Seminera
Lesona 128: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46


Lesona 128

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46 dia ampahany amin’ny taratasy nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith avy amin’ny fitaomam-panahy tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Ao amin’io ampahany amin’ilay taratasy io ny Mpaminany dia mampianatra ireo fitsipika mikasika ny hery sy ny fahefan’ny Fisoronana. Manazava izy hoe nahoana no maro no voantso kanefa vitsy no voafidy ary ahoana no fomba ahafahan’ireo mpihazona ny fisoronana misintona ny herin’ny lanitra mba hanompoana ny hafa.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–40

Nampianatra i Joseph Smith fa ny zon’ny fisoronana dia mifamatotra amin’ny herin’ny lanitra

Mampisehoa jiro iray tsy mitsofoka amin’ny herinaratra. Makà antoka fa tsy mandeha ilay jiro mba tsy tonga dia handeha avy hatrany izany rehefa atsofoka amin’ny herinaratra. Raha tsy afaka mitondra jiro ianao dia ataovy sary eny amin’ny solaitra tsy miaraka amin’ireo teny ilay sary ampiarahana eto.

Sary
sarin’ny jiro

Hazavao fa ao anatin’ny lesona anio dia maneho ny mpihazona fisoronana iray ilay jiro. Ny hazavana avy amin’ilay jiro dia maneho ireo fitahiana izay azon’ny olona avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa fanompoan’ny mpihazona fisoronana iray. Raha manana jiro ianao dia asio soratra hoe Mpihazona ny fisoronana izany. Raha tsy izany dia soraty eo amin’ny toerana mifanaraka amin’izany io andian-teny io eo amin’ilay kisary.

Rehefa manomboka ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46 ny mpianatra anio dia asao izy ireo hieritreritra ny fiantraikan’ny fahamarinan’ny mpihazona ny fisoronana iray eo amin’ny fahafahany manampy ny olona hafa handray ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana. Hamafiso fa na dia niantefa tamin’ireo mpihazona ny fisoronana aza ireo andininy ireo dia ahitana fitsipika izay mihatra amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra.

Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121 dia ahitana sombiny tamin’ny taratasy nentanim-panahy iray notononin’i Joseph Smith fony izy tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34ny mpianatra iray. Asao ireo mpianatra hijery ilay fanontaniana ao amin’io andininy io.

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina sy hifanakalo hevitra momba ny dikan’ny hoe “voantso” sy ny hoe “voafidy” ho an’ny mpihazona ny fisoronana iray dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nolazain’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ho an’ireo mpihazona ny fisoronana ity:

Sary
Filoha James E. Faust

“Voantso isika rehefa apetraka eo ambonin’ny lohantsika ny tanana ka omena ny fisoronana isika, saingy tsy voafidy isika ambara-panehoantsika amin’ Andriamanitra ny fahamarinantsika sy ny fahatokiantsika ary ny fanoloran-tenantsika” (“Called and Chosen,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 55).

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Faust, inona no dikan’ny hoe “voantso” ho an’ny zatovolahy iray?

Hamafiso fa ny hoe “voantso“ dia tsy mitovy amin’ny hoe “voafidy.” Mba ho lasa iray amin’ireo “voafidin’”Andriamanitra ny mpihazona ny fisoronana iray dia tsy maintsy miaina mba hahatonga azy hisintona ny herin’ny lanitra mba hanampiana ny hafa hahazo ireo fitahian’ny fisoronana.

Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:35–39 dia fantatsika ny antony mahatonga an’ireo mpihazona ny fisoronana sasantsasany tsy ho voafidy. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:35–36 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny lesona tokony hianaran’ny mpihazona ny fisoronana tsirairay.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 36, dia inona no lesona tokony hianaran’ny mpihazona ny fisoronana tsirairay?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ilay lesona ao amin’ny andininy 36andininy 36, dia resaho ilay loharanon’ny herinaratra ao amin’ny efitrano fianarana na ilay kisary eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no andian-teny ao amin’ny andininy 36 izay mety asehon’ny herinaratra? (“Ireo herin’ny lanitra.” Soraty eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay sarina prise ny hoe Herin’ny lanitra na asio marika eo akaikin’ilay tena loharanon’ny herinaratra.)

  • Ao amin’ny andininy 36, inona araka ny hevitrao no tiana ambara amin’ilay andian-teny hoe “ireo zon’ny fisoronana”? (Ireo valinten’ireo mpianatra dia tokony haneho fa ny lehilahy iray dia mahazo ny zo hampihatra ny fisoronana rehefa omena azy amin’ny alalan’ny fametrahan-tànana ny fahefan’ny fisoronana.)

Asio marika hoe Fahefan’ny fisoronana ilay tariby. Raha mampiseho jiro ianao dia asao ny mpianatra iray hanatsofoka ilay tady amin’ny loharanon’ny herinaratra.

  • Nahoana no tsy nirehitra ilay jiro? (Satria novonoina ho faty izany.)

  • Inona no andian-teny ao amin’ny andininy 36 izay mety hampitahaina amin’ny fanapihana jiro? (“Ireo fitsipiky ny fahamarinana.” Hazavao fa io andian-teny io dia entina hilazana ny andraikitra sahanin’ny mpihazona ny fisoronana mba hiaina amim-pahamarinana.)

Asio marika hoe Fitsipiky ny fahamarinana ilay fandrehetana jiro. Asao ny mpianatra iray mba handefa an’ilay fandrehetana jiro.

  • Ao anatin’io fifanahafana io, inona no mampitovy ny fiainana amim-pahamarinana amin’ny fandefasana an’ilay fanapihana jiro?

Asao ny mpianatra hilaza amin’ny teniny manokana ny fitsipika iray ao amin’ny andininy 36. Fintino ny valinteniny amin’ny alalan’ny fanoratana ity fitsipika manaraka ity—na zavatra sahala amin’izany—eny amin’ny solaitrabe: Tsy afaka misintona ireo herin’ny lanitra ireo mpihazona ny fisoronana raha tsy rehefa miaina amim-pahamarinana ihany. Toroy hevitra ireo mpianatra mba hanoratra izany fitsipika izany ao amin’ny soratra masiny.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:37–38 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny zavatra manjo ny fahafahan’ny mpihazona ny fisoronana iray misintona ireo herin’ny lanitra raha tsy miaina amim-pahamarinana izy.

  • Inona no mitranga rehefa tsy miaina amim-pahamarinana ny mpihazona ny fisoronana iray? ((Misintona ireo herin’ny lanitra ka lasa tsy azo ampiasaina ny heriny. Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “hanipaka ny fanindronana” dia entina hilazana ny biby iray izay manohitra ny tahon-javatra maranitra ampiasaina mba hitarihana izany mankany amin’ny toerana tiana hahatongavana iray. Ho antsika, io andian-teny io dia entina hilazana ny fanoherana ny fitarihan’ny Tompo na ny mpanompony.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe dia asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Azo avy amin’ny fanendrena ny fahefan’ny fisoronana. Azo avy amin’ny fahatokiana sy fankatoavana araka ny fiainana ny fanekempihavanana kosa ny herin’ny fisoronana. Mivoatra amin’ny alalan’ny fampiharana sy fampiasana ny fisoronana amim-pahamarinana izany” (“Ny herin’ny fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2010, 9).

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Mampihena ilay fifandraisana Mampatanjaka ilay fifandraisana

Asao ireo mpianatra mba hamerina hamaky mangina ny andininy 35 sy 37 sady hitady ireo fihetsika sy asa tsy mendrika izay mampihena ny fifandraisan’ny mpihazona ny fisoronana amin’ny herin’ny lanitra. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany. Rehefa tapitra ny fotoana sahaza ho an’izany dia asao izy ireo hanao tatitra momba ny zavatra hitany. Asao ny mpianatra iray mba ho mpitantsoratra ka hanoratra ny valinteny eo ambanin’ny “Mampihena ny fifandraisana.” Rehefa voatanisa avokoa ireo valintenin’ireo mpianatra dia vakio ireo ohatra manaraka ireto. Ho an’ny ohatra tsirairay dia asao ireo mpianatra hamantatra ireo fihetsika na asa izay notanisany teny amin’ny solaitrabe.

  1. Mba ho tafaraka amin’ny sasantsasany amin’ireo namany fanta-daza dia miaraka amin’izy ireo ny mpihazona ny fisoronana iray mba hanala ny mpiara-mianatra iray any an-tsekoly.

  2. Tia fanatanjahantena ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra iray ka mandà ny handray anjara amin’ny fandaminana ny fiaraha-mientanan’ny kôlejy izay tsy ahitana baolina kitra na basikety izy. Isaky ny mandray anjara amin’ny fiaraha-mientana na manao asa fanompoana ny kôlejy dia takiny ireo zatovolahy hafa hanao izay lazainy satria izy no filohan’ny kôlejy.

  • Inona no ohatra sasantsasany afaka omenao amin’ny olona izay miezaka ny manafina ny fahotany?

  • Inona ireo ohatra sasantsasany afaka omenao amin’ny olona izay mametraka ny fony amin’ny zavatr’izao tontolo izao sy maniry ny voninahitry ny olombelona?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no manakana an’ireo mpihazona ny fisoronana hisintsona ny herin’ny lanitra ireo fihetsika sy asa ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:39–40 ka asaivo jeren’ny iray kilasy ny antony mahatonga ny olona sasany hampihatra fitondrana tsy marina. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–46

Mampianatra ny fomba tokony hitondran’ireo mpihazona ny fisoronana ny tenany i Joseph Smith

Hazavao fa taorian’ny fampianarana an’ireo fihetsika sy asa izay mampihena ny fifandraisana eo amin’ny mpihazona ny fisoronana sy ny herin’ny lanitra i Joseph Smith nampianatra momba ireo fihetsika sy asa izay mampatanjaka izany fifandraisana izany. Zarazarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary asao ireo mpiara-miasa tsiroaroa hiara-hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:6–10. Asao izy ireo hitady ireo fihetsika sy asa izay manampy an’ireo mpihazona ny fisoronana hisintona ny herin’ny lanitra mba hanampiana ny olon-kafa. (Alohan’ny hamakian’izy ireo dia azonao atao ny manazava fa ao amin’ny andininy 41, ny teny hoe raha tsy dia midika hoe “afa-tsy.”)

Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo. Asao ny mpianatra iray mba ho mpitantsoratra ka hanoratra ny valinteny eo ambanin’ny “Mampatanjaka ny fifandraisana.” Rehefa manao ny lisitr’ireo fitsipiky ny fahamarinana ireo mpianatra dia azonao atao ny mangataka azy ireo hanazava na hanome ohatra momba ny fitsipika tsirairay. Raha ilaina dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe manao zavatra amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy sy tsy misy fihatsarambelatsihy na tsy misy fitaka? (Mety ho toy izao ny valiny: midika izany hoe mitia olona amin-kitsimpo sy amin’ny fo madio ary manana antony marina.) Nahoana no zava-dehibe ho an’ireo mpihazona ny fisoronana ireo toetra ireo?

  • Ao amin’ny andininy 43, ny teny hoe manitsy dia entina hilazana ny filazana amin’ny olona iray fa nanao zavatra tsy nety izy, izay mazàna amin’ny halemem-panahy na hatsaram-panahy. Ireo andian-teny hoe eo no ho eo dia midika hoe “mialoha” na “amin’iny fotoana iny.” Ny teny hoe henjana dia mety azo ilazana ny filàna ny hitenenantsika amin’ny fomba mazava tsara. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana ny manitsy mazava tsara, amin’ny fotoana mety hanaovana izany, sy araka ny fitarihan’ny Fanahy masina? Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny maneho fitiavana sesehena rehefa avy manitsy olona iray? Oviana ianao no nahita tombontsoa tamin’ny fandraisana fanitsiana tahaka izany?

  • Araka ny eritreritrareo, inona no dikan’ny hoe: aoka ny kibonao ho feno fiantrana amin’ny olon-drehetra? (Jereo ny andininy 45.) Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ho an’ireo mpihazona ny fisoronana ny tsara fanahy sy malemy fanahy amin’ny fomba hifaneraserany amin’ny hafa?

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe: aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritsika ny hatsaram-panahy? (Jereo ny andininy 45.) Inona ireo zavatra sasantsasany izay azontsika atao mba hitazonana ny eritreritsika ho tsara?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no mila manaraka an’ireo fitsipiky ny fahamarinana ireo ny mpihazona ny fisoronana mba hisintonana ny herin’ny lanitra?

Resaho ilay teny hoe dia ao amin’ny andininy 45. Hazavao fa io teny io dia manondro ireo vokatry ny fiainana araka ny fitsipiky ny fahamarinana hita ao amin’ny andininy 41–45. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45–46 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady hitady ireo fitahiana izay hirotsaka amin’ireo mpihazona ny fisoronana izay misintona ny herin’ny lanitra amin’ny alalan’ny fiainana amim-pahamarinana. (Alohan’ny hamakian’ireo mpianatra, dia azonao atao ny manazava fa ny tehim-piandrianana dia tehina izay entin’ny mpanjaka na ny mpanjakavavy. Tandindon’ny fahefana sy hery izany.)

  • Inona ireo fitahiana sasantsasany azo avy amin’ny fiainana ireo fitsipiky ny fahamarinana?

  • Eritrereto ny mpihazona ny fisoronana izay fantatrao ka miaina amin’ny fomba izay manampy azy hisintona ny herin’ny lanitra. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fanompoany?

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona. anananao mikasika an’ireo fitahiana izay voarainao tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy ny herin’ny fisoronana. Asao ihany koa ireo mpianatra mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Asao izy ireo mba hisafidy fitsipiky ny fahamarinana iray izay voalaza tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–45 ka hametraka tanjona ny hiaina tsaratsara kokoa an’izany fitsipika izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–37. Ny “zon’ny fisoronana” sy ny “herin’ny lanitra”

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamafy ny filan’ny mpihazona ny fisoronana miaina amin’ny fomba izay sady hananany ny hery no hananany ny fahefan’ny fisoronana:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny herin’ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra ampiasaina amin’ny alalan’ny lehilahy sy zazalahy toa antsika ary izany dia mitaky ny fiainan’ny tena amim-pahamarinana, fahatokiana, fankatoavana ary fikirizana. Mety mandray ny fahefan’ ny fisoronana amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana ny zazalahy na lehilahy iray kanefa tsy hanana ny herin’ ny fisoronana izy raha toa ka tsy mankatò, tsy mendrika na tsy manana faniriana ny hanompo. …

“Ireo mpihazona ny fisoronana tanora sy lehibe dia sady mila fahefana no mila hery—ny fahazoan-dalana ilaina sy ny hery ara-panahy hisoloana tena an’ Andriamanitra ao anatin’ny asan’ny famonjena” (Ireo herin’ny lanitra,” Ensign na Liahona, mey 2012, 49).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34, 40. “Maro no voantso fa vitsy no voafidy”

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny hoe voafidy na lasa voafidy dia tsy toetra miavaka izay nomena antsika. Fa anjarako sy anjaranao amin’ny farany no mamaritra raha toa ka voafidy isika. …

“Mino aho fa mazava tsara ihany ny dikan’ireo andininy ireo [F&F 121:34–35]. Andriamanitra dia tsy manana lisitry ny olona tiana indrindra izay tsy maintsy antenaintsika fa ho ampidirana ny anarantsika indray andro any. Tsy mametra ‘ny voafidy’ amin’ny olom-bitsy Izy. Fa ny fontsika sy ny faniriantsika ary ny fankatoavantsika no mamaritra marina raha toa ka ho isaina ho iray amin’ny voafidin’ Andriamanitra isika” (“The Tender Mercies of the Lord,” Ensign na Liahona, mey 2005, 101).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:43. “Manitsy eo no ho eo amin’ny fomba henjana”

Nampianatra ny Loholona H. Burke Peterson tao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Loholona H. Burke Peterson

“Angamba tokony ho eritreretintsika ny dikan’ny hoe manitsy amin’ny fomba henjana. Ny hoe manitsy amin’ny fomba henjana dia midika hoe manitsy amin’ny fomba mazava, amin’ny fomba hentitra nefa feno fitiavana, amin’ny finiavana marina. Tsy midika izany hoe manitsy amin’ny fanebahana na amin’ny fivazavazana na amin’ny hatezerana sy amin’ny feo milelalela. Ny olona izay manitsy araka ny fitarihan’ny Tompo dia miompana amin’ireo fitsipika fa tsy amin’ny toetra. Tsy manenjika ny toetra na manambany ny olona tsirairay izy.

“Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra tsirairay izay ilana fanitsiana dia tsara kokoa ny fanitsiana mitokana noho ny fanitsiana ampahibemaso. Raha tsy hoe angaha mila bedesina avokoa ny paroasy iray manontolo dia tsaratsara kokoa ny hiresahan’ny eveka amin’ilay olona iray toy izay mampiasa ny fomba fiasa ampahibemaso. Toraka izany koa, manana zo ny ankizy iray na ny vady hanarina mitokana momba ny fahadisoany. Matetika dia masiaka ny fanitsiana ampahibemaso na farafaharatsiny, tsy dia ampy fahendrena” (“Unrighteous Dominion,” Ensign, jolay 1989, 10).