Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–28 (Fizarana 27)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–128 (Fizarana 27)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–128 (fizarana 27) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–83)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 no fanambarana voalohany noraisina tany Nauvoo, Illinois izay navoaka tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nianatra ny mpianatra rehefa nandalina ny didin’ny Tompo amin’ny fanorenana ny tempoly tao Nauvoo fa ny tempoly no hany toerana iray ahafahantsika mandray ny fahafenoan’ny ôrdônansin’ny fisoronana ho an’ny fanavotana ny velona sy ny maty. Nahita ihany koa izy ireo fa manaporofo ny fahatokiantsika isika amin’ny fankatoavana ireo didin’ny Tompo.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–145; 125–126)

Rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa raha mampandry sofina amin’ny torohevitr’ireo mpaminany isika dia tsy haninona ary ny Tompo dia miantso mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hitantana ny asa fanompoana sy hanampy hanatanteraka ny Olomasina. Nianaran’ny mpianatra tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125 sy 126 fa raha miasa amim-pahazotoana ho an’ny Tompo isika dia hanampy ny fanatitra ataontsika amim-pahamarinana Izy avy eo.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127; 128:1–11)

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 sy 128 dia notsongaina avy tamin’ireo taratasy nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny Olomasina rehefa nifindra monina mba hitsoahana ny fisamborana azy tsy ara-dalana nokasain’ny manam-pahefan’i Missouri izy. Tao amin’ireo fizarana ireo ny mpianatra dia nahita fa ny fahatokisana ny Ray any an-danitra dia afaka manampy antsika haharitra ny fahoriana ary rehefa voarakitra araka ny tokony ho izy ny ôrdônansin’ny tempoly tanterahinsika eto an-tany dia manan-kery any an-danitra ihany koa izany.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:12–25)

Nandritra ny fandalinan’izy ireo ny ambiny sisa amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 dia namantatra ireto fitsipika manaraka mifandraika amin’ny asa atao any amin’ny tempoly ireto ny mpianatra: Ny famonjena ireo razambentsika dia ilaina sy manan-danja amin’ny famonjena antsika. Ny batisa ho an’ny maty dia manampy antsika ho voafatotra mandrakizay amin’ny razambentsika. Ireo fanalahidy sy hery ary fahefan’ny fotoampitantanana fahiny dia efa naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana. Rehefa manao asa momba ny tantaram-pianakaviana isika sy mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny razambentsika dia manao fanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo.

Fampidirana

Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–21. Rehefa handalina ireo andininy ireo ny mpianatra dia hianatra izy ireo momba an’i Joseph Smith sy Hyrum Smith ary ny anjara asan’izy ireo tamin’ny Famerenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–14

Manazava ny antony niantsoany an’i Joseph Smith mba hamerina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe matanjaka. Anontanio ireo mpianatra hoe: karazan’olona manao ahoana matetika no raisin’ny olona ho matanjaka, raha araka ny fenitr’izao tontolo izao. Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny, eo ambanin’ny hoe Matanjaka. Soraty eny amin’ny solaitrabe avy eo ny teny hoe Malemy. Anontanio ireo mpianatra hoe: inona ireo toetra izay matetika ampiarahana amin’ny hoe malemy, araka ny fenitr’izao tontolo izao.

  • Amin’ny fomba ahoana no hiezahan’izao tontolo izao hahatonga ny zatovolahy iray na zatovovavy iray hahatsiaro tena ho malemy araka ny fenitra arahiny?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13. Asao ny mpianatra avy eo mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1 ka hitady ny olona izay fariparitan’ny Tompo ho malemy.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety naha-malemy an’i Joseph Smith fony izy nantsoina hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara?

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:1, dia nahoana no miantso ny malemy ny Tompo mba hanampy amin’ny fanaovana ny asany? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia fintino ny valinteniny amin’ny fanoratana ny fitsipika iray izay mitovy amin’ity voasoratra eny amin’ny solaitrabe ity: Mampiseho ny fahendreny amin’ny alalan’ny zava-malemin’ny tany ny Tompo.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’ny Tompo ny fahendreny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?

Asao ireo mpianatra hanome ny sasantsasany amin’ireo antso na andraikitra izay mety horaisiny raha mbola ao anatin’ny fahatanorany izy ireo. (Ireo valinteny dia mety ahitana ny hoe: mpampianatra isan-tokantrano, mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy, misiônera, manao lahateny ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo, na finamanana amin’ny olona iray ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fahatsiarovana an’io fahamarinana io antsika rehetra mahazo ireo karazana antso sy andraikitra hanompo ao amin’ny Fiangonana isika?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:2–14 amin’ny fanazavana fa ny Tompo dia nandidy ny Mpaminany Joseph Smith mba hanoratra fanambarana ny filazantsara ho an’ireo mpitondra ny firenen-drehetra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15–21

Manome torolalana ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Nauvoo ny Tompo

Asaivo mieritreritra fotoana iray izay nanomezan’ny olona iray fankasitrahana marina ho azy ireo ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo sy ny antony nahatonga ireo fankasitrahana ireo ho zava-dehibe ho azy ireo.

Hazavao fa niresaka momba ny olona maromaro ny Tompo tao anatin’ity fanambarana ity ka nankasitraka azy ireo tamin’ny fanasongadinana ny tanjaka sy ny fandraisan’izy ireo anjara. Asao ireo mpianatra hikaroka mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15–20, ka hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo momba ireo olona ireo. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo fehezanteny izay hitan’izy ireo fa misongadina. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hitodika any amin’ny namana iray ka hizara ny zavatra izay hitany, ka anisan’izany ireo filazana izay hitany ho nisongadina ary ny antony mahatonga izany hisongadina.

Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:19 ny Tompo dia nanambara fa noraisina eo anatrehan’ny Tompo ny lehilahy mahatoky telo izay vao maty tsy ela akory (David W. Patten sy Edward Partridge ary Joseph Smith Rainy, ny rain’ny Mpaminany).

Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ny zavatra nolazain’ny Tompo momba an’i Hyrum Smith sy i George Miller ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15, 20.

  • Inona no nolazain’ny Tompo momba an’i Hyrum Smith sy George Miller?

  • Inona no zavatra tsapan’ny Tompo mikasika an’ireo izay mahitsy fo? (Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ny Tompo dia mitia sy matoky ireo izay mahitsy fo.)

  • Ahoana no fomba hamaritanao ny fahitsian’ny fo?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ho ahy, ny atao hoe fahitsian’ny fo dia midika hoe manao izay marina sy tsara mandrakariva, na inona na inona ny vokatr’izany eo no ho eo. Midika izany hoe marina hatrany anaty fanahintsika, tsy amin’ny asantsika fotsiny fa indrindra amin’ny eritreritsika sy ao anatin’ny fontsika. Ny fahitsian’ny tena manokana dia mitaky fahatokiana sy tsy fahalovana hany ka tsy afaka ny handika ny fitokiana na fanekempihavanana iray isika” (“Personal Integrity,” Ensign, mey 1990, 30).

  • Araka ny famaritan’ny Loholona Wirthlin, nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo ireo izay mahitsy fo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny ohatry ny fahitsiam-po izay nasehon’i Hyrum Smith dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“I Hyrum Smith, izay zokilahy, namana ary mpampianatra ny Mpaminany dia nampiseho fitiavana, fahatokiana ary fifikirana tanteraka sy tsy nisalasala tamin’ny Tompo sy ny zandriny lahy Joseph. Ny firahalahian’izy ireo dia mety tsy nanam-paharoa. …

“Nilaza momba ny rahalahiny Hyrum ny Mpaminany Joseph Smith: ‘Afaka mivavaka amin’ny foko iray manontolo aho mba ny rahalahiko rehetra no hitovy amin’ny Hyrum rahalahiko malala, izay manana ny fahalemem-panahin’ny zanakondry, ny fahamarinam-pon’i Joba, raha fintinina dia hatsaram-panahy sy fanetren-tenan’i Kristy ary tiako izy amin’ny fitiavana mahery vaika noho ny fahafatesana, tsy mba nanana velively fotoana aho ka tezitra taminy na izy tamiko.’ History of the Church, 2:338.) …

“I Hyrum dia tsy voahozongozona na dia teo anatrehan’ny fahafatesana aza. Taorian’ny fotoana fiafiana sy fanenjehana lava iray dia nanoratra izy hoe:

“‘Misaotra an’ Andriamanitra aho fa nahatsapa fahavononana ho faty, fa tsy nandà ireo zavatra hitan’ny masoko sy tsapan’ny tanako [ireo takelaka izay niavian’ny Bokin’i Môrmôna], sy efa nijoroako ho vavolombelona tamin’izay mety ho fotoana nilàna izany; ary afaka manome toky ireo rahalahiko malala aho fa afaka nitondra tenivavolombelona mahery, na dia fahafatesana ihany aza no teo anoloako, tahaka ny nitondrako tenivavolombelona nandritra ity fiainana ity.’ (Times and Seasons, des. 1839, p. 23.)” (“The Family of the Prophet Joseph Smith,” Ensign, nôv. 1991, 7).

  • Ahoana no nanehoan’i Hyrum Smith ny fahitsian-toetrany?

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny lafin-javatra iray eo amin’ny fiainany izay ahafahany ho mahitsy fo bebe kokoa. Entano izy ireo hametraka tanjona ny hampivoatra ny fahitsian’ny fony eo amin’izany lafiny izany.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika izay nianarana androany.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132)

Anontanio ny mpianatra raha mahafantatra hoe firy no isan’ny ambaratongam-boninahitra misy ao amin’ny fanjakana selestialy ? Hazavao fa mandritra ireo fandalinana atao amin’ny herinandro ambony dia hahita fitsipika betsaka mifandraika amin’ny fanjakana selestialy sy ny drafitry ny famonjena izy ireo.