Seminera
Lesona117: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:47–80


Lesona 117

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:47–80

Fampidirana

Tamin’ny 27 martsa 1836 dia nanonona ny vavaka fanokanana ny tempolin’i Kirtland ny Mpaminany Joseph Smith. Izany vavaka izany izay nambaran’ny Tompo mialoha taminy dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109. Ity no lesona faharoa amin’ny lesona roa momba ilay vavaka. Mahafaoka ny fitalahoan’ny Mpaminany mba hitahian’ny Tompo ireo Olomasina izay nampijaliana tao amin’ny fivondronan’i Jackson, Missouri izany, ary ny mba hitahian’ny Tompo ireo mpampijaly azy ireo. Mahafaoka ireo fangatahan’ny Mpaminany ihany koa izany mba hiovan’ny olona manerana izao tontolo izao fo amin’ny fahafenoan’ny filazantsara, indrindra fa i Isiraely izay naparitaka, ary mba haneken’ny Ray any An-danitra ny fanokanana ny tempolin’i Kirtland sy hitahiana ireo fianakaviana ao amin’ny Fiangonana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:47–53

Nangataka ny Ray any An-danitra i Joseph Smith mba hanampy ireo Olomasina any Missouri

Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina fa manana olana na mijaly ny namana iray na ny olona iray ao amin’ny fianakaviany. Dia angataho izy ireo mba haka sary an-tsaina fa tsy afaka manao na inona na inona manokana izy ireo mba hanampiana izany namana na ny olona ao amin’ny fianakaviana izany. Rehefa nahazo fotoana hieritreretana izy ireo dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy amin’ny fanesorana ny fijalian’ny olona iray, na dia tsy misy na inona na inona azonao atao manokana aza?

Rehefa avy nizara hevitra vitsivitsy ny mpianatra dia ampahatsiahivo azy ireo fa nijaly be ireo Olomasina tany Missouri noho ny herisetra nataon’ireo mpihetraketraka tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Tany Kirtland, Ohio ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny volana aprily 1836. Na dia tsy afaka nanao zavatra manokana mba hanesorana ny fijalian’ny Olomasina tany Missouri aza izy tamin’izay fotoana izay dia nanao zavatra izay nampahery azy ireo izy nandritra ny fanokanana ny tempolin’i Kirtland. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:47–49. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady zavatra iray izay azontsika atao mba hanampiana ny hafa mandritra ireo fotoan-tsarotra.

  • Inona no nataon’ny Mpaminany ho an’ireo Olomasina tany Missouri tamin’ny fanokanana ny tempolin’i Kirtland? (Nivavaka ho azy ireo izy.)

Asao ny mpianatra iray mba ho mpanoratra eny amin’ny solaitrabe. Angataho ny mpianatra mba hanolotra fahamarinana iray izay azontsika ianarana avy amin’ireo teny tao amin’ny vavaky ny Mpaminany ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Rehefa mamaly ny mpianatra dia afaka manoratra izao fitsipika manaraka izao ilay mpanoratra: Afaka mitondra fanampiana sy tanjaka ho an’ireo izay sahirana ny vavaka ataontsika.

  • Oviana no nahatsapanao na nahitanao ny herin’ny vavaka izay nanampy ny olona sahirana iray? (Azonao atao ny manamarika fa ny vavaka toy izany indraindray dia valiana amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy azontsika mba hanampiana ny hafa.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:50. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady hoe nivavaka ho an’iza koa ny Mpaminany.

  • Nivavaka ho an’iza koa ny Mpaminany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tokony hivavaka ho an’ireo fahavalontsika isika? (Mba hanampiana ny mpianatra hamaly ity fanontaniana ity dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:43 sy ny 3 Nefia 12:43–45.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:50 momba ny mety ho fiantraikan’ny vavaka ataontsika ho an’ny hafa? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asaivo manoratra izao fitsipika manaraka izao eny amin’ny solaitrabe ilay mpanoratra: Afaka mitaona ny olona hibebaka ireo vavaka ataontsika. Dia asao ilay mpitantsoratra mba hipetraka.)

Asaivo mandinika ity fanontaniana ity ireo mpianatra:

  • Ahoana raha toa ka misafidy ny tsy hibebaka ireo olona izay nanaovantsika vavaka?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:51–53. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo andian-teny izay miaiky ny sitrapon’ny Tompo sy ny fahafahan’ny hafa misafidy. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany. (Mialoha ny hamakian’ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina ireo dia azonao atao ny manazava fa rehefa ahitana fanambarana momba ny Tompo izay mampitanjaka ny sandriny ny Soratra Masina dia milaza izany fa mampiseho ny heriny Izy.)

Asao ny mpianatra mba hamerina hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:53 ka hitady izay ho ataon’ny Ray any An-danitra ho an’ireo izay tsy mibebaka. (Mety mila manazava ianao fa ny fisafoahan’ Andriamanitra matetika dia ambara amin’ny fanasaziana na fahoriana izay iainantsika noho ny fahotantsika, araka ny fahamarinany. Ilay andian-teny hoe “rehefa mijery ny tavan’ny Voahosotrao” dia milaza ny fahavononan’ny Ray any An-danitra hanome famindrampo noho ny sorompanavotan’ny Zanany, Jesoa Kristy.)

  • Nahoana ny Ray any An-danitra no hampihodina ny fisafoahany amin’ireo izay mibebaka? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ampio izy ireo mba hamantatra izao fitsipika manaraka izao: Noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hihodina amin’ireo izay mibebaka ny fisafoahan’ny Ray any An-danitra. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ny famariparitana ao amin’ny andininy 53, dia asao izy ireo mba hanao izao manaraka izao:

Alaivo sary an-tsaina hoe mijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba hotsaraina ny mpikambana iray teo aloha tao amin’ny mpihetraketraka tsy tia Môrmôna. Izao dia alaivo sary an-tsaina hoe taona maro talohan’ny nahafatesan’izany olona izany dia nibebaka marina izy ary nangataka ny ho voavela heloka sy havotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Satria nijaly noho ny fahotan’ity olona ity i Jesoa Kristy dia hampihodina ny sazy ny Ray any An-danitra ka hanolotra famindrampo ho an’ity mpanota nibebaka ity.

Amporisiho ny mpianatra mba hikolokolo izany fihetsika izany amin’ireo izay nanafintohina azy ireo na nanao izay nampijaly azy ireo. Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina ny olona toy izany izay mijoro eo anoloan’ny Ray any An-danitra sady efa nibebaka. Asao ny mpianatra mba hivavaka, tahaka ny nataon’i Joseph Smith, ho an’ireo olona izay nanafintohina azy ireo na nanota tamin’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:54–67

Mivavaka ho an’ny vahoaka manerana izao tontolo izao ny Mpaminany mba hiova fo amin’ny fahafenoan’ny filazantsara

Angataho ny mpianatra mba hanangana ny tanany raha toa ka efa nanao tamin’ireto manaraka ireto:

  • Nivavaka ho an’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno

  • Nivavaka ho an’ireo olona naman’ny Fiangonana

  • Nivavaka ho an’ireo olona izay tsy mbola naheno ny filazantsara

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no manampy ireo olona ireo ny vavaka ataonareo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:54-58. Angataho ny antsasaky ny mpianatra mba hitady hoe nivavaka ho an’iza i Joseph Smith. Angataho ny antsasaky ny mpianatra hafa mba hitady izay nangatahin’ny Mpaminany mba ho ataon’ny Tompo amin’ireo olona ireo. Dia angataho ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Inona no nangatahin’ny Mpaminany mba hitranga amin’ireo rehetra izay maheno ny fijoroana ho vavolombelon’ireo mpanompon’ny Tompo?

  • Inona avy ireo fitsipika hitanao ao anatin’ireo andininy ireo? (Mety hahita fahamarinana maro ny mpianatra ka anisan’izany izao manaraka izao: Manomana antsika mba hijoro ho vavolombelona amin’ny hafa ny fitsaohana any amin’ny tempoly. Raha toa ka mivavaka ho an’ny hafa isika dia afaka ny ho ampalefahana ny fon’izy ireo mba handray ireo mpanompon’ny Tompo. Eo am-pilazan’ny mpianatra ireo fitsipika dia azonao atao ny mitanisa izany eny amin’ny solaitrabe.)

Omeo fahafahana hijoro ho vavolombelona momba ireo fitsipika hitany ny mpianatra. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona na ny zavatra niainanao izay mifandray amin’ny lesona.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:59–67 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nivavaka i Joseph Smith mba hanorenan’ny Tompo tsatòka maro kokoa ao Ziona mba hahafahana manangona ny vahoaka manerana izao tontolo izao ho ao amin’izany. Nivavaka manokana ho an’ireo taranaky ny mpaminany Jakoba (Isiraely) izy mba hahafantatra ny fahamarinana sy hiova fo amin’ny fahafenoan’ny filazantsara. Fomba manan-danja iray mba hanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:68–80

Nivavaka ho an’ny Fiangonana ny Mpaminany ary nangataka ny Tompo mba hanaiky ny fanokanana ny tempoly.

Asao ny mpianatra mba hanadihady mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:68–69, 71–73, 78–80. Azonao atao ny manoratra ny laharan’ireo andinin-tsoratra masina ireo eny amin’ny solaitrabe mba hahitan’ny mpianatra izany. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo fangatahana fanampiny izay nataon’ny Mpaminany tao anatin’ilay vavaka fanokanana. Toroy hevitra izy ireo mba hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Ho an’iza no nivavahan’i Joseph ary inona no nangatahiny?

  • Inona ireo tombontsoa izay azo amin’ny alalan’ny fampidirana ny fangatahany toy izany ao anatin’ny vavaka ataontsika?

Asao ny mpianatra mba hiaraka hihira ny “Fanahin’ny Ray” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 56). Sariho amin’ny fanazavana eo ambanin’ny tononkira ny sain’ny mpianatra, izay miteny fa nohiraina tamin’ny fanokanana ny tempolin’i Kirtland ilay hira. (Nihira izany avy hatrany ny amboarampeo taorian’ilay vavaka fanokanana.) Hiraina hatrany izany amin’ny fanokanana tempoly ankehitriny.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny izao famintinana manaraka izao momba ny zavatra nitranga tao amin’ny tempoly tamin’ny harivan’ny 27 martsa 1836, taorian’ny fanokanana ny tempoly:

Nivory tao amin’ny tempoly ireo kôlejin’ny fisoronana tamin’io hariva io. Nilaza i Joseph Smith fa “nanome azy ireo torolalana mifandraika amin’ny fanahin’ny faminaniana, ary niantso ny daholobe mba hiteny. … Nitsangana i George A. Smith ka nanomboka naminany, rehefa nisy feo tahaka ny feon’ny rivotra nifofofo mahery re, izay nanenika ny tempoly, ary niara-nitsangana avokoa ny rehetra, izay notaomin’ny hery tsy hita maso; maro no nanomboka niteny tamin’ny fiteny hafa sy naminany; nahita fahitana be voninahitra ny hafa; ary nahita ny Tempoly feno anjely aho, izay nambarako tamin’ny daholobe raha ny marina. Niara-nihazakazaka ireo olona teo amin’ny manodidina (naheno feo tsy mahazatra tao anatin’izany, ary nahita hazavana mamiratra tahaka ny andry afo nipetraka teo ambonin’ny Tempoly), ka gaga tamin’izay zava-nitranga” (ao amin’ny History of the Church, 2:428). Nahita anjely teo ambonin’ny tempoly ny olona sasany ary naheno azy ireo nihira (jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 167).

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay afaka ny horaisintsika rehefa manatrika amim-pahamendrehana ny tempoly isika.