? Nahoana?

Hazavao fa ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia ho traikefa tsara sy mahafinaritra ho an’ny sasany ary ho traikefa mampatahotra kosa ho an’ny hafa. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Mpamonjy dia maniry ny olona rehetra ny hiomanan’izy ireo amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:36–39. Asao ny mpianatra hanaraka izany vakiteny izany, ary hikaroka ny fahamarinana fa ny Mpamonjy dia maniry ny olona rehetra mba hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

  • Inona no fahamarinana hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay milaza fa ny Mpamonjy dia maniry ny olona rehetra mba hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany? (Naniraka anjely izy [na anjely maromaro] izy mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara eto an-tany. Maniraka ireo mpanompony ihany koa izy mba hitory ny filazantsara amin’ny olona rehetra.)

  • Iza ireo mpanompon’ Andriamanitra izay hitory ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny? (Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra dia mpanompon’ Andriamanitra ary manana andraikitra ny hizara ny filazantsara amin’ny hafa. Azonao atao ny manome sosokevitra mba hanoratan’ireo mpianatra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny soratra masin’izy ireo: Amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra antsika, dia afaka manampy ny hafa isika mba hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara amin’izy ireo.)

  • Araka ny andininy 38, dia ahoana no hitoriantsika ny filazantsara? Araka ny hevitrao, inona no mety ho dikan’ny hoe mitory filazantsara “amin’ny feo avo”? (Mety ho anisan’ireo valinteny ny hoe tokony hizara ny filazantsara amim-paharisihana sy faharesen-dahatra isika.)

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133: 40 ary hikaroka ny zavatra hafa ho ataon’ireo mpanompon’ Andriamanitra alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  • Araka ny andininy 40, inona no zavatra ho ataon’ireo mpanompon’ Andriamanitra alohan’ny Fiaviana Fanindroany? (Hivavaka ny hiverenan’ny Mpamonjy izy ireo.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:41–56

Namariparitra ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:41–45. Asao ny mpianatra mba hanaraka izany vakiteny izany, ary hikaroka ireo fitahiana ho avy ho an’ireo izay mivavaka sy miandry ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  • Araka ny andininy 45, inona no nampanantenain’ny Tompo ireo izay miandry Azy? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia, soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manarka izao: Efa nanomana fitahiana lehibe ho an’ireo izay miandry Azy ny Tompo.)

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe miandry ny Tompo? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny teny hoe “miandry ny Tompo” dia midika zavatra mihoatra ny hoe mandany ny fotoana fotsiny mandra-pahatongany. Ny dikan’izany dia hoe mila miambina sy vonona isika ary handray anjara amin’ny Asany.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara ny fomba hahafahan’izy ireo miandry ny Tompo sy miandry ny fiaviany amim-pinoana dia, asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ireo mpianatra mba hihaino ireo asa tokony ataontsika raha miandry ny Fiaviana Fanindroany isika.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ho anareo rehetra izay miahiahy momba ny ho avy …

“Andriamanitra dia manantena fa hanana finoana sy fanapahan-kevitra ampy ary fahatokisana ampy Aminy mba hirosoana, hiainana ary hifaliana hatrany ianao. Izany hoe: Izy dia tsy manantena anao ny hiatrika ny ho avy fotsiny (toa masiaka sy tsy dia maha te ho tia izany). Manantena anao Izy ny hanaiky ary handrafitra ny ho avy—ny hitiavanao izany sy ny hifalianao ao amin’izany ary ny hankamamianao ireo fahafahana ao amin’izany.

“Andriamanitra dia miandry amim-pitebitebena ny fahafahana hamaly ireo vavaka ataonao sy hanatanteraka ireo nofinao, toy ny efa nataony hatramin’izay. Fa tsy afaka ny hanao izany Izy raha tsy mivavaka ianao, ary tsy afaka hanao izany Izy raha tsy manonofy ianao. Raha fehezina dia, tsy afaka hanao izany Izy raha tsy mino ianao” (“Terror, Triumph, and a Wedding Feast” [Church Educational System Devotional, sept. 12, 2004], 3, speeches.byu.edu).

  • Inona no zavatra nolazain’ny Loholona Holland izay tokony hataontsika mandritra ny fiandrasantsika ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany?

Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:46–47 ary hitatitra ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny hoe ny sasany amin’ny olona dia ho eto an-tany amin’ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany. Ny mpianatra dia tokony hahita fa tsy ny olona rehetra no hahafantatra an’i Jesoa Kristy amin’ny fotoan’ny Fiaviany Fanindroany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:48–49. Asao ny mpianatra mba hanaraka izany vakiteny izany, ary hikaroka famariparitana iray ny tokony ho endrik’i Jesoa Kristy amin’ny fotoan’ny Fiaviany Fanindroany.

  • Inona no zavatra mety hiavaka mikasika ny fanehoan’ny Mpamonjy ny tenany amin’ny fotoan’ny Fiaviany Fanindroany? (Hanao akanjo lava miloko mena Izy, ary hiseho amim-boninahitra lehibe.)

Sary
famiazam-boaloboka

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny tandindon’ny akanjo lava miloko menan’ny Mpamonjy, dia hazavao ny teny hoe famiazam-boaloboka ao amin’ny andininy 48. Ampisehoy ity sarina famiazam-boaloboka nampiarahina eto ity (antsoina koa hoe fiterem-boaloboka) na manaova sary iray eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa tamin’ny tontolo fahiny, ny fiterem-boaloboka dia toy ny dobon-drano lehibe izay ampiasaina mba hanalana ny ranony avy amin’ireo fehezam-boaloboka. Fenoina fehezam-boaloboka ilay dobon-drano ary olona maromaro no miditra ao sy manitsaka mafy ireo fehezam-boaloboka, mba hamoahana ny ranony. Raha manitsaka miverimberina fehezam-boaloboka mena na volom-parasy ny olona dia mandoko ny tongotr’izy ireo sy ny akanjon’izy ireo ho mena matroka ny ranony.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:50–51.

  • Ahoana no hanampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny fahamarinan’ny Tompo? (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ireo ratsy fanahy izay mandà ny fibebahana dia tsy maintsy hizaka ny fitakian’ny fahamarinana ary tsy afaka hitoetra amin’ny andron’ny Fiaviana Fanindroany [jereo ny F&F 38: 8]. Ny loko menan’ny fitafian’ny Tompo dia maneho ny ràn’ireo ratsy fanahy izay ho haringana rehefa hirotsaka eo ambonin’izy ireo ny fahamarinana amin’ny Fiaviana Fanindroany.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:52–53. Asao ny mpianatra hanaraka izany vakiteny izany sy hikaroka ny hoe inona no ho tsaroana sy asehon’ireo olo-marina amin’ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Inona no zavatra ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny famindrampon’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:54–56. Asao ny mpianatra hanaraka izany vakiteny izany sy hamantatra hoe iza no hiseho hiaraka amin’ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany.

  • Iza no hiseho hiaraka amin’ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany? (Ireo olo-marina izay niaina talohan’i Jesoa Kristy sy efa nitsangana tamin’ny maty dia hiaraka Aminy ao amin’ny voninahiny. Ho fanampin’izany, ireo olo-marina izay niaina sy nodimandry taorian’i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty sy hivoaka mba hiaraka amin’ny Mpamonjy sy ireo miaraka Aminy. Azonao hatao ny milaza hoe ao anatin’izany koa ireo olo-marina havantsika izay efa nodimandry. Ireo olo-marina izay mbola velona eto an-tany dia “hakarina” hihaona amin’ny Mpamonjy [jereo ny 1 Tesaloniana 4: 17; F&F 109:75].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:57–74

Ny filazantsara dia nalefa mialoha hanomanana ny tany amin’ny Fiavian’i Jeosa Kristy Fanindroany

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo hifanakalo hevitra amin’ny naman’izy ireo momba an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133 mikasika ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany? Inona no zavatra tsapanao rehefa mieritreritra mikasika an’ireo tranga ireo ianao?

Rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia, asao izy ireo handinika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:57–62 miaraka amin’ny naman’izy ireo ary hikaroka ireo fahamarinana mikasika ny hoe nahoana ny filazantsara no tsy maintsy mandroso alohan’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mianatra ny filazantsara sy miaina izany isika dia ho voaomana amin’ny Fiaviana Fanindroany.

  • Araka ny andininy 62, dia inona no fitahiana farany horaisintsika? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia, soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarianana manaraka izao: Ireo izay mibebaka sy manamasina ny tenany dia hahazo ny fiainana mandrakizay.)

Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ity fitsipika ity amin’ny fitsipika izay hitan’izy ireo teo aloha, dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133: 63–74 amin’ny fanazavana fa ao anatin’ireo andininy ireo ny Tompo dia nampiseho ny sasany amin’ireo voka-dratsy ho an’ireo izay tsy mibebaka sy miomana amin’ny Fiaviany Fanindroany. Ny sasany amin’izany voka-dratsy izany dia ny fanesorana azy ireo hiala amin’ny Tompo sy amin’ireo olo-mariny (jereo ny F&F 133: 63) ary koa ny “fanolorana ao amin’ny haizina” (F&F 133:72), izay midika fa ireo ratsy fanahy izay maty amin’ny Fiaviana Fanindroany dia hiditra ao amin’ny toerana antsoina hoe tranomaizin’ny fanahy na helo (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ”Helo,” scriptures.lds.org).

Mba hamaranana ity lesona ity, dia asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra izay nianaran’izy ireo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133 izay nanamafy ny fahatakaran’izy ireo sy ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo mikasika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny mpianatra rehetra. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra.