Seminera
Lesona 88: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:62–120


Lesona 88

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:62–120

Fampidirana

Tamin’ny volana Septambra 1832, rehefa avy nanambara ny fahamarinana mikasika ny fisoronana sy ny lanjan’ny fihainoana ny teniny ny Tompo dia nanasongadina ny toromarika hitorian’ny Apôstôly sy ny mpihazona ny fisoronana hafa ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao. Manamafy bebe kokoa momba ny fitoriana ny filazantsara ity fanambarana ity ka manome torolalana mitovy amin’ireo izay nomen’i Jesoa Kristy an’ireo Apôstôly taorian’ny Fitsanganany tamin’ ny maty. Nanazava ny fomba hanatanterahana ity asa ity ihany koa ny Tompo, ka anisan’izany ny fomba hanohanana sy hikarakarana ny ezaka ataon’ireo izay mirotsaka ao amin’ny asany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:62–76

Mandefa antso amin’ireo Olomasina ny Tompo mba hijoro ho vavolombelona mikasika ny fitsipika sy ny ôrdônansin’ny filazantsara

Asao ny mpianatra mba hieritreritra olona iray izay fantany fa vao nahazo antso hanao asa fitoriana na vao lasa nanao asa fitoriana. Anontanio ireo mpianatra mba hilaza ny toerana izay niantsoana ireo misiônera ireo. Mampiasà glaoby na sarintany mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny toerana niantsoan’ny Tompo ireo misiônera ireo.

Hazavao fa mila manana fahafahana hianatra ny filazantsara ny olona tsirairay. Lazao ny isan’ny mponina maneran-tany amin’izao fotoana izao (sahabo ho 7 lavitrisa) ary hazavao fa tsy ho vitan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Fitopololahy, izay manana andraikitra hitory ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao ny hitory maneran-tany sy hampianatra ny olon-drehetra.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:62 ny mpianatra iray. Asao ny iray kilasy hitady ny toromarika nomen’ny Tompo ireo izay manana andraikitra hitory ny filazantsara.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 62 dia aiza no tokony hitorian’ny mpanompon’ny Tompo ny filazantsara?

  • Ankoatra ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, iza ihany koa no manana andraikitra hizara ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa na dia ireo zatovolahy sy zatovovavy ary ireo zokiolona aza no manao ny ankabeazan’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia manana andraikitra hitondra ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao koa ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Mazava tsara ny filazan’ny soratra masina fa tompon’andraikitra amin’ny fanaovana ny asa fitoriana ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra. …

“Ny mpaminany tamin’ity fotoampitantanana ity dia nampianatra mazava tsara koa mikasika ilay hevitra hoe andraikitry ny mpikambana rehetra ny asa fitoriana. Ny Filoha David O. McKay dia nampianatra ilay fitsipika tamina teny mifono fanamby hoe, -Ny mpikambana tsirairay dia misiônera!- (Jereo ny Conference Report, aprily 1959, p. 122.)” (“It Becometh Every Man,” Ensign, Ôkt. 1977, 3).

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:64 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hamantatra ny zavatra mety ho azon’ireo izay mino ka hatao batisa. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’ny olona ny manaiky ny filazantsara sy hatao batisa ary mandray ny Fanahy Masina? (Tsy maintsy mibebaka sy mandray ny Fanahy Masina isika mba hidirana any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:65–73, sady hamantatra ny zavatra ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mino ny mpanompony ka hatao batisa. Asaivo manao tatitra amin’ny iray kilasy ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no zava-dehibe ho an’ireo izay mitory sy ho an’ireo izay mino ny filazantsara ireo fanomezana ireo?

  • Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo ao amin’ny andininy 73?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:74–76. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hamantatra ny zavatra hanjò ireo izay misafidy ny tsy hino ny filazantsara sy tsy hatao batisa.

  • Inona no zavatra hanjò ireo izay misafidy ny tsy hino sy tsy hatao batisa?

  • Araka ny zavatra nianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 dia ahoana no hamintinanao ny maha-zava-dehibe ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:77–120

Manome torolalana ireo izay nantsoina hitory ny filazantsarany ny Tompo

  • Inona no antony mety mahatonga ny olona iray hisalasala hanompo ny Tompo ka ho lasa misiônera? (Mety ahitana toy izao ny valinteny: ny fatahorana ny handao ny fonenana sy ny fianakaviana, ny fahafoizana ny fotoana sy ny fahafahana, ny sakana ara-bola sy ny fanamby amin’ny firesahana momba ny filazantsara amin’ny olon-tsy fantatra ary ny fitaintainana mikasika ny fianarana fiteny vaovao.)

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:77–88 dia mirakitra ny fanomezan-toky nomen’ny Tompo ireo misiônera fa hamatsy izay ilainy Izy. Nampanantena fitahiana hafa tamin’izy ireo ihany koa Izy raha toa ka manatanteraka ny andraikiny amin’ny fitoriana ny filazantsara izy ireo.

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity, ary asaivo mandika izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ireo mpianatra:

Asa fitoriana

Andraikitra

Fitahiana

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:80, 85, 87–88 ka hitady ny andraikitra sy ny fitahiana avy amin’ny asa fitoriana. (Azonao atao ny manoratra io andinin-tsoratra masina io eny amin’ny solaitrabe.) Azonao atao ny mandroso hevitra ny hamakian’ny mpianatra tsiroaroa ka hitady ireo andraikitra ny mpianatra iray ary ny mpianatra iray hafa kosa hamantatra ireo fitahiana. Asao izy ireo hirakitra an-tsoratra ny zavatra hitany eo amin’ireo tsanganana tokony hisy izany ao amin’ilay tabilao.

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa avy nomena fotoana nandinihana ireo zavatra ireo ny mpianatra:

  • Inona no nianaranao mikasika ny andraikitry ny asa fitoriana? (Azonao atao ny manazava fa “handevilevy izao tontolo izao” (F&F 84:87) ireo misiônera amin’ny alalan’ny fampianarana ny hafa ny fotompampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hibebaka sy hiaina mifanaraka amin’ireo fotopampianarana ireo.)

  • Inona no fitahiana homen’ny Tompo antsika rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra ny valinteniny kanefa tokony hita taratra ao kosa ity fitsipika manaraka ity: Hampatanjaka antsika sy hiaraka amintsika ny Tompo rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fampanantenana voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:80, 85 ary 88 amin’ny faniriana sy ny fahaizan’ny olona mizara ny filazantsara?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Tsy tokony hahatsapa velively isika hoe irery na tsy tiana ao anatin’ny fanompoana ny Tompo satria tsy toy izany velively isika. Afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra isika. Nampanantena ny Mpamonjy fa ireo anjely dia ho eo ankaviantsika sy ho eo ankavanantsika mba hanohana antsika. (Jereo ny F&F 84:88.) Ary mitazona ny teny nambarany foana Izy” (“Tendrombohitra ho hanihana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 26).

Mijoroa ho vavolombelona fa hampatanjaka antsika sy hiaraka amintsika ny Tompo rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika. Azonao atao ihany koa ny mizara fohifohy ny traikefa teo amin’ny fiainanao izay maneho io fitsipika io.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Hanatanteraka ny andraikitro amin’ny fizarana ny filazantsara aho amin’ny alalan’ny …

Asao ny mpianatra mba hameno io fanambarana io ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:89–97 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe nanamafy ny Tompo fa ireo izay manaiky ny misiônerany dia manaiky Azy ihany koa ka hotahiana. Kanefa, ireo izay mitsipaka ny mpanompon’ Andriamanitra sy ny teniny dia hanary ny fitahiana ka hozonina.

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:98–102 dia ahitana tononkiram-pifaliana sy fiderana izay mifandray amin’ny fanavotana an’i Ziona. Ilay andian-teny hoe “fanavotana an’i Ziona” dia entina hilazana ny toetra ho azon’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra indray andro any satria nisafidy ny hanatona Azy sy handray ny ôrdônansy sy ny fitahian’ny filazantsara rehetra izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:98. Hazavao fa hohiraina ilay hiran’ny fanavotana an’i Ziona aorian’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany rehefa ho lasa hahafantatra Azy ny olona rehetra izay hijanona eto an-tany.

Asehoy ny sarina misiônera mpiara-mitory iray. (Raha efa nitory ny filazantsara ianao dia asehoy ny mpianatra ny sarinao miaraka amin’ny mpiara-mitory iray izay loharano nahazoanao hery.

  • Nahoana araka ny hevitrao no miantso misiônera hiara-hanompo ny Tompo?

  • Inona ireo antso hafa sasany ao amin’ny Fiangonana izay hiarahantsika manompo amin’ny olona hafa? (Mety ho toy izao ny valiteny: fiadidiana, mpiara-miasa amin’ny fampianarana isan-tokantrano sy famangiana isan-tokantrano ary kômity.)

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:106 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hamantatra ny toromarika nasain’ny Tompo hataon’ny mpikamban’ny Fiangonana mba hifankaherezany.

  • Inona no nolazain’ny Tompo hataon’ny mpikamban’ny Fiangonana mba hifankaherezany? (Tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Ireo izay matanjaka ao amin’ny Fanahy dia tokony hankahery ireo izay malemy.)

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe: “matanjaka ao amin’ny Fanahy”? Oviana ianao no nahatsiaro ho voaorina tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny olona iray izay matanjaka ao amin’ny Fanahy? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia azonao atao ny mizara traikefa iray.) Raha nampiseho ny sarinao niaraka tamin’ny misiônera mpiara-mitory ianao dia azonao atao ny manazava ny fomba nankaherezan’io mpiara-mitory io anao.)

Asaivo mandinika ny toe-panahiny amin’izao fotoana izao ireo mpianatra. Asao ireo izay mihevitra ny tenany ho malemy ara-panahy mba hieritreritra mikasika ny olona iray izay fantany fa matanjaka ara-panahy ka hikatsaka fahafahana ny hianatra avy amin’izany olona izany. Asao ireo izay mihevitra ny tenany ho matanjaka ara-panahy mba hitady fomba hamporisihana sy hampatanjahana ny hafa.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:109–110 sady hitady ny zavatra hafa azon’ny mpikamban’ny Fiangonana hatao mba hampatanjaka ny hafa.

  • Maneho inona ireo singa samihafa eo amin’ny vatana ao amin’ireo andininy ireo? (Mpikamban’ny Fiangonana.) Inona no mety hampianarin’ity fifanahafana ity antsika mikasika ny fifankaherezana? (Mila mahatsiaro ny hasarobidy sy ny lanjan’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonana isika.)

Hamafiso fa tia antsika tsirairay avy ny Tompo ka nanome talenta samihafa antsika tsirairay izay afaka ampiasaintsika hanompoana ny hafa.

Hazavao fa rehefa avy nanome torolalana an’ny Eveka Newel K. Whitney sy ny mpitarika hafa tao amin’ny fisoronana (jereo ny F&F 84:111–117) ny Tompo dia nanome fampanantenana ho an’ireo mpanompony izay nandeha tam-pinoana Izy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:118–119. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo.

  • Araka ny voalazan’ireo andininy ireo, inona no nampanantenain’ny Tompo fa ho hitan’ireo mpanompony mahatoky? Ahoana no nahitanao ny fampiasan’ny Tompo ny herin’ny lanitra amin’izao vanim-potoana misy antsika izao?

Mijoroa ho vavolombelona fa na dia tsy afaka mahita ny herin’ny Tompo aza ny sasany amin’ny olona dia ho avy ny andro izay hahitan’ny olon-drehetra Azy sy hahafantarany fa Izy no Izy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:80–83. “Tsy navelako hanana kitapom-bola na kitapom-batsy izy ireo”

Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia nanome torolalana ny mpanompony ny Mpamonjy mba hitory ny filazantsara tsy miaraka amin’ny kitapom-bola na kitapom-batsy (jereo ny Matio 10:9–10; Lioka 10:1–4). Nampiasa kitapom-bola ny olona tamin’izany fotoana izany mba hitondrana vola ary nampiasa kitapom-batsy mba hitondrana sakafo. Nanome torolalana ireo misiônera ny Tompo mba tsy hiahiahy momba ny sakafo, fitafiana, trano hivahinianana na ny zavatra hafa izay ilaina eo amin’ny lafiny ara-nofo. Nasaina niantehitra tamin’ny Tompo sy tamin’ny hafa izy ireo ho fanohanana azy ireo.

Nanazava ny dikan’ny hoe mitory ny filazantsara tsy mitondra kitapom-bola na kitapom-batsy amin’izao fotoana izao ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Fitsipika manokana no ampiharina amin’ireo izay nantsoina handeha ho any amin’izao tontolo izao tsy miaraka amin’ny kitapom-bola na kitapom-batsy ka hitory ny filazantsara. Mandritra ny fotoana sy ny vanim-potoan’ny asa fitoriany dia tsy nasaina hiahiahy mikasika ny fandraharahana na ny fitadiavana izay ilaina eo amin’ny lafiny ara-nofo izy ireo. Nasaina miala amin’ny vesatry ny andraikitra iantsorohan’ireo izay mitantana ny raharaha ara-nofo izy ireo. Tokony hifantoka tanteraka amin’ny asa fanompoana ny sainy sy ny tanjany ary ny talentany rehetra, koa hanana ny fampanantenan’ny Ray izy ireo fa hikarakara ny filany isan’andro izy” (Doctrinal New Testament Commentary, Volume 1: The Gospels, 3 vols. [1966–73], 1:243).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:80–85. Manohana ny misiônerany ny Tompo

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Misiônera an’arivony maro no nanandrana nitsapa izany fampanantenana izany ary nitazona ny fampanantenany tamin’ireo rehetra mahatoky tamin’ny fanatanterahana ny antsony ny Tompo. Raha tsikaritry ny Ray hoe nianjera ny vorona iray dia azo antoka fa tsy hahafoy izay mahatoky amin’ny fankatoavana ny sitrapony ka mitady ny fanampiany Izy. Nisy tokoa ireo izay nandeha ka reraka teo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-tsaina, izay lasa noana, tsy isalasalana ny mikasika izany, satria misy ireo misiônera izay tsy nanome ny fony iray manontolo ho an’ny Tompo ka nanary fotoana sarobidy raha toa ka tokony hitory ny fahamarinana izy ireo” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:344).