Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17–19 (Fizarana 5)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17–19 (Fizarana 5)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17–19 (fizarana 5) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17)

Tamin’ny alalan’ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna dia nianatra ireo mpianatra fa raha mampihatra finoana an’ Andriamanitra izy ireo dia afaka mandray tenivavolombelon’ireo fahamarinana izay iriany ho fantatra. Ireo izay mandray tenivavolombelon’ny fahamarinana dia manana andraikitra ny hijoro ho vavolombelona ny amin’izany. Ny Mpamonjy Tenany mihitsy no nijoro ho vavolombelona fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18)

Nandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia nianatra fa tena lehibe tokoa ny hasarobidin’ny olona hany ka nijaly sy maty i Jesoa Kristy mba hahafahan’ny olona rehetra mibebaka sy miverina any amin’ny Ray any an-danitra. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa raha manampy ny hafa hibebaka sy hanatona ny Tompo isika dia hahatsapa fifaliana miaraka amin’izy ireo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Afaka maheno ny feon’i Jesoa Kristy isika rehefa mamaky ny soratra masina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–22)

Avy tamin’ny torohevitry ny Mpamonjy ho an’i Martin Harris dia nianatra ireo mpianatra fa i Jesoa Kristy dia nahatanteraka ny sitrapon’ny Rainy ary hitsara antsika araka ny asantsika. Nianatra koa ireo mpianatra fa tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotantsika na mijaly isika. Ireo izay misafidy ny tsy hibebaka dia hizaka ny sazin’ny fahotan’izy ireo.

Andro 4 ( (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–41)

Ireo mpianatra dia nianatra momba ny fampanantenan’ny Tompo ho an’i Martin Harris izay manao hoe: raha mianatra Aminy i Martin sy mihaino ny teniny ary mandeha amin’ny fahalemem-panahiny dia hanana fiadanana. Ho antsika ihany koa io fampanantenana io. Ny lesona dia nanampy ihany koa ireo mpianatra hianatra fa raha manao ny sitrapon’ny Tompo isika, dia hanome fitahiana ho antsika, izay sarobidy lavitra noho ny haren’izao tontolo izao Izy.

Fampidirana

Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hianatra ny antony ilàna ny fibebahana. Hanampy azy ireo hanana fahatakarana lalindalina kokoa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany. Arakaraka ny hitomboan’ny fahatakarantsika ny fahafoizan-tena sy fankatoavan’i Jesoa Kristy no hampihena ny ahiahintsika momba ny fahafahantsika manampy amin’ny asan’ Andriamanitra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17

Ny Tompo dia mampanantena ireo Vavolombelona Telo fa hahazo lalana hahita ireo takelaka sy ny fitaovana masina hafa izy ireo.

Mitondrà zavatra mahaliana iray mandritra ny fotoam-pampianarana, fa aza avela hitan’ny mpianatra izany. Rehefa manomboka ny lesona dia lazao ireo mpianatra fa nitondra zavatra iray ianao. Anontanio ireo mpianatra raha mino izy ireo hoe manana ilay zavatra ianao na dia tsy nahita izany aza izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:2. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra, ka hitady ny zavatra mila nananan’ireo Vavolombelona Telo alohan’ny nahafahany nahita ireo takelaka volamena.

  • Nahoana araka ny eritreritrao ireo Vavolombelona Telo no mila nanana finoana alohan’ny nahafahany nahita ireo takelaka?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:3–5. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny zavatra notakian’ny Tompo mba hataon’ireo Vavolombelona Telo taorian’ny nahitan’izy ireo ireo takelaka volamena sy ireo fitaovana masina hafa.

  • Inona no nolazain’ny Tompo tamin’ireo Vavolombelona Telo fa tokony hataon’izy ireo taorian’ny nahitan’izy ireo ireo takelaka volamena sy ireo fitaovana masina hafa?

  • Inona no takian’ny Tompo amintsika aorian’ny handraisantsika tenivavolombelon’ny fahamarinana iray? (Aorian’ny handraisantsika tenivavolombelon’ny fahamarinana dia manana andraikitra ny hijoro ho vavolombelona momba izany isika.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantatr’izy ireo fa marina ary hisaintsaina ny fomba hahafahany mijoro ho vavolombelona ny amin’izany zavatra izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19

Ny Tompo dia miresaka mikasika ny fijaliany sy mampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fibebahana

Asehoy voankazo iray na sarina voankazo iray ny mpianatra. Anontanio izy ireo hoe ahoana no ahafantarana fa azo hoanina ny voankazo iray. (Ny endriny na ny famantarana hafa dia milaza fa efa masaka izany.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:6 Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo fa mihamasaka ao amin’ny faharatsiana.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “izao tontolo izao dia mihamasaka ao amin’ny faharatsiana”?

  • Inona no zavatra hitanao fa maneho ny fitrangan’izany?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10 (izay ampahan’ny soratra masina fehezina iray) ka hitady ny fahatsapan’ny Tompo momba ny olona rehetra, na dia ireo izay mihamasaka ao amin’ny faharatsiana aza. Avy eo dia asao izy ireo mba hiara-hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10 ka hamerimberina izany mandra-pahatonga izany ho hain’ny mpianatra tsirairay tsianjery.

  • Inona no fahatsapan’ny Tompo manoloana ireo zanany?

  • Ahoana no hiantefan’ny fahafantarana izany amin’ny fomba ifandraisanao amin’ny hafa?

  • Ahoana no hahafahan’ny olona iray mahafantatra fa lehibe ny hasarobidiny eo imason’ Andriamanitra?

Hamafiso fa amin’ny toe-javatra maro ny hasarobidin’ny zavatra iray dia azo fantarina amin’ny alalan’ny fahavononan’ny olona iray hividy izany. Azonao atao ny mampiseho zavatra vitsivitsy izay tsy mitovy vidy mba hanehoana izany hevitra izany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–12. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny vidiny izay nefain’ny Mpamonjy ho an’ny fanahintsika.

  • Inona no vidiny izay nefaina ho an’ny fanahintsika? Nahoana izany no nefaina? (Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Lehibe tokoa ny hasarobidin’ny olona tsirairay hany ka nijaly sy maty i Jesoa Kristy mba hahafahantsika mibebaka sy miverina any amin’ny Ray any An-danitra.)

  • Inona no idiran’ny fibebahana amin’ny fanatonana ny Mpamonjy?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fanampian’ny fibebahana antsika amin’ny fanatonana ny Mpamonjy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay notsoahina tamin’ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana:

“Mihoatra noho ny fanekena ireo fahadisoana fotsiny ny fibebahana. Ny fibebahana dia fiovan-tsaina sy fiovam-po izay manome antsika fomba fijery vaovao momba an’ Andriamanitra, sy ny tenantsika ary izao tontolo izao. Tafiditra amin’izany ny fialana amin’ny fahotana sy ny fitodihana any amin’ Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka. Atosiky ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny faniriana marina hankatò ny didiny izany” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], 132).

Amporisiho ireo mpianatra ny handinika ny fahotana sy ny fihetsika ary ny toetra izay mety ilain’izy ireo ialana mba hahafahana mibebaka sy manatona an’i Kristy.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andinin-tsoratra masina manaraka ity: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13–16.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ireo andininy ireo ary asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny endriky ny teny hoe mibebaka rehetra ao amin’ireo andininy ireo (mibebaka sy fibebahana). Rehefa vita vaky ny andininy tsirairay dia anontanio ny mpianatra ny zavatra ampianarin’io andininy io momba ny fibebahana. Azonao hazavaina fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16 dia andinin-tsoratra masina fehezina.

Ampio eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra. Mety hamantatra fitsipika isan-karazany ny mpianatra, nefa alaivo antoka fa mazava ny hoe raha manampy ny hafa hibebaka sy hanatona ny Tompo isika dia hahatsapa fifaliana miaraka amin’izy ireo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Asao ireo mpianatra hieritreritra momba ny hoe tahaka ny ahoana izany miverina eo anatrehan’ Andriamanitra mba ho tsaraina. Anontanio izy ireo hoe manao ahoana no fiomanan’izy ireo amin’izany fotoan-dehibe izany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:4. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny zavatra tokony ataontsika mba hiomanana amin’io andro io.

  • Araka ny voalaza ao amin’io andininy io, inona no hitranga amin’ireo izay tsy mibebaka?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:13–19. Asaivo mikaroka ny zavatra hitranga amin’ireo izay misafidy ny tsy hibebaka izy ireo.

  • Inona araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 no antony izay nomen’ny Mpamonjy fa nahatonga Azy nijaly noho ny fahotantsika? (Azonao atao ny manoratra ity fotopampianarana ity miaraka amin’ireo fotopampianarana hafa eny amin’ny solaitrabe: Ny Tompo dia nijaly ho an’ny fahotantsika mba hahafahantsika mibebaka sy tsy hijaly tahaka ny nijaliany.)

Anehoy sarin’ny Mpamonjy iray tao Getsemane ny mpianatra, toy ny hoe Mivavaka ao Getsemane i Jesoa (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 56; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa ny ankamaroan’ny tantara momba ny fijalian’i Jesoa Kristy dia notantarain’ny olon-kafa ankoatra ny Tenany (jereo ny Matio 26:36–39; Lioka 22:39–44), fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 dia mirakitra ny fitantaran’ny Mpamonjy Izy tenany ny fijaliany.

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19 ka hitady ny famariparitan’ny Mpamonjy ny fijaliana niainany nandritra ny Sorompanavotana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana roa manaraka ireto:

Ampahany inona amin’ny famariparitan’ny Mpamonjy ny fijaliany no manan-danja lehibe aminao? Nahoana?

Inona amin’ny famariparitan’ny Mpamonjy no mampitombo ny fanirianao hibebaka sy hanatona Azy?

Asao ireo mpianatra hisafidy iray amin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ka hifanakalo hevitra mikasika valin’izany amin’ny namana iray.

Asao ny mpianatra hihira na hihaino ny tonon’ny hira manao hoe “Endrey Mahagaga Ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44). Asaivo misaintsaina ny tonon’io hira io izy ireo ka hieritreritra momba ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo.

Raha ampy ny fotoana dia asao ireo mpianatra hizara ny fijoran’izy ireo ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ireo fitahian’ny fibebahana. Amporisiho izy ireo mba hanaraka ny fahatsapana na ny fitaomana rehetra nananany mba hibebaka sy hanatona ny Mpamonjy.

Hamaranana ity lesona ity dia asao ireo mpianatra hanao tsianjery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23 na hiara-hamaky izany avy ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Anontanio hoe inona no ifandraisan’ity andinin-tsoratra masina fehezina ity amin’ny fibebahana sy ny fanantenana ho voavela heloka.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–23)

Inona no ataontsika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny, izay mitovy amin’ny fanao tamin’ny fotoana nananganana ny Fiangonana ny 6 aprily 1830? Inona ireo fepetra takiana amin’ny fanaovana batisa? Ahoana no hanoroana lalana ny mpihazona ny fisoronana amin’ny fivavahana ho an’ny fanasan’ny Tompo? Inona ireo andraikitry ny mpampianatra na mpisorona? Hianatra ny valin’ireo fanontaniana ireo ny mpianatra mandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–23.