Seminera
Lesona 104: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–16


Lesona 104

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–16

Fampidirana

Tamin’ny 16 sy 17 desambra 1833 dia nandray fanambarana iray mikasika ny fijaliana niainan’ny Olomasina tany Missouri ny Mpaminany Joseph Smith. Horesahina ao anatin’ny lesona telo ity fanambarana ity, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 101. Ity lesona voalohany ity dia ahitana ny fanazavan’ny Tompo ny antony hamelany ny Olomasina hijaly. Ahitany ny toroheviny sy ny teny fampaherezany ho amin’ireo Olomasina nijaly ihany koa izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–8

Manazava ny antony hamelany ny vahoakany hiaina fitsapana ny Tompo

Ataovy sary eo amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ilay sarin-tany ampiarahana eto. Azonao atao ny miresaka ilay sarintany mandritra ny lesona mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fizotry ny tantara ao amin’ny lesona.

Sary
sarintany, Missouri

Hanombohana ny lesona dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona avy no ohatra vitsivitsy tamin’ny fanenjehana izay niainan’ny Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri? (Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra momba ny fanimbana ny trano printy, ny trano ary ny masombolin’ny Olomasina, eo koa ny fandrarahana tara sy volom-borona tamin’i Edward Partridge sy Charles Allen.)

Fintino na vakio izay andinin-tsoratra manaraka izao na angataho ny mpianatra iray mba hamaky izany.

Noho ny herisetra nataon’ny mpihetraketraka tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, tamin’ny volana jolay 1833 dia nanaiky hiala ny fivondronana ireo mpitarika ny Fiangonana tao Missouri. Tamin’ny aogositra 1833 anefa dia nivory mba hifanakalo hevitra momba ny fahasarotana tany Missouri ny filankevitry ny mpitarika ny Fiangonana tany Kirtland. Nandefa toromarika izy ireo fa tsy tokony hamarotra ny taniny na hiala ao amin’ny fivondronana ny Olomasina tao Missouri raha tsy efa nanao sonia fifanekena hanao izany. Nanao fangatahana tamin’ny governemanta ny mpitarika ny Fiangonana, nampiasa ireo fomba ara-dalàna mba hihazonana ny tanin’izy ireo tany Missouri ary nitory ireo izay tompon’andraikitra tamin’ny herisetra. Rehefa naheno izany sy ireo mponina tsy–Olomasin’ny Andro Farany ka nieritreritra fa tsy nihevitra ny hifindra araka izany nantenaina ireo Olomasina dia notafihiny indray ny Olomasina. Tamin’ny alin’ny 31 ôktôbra 1833 dia nisy andian’olona mpihetraketraka teo amin’ny mpitaingin-tsoavaly 50 teo no nandeha nankany amin’ny Toeram-ponenana Whitmer, andrefan’i Independence. Nesorin’izy ireo ny tafon’ny trano miisa 13 ary nokaravasiany ny lehilahy maro ka saika nahafaty azy ireo mihitsy izany. Nitohy nandritra ny roa alina manaraka ireo fanafihana ireo tao Independence sy tamin’ireo toerana hafa izay nipetrahan’ny Olomasina. Novonoina ny lehilahy ary nampitahorina ny vehivavy sy ny ankizy.

  • Inona araka ny eritreritrareo no fanontaniana nananan’ireo Olomasina ireo tamin’izany fotoana izany? (Raha toa mila fanampiana ny mpianatra amin’ny famaliana izany fanontaniana izany dia lazao fa mety nanontany tena ny Olomasina hoe nahoana ny Tompo no namela azy ireo hoenjehina.)

Anontanio ny mpianatra raha toa ka efa nanontany tena izy ireo hoe nahoana ny Tompo no mamela azy ireo na ireo olona fantany hiaina fijaliana.

Hazavao fa rehefa nijaly noho ireo fitsapana ireo ny Olomasina tany Missouri dia nanambara fahamarinana momba ny antony hamelany ny vahoakany hiaina fahoriana ny Tompo. Asao ny mpianatra mba hijery ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 ary hitady ireo daty nahazoan’i Joseph Smith ity fanambarana ity. Avy eo dia asao izy ireo mba hamaky tsara ny ambin’ny sasin-teny ho an’ny fizarana mba hahitana ireo zava-tsarotra fanampiny niainan’ny Olomasina teo anelanelan’ny fanafihan’ny mpihetraketraka tamin’ny 31 ôktôbra sy ireo daty izay nanomezana ity fanambarana ity. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo. (Rehefa avy manao tatitra izy ireo dia azonao atao ny manazava fa Olomasina mihoatra ny 1.000 no noroahina ny tranony tao amin’ny Fivondronan’i Jackson.)

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–2 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony iray namelan’ny Tompo ny Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson mba hiaina fanenjehana sy fahoriana.) Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny andininy 2 momba ny voka-dratsin’ny fandikana ny didin’ Andriamanitra? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hilaza izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Rehefa mandika ny didy isika dia mamela antsika hijaly Andriamanitra.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no manan-danja ny mahatakatra ity fitsipika ity?

Mariho fa na dia nahatoky sy nankatò aza ny Olomasina maro tao Missouri dia mbola nijaly ihany izy ireo noho ny fanenjehana. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:3–5 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony iray hamelan’ny Tompo ny Olomasina mba ho ory na dia ireo Olomasina marina aza. Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe faizina dia midika hoe mitaiza na manitsy ny andian-teny hoe mizaha toetra dia midika hoe mitsapa, ary ny teny hoe manamasina dia midika hoe manao izay hahatonga ny olona iray ho madio na masina.

  • Araka ireo andininy ireo, nahoana ny Tompo no manafay sy mizaha toetra ny vahoakany? (Tokony haneho izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Raha toa ka tsy niaritra famaizana isika dia tsy afaka ny hohamasinina. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Ahoana no manampy antsika ho tonga masina ny famaizana?

  • Ahoana no mety nampiova ny Olomasina tao Missouri noho ilay hafatra ao amin’ireo andininy ireo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra hoe nahoana no manampy antsika ho tonga masina ny famaizana sy ny fizahan-toetra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto teny manaraka izay nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Ankoatra ny fandrisihana antsika hibebaka dia afaka manadio sy manomana antsika amin’ny fahazoana tombontsoa lehibe kokoa ara-panahy ny traikefa azo avy amin’ny fizakana ny famaizana” (“Izay rehetra tiako no anariko sy faizako,” Ensign na Liahona, mey 2011, 98).

Mariho fa naka an’i Abrahama ho ohatra ny Tompo amin’ny olona iray izay nofaizina sy nozahana toetra. Azonao atao ny manasa mpianatra iray mba hamintina fohifohy ny tantaran’i Tompo izay nandidy an’i Abrahama mba hanolotra an’i Isaka zanany lahy hatao sorona (jereo ny Genesisy 22:1–14). Hazavao fa ny fahatokian’i Abrahama nandritra izany fitsapana izany sy nandritra ireo fisedrana hafa dia nanomana azy handray fitahiana ara-panahy lehibe (jereo ny Genesisy 22:15–18). Sariho amin’ireo fitsipika voasoratra eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra.

  • Ahoana no ahafahan’io fitsipika ianao manampy antsika mandritra ireo fotoan-tsarotra?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:6–8 ka hikaroka ireo fahotana nataon’ny sasany tamin’ireo Olomasina tany Missouri izay nitarika ho amin’ny fahorian’izy rehetra. Asaivo manao tatitra amin’ny iray kilasy ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Inona no zavatra ianaranareo avy amin’ny andininy 7–8?

  • Araka ny andininy 8, dia mirona hanao inona ny olona matetika rehefa milamina ny fiainany?

  • Araka ny andininy 8, dia manomboka manao inona ny olona ao anatin’ny fahoriany? Inona araka ny hevitrareo no dikan’ny hoe “mitady” ny Tompo?

Amporisiho ny mpianatra mba hisaintsaina ireo zavatra niainany rehefa nitarika azy ireo hampitodika ny fony amin’ny Tompo ny fisedrana natrehany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:9–16

Manoro hevitra sy mankahery ny Olomasina ny Tompo

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:9 ary angataho ny mpianatra mba hitady hafatra iray mitondra fanantenana nomen’ny Tompo ny Olomasina izay nijaly tany Missouri.

  • Inona no hafatra nomen’ny Tompo ao amin’ny andininy 9 izay afaka manampy antsika rehefa mijaly noho ny vokatry ny fahotantsika isika? (Mety ho samy hafa ny valintenin’ny mpianatra kanefa tokony hahita izao fahamarinana izao izy ireo: Na dia efa nanota aza isika dia hangoraka antsika ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io. Azonao atao ihany koa ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra izany ao anatin’ny Soratra Masina.)

  • Ahoana no ahafahan’izany fahamarinana izany mitondra fanantenana ho antsika?

Angataho ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany Soratra Masina momba izay azon’izy ireo atao mba hampitodihana ny fony amin’ny Tompo ka hiaina ny famindram-pony.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:10–11 amin’ny alalan’ny fanazavana fa na dia namela ny Olomasina hoenjehina aza ny Tompo dia nilaza izy fa hanafay ny olona izay nanenjika azy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto andinin-tsoratra manaraka ireto, ary asaivo mihaino ireo fisedrana fanampiny niainan’ny Olomasina tany Missouri ny mpianatra. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba haka sary an-tsaina izany hoe nanatri-maso na niaina ireo fisedrana ireo izany.

Nanohy nanenjika ny Olomasina ny mpihetraketraka tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ambara-pandroahana tamin-kery ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra tao amin’ny fivondronana. Nanao tatitra i Lyman Wight hoe: “Nahita zaza aman-behivavy sivifolo amby zato nentina nandeha an-tongotra valo amby efapolo kilaometatra nandalo ny lohasaha aho ka lehilahy osaosa telo fotsiny no niaraka tamin’izy ireo, tamin’ny volana nôvambra, rehefa vonton’ny vongan-dranomandry iny ny tany; ary mora tamiko ny nanaraka ny dian’izy ireo tamin’ny rà izay nitsotsorika tamin’ny tongotra maratran’izy ireo teo amin’ny salohim-barin’ny lohasaha nodorana!” (ao amin’ny History of the Church, 3:439).

Nitsoaka tany avaratra ny ankamaroan’ny Olomasina, ka nila niampita ny Reniranon’i Missouri izy ireo. Nitandahatra nanaraka ny sisin’ny renirano teo akaikin’ny sambo ireo mpitsoa-ponenana. Nisy olona sasany tsara vintana ka afaka nitsoaka niaraka tamin’ny sasany tamin’ny fananany tao an-trano, saingy tsy nanana na inona na inona intsony ny ankamaroan’ny olona. Nanoratra i Parley P. Pratt hoe: “Olona an-jatony no hita teny rehetra teny, ny sasany tao anaty lay ary ny sasany teny ankalamanjana nanodidina ny afony, rehefa nirotsaka mafy iny ny orana. Nitady ny vadiny ny lehilahy, nitady ny vadiny ny vehivavy, nitady ny zanany ny ray aman-dreny ary nitady ny ray aman-dreniny ny zanaka. … Tsy hay nofariparitana ny zava-nitranga, ary, mino aho fa izany dia nanohina ny fon’ny olona rehetra teto an-tany, ankoatra ny an’ny mpampijaly anay izay jamba tokoa, ary ny an’ny fiaraha-monina izay sady jamba no tsy nahalala na inona na inona” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 102).

  • Inona tamin’ireo fisedrana ireo no mety ho sarotra manokana ho anao ny nanatri-maso na niaina izany?

  • Ahoana araka ny eritreritrareo no mety ho fihetsika nasehonao raha toa ka niaina fahoriana toy izany ianao? (Azonao atao ny mamela ny mpianatra hisaintsaina izany fanontaniana izany an’eritreritra.)

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:12–16 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo Olomasina mahatoky. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany. Hazavao fa ao amin’ny andininy 12, ilay andian-teny hoe “ny Isiraeliko rehetra” dia milaza ireo izay mahatoky amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara.

  • Inona no fitsipika ianaranareo avy amin’ny andininy  12–16? (Fintino amin’ny fehezan-teny iray eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. Tokony haneho izao fitsipika manaraka izao ny valintenin’izy ireo: Rehefa miaina am-pahamarinana isika dia afaka mahita fampaherezana ao amin’ny fahalalana fa eo am-pelatanan’ny Tompo avokoa ny olona rehetra.)

  • Ao amin’ny andininy 16, inona araka ny eritreritrareo no dikan’ilay didy hoe “mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”?

  • Ahoana no manampy antsika hahazo fampaherezana avy amin’ny Tompo ny hoe “tony”?

Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ireo fotoana izay nahatsapan’izy ireo fiadanana sy nahafantarany fa teo am-pelatanan’ Andriamanitra izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Azonao atao ny mizara traikefa iray nanananao rehefa nahazo fiadanana ianao nandritra ny fotoam-pahoriana.

Amporisiho ny mpianatra mba hitodika hatrany amin’ny Tompo sy hahatoky fa hanao izay tsara indrindra ho antsika Izy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:2. “Ho setrin’ny fandikany ny lalàna”

Mialoha ny nandroahana ny Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson , Missouri dia nahazo fampitandremana maro izy ireo fa hiaritra fahoriana raha toa ka tsy mibebaka. Tamin’ny janoary 1833 ohatra dia nibedy an’i William W. Phelps sy i Sidney Gilbert i Joseph Smith noho “ny toe-tsaina novoizin’ny” taratasy izay nosoratan’izy ireo, izay milaza fa izany toe-tsaina izany dia “nampihena ny tanjak’i Ziona” ka “hanendaka an’i Ziona amin’ny Fitsarana mampitahotra an’ Andriamanitra.” Nandefa taratasy fampitandremana ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana tany Missouri i Orson Hyde sy i Hyrum Smith, tamin’ny alalan’ny fanoratana ho an’ny Eveka Edward Partridge sy ny mpanolotsainy ary ny andiana mpisorona avo nivory nandritra ny fihaonambe iray. Niresaka momba ny taratasy iray avy tamin’i Sidney Gilbert izy ireo izay nahitana “fihevitra ambany sy ratsy ary mamitaka.” Nodisoan’izy ireo ihany koa ny mikasika ny taratasy iray izay nahitana hoe “nikatsaka hery sy fahefana ho mpanjaka” ny Mpaminany. Nampitandrina i Orson Hyde sy i Hyrum Smith fa hiatrika “antambo sy fitsarana” ny Olomasina tao Missouri noho ireo fandikan-dalàna ireo (jereo ny Documents, boky faha-2: jolay 1831–janoary 1833, volume 2 of the Documents series of The Joseph Smith Papers [2013], 367, 373–74).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:5. Ny tanjon’ny “famaizana avy amin’ Andriamanitra”

Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Misy tanjona telo farafahakeliny ny famaizana avy amin’ Andriamanitra: (1) handresena lahatra antsika fa mila mibebaka isika, (2) hanadiovana sy hanamasinana antsika, ary (3) hamerenana antsika amin’ny lalam-piainana izay fantatr’ Andriamanitra fa tsara kokoa ho antsika” (“Izay Rehetra Tiako no Anariko sy Faiziko,” Ensign na Liahona, mey 2011, 98).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:6. “Nisy fifamaliana sy fifandirana”

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa rehefa mikatsaka ny hanangana an’i Ziona isika dia afaka mianatra avy amin’ireo hadisoana nataon’ireo Olomasina tany aloha izay tao Missouri:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Niezaka ny hanangana ny ivontoerana misy an’i Ziona ao Missouri ireo mpikambana tany amin’ny fiandohan’ny Fiangonana teo ambany fitarihan’ny Mpaminany Joseph Smith kanefa tsy mendrika ny hanangana ilay tanàna masina izy ireo. Nanazava ny iray amin’ireo anton’ny tsy fahombiazan’izy ireo ny Tompo:

“‘Nefa indro, tsy nianatra ny ho mpankatò amin’ny zavatra izay notakiako teo an-tanany izy ireo fa feno faharatsiana isan-karazany ary tsy mizara amin’ny fananany ho an’ny mahantra sy ny mijaly eo anivony, araka izay mendrika ny olomasina;

“‘Ary tsy miray hina araka ny firaisan-kina takin’ny lalàn’ny fanjakana selestialy’(F&F 105:3–4).

“‘Indro, lazaiko aminareo, nisy fifamaliana sy fifandirana ary fialonana sy fifanjihirana mbamin’ny faniriana feno fahavetavetana sy fitsiriritana teo anivony; koa nolotoiny tamin’izany ny lovany’ (F&F 101:6).

“Aleo mandinika ny tenantsika mba hijerena raha toa ka mahita fahombiazana kokoa isika toy izay hitsara ireo Olomasina tany am-boalohany.

“I Ziona dia Ziona noho ny toetra sy ny fahatokian’ireo mponina ao aminy. Tadidio fa, “nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ny vahoakany, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy nahantra teo anivony” (Mosesy 7:18 Raha te-hanorina an’i Ziona isika ao an-tokantranontsika, any amin’ny sampantsika, ny paroasintsika, ny tsatòkantsika, dia tsy maintsy manatanteraka izany fitsipika izany. Ilaina ny (1) lasa miray fo sy saina; (2) lasa vahoaka masina, na ny tsirairay na ny daholobe; (3) mikarakara ny mahantra sy ny sahirana aminʼny fomba mahomby mba hamongorana ny fahantrana eto anivontsika. Tsy afaka miandry anʼi Ziona ho tonga isika vao hanao ireo zavatra ireo—Tsy ho tonga i Ziona raha tsy mitranga ireo” (Come to Zion,”Ensign na Liahona, Nov. 2008, 37–38).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16. “Eo an-tanako ny nofo rehetra; mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”

Niresaka momba ny fotoana iray izay nahazoany fankaherezana tamin’ny alalan’ireo fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16 ny Filoha Gordon B. Hinckley:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Vao haingana izay raha nitolona tao an-tsainy tamin’ny olana iray izay noheveriko fa hanana voka-dratsy goavana aho dia nandohalika nivavaka aho. Tonga tao an-tsaiko ny fahatsapana fiadanana sy ireo tenin’ny Tompo hoe: ‘Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.’ Naka Soratra Masina aho ary namaky ity fanambarana manome toky ity izay nolazaina tamin’ny Mpaminany Joseph Smith 150 taona lasa izay: ‘Koa aoka hionona ny fonareo momba an’i Ziona; fa eo an-tanako ny nofo rehetra; mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.’ (F&F 101:16.)

“Manatanteraka zavatra araka ny volavolan-kevitra lehibe azy manokana Andriamanitra. Eo an-tanako ny nofo rehetra. Tsy manana zo hanoro hevitra Azy isika. Andraikitsika sy fahafahana ho antsika ny hanana fiadanana ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika, ka hahafantatra fa Izy no Andriamanitra, fa asany ity ary tsy hamela izany tsy hahomby Izy.

“Tsy mila matahotra isika. Tsy mila miahiahy isika. Tsy mila mamolavola hevitra isika. Ny zavatra tena ilaintsika dia ny ho hita eo am-panaovana ny adidy antsika manokana amin’ny antso izay nomena antsika. Ary satria mandeha amim-pinoana sy miasa miaraka amin’ny fahazotoana ny Olomasin’ny Andro Farany, amin’ny ankapobeny, dia tsy mitsaha-mitombo mihamafy hatrany ny Fiangonana” (“He Slumbers Not, nor Sleeps,” Ensign, mey 1983, 6).

Nanazava ny dikan’ny hoe eo an-tanan’ Andriamanitra ny Loholona W. Craig Zwick:

Sary
Loholona W. Craig Zwick

“Ny hoe eo an-tanan’ Andriamanitra dia tsy maneho fotsiny ihany hoe mikarakara antsika amim-pitandremana Andriamanitra fa voatandrina sy voaro isika amin’ny alalan’ny hery mahagagany.

“Ahitana andinin-tsoratra masina maro miresaka momba ny tanan’ny Tompo manerana ny Soratra Masina. Hita porofo hatrany hatrany ny fanampiana masiny. Namorona tontolo maro ny tanany mahery kanefa mbola feno halemem-panahy ihany ireo tanany mba hitsodrano ny ankizy madinika” (“The Lord Thy God Will Hold Thy Hand,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 34).