Seminera
Lesona 66: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62


Lesona 66

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62

Fampidirana

Tamin’ny 8 Aogositra 1831 dia niomana ny handao an’i Independence, Missouri ka hiverina any Ohio i Joseph Smith sy ny loholona maromaro. Nanome toromarika ireo loholona ny Tompo mba hitory ny filazantsara eny am-pandehanany—toromarika izay noraketina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60 ankehitriny. Tamin’ny andro fahatelon’ny diany dia nandalo tamina loza teo amin’ny Renirano Missouri ny mpiray dia. Ny roa andro nanaraka an’io, ny 12 sy 13 Aogositra dia nandray fanambarana roa avy amin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith. Noraketina ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61 sy 62 ireo fanambarana ireo. Anisan’izany ny torolalana, ny teny fampitandremana sy fampiononana ary fankaherezana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60

Nandidy ireo loholona ny Tompo hitory ny filazantsara rehefa niainga avy tany Missouri ho any Ohio izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialohan’ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Efa nisy ve fotoana iray ve izay nampisalasala anao ny hizara ny finoanao tamin’ny hafa na nampalaindaina anao ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara?

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hisaintsainana ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Eo am-pisaintsainan’ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ny valinteninao mikasika ity fanontaniana ity amin’ny fitantarana ny traikefa avy amin’ny fiainanao.

Hazavao fa niainga avy any Ohio ny andiana loholona iray handray anjara amin’ny fanokanana ny tany sy ny toeran’ny tempoly tao Independence, Missouri. Nandidy azy ireo ny Tompo mba hitory ny filazantsara amin’ny hafa rehefa nandeha tany Missouri izy ireo (jereo ny F&F 52:9–10). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60 dia mirakitra ny tenin’ny Tompo ho an’ny sasantsasany amin’ireo loholona ireo teo am-piomanany hiverina any Ohio. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ity 60:1–2, sady hitady ny antony nahatonga ny Tompo tsy nankasitraka ny sasany tamin’ireo loholona ireo.

  • Naninona no tsy nankasitraka ny sasany tamin’ireo loholona ny Tompo? (Hoy Izy: “Tsy tiany ny hanokatra ny vavany, fa afeniny ny talenta izay efa nomeko azy.” Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe tsy nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsara izy ireo.)

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2, nahoana no tsy nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny sasany tamin’ireo loholona?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:3. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hamantatra ny zavatra mety hitranga raha toa ka tsy mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika.

  • Inona no mety hitranga raha toa ka tsy mizara ny fijoroantsika ho vavolombelona isika? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Mety ho very ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika raha toa ka tsy mizara izany isika.)

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no tsy maintsy mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika mba hijanona ao amintsika izany? Oviana ianao no nahatsapa fa nihalehibe ny fijoroana ho vavolombelona anananao noho ny fizaranao izany?

Entano ny mpianatra mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany rehefa manana fahafahana hanao izany izy ireo. Fintino ny ambiny amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nandidy ireo loholona mba hitory ny filazantsara rehefa nandeha niverina tany Ohio izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61

Nanome toromarika an’i Joseph Smith sy ny hafa ny Tompo nandritra ny diany nankany Ohio.

Angataho ny mpianatra hieritreritra ny fotoana izay niahiahiany momba ny fitandroana ny ainy sy nahatsapany fa niaro azy ny Tompo. Hazavao fa tamin’ny 11 Aogositra 1831 dia nahita ny Mpaminany Joseph Smith sy ny loholona folo fa tandidomin-doza izy ireo raha nandeha lakana kely teo ambonin’ny rano mahery vaikan’ny Renirano Missouri. Nitantara i Joseph Smith fa tamin’ny andro fahatelon’ny diany dia “maro tamin’ireo loza mahazatra teo amin’ireo rano tany andrefana no niseho; ary taorian’ny nanangananay lay teo amoron’ny renirano, … dia hitan-dRahalahy William W. Phelps tamin’ny fahitana tamin’ny andro antoandro ny mpandringana miaraka amin’ny heriny faran’izay mahatsiravina, niakatra teny ambonin’ny rano. Nandre ilay feo ny hafa fa tsy nahita ilay fahitana kosa” (ao amin’ny History of the Church, 1:203). Talohan’io fahitana io dia “nisy fifankahalana sy tsy fifankahazoana teo anivon’ireo rahalahy” (B. H. Roberts, A Comprehensive History of the Church,1:262–63). Ny harivan’io dia nifanakalo hevitra momba ny olany ireo rahalahy ka ny ankamaroany dia afaka nifamela heloka. Ny ampitso marainan’io dia nivavaka i Joseph Smith ka nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:2, 20, 36–37. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo teny sy andian-teny izay mety nitondra fankaherezana ho an’ireo loholona ireo.

  • Inona ireo teny na andian-teny hitanao ka mety nankahery ireo loholona ireo? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia azonao atao ny mangataka azy ireo hanazava hoe nahoana ireo teny na andian-teny izay nolazainy ireo no afaka hankahery.)

Hazavao fa ny Tompo dia nampianatra tao anatin’ity fanambarana ity fa “loza maro” no hiseho eo amin’ny rano amin’izao andro farany izao (jereo ny F&F 61:5, 14–19). Niresaka momba ny herin’ny Tenany ihany koa ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:1. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra ampianarin’ny Tompo momba ny heriny.

  • Ahoana no fomba ilazan’ny Tompo ny heriny ao amin’io andininy io? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Manana ny hery rehetra ny Tompo.)

Azonao atao ny milaza fa noho ny fahitan’i William W. Phelps ny mpandringana teny ambony rano dia nisy ny olona sasany izay nihevitra fa manana fahefana amin’ny rano i Satana. Kanefa, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:1 dia manamafy fa manana ny hery rehetra ny Tompo—anisan’izany ny fahefana amin’ny rano.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:6, 10. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra sy hitady ireo andian-teny izay mety ho nanampy ny loholona hankasitraka bebe kokoa ny herin’ny Tompo. Asao ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany, ary avy eo ampio ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe mba hahatonga izany hivaky toy izao: Manana ny hery rehetra ny Tompo ary afaka mitsimbina antsika Izy.

  • Inona no traikefa nanananao izay nampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny herin’ny Tompo sy ny fahafahan’ny Tompo miaro antsika amin’ny ratsy?

Azonao atao ny mamintina ny sisa ambiny amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanome torolalana fanampiny ny Tompo mba hitarihana ireo loholona ireo hiverina any Ohio.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62

Nidera ny fahatokian’ny andiana loholona nandeha tany Independence, Missouri ny Tompo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity:

Inona no lokon’ny lobaka anaovako androany?

Tokony handeha hankany am-piangonana ve aho amin’ny Alahady?

Tokony hanao asa fitoriana ve aho? Raha tena izay no izy dia rahoviana?

Raha manolo-tena hikarakara ny sakafo tiako indrindra ny reniko dia inona no tokony hofidiako?

Iza no tokony hiarahako? Aiza no tokony handehananay misakafo amin’ny fiarahanay?

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra hoe iza amin’ireo fanontaniana ireo no mety manan-danja indrindra amin’ny Tompo.

Hazavao fa rehefa nanome torolalana ireo loholona izay nandeha niainga avy any Missouri ho any Ohio ny Tompo dia nanampy azy ireo Izy hahatakatra fa ny sasany amin’ny fanapahan-kevitra izay tokony horaisiny no manan-danja kokoa Aminy noho ny hafa. Amporisiho ny mpianatra mba hitady ny zava-baovao ao amin’ny Fotopampianatra sy Fanekempihavanana 62 izay mety afaka manoro lalana azy amin’ny fanapahany hevitra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:1–3. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hitady ny andian-teny izay mampiseho fa nanan-danja tamin’ny Tompo ny ezaka nataon’ireo loholona amin’ny fitoriana ny filazantsara.

  • Inona no andian-teny hitanao? Ahoana no fomba anehoan’ireo andian-teny ireo ny fahatsapan’ny Tompo momba ny ezaka ataon’ireo misiônera ireo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ny ohatra momba ny zavatra izay manan-danja amin’ny Tompo sy ny zavatra tsy manan-danja dia adikao eny amin’ny solaitrabe na omano ataovy taratasy zaraina ity tabilao manaraka ity. Aza soratana ireo valiny ao anaty fonon-teny…Angataho ny mpianatra, miankina amin’ny zavatra ilain’izy ireo, mba hanao izany tsirairay na miaraka amin’ny namana. Na azonao tanterahina miaraka ao an-dakilasy izany.

Ny zavatra manan-danja amin’ny Tompo

Ny zavatra tsy manan-danja amin’ny Tompo

F&F 60:5

(Mba handeha faingana mankany St. Louis ny loholona)

(Na ireo loholona manamboatra sambo handehanana, na mividy)

F&F 61:21–22

(Handeha faingana ireo loholona mba hamita ny asa fitoriany)

(Na handeha amin’ny rano na handeha amin’ny tany maina izy ireo)

F&F 62:5–7

(Mba ho mahatoky ireo loholona, hijoro ho vavolombelona momba ny filazantsara ary hanampy ny Olomasina mba hivondrona)

(Na nandeha niaraka daholo na tsiroaroa ireo loholona; na nandeha nitaingin-tsoavaly na ampondra na nandeha an-tsarety ireo loholona)

Rehefa nahafeno ilay tabilao ireo mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fahasamihafana tsikaritrao momba ny zavatra izay nanan-danja tamin’ny Tompo sy ny zavatra izay tsy nanan-danja Taminy?

  • Ahoana no mety hitarihan’io ohatra fakan-tahaka io anao rehefa mandray fanapahan-kevitra ianao?

Hazavao fa Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:8dia mampianatra ny fitsipika izay afaka mitarika antsika rehefa mandray fanapahan-kevitra isika. Asao ireo mpianatra hamaky mangina io andininy io sy izany fitsipika izany. Avy eo dia asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo. Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony haneho ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Rehefa mandray fanapahan-kevitra isika dia tokony hiantehitra amin’ny fahaizantsika mandanjalanja sy ny fitarihan’ny Fanahy. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io amin’ny fomba hafa ao amin’ny soratra masiny.

  • Araka ny hevitrao, nahoana no manan-danja ny miantehitra amin’ny fahaizantsika mandanjalanja sy amin’ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mandray fanapahan-kevitra isika?

  • Oviana ianao no nandray fanapahan-kevitra ka niankina tamin’ny fahaizanao mandanjalanja sy ny fitarihana avy amin’ny Fanahy? Ahoana no fomba nitahiana anao noho ny fanaovana izany?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra tao anatin’ity lesona ity. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba ahafahany mampihatra ny fahamarinana izay avy nianarany tao amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62. Azonao atao ny manasa mpianatra iray na roa mba hizara ny fomba handaminany ny fampiharana ny iray amin’ireo fahamarinana ireo.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:5–19. Ahoana no mahavoaozona ny rano?

Ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:5–19 dia tsy mandrara ny Olomasin’ny Andro Farany handeha ambonin’ny rano na hilomano anaty rano. Rehefa nanoritsoritra ny ozon’ny rano amin’izao andro farany izao ny Tompo dia mety te-hilaza ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy Izy, izay nilazalazan’ny Apôstôly Jaona ny fandringanana izay hitranga amin’ny rano mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany (jereo ny Apokalypsy 8:8–1116:2–6). Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61, ny Tompo dia milaza mazava tsara ny loza aterak’ “ireto rano ireto,” izany hoe ny Reniranon’i Missouri (jereo nyF&F 61:5, 18). Nanazava ny fahasimbana sasany nateraky ny Reniranon’i Missouri ny Filoha Joseph Fielding Smith:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Momba ny Reniranon’i Missouri sy ny Reniranon’i Mississippi dia hitantsika nandritra ny taona maro ny fandringanana lehibe teo aminy sy naterany. Saika isan-taona dia vola an-tapitrisa dôlara maro no very noho ny fitroaran’io renirano lehibe io. Maro ireo olona namoy ny ainy noho ireo tondra-drano izay nandifotra ny tany ireo, ary na dia eo ambonin’io renirano toa tony sy misosa miadana io aza dia mety hisy oram-baratra izay mitondra fandringanana. Tena efa tanteraka sy eo an-dalam-pahatanterahana marina tokoa ny tenin’ny Tompo momba ireo rano ireo” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:224).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62 Fampahalalana ara-tantara

Raha nandeha niantsinanana ho any Ohio i Joseph Smith sy ny hafa dia nifanena tamin’ny loholona efatra izay nandeha niankandrefana ho any Independence, Missouri. Narary i John Murdock, iray tamin’ireo loholona ireo, raha nitory ny filazantsara nandritra ny diany avy any Ohio. Nipetraka vonjimaika tao Chariton, Missouri i John sy i Hyrum, mpiara-dia taminy, niandry ny fisindan’ny aretin’i John. Tao no nihaonany tamin’ny loholona roa hafa, dia i David Whitmer sy Harvey Whitlock, izay nahatoky ihany koa tamin’ny didy hitory ny filazantsara teny an-dalana nankany Missouri. Taorian’ny nihaonan’ireo loholona efa-dahy ireo tamin’i Joseph Smith tao Chariton sy nahazoany ny torolalana nomen’ny Tompo izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62, dia nanambatra ny volany izy ireo ka nividy soavaly, izay nanamora ny dian’i John Murdock ho any Ziona.