Seminera
Lesona 58: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–52


Lesona 58

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–52

Fampidirana

Rehefa nanomboka tonga tao Ohio tamin’ny volana mey 1831 ireo Olomasina sasany nifindra monina avy any amin’ireo faritra atsinanana dia nanambara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51 tamin’i Joseph Smith ny Tompo ho an’ny Eveka Edward Partridge. Ilay andiany tonga avy any Colesville, New York dia nomena toromarika handeha tany Thompson, Ohio, izay toerana hiainan’izy ireo ny lalàn’ny fanokanana. Rehefa nifarana ilay fihaonambe fahefatra nataon’ny Fiangonana, izay natao tamin’ny 3–6 jona 1831, tao Kirtland, dia nandidy an’i Joseph Smith sy ireo loholona hafa ny Tompo mba handeha tsiroaroa hankany Missouri ka hitory eny an-dalana. Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52 ny Tompo dia niantso ireo mpiara-miasa tsirairay avy ka nanome fakantahaka iray hanampiana azy ireo tsy ho voafitaka.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:1–20

Nanome toromarika ho an’ny Eveka Edward Partridge ny Tompo mba hikarakarana ny zavatra ilain’ireo Olomasina eo amin’ny lafiny ara-nofo

Mba hanampiana ny mpianatra hanomboka hieritreritra mikasika ny iray amin’ireo vokatra ateraky ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana dia asao izy ireo hamaly tsiroaroa, na ao anatin’ny vondrona kely maromaro, na miaraka, an’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no vondrona tena niray hina indrindra efa nikambananareo? Ahoana no hahalalanareo raha miray hina ny vondron’olona iray? Inona avy ireo karazana fomba amam-panao na zava-miseho izay manampy ny vondrona iray hiray hina?

Hazavao fa ireo Olomasina izay nifindra avy any New York dia nanomboka tonga tao Ohio tamin’ny lohataonan’ny taona 1831. Avy any Colesville, New York ny vondrona iray, izay nahafoy zavatra marobe tokoa. Nomena torolalana hipetraka tao Thompson, Ohio io vondrona io ka hiaina ny lalàn’ny fanokanana. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny firaisankina izay mety teraka avy amin’ny vondrona iray niara-nahafoy zavatra maro mba hanaraka ny sitrapon’ny Tompo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo andraikitry Eveka Edward Partridge.

  • Inona avy ireo andraikitra sasantsasany nosahanin’ny Eveka Partridge? (Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “hitovy … araka ny fianakaviany” ao amin’ny andininy 3 dia tsy midika hoe tokony hahazo fanampiana mitovy ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay avy. Ny andraikitry ny eveka tamin’izany dia ny nijery tsirairay ny toe-javatra niainan’ny fianakaviana tsirairay ka “nanendry” tamin’izy ireo ny zavatra nilainy. Nitovy izy ireo satria nojeren’ny eveka sy nokarakarainy tamin’ny fomba mitovy ny fianakaviana tsirairay.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:9 mba hitady ny zavatra nohazavain’ny Tompo fa vokatra roa voafaritra mialoha fa ho azo avy amin’ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana.

  • Inona no andrasan’ny Tompo amin’ny olony? (Tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Miandry ny olona hifampitondra amim-pahamarinana ny Tompo ary ho iray.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:10–20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanome torolalana ny Eveka Partridge ny Tompo mba hanangana trano fitehirizana mba hahafahana mitahiry ireo zavatra mihoatra. Nohazavainy fa natokany ho an’ireo Olomasina “mandritra ny fotoana fohy” (F&F 51:16) ilay tany. Na dia tsy fantatr’izy ireo aza ny faharetan’ny fotoana hijanonan’izy ireo tao dia tokony “hiasa io tany io toy ireny haharitra an-taona maro ireny” (F&F51:17) izy ireo, ho mahatoky sy hendry ary ho mpitantan-draharaha amin’ny zavatra nomena azy ireo. Azonao atao ny manazava fa ilay teny hoe fiangonana ao amin’ny andininy 10 dia entina ilazana sampana iray ao amin’ny Fiangonana (jereo ny F&F 51:10, fanovozan-kevitra eo ambanin’ny pejy a; jereo koa ny F&F 20:81; 45:64).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:1–13, 22–36

Ny Tompo dia mandidy ny Mpaminany sy ny loholona hafa mba hanao ny dia mankany Missouri sy hitory ny filazantsara mandritra io dia io.

Alohan’ny fotoam-pampianarana dia manomàna famantarana telo, ny famantarana tsirairay dia mitondra mankany amin’ny iray manaraka. Ohatra, ny famantarana voalohany dia mety hitarika ny mpianatra hijery ny famantarana faharoa izay eny ambany na eny akaikin’ny zavatra iray ao anatin’ny efitrano fianarana. Ny famantarana faharoa dia mety hitarika azy ireo hikaroka ny famantarana fahatelo amin’ny faritra hafa ao amin’ny efitrano fianarana. Ilay teny enti-manoro fahatelo dia tokony hilaza hoe: “Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:1–6. Karohy ny fitsipika iray mitovy amin’ity asa atao ity.”

Apetaho eo amin’ny solaitrabe ilay teny enti-manoro voalohany, dia soraty eo akaikiny ireto torolalana manaraka ireto: Araho ity teny enti-manoro ity mba hianarana ny fomba handraisana fitarihana tsy tapaka avy amin’ny Tompo.

Rehefa avy namaky ny famantarana voalohany ny mpianatra dia asao izy ireo mba hanaraka ny torolalana mba hahitana ny famantarana faharoa. Asao izy ireo avy eo mba hamaky ny torolalana ahitana ny famantarana faharoa ka hikaroka ny famantarana fahatelo.

Alohan’ny hanarahan’ny mpianatra ireo toromarika eo amin’ilay teny enti-manoro fahatelo dia hazavao fa ilay andinin-tsoratra masina hotadiavin’izy ireo dia mirakitra ireo torolalana nomena an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny fisoronana nandritra ny fihaonambe iray nataon’ny Fiangonana, izay natao tao Kirtland, Ohio, tamin’ny volana jona 1831. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Tompo dia efa nanambara teo aloha ny tokony hanorenan’ny Olomasina tanàna iray atao hoe Ziona (jereo ny F&F 28:9), fa mbola tsy nilaza ny toerana hasiana izany Izy.

Asao ireo mpianatra mba hanaraka ny torolalana ho an’ny famantarana fahatelo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:1–6. Asao ny mpianatra rehetra mba hanaraka ny vakinteny ka hitady fitsipika iray izay mitovy amin’ny asa atao vao avy natao.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4–5 dia inona no mety hitranga rehefa mahatoky amin’ireo torolalana omen’ Andriamanitra isika? (Rehefa manaraka ny torolalan’ Andriamanitra amim-pahatokiana isika dia hanambara torolalana bebe kokoa ho antsika Izy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Ahoana no itovian’ilay asa natao amin’io fitsipika io? (Rehefa nanaraka ny torolalana tsirairay ny mpianatra dia nandray torolalana fanampiny izy ireo, ary tamin’ny farany izany dia nitondra azy ireo ho any amin’ny valiny izay kokatsahiny.)

  • Inona no tsapanao fa tombotsoa sasantsasany amin’ny fandraisana torolalana avy amin’ny Tompo sy fahamarinana tsikelikely toy izay ny fandraisana izany rehetra izany indray mandeha?

Asao ireo mpianatra izay efa niaina zavatra mahakasika io fitsipika io mba hizara ny zavatra niainany, na hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany. Azonao atao koa ny mizara ny zavatra niainanao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Amporisiho ireo mpianatra mba hanoratra ireo fanontaniana na ahiahy na fanapahan-kevitra izay atrehany ka iriany fanampiana na torolalana avy amin’ny Tompo. Rehefa izany dia asao izy ireo mba hisaintsaina sy hanoratra ny fitarihana rehetra mety omen’ny Tompo azy ireo izay azon’izy ireo harahina tsaratsara kokoa mba hahafahana manasa fitarihana fanampiny avy Aminy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:7–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo torolalana nomen’ny Tompo an’ireo mpihazona ny fisoronana sasany talohan’ny nandehanan’izy ireo tany Missouri.

  • Inona no nasaina nataon’ireo mpihazona ny fisoronana ireo rehefa nandeha teny an-dalana izy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–21, 36

Nanambara fomba iray mba hanampiana antsika tsy ho voafitak’i Satana ny Tompo

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50 dia nampitandrina an’ireo loholona tao amin’ny Fiangonana mikasika ireo fanahy sandoka ny Tompo ary nanome torolalana izay hanampy ny Olomasina hifanome hery rehefa nampianatra sy nianatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izy ireo.

Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–21 ny Tompo dia nanambara torolalana bebe kokoa mba hampatanjahana ireo mpikamban’ny Fiangonana, indrindra fa ireo izay nantsoiny hitory ny filazantsara rehefa nandeha nankany Missouri izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny andian-teny iray nampiasain’ny Tompo mba hamaritana ny zavatra izay handeha ho ampianariny. (“Fakantahaka amin’ny zavatra rehetra.”)

  • Inona no atao hoe fakantahaka? (Ohatra iray izay azontsika arahina mba hahazoana vokatra iray.)

  • Inona no antony nolazain’ny Tompo fa nahatonga Azy hanome io fakantahaka io?

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpiara-miasa tsirairay hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:15–19 Asao izy ireo hitady ireo asa sy toetra nolazain’ny Tompo fa hanampy ny olona mba tsy ho voafitak’i Satana. Rehefa avy nomena fotoana ampy hanaovana izany ny mpianatra dia asao izy ireo hanao tatitra momba ny zavatra hitany. Manasà mpianatra iray ho mpandray an-tsoratra ary tanisao eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.

Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manazava na mangataka azy ireo hanazava ny dikan’ireto andian-teny manaraka ireto: ny hoe “manenina ny fanahiny” (F&F 52:15) dia entina ilazana olona iray izay manana fihetsika maneho fibebahana. Ny hoe “mankatò ny ôrdônansiko” (F&F 52:15) dia entina ilazana olona iray izay nandray ireo ôrdônansin’ny Tompo ka nanaja ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany. Ny hoe “feno fanetren-tena ny fiteniny sady mampiorina” (F&F 52:16) dia entina hilazana ny olona iray izay mampiasa fiteny feno fanetrentena sy mampahery na mampiorina ny hafa. Ny hoe “mangovitra noho ny heriko” (F&F 52:17) dia mamaritra olona iray izay manaja ny herin’ Andriamanitra. Ary ny hoe “hamoa ny voa” (F&F 52:17) dia entina ilazana ny olona iray izay mahavita zavatra tsara (toy ny “fiderana sy ny fahendrena”) amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fanambarana nomen’ Andriamanitra.

Omeo fotoana ireo mpianatra mandeha tsiroaroa hifanakalozana hevitra mikasika ny fomba hamintinany ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19. Rehefa ampy ny fotoana nomena azy ireo dia asao izy hizara ireo fahamarinana hitany. Mety hanome valinteny isan-karazany ny mpianatra, kanefa azonao atao ny manamafy ity fitsipika manaraka ity: Mba tsy ho voafitak’i Satana ny olona iray dia tsy maintsy hankatò ireo ôrdônansin’ny Tompo sy miaina mifanaraka amin’ireo fanambarana nomeny.

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa rehefa nanambara io fakantahaka mba tsy ho azon’ny fitaka io ny Tompo dia niresaka tamin’ny andiana mpihazona ny fisoronana iray Izy, izay hitory ny filazantsara amin’ny hafa.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no manan-danja ho an’ireo izay mampianatra ny filazantsara amin’ny hafa ny manaraka ilay fakantahaka nampahafantarin’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo? (Mba hahafahan’izy ireo mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:36. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady torolalana fanampiny nomen’ny Tompo ao amin’io fanambarana io. Asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Inona no nasain’ny Tompo hambaran’ireo loholon’ny Fiangonana ireo?

  • Nahoana isika no afaka mahatoky ny mpitarika iray na mpampianatra iray izay miaina mifanaraka amin’ilay fakantahaka nolazain’ny Tompo ao amin’ny andininy 14–19 sy tsy mampianatra afa-tsy izay zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly?

Azonao atao ny miteny ny mpianatra hieritreritra ny fomba hanehoan’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo io fakantahaka io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:37–44

Manome torohevitra an’ireo mpitarika izay hijanona ao Ohio ny Tompo

Hazavao fa rehefa niantso ny maro tamin’ireo mpihazona ny fisoronana tany am-piandohana ny Tompo mba hitory teny an-dalan’izy ireo nankany Missouri dia loholona maro hafa no nasaina nijanona tao Ohio. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:39–40. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo torolalana nomen’ny Tompo an’ireo loholona izay hijanona tao Ohio.

  • Inona ireo andraikitra nomen’ny Tompo an’ireo loholona nijanona tao Ohio?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “mahatsiaro … ny mahantra sy ny sahirana”? Nahoana no tsy ampy ny fieritreretana fotsiny ny olona iray sahirana mba hanatanterahana io torohevitra avy amin’ny Tompo io?

  • Inona no nolazain’ny Tompo mikasika ireo izay tsy hanatanteraka ny andraikiny?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny maha-mpianatry ny Tompo marina? (Na dia mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa aza izany dia tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia miahy sy mikarakara ireo izay mahantra sy sahirana sy marary ary ory.)

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo olona fantany ka horaisiny ho toy ny mpianatr’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba niahian’ilay olona neritreretin’izy ireo sy nikarakaran’io olona io ireo sahirana. Azonao atao ny maneho ny fankasitrahana tsapanao ho an’ireo izay niahy sy nanampy anao nandritra ny fotoana naha-sahirana anao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19. Ohatry ny fakantahaka amin’ny fahatokiana

Ny Loholona Paul E. Koelliker ao amin’ny Fitopololahy dia nitantara ity tantara manaraka ity, izay ahitana ohatra mikasika ny fomba afahafahantsika mitaona ny hafa amin’ny tsara rehefa miaina mifanaraka amin’ilay fakantahaka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19 isika:

Sary
Loholona Paul E. Koelliker

“Ny fakantahaka dia ohatra, fitarihana, dingana miverimberina, na lalana arahin’ny olona iray mba tsy hialana amin’ny tanjon’ Andriamanitra. Raha arahina izany, dia hanampy antsika hanana fanetren-tena, sy ho taitra, ary ho hanana fahafahana hamantatra ny feon’ ny Fanahy Masina eo anivon’ ireo feo izay mandrebireby sy mamily lalana antsika. …

“… Rehefa tena miaina marina ny filazantsara isika araky ny fankatahaka nampianarin’ ny Tompo Jesoa Kristy antsika, dia hitombo ny fahafahantsika manampy ny hafa. Ity zava-nitranga manaraka ity dia ohatra maneho ny fomba ahafahan’ity fitsipika ity ho mahomby.

“Nandondona tao amin’ny trano iray ny misiônera vao herotrerony roa, izay nanantena fa hahita olona handray ny hafatr’izy ireo. Nisokatra ny varavarana, ary lehilahy goavana iray no nandray azy ireo tamin’ny feo somary nitrerona hoe: ‘Ohatra ny efa nolazaiko anie ianareo tsy handondona ny varavarako intsony e! Efa nampitandrina anareo aho taloha fa raha mbola miverina ianareo, dia hivadika toe-javatra ratsy izany. Mandehana mandeha any amin’izay.’ Nakatony haingana ny varavarana.

“Raha nandao ilay trano ireo elder, dia napetrak’ilay misiônera efa manana traikefa bebe kokoa teo an-tsorok’ilay misiônera vao tonga vao haingana ny sandriny mba hankahery sy handrisika azy. Tsy fantatr’izy ireo akory hoe nitazana teo am-baravarankely ilay lehilahy mba hahazo antoka fa azon’ireto misiônera ireto tsara ny hafatra nomeny. Izy dia tena nanantena ny hahita azy ireo hihomehy sy hihanihany tamin’ilay valinteny feno tsy fahalalam-pomba rehefa nanandrana ny hamangy azy izy ireo. Kanefa rehefa hitany ny fifanehoana hatsaram-panahy nisy teo amin’ireto misiônera roa ireto dia tonga nihanalefaka ny fony. Novohany indray ny varavarana ary nangataka ireto misiônera roa ireto izy hiverina ary hizara aminy ny hafatr’izy ireo” (“Tena tia antsika tokoa Izy,” Ensign na Liahona, mey 2012, 17).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:33–34. “Izay mahatoky dia izy no hotehirizina ary hotahiana”

“I Lydia Clisbee Partridge dia namela tantara iray mikasika ireo toe-javatra niseho izay nandraisan’i Edward vadiny ity didy avy amin’ny fanambarana ity. Nifindran’ny kitrotro avy amin’ireo mpikambana vao tonga vao haingana avy any New York izay niara-nipetraka tamin’izy mianakavy avokoa ny zanak’izy ireo rehetra. Nanoratra izy fa ‘voan’ny aretin-tratra ny zanak’izy ireo vavimatoa, ary nandritra ny fotoana namparary mafy azy, dia nantsoina tamin’ny alalan’ny fanambarana ny vadiko mba handeha hiaraka amin’ny olona maro hafa ho any Missouri mba hitady toerana hivondronan’ny Olomasina. Ny olona tsy mpino dia nilaza fa adala ny vadiko raha mandeha any. Dia nieritreritra aho fa tsy fahadisoana ho ahy ny nieritreritra fa nanomboka ny fizahan-toetra ahy, dia tena nanomboka tokoa [izy ireo], saingy io fitsapana io, tahaka ireo hafa rehetra, dia narahin’ny fitahiana maro satria sitrana ny zanakay vavy.’ (Partridge, Genealogical Record, 6.)” (Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, boky 1 amin’ireo Documents tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers [2013], 330).