Seminera
Lesona 55: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47–48


Lesona 55

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47–48

Fampidirana

Tamin’ny volana martsa 1831, efa ho herintaona taorian’ny nandaminana ny Fiangonana, ny Mpaminany Joseph Smith dia nahazo fanambarana izay noraketina mba ho ny fizarana 47 sy 48 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’izao fotoana izao. Talohan’io fotoana io dia i Oliver Cowdery no mpanoratra ny tantara sy ny firaketana ho an’ny Fiangonana. Tao anatin’io anjara asany io dia nitana rakitsoratra mikasika ireo fanambarana noraisin’ny Mpaminany izy. Nanao asa fitoriana anefa i Oliver Cowdery nanomboka tamin’ny volana ôktôbra 1830 ka noho izany dia tsy afaka nanohy ny asany tamin’ny naha-mpanoratra tantara sy firaketana azy izy. Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47 dia niantso an’i John Whitmer ny Tompo mba hisolo an’i Oliver tamin’io toerana io. Nandritra io fotoana io dia nikatsaka fitarihana ihany koa ireo Olomasina tao Ohio mikasika ny fomba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nifindra monina avy any New York. Ao amin’ny fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48 dia nanome torolalana ny Olomasina ny Tompo mba hizara ny taniny tamin’ireo sahirana sy hiomana handatsaka ny fototr’i Ziona.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47

Nanendry an’i John Whitmer hirakitra ny tantaran’ny Fiangonana ny Tompo

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo zavatra niainany manan-danja ara-panahy izay tsapany fa mendrika ny hotsarovana. (Ohatra, izy ireo dia mety hieritreritra zava-miseho toy ny fanokanana tempoly na fivoriam-piangonana, na izy ireo dia mety hisaintsaina fotoana iray nandraisan’izy ireo valim-bavaka, na nahatsapany ny fisian’ny Fanahy Masina teo akaikiny.) Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ireo zavatra niainana ireo. Apetraho amin’ireo mpianatra ireo ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana io zavatra niainana io no manan-danja aminareo?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ny mahatsiaro io zavatra niainana io?

  • Ahoana no fomba ahafahana mitahy ny taranakareo amin’ny firaketana an-tsoratra io zavatra niainana io?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i John Whitmer mba ho ataony. Dia asao avy eo ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47:1–3 ary hitady antsipiriany bebe kokoa mikasika ny antson’i John Whitmer. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany. (Azonao atao ny mampahatsiahy an’ny mpianatra fa ny Tompo, tao amin’ny fanambarana iray teo aloha, dia niteny hoe: “Hisy rakitsoratra hotanana eo anivonareo” [F&F 21:1]. Hazavao fa ny Fiadidiana Voalohany ato amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia miantso Mpahay tantaran’ny Fiangonana sy Mpirakitra an-tsoratra [izay mazàna no antsoina hoe Mpahay tantaran’ny Fiangonana] ary manolotra azy mba hotohanana.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ny hiraketana an-tsoratra ny tantaran’ny Fiangonana?

  • Inona avy ireo tantara avy ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay mitaona indrindra ny fanahinao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Marlin K. Jensen ao amin’ny Fitopololahy, izay Mpahay tantaran’ny Fiangonana nanomboka tamin’ny taona 2005 ka hatramin’ny taona 2012:

Sary
Loholona Marlin K. Jensen

“Misy tantara lehibe hafa ao amin’ny tantarantsika izay mendrika ny ho fantatra sy ampianarina ao am-piangonana sy any an-trano. Ireo lesona nianarana tao Kirtland, ireo fitsapana tao Missouri, ny fahombiazana sy ny fandroahana ireo Olomasina hiala tao Nauvoo tamin’ny farany, ary ilay dia niankandrefana nataon’ireo mpamaky lay dia tantara mitaona ny fanahin’ireo Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny firenena rehetra sy mampiasa ny fiteny rehetra. Fa ao koa ireo tantara izay mampihetsi-po tahaka izany mikasika ny fitsanganana sy ny fandrosoan’ny Fiangonana sy ny fiantraikan’ny filazantsara teo amin’ny fiainan’ireo mpikambana tsotra manerana ny firenena rehetra izay voakasiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Mila raketina sy tehirizina ihany koa izy ireo.

“… Maro amin’ireo tantara mahatalanjona indrindra momba ny Fiangonana no voarakitra ao amin’ireo tantaram-piainan’ny tena manokana sy ireo tantaram-pianakaviana ary izy ireo dia anisan’ny lovan’ny tenantsika manokana sy ny fianakaviantsika” (“There Shall Be a Record Kept among You,” Ensign, des. 2007, 31).

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no manan-danja ny tantaram-piainan’ny tena manokana sy ny tantaram-pianakaviana?

Resaho ireo zavatra niainana notadidian’ny mpianatra tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Angataho izy ireo haka sary an-tsaina fa mamaky ny fitantaran’izy ireo manokana an’ireo zavatra niainany ireo ny zanany sy ny zafikeliny. Asao ny mpianatra tsirairay hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ilay zavatra niainana no hoantitranterinareo? Inona no tianareo ho tsapan’ny fianakavianareo sy ho fantany avy amin’ny famakiany ny fitantarana nataonareo?

Hazavao fa ireo fitsipika narahin’i John Whitmer tamin’ny naha-Mpahay tantaran’ny Fiangonana sy ny Mpirakitra an-tsoratra azy dia azo ampiharina ihany koa eo amin’ny tantaram-piainan’ny tenantsika manokana sy ny fianakaviantsika. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47:4 mba hianatra ny zavatra nampanantenain’ny Tompo raha toa i John Whitmer ka mahatoky amin’ny asa ataony.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo an’i John Whitmer? (Nampanantena ny Tompo fa ny Mpampionona—ny Fanahy Masina—dia hanampy azy amin’ny ezaka ataony hanoratra ny tantaran’ny Fiangonana.)

  • Ahoana no fomba ampifandraisantsika an’izany amin’ireo ezaka ataontsika hanoratra ireo tantaram-piainantsika manokana sy ny an’ny fianakaviantsika? (Ampio ny mpianatra hahafantatra ity fitsipika manaraka ity: Raha mahatoky amin’ny ezaka ataontsika hanoratra ny tantaram-piainantsika manokana sy ny an’ny fianakaviantsika isika dia hanampy antsika ny Fanahy Masina. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Mety ho ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina ny olona iray rehefa manoratra tantaram-piainan’ny tena manokana na an’ny fianakaviana izy?

Rehefa mifanakalo hevitra momba io fanontaniana io ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita fa afaka mampahatsiahy zavatra maro amintsika ny Fanahy Masina (jereo ny Jaona 14:26) ary manampy antsika hanoratra mikasika ireo zava-miseho sy toe-javatra iainana amin’ny fomba izay hitondra fitahiana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika sy ny hafa.

Amporisiho ny mpianatra hangataka fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa manoratra ny tantaram-piainany sy ny amin’ny fianakaviany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48

Manome torolalana ny Olomasina ao Ohio hanampy ireo olona avy any New York ny Tompo

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe tsy maintsy nandao ny tokantranony ireo Olomasina any amin’ny faritra lavitra iray. Nangataka ny fianakavian’ireo mpianatra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hamatsy sakafo sy hanome fialofana mandritra ny volana maromaro ho an’ny sasany amin’ireo fianakaviana voatery nandao ny tokantranony.

  • Inona no mety ho fanontaniana na olana anananareo sy ny fianakavianareo mikasika io fangatahana io?

  • Inona avy araka ny eritreritrareo ireo ahiahy sy fahatsapana mety hananan’ireo olona mifindra ao an-tokantranonareo?

Asao ny mpianatra hamadika ny bokiny ao amin’ny Sarintany 3 (“Ny faritr’i New York, Pennsylvanie, ary Ohio any Etazonia”) ao amin’ny fizarana misy ny Sarintanin’ny tantaran’ny Fiangonana ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Asaivo mitady ny toerana misy an’i Fayette, New York, sy i Kirtland, Ohio izy ireo ka hamaritra ny tokotokony ho elanelana misy eo amin’ireo tanàna ireo (sahabo ho 400 kilaometatra). Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa tamin’ny volana desambra 1830 ny Tompo dia nandidy ny Olomasina tao New York mba hifindra tany Ohio (jereo ny F&F 37:3).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ny Olomasina tao Ohio ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nifindra tao amin’ny faritra nisy azy ireo. Dia angataho avy eo ny mpianatra hilaza ny zavatra nianarany.

  • Inona ny zavatra nandidian’ny Tompo an’ireo Olomasina tao Ohio mba ho ataon’izy ireo? (Nandidy ireo izay nanana tany Izy mba hizara izany tamin’ireo Olomasina nifindra tao amin’ilay faritra.) Inona ny fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’io didy io? (Tokony hahitana taratra an’ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ny mpianatra: Mandidy ny Olomasin’ny Andro Farany ny Tompo mba hizara izay ananany amin’ireo sahirana. Mety hanampy ny manazava fa tsy ny Olomasina rehetra tao Ohio no nanana tany hozaraina ary nasaina nividy ny taniny ny sasany tamin’ireo mpikambana avy any New York.)

  • Inona ireo fomba sasantsasany azontsika hizarana ny zavatra ananantsika amin’ny hafa?

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa nahita olona nizara izay nananany tamin’ireo sahirana. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hiresaka mikasika ireo fotoana izay nahazoan’izy ireo zavatra avy amin’ny fahalalahan-tanana sy ny fanompoana nataon’ny olona hafa.

Mba hanomezana ohatra mikasika ny fanampiana ireo sahirana dia angataho ny mpianatra iray hamaky ity tantara manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity mikasika ny zavatra niainany tao amin’ny kilasin’ny Kilonga nisy azy tamin’izy mbola kely:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Nanomboka nanao tetikasa iray izahay mba hanangonam-bola hanaovana fety Krismasy izay nokasaina mba ho tena goavana tokoa. Noraketin-dRahavavy Gertsch an-tsoratra tsara ny fivoaranay. Amin’ny naha-zazalahikely anay izay nanana sakafo tianay manokana dia nieritreritra ny isan’ny mofomamy sy ny cookies sy ny tarte ary ny glace azo novidiana tamin’ilay vola izahay. Tokony ho zava-dehibe mampitolagaga tokoa izany. Tsy mbola nisy tamin’ireo mpampianatray teo aloha no nanolo-kevitra hanatanteraka hetsika lehibe ara-piarahamonina tahaka izany.

“Nivadika ho fararano ireo volam-pahavaratra. Nivadika ho ririnina ny fararano. Tratra ny tanjonay mikasika ilay fety. Nitombo ny isan’ny ankizy tao amin’ny Kilonga. Nanjaka tao ny toe-tsaina tsara.

“Tsy hisy mihitsy aminay no hanadino ilay maraina nanjombona izay nilazan’ny mpampianatra taminay fa nodimandry ny renin’ny iray tamin’ireo mpiara-mianatra taminay. Nieritreritra ny reninay sy ny lanjan’izy ireo taminay izahay. Nalahelo tamin’ny fonay izahay noho ny famoizana lehibe nianjady tamin’i Billy Devenport.

“Ny lesona tamin’io Alahady io dia nalaina avy ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly, toko faha 20, andininy 35: ‘Hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.’ Rehefa namarana ny fampianarana lesona iray voaomana tsara i Lucy Gertsch dia nanao fanamarihana mikasika ny toe-bolan’ny fianakavian’i Billy izy. Fotoana nianjadian’ny fitotongana ara-toekarena tamin’izany ka tsy dia nisy firy ny vola. Nipi-maso izy sady nanontany hoe: ‘Ahoana no fomba tianareo hanarahana io fampianaran’ny Tompotsika io? Ahoana hoy ianareo raha alaintsika ilay vola nangonintsika hanaovana fety ka omentsika rehetra an’ny fianakaviana Devenports izany ho fanehoantsika ny fitiavantsika azy ireo?’ Neken’ny rehetra izany fanapahan-kevitra izany. Noisainay tamim-pitandremana tokoa ny vola vy tsirairay avy ka nataonay tao anaty valopy lehibe iray ny fitambaran’izy rehetra. Nividy karatra tsara tarehy izahay dia nanoratra ny anaranay tao anatin’izany.

“Nampitambatra anay ho iray io fanehoana hatsaram-panahy tsotra io” (“Your Personal Influence,” Ensign na Liahona, mey 2004, 21–22).

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity? Ahoana no fomba ahafahana mitahy ny fiainan’ilay mpanome sy ilay omena amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy sy ny fanompoana?

Asao ny mpianatra hizara traikefa iray nananany rehefa nanampy (na nahita ny hafa nanampy) ny sahirana izy ireo. Amporisiho ny mpianatra hieritreritra fomba iray azon’izy ireo hanampiana olona iray amin’ny herinandro ho avy.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:4–6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa tian’ny Tompo hiomana ireo Olomasina mba hividy tany rehefa ampahafantariny ny toerana hisy ny tanànan’i Ziona, na i Jerosalema Vaovao. Nandidy ny Olomasina ny Tompo hitahiry ny vola rehetra araka izay tratran’izy ireo mba hiomanana amin’ny fananganana ny fototr’io tanàna io (jereo ny F&F 48:4–6). Lazao amin’ny mpianatra fa hianatra bebe kokoa mikasika ny ezaka nataon’ireo Olomasina mba hanangana ny tanànan’i Ziona izy ireo ao anatin’ireo lesona manaraka.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47:1. “Hirakitra tsy miato ny tantara”

Ny Mpaminany Joseph Smith dia namariparitra ny vokatra nateraky ny tsy fanoratana ireo zava-niseho manan-danja teo amin’ny tantaran’ny Fiangonantsika:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Tena marina fa raha ananako eto am-pelatanako amin’izao fotoana izao ny fanapahan-kevitra rehetra izay natao mikasika ireo zavatra mahakasika ny fotopampianarana sy ny andraikitra hatramin’ny nanombohan’ity asa ity, dia tsy hivadika amin’izy ireo aho na omena ohatrinona na ohatrinona. Saingy notsinontsinoavintsika ny firaketana an-tsoratra ny zavatra toy izany, angamba noho ny fieritreretana fa tsy hitondra tombontsoa ho antsika na oviana na oviana izy ireo any aoriana any. Raha nananantsika izy ireo amin’izao fotoana izao dia ho nahafahana nanapa-kevitra ny amin’ireo antsipirian’ny fotopampianarana tsirairay izay mety hiadian-kevitra. Saingy notsinontsinoavina izy io, ka ankehitriny isika dia tsy afaka ny hirakitra izany an-tsoratra ho an’ny Fiangonana sy izao tontolo izao amin’ilay halehiben’ny hery sy fahefana tokony nahafahantsika nanao izany teo aloha mikasika ireo zava-niseho lehibe sy mahatalanjona nitranga teo amintsika, raha toa isika ka tsy maintsy mamoaka ireo zavatra ireo ho boky any ivelany” (ao amin’ny History of the Church, 2:198–99). (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed faha 2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 103.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47. Inona no antson’ny Mpahay tantaran’ny Fiangonana sy Mpirakitra an-tsoratra?

Nanazava ny Loholona Marlin K. Jensen ao amin’ny Fitopololahy, izay Mpahay tantaran’ny Fiangonana sy Mpirakitra an-tsoratra nanomboka tamin’ny taona 2005 ka hatramin’ny taona 2012 hoe:

Sary
Loholona Marlin K. Jensen

“Ny asan’ny mpanoratra ny tantaran’ny Fiangonana sy ny firaketana dia miompana amin’ny fitanana rakitsoratra amin’ny ankapobeny. Izany dia ahitana ny fanangonana sy ny fitehirizana ireo fitaovana mirakitra ny tantaran’ny Fiangonana sy ny firaketana ireo ôrdônansy ary ny fanangonana ireo firaketana an-tsoratra. Ny soratra masina ihany koa dia milaza fa misy ny andraikitra tokony horaisina amin’ny fakana antoka fa ireo raki-tsoratra dia ampiasaina ‘ho tombontsoan’ny fiangonana sy ny taranaka vao misondrotra’ (F&F 69:8).

“Ny anjara asan’ny mpahay tantara sy mpirakitra an-tsoratra dia mifameno ary indraindray dia tsy hay avahana. Heveriko fa izay no antony nahatonga ny fanendrena mpirakitra an-tsoratra ary mpahay tantara indraindray tamin’ny fotoana niandohan’ny Fiangonana, ary izay no antony nampiarahana ireo anjara asa ireo ho ao anatin’ny antso iray tao anatin’izay fotoana rehetra izay” (“There Shall Be a Record Kept among You,” Ensign, des. 2007, 28).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:6. “Ny fiadidiana sy ny evekan’ny fiangonana”

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:6 dia ahitana ilay andian-teny hoe “ny fiadidiana sy ny evekan’ny fiangonana.” Tsy mbola voalamina anefa ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny fotoana nanomezana ilay fanambarana. Ilay sora-tanana voalohany mirakitra ity fanambarana ity dia ahitana ny andian-teny hoe “amin’ny alalan’ny Eveka sy ireo Loholon’ny Fiangonana” (jereo ny Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, boky 1 amin’ireo Documents tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers [2013], 288). Novaina ny teny nentina nilaza izany rehefa voatsangana ny Fiadidiana Voalohany. Ny fanovana tahaka izany dia natao indraindray rehefa nihalehibe ny Fiangonana ary rehefa nitarina araka ny voalazan’ny fanambarana ny fikambanan’ny fisoronana.