Seminera
Lesoona 152: Ny Fivoahan’ny Voahangy Lafo Vidy


Lesona 152

Ny Fivoahan’ny Voahangy Lafo Vidy

Fampidirana

Tamin’ny taona 1851, ny Loholona Franklin D. Richards, mpikambana iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy filohan’ny Misiôna Britanika dia namoaka fanambarana sy dikanteny ary asa soratra maro nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ka niantso izany zavatra voangona izany hoe Voahangy Lafo Vidy. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana ôktôbra 1880, dia nanaiky ny Fiangonana fa ny Voahangy Lafo Vidy dia anisan’ny soratra masina—ekena ao amin’ny Fiangonana. “Ny Voahangy Lafo Vidy dia fantina avy amin’ireo lahatsoratra notsongaina mikasika ireo lafiny manan-danja maro momba ny finoana sy ny fotopampianaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (Teny fanolorana ny Voahangy Lafo Vidy).

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny fivoahan’ny Voahangy Lafo Vidy

Manehoa na manaova sarina voahangy iray. Anontanio ireo mpianatra raha fantatr’izy ireo hoe vita amin’inona ireo voahangy. Raha tsy mahalala izy ireo dia hazavao fa ny voahangy dia vokatra avy amin’ny akoran-dranomasina misy nofiny fihinana iray rehefa mikasokasoka amin’ny zavatra hafa ivelany, tahaka ny vovo-fasika izany. Ilay akoran-dranomasina dia mamorona zavatra izay mihodidina ny vovoka, izay avy eo mamorona ny voahangy. Ireo voahangy voa-janahary dia sarotra hita ary voasokajy ho sarobidy.

Sary
Voahangy ao anaty akoran-dranomasina

Hazavao fa anio ireo mpianatra dia hianatra mikasika ny fiavian’ny boky soratra masina izay mitondra ny lohateny hoe ny Voahangy Lafo Vidy. Ho hitan’izy ireo ny antony maha sarobidy ny Voahangy Lafo Vidy.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny teny fanolorana ny Voahangy Lafo Vidy. Asao ny iray kilasy hikaroka hoe inona no votoatin’ny Voahangy Lafo Vidy. Alohan’ny hamakian’izy ireo, dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe gazety mivoaka isam-potoana voafetra dia milaza gazety na gazety boky—na famoahana izay avoaka isam-potoana voafetra toy ny hoe isan’andro, na isan-kerinandro, na isam-bolana.

  • Amin’ny fomba ahoana, araka ny hevitrao, no mahasarobidy sy tsy manam-paharoa ny Voahangy Lafo Vidy?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andiam-pehezan-teny faharoa ao amin’ny teny fanolorana. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny iray kilasy ary hikaroka hoe nahoana no natambatra ny Voahangy Lafo Vidy? Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany.

Fintino ny andiam-pehezan-teny fahatelo ao amin’ny teny fanolorana amin’ny fanazavana fa hatramin’ny fanontàna voalohany ny Voahangy Lafo Vidy dia nisy votoatiny sasantsasany nampidirina na nafindra. Ny votoatiny sasany dia nampiana ary taty aoriana nafindra tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fiatombohan’ny andian-tsoratra ahitana ny andian-teny hoe “Fantina avy amin’ny Bokin’i Mosesy.” Asao ny mpianatra rehetra mba hikaroka ny fomba nandraisan’i Joseph Smith ny fanambarana ao amin’io boky io.

Asao ireo mpianatra mba hijery haingana ny bokin’i Mosesy ary hitady farafahakeliny andininy iray izay ahitana fahamarinana izay sokajian’izy ireo fa sarobidy. Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ireo mpianatra mba hizara ny andininy hitan’izy ireo amin’ny mpianatra iray hafa na amin’ny kilasy iray manontolo.

Asao ireo mpianatra mba hiverina indray any amin’ny teny fanolorana ny Voahangy Lafo Vidy. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fiatombohan’ny andiam-pehezan-teny misy ny andian-teny hoe “Ny Bokin’i Abrahama.” Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny fomba nahazoan’i Joseph Smith ireo soratra ao amin’ny Bokin’i Abrahama ireo. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

Mba hanampiana amin’ny fanazavana ny fomba nahazoan’i Joseph Smith ireo soratra fahiny ao amin’ny Bokin’i Abrahama ireo dia vakio na manasà mpianatra iray mba hamaky ity manaraka ity:

“Tamin’ny 3 jolay 1835 dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Michael Chandler nitondra faty voavoatra tsy ho lo Egyptiana efatra ary papiriosy maron’ireo lahatsorana Egyptiana tao Kirtland, Ohio. Ireo faty maina notehirizina sy ny papiriosy dia hita tany Egypta taona maro taloha tany tamin’ny alalan’i Antonio Lebolo. Iray tamin’ireo toerana nijanonana tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia tamin’ny fampisehoan’i Chandler ny faty maina notehirizina i Kirtland. I Chandler dia nivarotra ireo faty maina notehirizina sy ireo horonam- papiriosy ary tamin’ny famporisihina nataon’ny Mpaminany Joseph Smith dia mpikamban’ny Fiangonana maro no nanao fanomezana mba hividianana azy ireo. Tamin’ny fanambarana natao ny 5 jolay 1835, dia nanambara ny maha-manan-danja ireo soratra Egyptianina ireo i Joseph Smith ary nilaza hoe: ‘Nanomboka ny fandikana ny sasany tamin’ireo hierôgilifa aho, ary akory ny hafalianay fa ny iray tamin’ireo horonam-papiriosy dia nahitana ny Bokin’i Abrahama. … Afaka milaza marina isika fa manomboka manambara ny fitobahan’ny fiadanana sy ny fahamarinana ny Tompo’ (History of the Church, 2:236)” (The Pearl of Great Price Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2000], 28).

Ny sasany dia nanontany tena hoe ahoana no nandikan’ny Mpaminany ireo soratra fahiny ireo. Hazavao fa “ny Mpaminany Joseph Smith dia tsy nilaza mihitsy ny fomba nandikany ireo rakitsoratra ireo. Toy ny amin’ireo soratra masina ananantsika rehetra hafa dia ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ireo soratra ireo dia mikasika ny finoana voalohany indrindra. Ny porofo lehibe indrindra ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Abrahama dia tsy hita ao anatin’ny fanadihadiana ara-java-miseho na ara-tantara fa ao anatin’ny fandinihana ombam-bavaka ny votoatiny sy ny heriny” (The Pearl of Great Price Student Manual, 28). Na dia tsy mahafantatra mazava tsara aza isika ny fomba nampiasain’i Joseph Smith tamin’ny fandikana ireo soratra ireo dia fantatsika fa nandika ny Bokin’i Abrahama tamin’ny alalan’ny fanomezana sy herin’ Andriamanitra izy.

  • Nahoana no manan-danja ny mandray fijoroana ho vavolombelona ara-panahy ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Abrahama?

Amin’ny ampahany manaraka amin’ny lesona dia diniho ny fanasana mpianatra roa mba hankany aloha ary hilalao ny Mpanao gazety: mametraka fanontaniana ny Olona lalim-pahaizana: iray izay nanokana ezaka lehibe tamin’ny fianarana ny votoatiny sy ny fiavian’ireo boky ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Angataho izy ireo hamaky ity tantara manaraka ity:

Mpanao gazety:Nahoana no nila nandika ireo rakitsoratr’i Abrahama i Joseph Smith na dia tsy tamin’ny andron’i Abrahama aza no nanaovana ireo sora-tanana ireo?

Olona lalim-pahaizana:Ny Mpaminany Joseph Smith dia tsy mbola nilaza mihitsy fa ny papiriosy dia soratr’i Abrahama. Ny zavatra nolazainy dia ny hoe ny Bokin’i Abrahama no ‘dikan-tenin’ireo raki-tsoratra fahiny izay tonga teo an-tanantsika avy amin’ny fasana tany Egypta, izay voalaza ho toy ny hoe soratr’i Abrahama nandritra ny naha tany Egypta azy” (Times and seasons, 1 mar. 1842, 704).

“Tamin’ny 1966 dia hita tao amin’ny Metropolitan Museum of Art (Tranom-bakoka momba ny taozavatra) ao New York City ny silaka papiriosy 11 izay efa nananan’ny Mpaminany Joseph Smith taloha. Nomena ny Fiangonana ireo ary nofakafakain’ireo Olona lalim-pahaizana: izay nilaza fa tamin’ny 100 taona talohan’i J.K. sy 100 taona taorian’i J.K. no datiny. Fanoherana niraisana mikasika ny fahamarinan’ny Bokin’i Abrahama dia ny hoe ilay horonan-tsoratra dia tsy dia antitra loatra ka tsy afaka nosoratan’i Abrahama izay niaina efa ho arivo taona talohan’i Kristy. I Joseph Smith dia tsy nilaza mihitsy fa hoe misy sonia ilay papiriosy (nosoratan’i Abrahama izy tenany), na hoe tamin’ny andron’ny Abrahama izy ireny. Tena efa mahazatra ny milaza fa ny asa soratry ny mpanoratra iray dia ‘azy na izy tenany no nanoratra izany, na notononina amin’ny hafa izany, na nadikan’ny olona hafa taty aoriana” (The Pearl of Grear Price Student Manual, 28).

Mpanao gazety:Inona no nataon’i Joseph Smith tamin’ny dikan-teniny?

Olona lalim-pahaizana:Ny bokin’i Abrahama tany am-piandohana dia navoaka tsikelikely tao amin’ny Times and Seasons, izay gazetin’ny Fiangonana, nanomboka tamin’ny martsa 1842 tao Nauvoo, Illinois (jereo ny [teny fanolorana] ny Voahangy Lafo Vidy ao amin’ny fiatombohan’ny Voahangy Lafo Vidy). Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith fa izy dia mbola hamoaka maro amin’ny Bokin’i Abrahama aoriana kely kinanjo novonoina maritiora izy talohany nahafahany nanao izany. Mikasika ny mety hahalava ny dikan-teny feno, dia nilaza i Oliver Cowdery indray andro fa ‘boky’ no ilaina vao hahafeno azy (jereo ny Messenger and Advocate, des. 1835, 236).

“Ho fanampin’ireo soratra hierôgilifa ireo, dia nahitana sary koa ny horonan-tsoratra. Ny 23 febroary 1842, ny Mpaminany Joseph Smith dia nangataka an’i Reuben Hedlock, olona matihanina amin’ny sary sokitra no sady mpikamban’ny Fiangonana, mba hisokitra sary avy amin’ny telo amin’ireo sary ireo mba hahafahana mamoaka printy izany. Vitan’i Hedlock tao anatin’ny herinandro ny sikotra ary i Joseph Smith dia namoaka tahadikan’izany tao amin’i Bokin’i Abrahama. Ny fanazavan’i Joseph Smith mikasika ireo sary ireo dia miaraka amin’ireo tahadika” (The Pearl of Great Price Student Manual, 28–29).

Mpanao gazety:Inona no nitranga tamin’ireo faty maina notehirizina sy ireo papiriosy?

Olona lalim-pahaizana:“Taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith dia lasa fananan’i Lucy Mack Smith, izay reny nananotenan’i Joseph ireo faty efatra voavoatra tsy ho lo sy ireo papiriosy” (The Pearl of Great Price Student Manual, 29). Rehefa nodimandry i Lucy Mack Smith, dia namidy tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Abel Combs izany rehetra izany. Izany rehetra izany dia mety namidin’i Emma vadin’i Joseph Smith na mety namidin’i William rahalahiny. Andriamatoa Combs dia nivarotra ny sasany tamin’ireo zavatra ireo tamin’ny tranom-bakoka tao St. Louis Missouri. Notazoniny ny sasany fa avy eo nomeny fotsiny indray. (Jereo ny The Pearl of Great Price Student Manual, 29; H. Donl Peterson, The Story of the Book of Abraham: Mummies, Manuscripts, and Mormonism [1995], 204–9, 257.)

“Hevitra maro no natolotra momba ny zavatra izay nitranga … tamin’ireo faty maina notehirizina sy ny papiriosy. Toa hoe faty maina notehirizina roa farafahakeliny no may tamin’ny afo lehibe tao Chicago tamin’ny 1871 (jereo ny B. H. Roberts, New Witnesses for God, 3 vols. [1909–11], 2:380–382).

“Tamin’ny fiantombohan’ny lohataona 1996, [dia nampahafantatra ny Fiangonana momba ny ampahany tamin’ireo papirosin’i Joseph Smith izay hita] tao amin’ny Metropolitan Museum of Art tao New York ny Dr. Aziz S. Atiya, mpampianatra iray tao amin’ny Oniversiten’i Utah. Ireo ampahany ireo dia natolotra tamin’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny talen’ny tranom-bakoka ny 27 nôvambra 1967. Tsy fantatra ny toerana misy ireo faty voavoatra tsy ho lo hafa sy ireo ampahana papiriosy hafa amin’izao fotoana izao [jereo ny H. Donl Peterson, “Some Joseph Smith Papyri Rediscovered (1967),” ao amin’ny Studies in Scripture, Volume Two: The Pearl of Great Price, ed. Robert L. Millett and Kent P. Jackson (1985), 183–85]” (The Pearl of Great Price Student Manual, 29).

Asao ireo mpianatra mba hijery haingana ny Bokin’i Abrahama ary hitady farafahakeliny andininy iray izay sokajin’izy ireo ho sarobidy. Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ireo mpianatra mba hizara ny andininy hitan’izy ireo amin’ny mpianatra hafa na ny kilasy iray manontolo.

Asao ireo mpianatra mba hiverina any amin’ny teny fanolorana. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fiatombohan’ny andian-tsoratra misy ny andian-teny hoe “Joseph Smith—Matio.” Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra sy hikaroka hoe ahoana no nandraisan’i Joseph Smith fanambarana mikasika an’izany. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

Hazavao fa ny antony iray mahasarobidy ny Joseph Smith–Matio dia satria mirakitra ny iray amin’ireo lahatenin’ny Mpamonjy mikasika ny Fiaviana Fanindroany izany.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andian-tsoratra misy ny andian-teny manao hoe “Joseph Smith—Tantara.” Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hitady ny hoe tamin’ny fotoana inona i Joseph Smith no nanomana ity tantara ity.

Asao ireo mpianatra mba hijery haingana ny Joseph Smith—Tantara ary hitady andininy iray farafahakeliny izay sokajin’izy ireo ho sarobidy. Aorian’ny fotoana ampy nomena ireo mpianatra dia asao mba hizara ny andininy izay hitany amin’ny namany na amin’ny kilasy iray manontolo.

Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina fa ny namana iray dia mangataka azy ireo ny hanazavany ireo zavatra hinoan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao anatin’ny roa minitra. Asao ny kilasy mba hanoratra ao anatin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny fomba hamaliany izany. Afaka minitra vitsivitsy dia asao ny mpianatra anankiroa mba hamaky izay nosoratan’izy ireo.

Hazavao fa ireo Fanekem-pinoana dia manome famintinana tsara ny zavatra inoantsika. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fiavian’ny Fanekem-pinoana dia hazavao fa tamin’ny 1 martsa 1842 ny Mpaminany Joseph Smith dia namaly fangatahana iray avy amin’i John Wentworth, mpamoaka an-gazety mba hanomezany fampahafantarana mikasika ny tenany sy ny tantara ary ny zavatra hinoan’ny Fiangonana. Izany dia fantatry ny olona amin’ny hoe ny Taratasy ho an’i Wentworth. Ao anatin’io i Joseph dia nanambara fitsipiky ny filazantsara fototra miisa 13. Ireo finoana ireo dia nampidirina tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy izay fantatra amin’ny hoe Fanekem-pinoana. Na dia tsy fanambarana mikasika ny finoantsika rehetra aza izany dia fotopampianarana sy fitsipika manan-danja.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Omeo andraikitra ny tsiroaroa avy amin’ireo mpianatra mba hamaky farafahakeliny, fanekem-pinoana iray. (Azonao atao ny manome andraikitra ireo mpianatra mandeha tsiroaroa mba hamaky fanekem-pinoana iray na mihoatra avy amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra sy ny haben’ny kilasy.) Asao ireo mpianatra mandeha tsiroaroa mba hamaky ny fanekem-pinoana nomena azy ireo ho andraikitra ary araho ny toromarika etsy ambany. Azonao atao ny manao tahadikan’ireo toromarika ireo na manoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Azon’ireo mpianatra atao ny manaraka ireto toromarika ireto ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina.

  1. Rehefa avy namaky ireo fanekem-pinoana niandraketana dia soraty amin’ny teninao manokana ny fotopampianarana sy ny fitsipika ampianarin’izany.

  2. Mitadiava soratra masina izay manohana sy manazava ny fotopampianarana na fitsipika ao amin’ny fanekem-pinoana niandraketanao. Soraty ny hevi-baovao avy amin’izany soratra masina izany, izay nanampy ny fahatakaranao io fitsipika io.

  3. Manaova lisitra ny fomba mety ahafahan’ny fahatakarana sy ny finoana an’io fanekem-pinoana mitahy ny fiainan’olona iray hafa.

Rehefa nanana fotoana ampy mba hanatanterahana ny asa nampanaovina ireo mpianatra, dia asao izy ireo mba hitatitra izay nosoratany. Azonao atao ny manoratra ny sasantsasany amin’ny fahamarinana hitany eo amin’ny solaitrabe

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainany tamin’ny fotoana nanampian’ireo Fanekem-pinoana azy ireo na nanampian’ny fahamarinana hita ao amin’izany azy ireo hanazava ny filazantsara tamin’ny hafa. Azonao atao ny mizara ny traikefanao manokana.

Omeo fanamby ny mpianatra mba hianatra sy hitadidy ireo Fanekem-pinoana. Azonao atao ny mampiasa ny asa ampanaovina mikasika ny fitadidiana hitanao ao amin’ny tovan’ity boky torolalana ity mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ny iray amin’ireo Fanekem-pinoana. Amporisiho ny mpianatra hampiasa ny fahalalany momba ireo Fanekem-pinoana mandritra ny fanazavany ny zavatra inoany amin’ny hafa.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity: Ny Voahangy Lafo Vidy dia porofo fa i Joseph Smith dia …

Ampio ireo mpianatra mba hameno ny teny amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ampianarin’ireo fahamarinana misy ao anatin’ny Voahangy Lafo Vidy antsika mikasika an’i Joseph Smith? (Fenoy toy izao manaraka izao ilay fahamarinana eny amin’ny solaitrabe: Ny Voahangy Lafo Vidy dia porofo fa i Joseph Smith dia mpaminany, mpahita ary mpanambara.)

  • Amin’ny fomba ahoana, araka ny hevitrao, no mahaporofo ny Voahangy Lafo Vidy fa i Joseph Smith dia mpaminany?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Voahangy Lafo Vidy dia porofo fa i Joseph Smith dia mpaminany, mpahita ary mpanambara. Ity boky ity dia mampianatra antsika fahamarinana sarobidy mikasika ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ny Bokin’i Abrahama: porofon’ny antso masin’i Joseph Smith

“Ny Bokin’i Abrahama dia porofo iray ny amin’ny maha avy amin’ Andriamanitra ny antson’ ny Mpaminany Joseph Smith. Nitranga tamin’ny fotoana vao nanombohana ny fianarana ny fiteny Egyptianina fahiny sy ny kolontsaina izany. Raha vao nanomboka kely ny fitrandrahana ny fandalinana momba ny Egypta ireo olona lalim-pahaizan’ny taona 1800 dia efa nanomboka ny fandikana ireo horonan-tsoratra fahiny i Joseph Smith, na dia tsy fananana fiofanana manokana mikasika ny fiteny fahiny sy fahalalana ny Egypta fahiny aza (ankoatran’ny asany tamin’ny Bokin’i Môrmôna). Ny fahalalany sy ny fahaiza-manaony dia tonga tamin’ny hery sy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra, niaraka tamin’ny filofosany manokana sy ny finoany” (The Pearl of Great Price Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2000], 29).

Ireo Fanekem-pinoana sy ny Taratasy ho an’i Wentworth

I Joseph Smith dia nanoratra taratasy tany amin’i John Wentworth, mpamoaka sady tompon’ny Chicago Democrat, gazety mpivoaka tany Illinois. Tao anatin’ny taratasiny ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza ireo fotopampianarana sy tantaran’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ireo Fanekem-pinoana dia tafiditra tao amin’izany taratasy izany. Mba hahitana ny lahatsoratra ao amin’ilay taratasy manontolo dia jereo ny “The Wentworth Letter,” Ensign, jolay 2002, 26–32.