Seminera
Lesona 85: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82–83


Lesona 85

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82–83

Fampidirana

Ny volana Aprily 1832 dia nandeha nankany Independence, Missouri ny Mpaminany Joseph Smith sy ny rahalahy hafa mba ho fankatoavana ny didin’ny Tompo mikasika ny fananganana rafitra iray izay hanorina an’i Ziona sy hikarakara ny mahantra (jereo ny F&F 78, anisan’izany ny fampidirana ny fizarana). Ny 26 Aprily dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82 ny Mpaminany nandritra ny filankevitry ny mpisorona avo sy ny loholon’ny Fiangonana tao Independence. Namela ny fahadisoan’ireo rahalahy ny Tompo ao amin’io fanambarana io sady nampitandrina azy ireo mba hifady ny fahotana. Nampianatra ireo rahalahy ireo mikasika ny fomba hitantanana ny raharaha ara-nofon’i Ziona koa ny Tompo. Efatra andro taty aoriana dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83 i Joseph Smith ka tao anatin’izany no nampianaran’ny Tompo ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny fomba fikarakarana ireo mananotena sy ny kamboty.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7

Mampitandrina ireo izay nandray bebe kokoa avy Aminy ny Tompo

Alohan’ny fotoam-pianarana dia manangòna taratasy sy feutres be dia be. (Hampiasa izany ireo mpianatra mandritra ny lesona mba hanaovana lisitra izay afaka aseho ho hitan’ny mpianatra sisa ambiny.)

Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hieritreritra ny fotoana izay tsy nifankahazoany tamin’ny namana na fianakaviana iray ka voavaha ihany izany nony farany.

  • Inona no tsapanao rehefa nivaha ilay tsy fifankahazoana?

Ampahafantaro ny mpianatra fa nandritra ny volana maromaro dia nisy fifandirana teo amin’i Sidney Rigdon tany Ohio sy ny Eveka Edward Partridge tany Missouri. Ny volana Aprily 1832 dia nandeha nankany Missouri ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana ho fankatoavana ny didin’ny Tompo ny “hiara-midinika amin’ireo olomasina izay ao Ziona” (F&F 78:9). Tamin’ny fotoana nahatongavany dia nisy filankevitry ny mpisorona avon’ny Fiangonana natao. Teo anelanelan’ny fivoriana maraina sy ny fivoriana tolakandro an’ilay fihaonambe dia nandamina ny tsy fifankahazoana teo aminy i Sidney Rigdon sy i Edward Partridge. Ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82 dia noraisina nandritra ny fivoriana tolakandro.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo an’i Sidney Rigdon sy i Edward Partridge momba ny fandaminana ny tsy fifankahazoana teo aminy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 1 dia inona no ifandraisan’ny famelana ny hafa sy ny fahazoana famelan-keloka avy amin’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:2, ary angataho ny iray kilasy hamantatra ny fampitandremana nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina.

  • Inona no nolazian’ny Tompo fa hanjò ireo izay tsy “mifady ny fahotana”?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fahotana sasany izay mety noresahan’ny Tompo eto dia hazavao fa rehefa nifindra tany Missouri ireo mpikamban’ny Fiangonana dia maro tamin’izy ireo no tsy nankatò ny torohevitry ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary nandà ny hiaina ny lalàn’ ny fanokanana ny sasany. Ka ny vokany dia meloka noho ny fialonana sy fitsiriritana ary ny fanaovana tsirambina ny andraikitra ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:3–4. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny antony nahatonga ny fitsarana voalaza ao amin’ny andininy 2 hianjera amin’ireo izay nanohy nanota.

  • Ahoana no nahatonga ireo Olomasina ireo noraisina ho toy ny olona izay nahazo “hazavana lehibe kokoa”?

  • Inona no ampianarin’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo mikasika ny maha-tompon’ andraikitra antsika amin’ny zavatra izay nomeny antsika? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Mitaky be amin’ireo izay nomeny be ny Tompo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masiny.)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no takiana bebe kokoa ireo izay nahazo bebe kokoa avy amin’ny Tompo?

Zarao ho vondrona kely ny mpianatra. Omeo taratasy kely sy pensilihazo ny vondrona tsirairay. Asaivo mitanisa fitahiana maro izay noraisiny avy tamin’ny Tompo araka izay azony atao ao anatin’ny roa minitra izy ireo. Entano izy ireo hampiditra ireo fitahiana izay azony amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ireo. Rehefa vitany izany dia asehoy eo imason’ny daholobe ireo lisitra ka apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no raisina ho toy ny olona “izay omena be” isika?

  • Satria nanome be antsika ny Tompo dia inona no zavatra sasany izay takiany amintsika?

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny fitsipika avy amin’ny andininy 3 dia asaivo soratany ao anatinʼny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny iray amin’ireo fitahiana izay noraisiny avy tamin’ny Tompo. Avy eo dia asaivo soratany ny fahatsapany ny zavatra antenain’ny Tompo hataony noho izy ireo nomena izany fitahiana izany. Farany dia asao izy ireo hanoratra tanjona iray amin’ny zavatra izay azony atomboka atao mba hanatratrarana izany zavatra andrasana izany.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:5–6 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe nampitandrina ny Olomasina ny Tompo fa nitombo ny fanapahana sy ny herin’i Satana. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:7, ary angataho ny iray kilasy hamantatra ny fampitandremana fanampiny izay nomen’ny Tompo momba ny fahotana.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 7 dia nahoana no zava-dehibe ho an’ireo izay mibebaka ny mahafoy ny fahotana? (Rehefa minia miodina amin’ny fahamarinana ka mankany amin’ny fahotana isika dia “hiverina ny fahotantsika taloha.”)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no miverina ny fahotantsika taloha raha minia manota isika rehefa avy nikatsaka ny famelan-keloky ny Tompo? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa raha te hibebaka sy ho voavela tanteraka isika dia tsy maintsy mahafoy ny fahotantsika.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–24

Nandidy ny lehilahy sivy hanangana ny orinasa izay hitantana ny raharaha ara-nofon’ny Fiangonana ny Tompo

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny ekipa tsirairay mba hieritreritra toe-javatra roa izay misy zatovolahy na zatovovavy mety mila fanomezan-toky fa mitana ny fampanantenany Andriamanitra. (Ohatra: mifandray akaiky kely amin’ny renibeny izay voan’ny aretina mahafaty ny zatovovavy iray. Mety mila fanomezan-toky mikasika ny fampanantenana ny amin’ny fianakaviana mandrakizay sy ny Fitsanganana amin’ny maty io zatovovavy io.) Asao ny mpianatra hizara ny sasany amin’ny rafi-tantarany amin’ny rehetra.

Hazavao fa nandritra ny filankevitry ny mpisorona avo tao Missouri dia nanome fampanantenana feno toky ho an’ireo izay mankatò ny didiny ny Tompo. Entano ny mpianatra hitady ny fahamarinana izay mety manome toky ireo izay ao anatin’ireo toe-javatra vao avy nodinihiny teo, eo am-panohizany ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–9, sady hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo fa homeny ireo Olomasina nandritra ity filankevitra ity.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8 dia inona no nolazain’ny Tompo fa homeny ireo izay nivory tao amin’ity filankevitra ity?

  • Araka ny zavatra novakianao tao amin’ny andininy 8–9 dia inona no antony nahatonga Azy nanome azy ireo ity didy vaovao ity? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

  • Ahoana no fomba ampiharana ireo antony ireo amin’ny didy tsirairay izay omen’ny Tompo antsika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny fitsipika izay afaka manome toky antsika rehefa miezaka ny mankatò ny didin’ny Tompo isika.

  • Fitsipika inona no hitanao ka manome toky anao rehefa miezaka ny mankatò ny Tompo ianao? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra ny valinteniny kanefa tokony hita taratra ao kosa ity fitsipika manaraka ity: Raha mankatò ny Tompo isika, dia hitazona mandrakariva ny fampanantenany hitahy antsika Izy.)

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny traikefa nananany izay nampiseho azy ireo fa marina io fitsipika io. Asao ny mpianatra mba hanoratra ny iray amin’ireo traikefa ireo ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mizara ny traikefanao teo amin’ny fiainanao ka nanamafy io fitsipika io.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78 izy ireo dia nianatra ny baikon’ny Tompo tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio mba hanangana orinasa izay hitantanana ny trano fanobiana sy ny ezaka famoaham-bokin’ny Fiangonana. Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:11, 15–17 amin’ny fampahafantarana ny mpianatra fa tao amin’ity fanambarana ity dia ny Tompo mihitsy no nitarika ny fananganana ilay orinasa—izay fantatra amin’ny hoe Orinasa Miray—ka nanendry ny mpikambana tao aminy.

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:12 sady hitady ny tanjon’ilay Orinasa Miray. Rehefa mamaky izy ireo dia mety hanampy ny mampahatsiahy azy ireo ny hoe anisan’ny andraikitry ny eveka iray ny manampy ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny filàna ara-nofo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 12 dia inona no tanjon’ilay Orinasa Miray?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:14, 18–19 sady hitady ny teny na andian-teny izay manazava bebe kokoa ny antony nahatonga ny Tompo nandidy ny fananganana ilay Orinasa Miray.

  • Nahoana no nanan-danja tamin’ny Olomasina ny hananany fomba fijery araka izay nolazaina ao amin’ny andininy 19?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:20–24 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe nofaranan’ny Tompo tamin’ny fampitandremana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana izay nataony amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ilay Orinasa Miray io fanambarana io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83

Manambara ny fomba fikarakarana ny mananotena sy ny kamboty ny Tompo

Ampahafantaro ny mpianatra fa efatra andro taorian’ny nandraisany ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82 dia nahazo fanambarana iray mikasika ny fiatrehana ireo fanamby momba ny fikarakarana ny zavatra ilain’ny Olomasina eo amin’ny ara-nofo ny Mpaminany Joseph Smith. Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83:1 sady hitady ny hoe ny filàn’iza no noresahina tato amin’ity fanambarana ity.

  • Filàn’iza no noresahina tato amin’ity fanambarana ity?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa maro ireo Olomasina izay niaina ny lalàn’ ny fanokanana ka nahazo “lova,” na fananana avy amin’ny Fiangonana. Tao anatin’ity fanambarana ity ny Tompo dia nanambara ny zavatra hitranga amin’ny lovan’ny fianakaviana iray raha toa ka maty ny vady na ny ray.

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83:2–3 sady hitady ny torolalan’ny Tompo mikasika ny fikarakarana ireo vehivavy izay namoy ny vadiny.

  • Raha maty ny lehilahy iray kanefa nijanona mahatoky ramatoa vadiny dia inona no fitahiana izay noraisiny?

Hazavao fa tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity dia niankina tamin’ny vadiny ny ankamaroan’ny vehivavy tamin’ny famelomana azy ireo. Ny hoe “hanana fihavanana ao am-piangonana” dia midika hoe satria nodimandry ny mpamelona an’ilay ramatoa dia hanohana azy ny Fiangonana satria izy irery no hany mpamelona. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83:4–6 Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hijery ny fomba hanohanan’ny Fiangonana ireo kamboty sy mananotena.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao mikasika ny fahatsapan’ny Tompo mikasika ireo mananotena sy kamboty ary ireo sahirana rehetra?

Entano ny mpianatra mba hiraharaha bebe kokoa ny filàn’ireo izay manodidina azy ireo ka hitady ny fomba hampiharana ny torohevitry ny Tompo mba hikatsaka ny tombontsoan’ny namany (jereo ny F&F 82:19). Farano amin’ny fizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nampianarina ao anatin’ireo fanambarana ireo ny lesona arakaraka ny fitarihan’ny Fanahy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:7 “Fa amin’ ny fanahy izay manota no hiverenan’ ny fahotana taloha”

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ny fialana amin’ny fahotana dia … fanapahan-kevitra tsy azo hozongozonina sy maharitra ny tsy hamerina ilay fandikan-dalàna intsony. Tsy ilaina intsony ny hiaritra ilay ngidin’ny vokatr’io fahotana io amin’ny alalan’ny fankatoavana io fanoloran-tena. Tsarovy “Fa amin” ny fanahy izay manota no hiverenan’ ny fahotana taloha’ [F&F 82:7]. Nanambara i Joseph Smith hoe: ‘Zavatra tsy azo hamaivanina isan’andro ny fibebahana. Ny fandikan-dalàna isan’andro sy ny fibebahana isan’andro dia tsy … mahafaly an’ Andriamanitra’ [Teachings of the Prophet Joseph Smith, nofantenin’i Joseph Fielding Smith [1976], 148]” (“Finding Forgiveness,” Ensign, mey 1995, 76).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:11–12. Ny fitanan-draharaha sy ny fampiasana solon’anarana

Tao anatin’ny fanontana voalohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia nampiasaina ny solon’anarana na anarana tsy tena izy mba hiarovana ny Fiangonana sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny fahavalo. Nampiasaina tamin’ireo anaran’ireo mpikambana tao amin’ny Orinasa Miray izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:11. Koa mety hita ao amin’ny lahatsoratra izay mandrafitra an’io andininy io ny solon’anarana ao amin’ireo fanontana voalohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sasany. Naverina tao anatin’ny fanontana taty aoriana ihany anefa ny anarana marina.

Toy izao manaraka izao ny “fitantanan-draharaha” na andraikitry ny mpikambana voalaza ao amin’ny andininy 11: notendrena ho “mpitantan-draharaha hiandraikitra ireo fanambarana sy didy” (F&F 70:3 ny enina amin’ireo olona sivy—ny Mpaminany Joseph Smith, Martin Harris, Oliver Cowdery, John Whitmer, Sidney Rigdon ary William W. Phelps), evekan’ny Fiangonana kosa ny anankiroa (Edward Partridge sy Newel K. Whitney), ary nampiandraiketina ny trano fanobiana tao Independence, Missouri kosa ny anankiray (A. Sidney Gilbert).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:18. “Ny trano fanobian’ny Tompo”

Manoritsoritra ny fampiasan’ny Tompo ny trano fanobiany amin’izao fotoana izao ity fanambarana manaraka ity:

“Ny trano fanobian’ny Tompo dia … mety ho lisitr’ireo fanompoana misy, vola ao amin’ny fitehirizana, sakafo ao an-tsopitra, na ireo vokatra ao amin’ny trano iray. Atsangana ny trano fanobiana rehefa omen’ny mpikambana mahatoky ny evekany ny fotoany, ny talentany, ny fahaiza-manaony, ny hamoram-pony, ny fitaovany, ary ny vola mba hikarakarana ny mahantra sy hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

“Noho izany, ny trano fanobian’ny Tompo dia misy isaky ny paroasy. Ny eveka no mpitantana ny trano fanobian’ny Tompo. Rehefa tarihin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo izy dia mitsinjara ny fanomezan’ny Olomasina amin’ny mahantra sy sahirana. Ampian’ny kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana izy” (Providing in the Lord’s Way: A Leader’s Guide to Welfare [1990], 11; jereo ihany koa ny LDS.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:22. Nahoana no nodidiana haka namana amin’ny “mamônan’ny tsy fahamarinana” ny Fiangonana?

Midika hoe harena ny teny hoe mamôna (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mamôna” scriptures.lds.org). Nanazava ny Filoha Joseph Fielding hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Toa teny sarotra ekena tokoa ilay didin’ny Tompo hoe tokony ho ‘namana amin’ny mamônan’ny tsy fahamarinana’ ny olomasina raha tsy azo tsara ny tiany hambara. Tsy midika izany fa rehefa maka namana amin’ny “mamônan’ny tsy fahamarinana” ireo rahalahy dia hiara-manao fahotana aminy; hanaiky tanteraka azy ireo sy hifanambady aminy ary hitovy tantana aminy eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nasaina niaina toy izany izy ireo mba ho azo antoka ny fiadanana miaraka amin’ny fahavalony. Nasaina naneho hatsaram-panahy sy hinamana aminy izy ireo arakaraka ny nameran’ny fitsipika marina sy mendrika izany fa tsy hiteny ratsy miaraka aminy kosa na hisotro sy hanao fitondran-tena ratsy miaraka aminy. Raha afaka mampihena ny fitsarana an-tendrony izy ireo ka vonona ny hanao fifanakalozam-barotra ary hampiseho hatsaram-panahy dia mety hanampy ny fahavalony hiala amin’ny herisetrany izany. Avela ho an’ny Tompo ny fitsarana” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:323, 1:323; jereo ihany koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 179.)