Seminera
Lesona 29: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21


Lesona 29

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21

Fampidirana

Natsangana tamin’ny fomba ôfisialy, teo ambany fitarihan’ny Mpaminany Joseph Smith Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, tamin’ny 6 aprily 1830 tao an-tranon’i Peter Whitmer rainy tao Fayette, New York. Teo ho eo amin’ny 60 ny isan’ny olona nanatrika ilay fivoriana, izay nahitana vavaka, fanohanana, fanokanana, fikarakarana ny fanasan’ny Tompo ary fandraisana ho mpikambana. Tao amin’io fivoriana io no nandraisan’i Joseph Smith ilay fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21. Ato anatin’ity fanambarana ity ny Tompo dia nanambara ny antso sy ny andraikitr’i Joseph Smith ary nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hihaino ny tenin’i Joseph.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–3

Notendrena ho mpaminany sy mpahita an’ny Fiangonana i Joseph Smith

Angataho ny mpianatra hihira ny “Misaotra Anao noho ny mpaminany” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 72) ho fanombohana na famaranana ny fotoana. Rehefa manomboka ity lesona ity ianao dia resaho io hira io ary apetraho ity fanontaniana manaraka ity :

  • Inona avy ireo antony izay hahatsapanao fankasitrahana noho ny mpaminany?

Hazavao amin’ireo mpianatra fa mandritra ny fandalinan’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 dia hianatra ireo fahamarinana izay afaka mampitombo ny fahatakarany ny anjara asan’ireo mpaminany izy ireo. Mba hizarana amin’ny mpianatra ny sasany amin’ireo sahan-kevitra ara-tantara momba ity fanambarana ity dia fintino ilay fampahalalana nomena ao amin’ny fampidirana ity lesona ity.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo anarana izay hahafantarana an’i Joseph Smith. Avy eo dia asaivo manao tatitra momba ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Inona no dikan’ny hoe niantso an’i Joseph Smith mba ho mpahita ny Tompo?

  • Inona no dikan’ny hoe niantso an’i Joseph Smith mba ho mpaminany ny Tompo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra an’ireo anarana fiantsoana ireo sy ny andraikitra miaraka amin’izany dia asao ny mpianatra roa hamaky mafy ity famaritana manaraka mikasika ny mpahita sy ny mpaminany ity. Angataho izy ireo hamaky miadana ny fehezanteny tsirairay ary hiato kely any amin’ny fiafaran’ny fehezanteny tsirairay. Asao ny mpianatra sisa hihaino ireo fehezanteny izay manan-danja amin’izy ireo mba hahafahany miomana hanazava ny antony maha-manan-danja izany.

Sary
Loholona John A. Widtsoe

“Ny mpahita dia olona iray izay mahita amin’ny maso ara-panahy. Mahatakatra ny hevitry ny zavatra izay toa maizina [tsy mazava na miafina amin’ny] hafa izy; noho izany dia mpandika sy mpanazava ny fahamarinana mandrakizay izy. Mahita mialoha ny hoavy izy raha miainga avy any amin’ny lasa sy ny ankehitriny. Amin’ny herin’ny Tompo no anaovany izany, izay miasa amin’ny alalany amin’ny fomba mivantana, na amin’ny fomba ankolaka amin’ny alalan’ny fanampian’ny fitaovana masina toy ny Orima sy Tomima. Raha fintinina dia olona iray mpahita izy, izay mandeha ao amin’ny fahazavan’ny Tompo amin’ny maso tena mibanjina tsara” (John A. Widtsoe, Evidences and Reconciliations, arr. G. Homer Durham, 3 vols. in 1 [1960], 258).

Ny mpaminany dia “olona izay nantsoin’ Andriamanitra sy miteny ho Azy. Mandray didy, faminaniana ary fanambarana avy amin’ Andriamanitra ny mpaminany amin’ny maha-mpitondra hafatr’ Andriamanitra azy. Ny adidiny dia ny mampahafantatra amin’ny olona ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny tena toetran’ Andriamanitra ary koa ny maneho ny hevitry ny fifandraisany amin’izy ireo. Miampanga ny fahotana ny mpaminany ary manambara mialoha ny vokatra aterany. Mpitory fahamarinana izy. Indraindray dia entanim-panahy ny mpaminany hanambara mialoha ny hoavy, mba ho tombontsoan’ny olombelona ; kanefa ny andraikiny voalohany dia ny mijoro ho vavolombelon’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpaminany,” scriptures.lds.org).

Rehefa voavaky ny famaritana tsirairay dia manasà mpianatra maromaro hanazava hoe inona avy ireo fehezanteny nanaitra azy ireo.

Alohan’ny hanohizana ny lesona dia mety hanampy ny firesahana fohy amin’ny mpianatra ireto famaritana manaraka ireto izay mikasika ireo anarana hafa omena ao amin’ny andininy voalohany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:

Mpandikateny: olona izay (1) milaza amin’ny fiteny iray, amin’ny voambolana mitovy aminy na (2) fanatsarana na fanitsiana dikanteny efa misy amin’ny fiteny iray, na koa famerenana indray ny asa soratra iray very izany (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mandika teny,” scriptures.lds.org).

Apôstôly: vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao (jereo ny Bible Dictionary, “Apostle”).

Loholona: “anarana omena ireo rehetra izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka” sy omena ny olona iray izay nantsoina ho misiônera amin’ny fotoana feno ho an’i Jesoa Kristy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Loholona”).

  • Ahoana no hanampian’ireo anarana nomena an’i Joseph Smith anao hahatakatra ny andraikitra manan-danja nananany tamin’ny Famerenana tamin’ny laoniny?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:2–3 mba hitady ny zavatra nitaoman’ Andriamanitra ny fanahin’i Joseph Smith mba hataony. Angataho ireo mpianatra hilaza ny zavatra nianarany. (Ny mpianatra dia tokony hilaza ilay fahamarinana hoe Nitarika an’i Joseph Smith Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja amintsika ny mahafantatra fa nantsoin’ Andriamanitra i Joseph Smith mba hamerina amin’ny laoniny sy hitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?

Sary
Mpaminany Joseph Smith

Ampisehoy ny mpianatra ny sary Rahalahy Joseph (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 87; jereo koa ny LDS.org) ary mijoroa ho vavolombelona ny amin’ilay fahamarinana noresahinao tetsy ambony.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–9

Tokony hihaino ny tenin’i Joseph Smith ireo mpikamban’ny Fiangonana

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa tamin’ny andro nananganana ny Fiangonana no nanomezan’ny Tompo io fanambarana io. Ny fanomezana io fanambarana io tamin’io andro io dia manome lanja manokana izany andro izany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto teny sy andian-teny manaraka ireto, izay nalaina tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–5 (aza soratana ireo famaritana ao anaty fononteny):

ny fiangonana (ireo mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny andron’i Joseph Smith sy amin’izao androntsika izao)

teniny (indrindra fa i Joseph Smith, fa mety ilazana ihany koa an’ireo Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao)

teny sy didy (azo ilazana ny fampianarana sy ny torohevitr’ireo mpaminany rehetra, anisan’izany ireo fampianarana manokana nomen’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany)

amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra (mety hidika fa afaka mahatoky tanteraka ireo fampianaran’ny mpaminany isika, fa tsy tokony hitsikera azy isika, fa tokony hanaraka ny toroheviny isika na dia mety manana tsy fahatanterahana aza ny tenany manokana, ary tokony hiandry amim-paharetana ireo fampanantenana nampanantenaina isika)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–5 ary hisaintsaina ny dikan’ireo teny sy andian-teny eo amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia anontanio azy ireo ny fomba mety hamaritany ireo teny sy andian-teny ireo. Azonao atao ny mampiasa ireo famaritana ao anatin’ireo fononteny mba hitarihana ny fifanakalozan-kevitra. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–5 dia iza amin’ireo fampianaran’ny mpaminany no tokony hohenointsika? (Tokony hihaino “ny teniny rehetra sy ny didy rehetra” isika.)

  • Nahoana no mety mitaky faharetana sy finoana indraindray ny mihaino ireo tenin’ny mpaminany?

  • Ahoana no hanampiana anao handray ny tenin’ny mpaminany “amin’ ny faharetana sy ny finoana rehetra” amin’ny alalan’ny fahafantaranao fa mandray torohevitra sy didy avy amin’ny Tompo ny mpaminany? (F&F 21:5).

Asao ny mpianatra tsirairay hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6 mba hitady fitahiana miisa telo omena ireo izay mandray ny tenin’ny mpaminany amin’ny faharetana sy ny finoana. (Azonao hazavaina fa hevitra iray fonosin’ny teny hoe mampihozongozona ny manala na mamoaka zavatra iray avy eo amin’ny fototra iray na fitoeran-javatra iray. Araka izany dia fomba iray hilazana io andininy io amin’ny fomba hafa ny hoe rehefa mihozongozona “mba ho soa ho [antsika]” ny lanitra dia “avoaka” sy arotsaka ho eo amin’ireo izay manaraka ireo mpaminany velona ireo fanambarana sy ireo fitahiana.)

  • Ahoana no hamintinanao ireo fampanantenana nomena ireo izay mihaino ny tenin’ny mpaminany? (Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany, kanefa tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha mihaino ny tenin’ny mpaminany isika dia hiaro antsika amin’ny fahoriana Izy. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Amin’ny fomba ahoana no “hampihahaka ny herin’ ny haizina” amin’ny fihainoana ny temin’ny mpaminany?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ilay fitsipika vao hitan’izy ireo dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky mafy ity ampahan-dahatsoratra momba ny fampiarahana ity (na ampahan-dahatsoratra hafa izay fidinao) izay nalaina tao amin’ny Ry Tanora Mahereza. Asaivo mihaino tsara ny mpianatra sisa ary hamantatra ilay torohevitry ny mpaminany sy ireo fitahiana nampanantenaina. Rehefa avy mamaky ilay mpianatra dia asao ny mpianatra rehetra hilaza ny zavatra hitany.

“Ny fampiarahana dia zavatra atao izay omanina ary manome fahafahana ny zatovolahy sy ny zatovovavy iray hifankafantatra bebe kokoa. Ao amin’ireo tany manana fomba amam-panao izay hanekena ny fampiarahana dia mety hanampy anao hampihatra ny talentanao eo amin’ny lafin’ny fiaraha-monina izany, hampitombo ny finamanana, hanaovana fialam-boly mahasoa, ary hahita namana ho vady mandrakizay amin’ny farany.

“Aza mampiaraka raha tsy efa feno 16 taona ianao farafahakeliny. Rehefa manomboka mampiaraka ianao dia miaraha amin’ny olon-droa iray hafa na maromaro. Aza mampiaraka matetika amin’ny olona iray. Ny fikolokoloana fifandraisana matotra aloha loatra dia hametra ny isan’ny olona hofantarinao ary mety hitarika amin’ny fahalotoam-pitondrantena. Asao ireo ray aman-dreninao mba hifankahalala amin’ireo izay mampiaraka aminao.

“Ireo izay manaraka fitsipi-pitondrantena ambony ihany sy ireo izay ahafahanao mitandrina ny fitsipika arahinao no safidio hampiarahana. Tadidio fa ny zatovolahy iray sy ny zatovovavy iray mampiaraka dia tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny haja sy ny fahadiovan’ny tsirairay” (Ry Tanora Mahereza [bokikely, 2011], 4; jereo koa ny LDS.org).

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no notahiana noho ny fihainoana ny teny sy ny didin’ny mpaminany velona?

Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo mba hangatahana ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6. Omeo toky izy ireo fa rehefa mihaino amim-pahazotoana ny tenin’ny mpaminany izy ireo dia hahazo fitahiana lehibe maro amin’izao fotoana izao sy amin’ny mandrakizay.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:7–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo faniriana tsara sy fitondrantenan’ny Mpaminany Joseph Smith.

  • Inona no ianarantsika mikasika ny Mpaminany Joseph Smith avy amin’ireo andininy ireo?

  • Ahoana araka ny eritreritrareo no mampitombina an’ireo andininy ireo amin’ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:10–12

Nekena mba ho loholona sy mpitoriteny i Oliver Cowdery

Tantarao amin’ny mpianatra fa nandritra ilay fivoriana voalohany nataon’ny Fiangonana dia natokan’ny Mpaminany Joseph Smith ho loholona i Oliver Cowdery ary natokan’i Oliver Cowdery ho loholona ny Mpaminany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:10–12.

Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny andininy 10 dia miantso an’i Oliver Cowdery hoe “apôstôliko” ny Tompo (jereo koa ny F&F 20:2–3). Hazavao fa amin’ny teny grika, ny hevitry ny teny hoe apôstôly dia “ilay nirahina” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Apôstôly,”scriptures.lds.org). Nirahin’i Jesoa Kristy i Oliver Cowdery ary nodidiana mba hijoro ho vavolombelon’ny Mpamonjy. Na dia nomena ireo andraikitra sahanin’ny apôstôly aza i Oliver dia tsy mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy. Na izany aza dia nanampy tamin’ny fitadiavana ireo lehilahy nantsoina ho mpikambana tao amin’izany kôlejy izany izy rehefa naorina izany tamin’ny 1835.

Farano ny lesona androany amin’ny alalan’ny famporisihana ireo mpianatra hanatanteraka izay bitsiky ny Fanahy azon’izy ireo mikasika ireo fomba azon’izy ireo hitondrana ny anaran’ny Tompo sy hisolo tena ny Fiangonana ao amin’ireo fianakaviany sy ao amin’ny fiaraha-moniny ary eto amin’izao tontolo izao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21. Ny fitantaran’i Joseph Smith ny faha 6 aprily 1830

Mahakasika ireo zava-nitranga tamin’ny 6 aprily 1830, rehefa natsangana tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana, dia hoy ny Mpaminany Joseph Smith:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Natobaka taminay ny Fanahy Masina—ny sasany dia naminany nandritra ny fotoana izay nideranay rehetra ny Tompo ary nifaly fatratra tokoa” (Enseignements des présidetns de l’Église: Joseph Smith [2007], 138).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21. Fahatsiarovan’i Joseph Knight ny 6 aprily 1830

I Joseph Knight rainy dia nirakitra an-tsoratra ny fifaliana tsapan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’io andro mendrika ny hotsarovana io, rehefa natao batisa ny rainy dia i Joseph Smith rainy izany:

“Zavatra iray no tiako holazaina mikasika io hariva io [rehefa] [natao] batisa Rahalahy Smith rainy sy i Martin Harris. Nanenika an’i Joseph tamin-kery lehibe ny Fanahy tamin’ny fahitany ny rainy sy andriamatoa Harris ka dia … diboky ny … hafaliana izy ary tsy nahatombina mba haneho izany fifaliany izany. Nandeha nivoaka matetika tany an-tokotany izy ary hita toy ny hoe te hitokana mba tsy ho hitan’ny olona dia hitomany ary toy ny hoe heniky ny hafaliana izay toa hampiala ny ainy mihitsy. … Izy no hitako fa tena niasan’ny Fanahy indrindra mihoatra ny olona rehetra izay hitako. Kanefa toa feno ny fifaliany. Araka ny fahitako azy dia nahita ilay asa lehibe efa natombony izy ary naniry ny hanohy izany” (araka izay voalaza ao amin’ny Dean Jessee, “Joseph Knight’s Recollection of Early Mormon History,” BYU Studies, vol. 17, no. 1 [1976], 37; fanoratra sy renisoratra natao araka ny teny iraisana).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5. “Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ ny vavako ireny”

Nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny mpaminany velona sy ny Filohan’ny Fiangonana ny Filoha Ezra Taft Benson:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Mba hanampiana anao hiatrika ireo fitsapana miteraka fanapahan-kevitra eo anoloanao dia hanome anao ny lafiny maro amin’ny vahaolana manan-danja iray aho androany izay, raha hajainao, dia hahatonga anao hahazo ny voninahitr’ Andriamanitra sy hamoaka anao ho mpandresy na dia eo aza ny herin’i Satana.

“… Indro ary ilay vahaolana manan-danja—manaraka ny mpaminany—ary ireto misy fitsipika fototra miisa efatra ambin’ny folo amin’ny fanarahana ny mpaminany, ilay Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. …

“Voalohany : Ny mpaminany no hany lehilahy miteny ho an’ny Tompo mikasika ny zava-drehetra.

“Faharoa: Hery lehibe kokoa ho antsika ny mpaminany velona noho ireo soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana.

“Fahatelo: Manan-danja bebe kokoa amintsika ny mpaminany velona iray noho ny mpaminany maty iray.

“Fahefatra: Tsy hitondra ny Fiangonana any amin’ny lalan-diso mihitsy ny mpaminany.

“Fahadimy: Tsy takina ny hanarahan’ny mpaminany fiofanana eto an-tany na ny hananany mari-pahaizana vao afaka hiresaka momba ny lohahevitra iray na hanaovana zavatra na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.

“Fahenina: Ny mpaminany dia tsy mila miteny hoe: ‘Izao no nolazain’ny Tompo’ rehefa manome soratra masina ho antsika.

“Fahafito: Ny mpaminany dia miteny izay zavatra tokony ho fantatsika fa tsy izay zavatra tiantsika ho fantatra foana.

“Fahavalo: Tsy voafetran’ny fisainan’olombelona ny mpaminany.

“Fahasivy: Afaka mahazo fanambarana mikasika ny lohahevitra rehetra ny mpaminany, na ara-batana izany na ara-panahy.

“Fahafolo: Afaka misahana ny mikasika ny fiainam-pirenena ny mpaminany.

“Fahiraika ambin’ny folo: Ireo vondron’olona roa izay manana fahasahiranana lehibe indrindra eo amin’ny fanarahana ny mpaminany dia ny olona miavona izay manam-pahaizana ary ny olona miavona izay manan-karena.

“Faharoa ambin’ny folo: Tsy voatery ho fantatr’izao tontolo izao na hifanaraka amin’ny fiainan’ izao tontolo izao ny mpaminany.

“Fahatelo ambin’ny folo: Ny mpaminany sy ny mpanolotsainy no mitambatra ho Fiadidiana Voalohany—izay kôlejy ambony indrindra ao amin’ny Fiangonana.

“Fahefatra ambin’ny folo: Ny mpaminany sy ny fiadidiana—ny mpaminany velona sy ny Fiadidiana Voalohany—araho izy ireo dia hotahiana ianao; ahilio izy ireo dia hijaly ianao” (“Fourteen Fundamentals in Following the Prophet” [Lahateny natao tamin’ny fampaherezam-panahy tao Brigham Young University, 26 feb. 1980], 1, 6, speeches.byu.edu).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5–6. “Amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra”

Nanazava ny hasarobidin’ny fihainoana ny torohevitry ny mpaminany ny Filoha Harold B. Lee, na rehefa tsy mitovy amin’ny toroheviny aza ny fihevitsika:

Sary
Filoha Harold B. Lee

“Ny hany fiarovana ananantsika amin’ny maha-mpikambana antsika ato amin’ity fiangonana ity dia ny manao izay nolazain’ny Tompo tamin’ny Fiangonana tamin’ilay andro izay nananganana ny Fiangonana. Tokony hianatra hihaino ny teny sy ny didy omen’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny isika, ‘araka ny handraisany azy ireny, amin’ny fandehanana amin’ny fahamasinana tanteraka eo anoloako; … toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra’ (F&F 21:4–5). Hisy ireo zavatra sasantsasany izay ilàna faharetana sy finoana. Mety tsy ho tianareo ny zavatra lazain’ireo manam-pahefana ambonin’ny Fiangonana. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinao ara-pôlitika izany. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareo ara-piaraha-monina izany. Mety hisalovana ny fiainanareo eo amin’ny fiarahamonina izany. Saingy rehefa mihaino ireo zavatra ireo ianareo, toy ireny hoe avy amin’ny vavan’ny Tompo ireny mihitsy, amin’ny faharetana sy amin’ny finoana, ny fampanantenana dia hoe: ‘ny vavahadin’ ny helo dia tsy haharesy anareo; eny, ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ ny haizina eo anoloanareo ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany’ (F&F 21:6)” (Enseignements des présidents de l’Église: Harold B. Lee [2000], 84–85; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana : Boky torolalana ho an’ny mpianatra, boky navoaka faha-2 [Boky torolalan’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001], 45).

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Zava-dehibe ry rahalahiko sy anabaviko ny manana mpaminanin’ Andriamanitra eo anivontsika. Fitahiana lehibe sy mahatalanjona no tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa mihaino ny tenin’ny Tompo izay omeny antsika amin’ny alalan’ny mpaminany isika. Ny fahafantarana fa [ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao] dia mpaminanin’ Andriamanitra dia manome antsika andraikitra ihany koa. Tokony ho eny sy eo no ho eo ny valintenintsika rehefa maheno ny torohevitry ny Tompo izay ambarany amin’ny alalan’ny tenin’ny Filohan’ny Fiangonana isika. Ny tantara dia naneho fa misy fiarovana, fiadanana, firoboroboana, ary fahasambarana avy amin’ny fanatanterahana ny torohevitry ny mpaminany tahaka ny nataon’i Nefia fahiny hoe: ‘Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo’” (His Word Ye Shall Receive,”Ensign, mey 2001, 65).