Seminera
Lesona 72: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66


Lesona 72

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66

Fampidirana

Taorian’ny nahavitan’i Willliam E. McLellin batisa tamin’ny taom-pahavaratra 1831 dia nanaiky ny antso hitory ny filazantsara izy. Ny volana Ôktôbra dia nandeha nankany Ohio izy mba hanatrika ny fihaonamben’ny Fiangonana. Nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy tany, ka ny 29 Ôktôbra 1831 dia nangataka an’i Joseph Smith izy mba hanontany ny Tompo momba azy. Ho setrin’io fangatahana io dia nanome an’i Joseph Smith ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66 ny Tompo Ity fanambarana ity dia mirakitra ny torohevitra manokana mikasika ny fahamendrehan’ny Rahalahy McLellin eo imason’ Andriamanitra, ny antsony hitory ny filazantsara ary ny fahafahany handray ireo fitahiana lehibe.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:1–3

Manambara ny Tompo fa sambatra i Willliam E. McLellin satria nandray ny filazantsara izy.

Adikao mialoha ny fotoam-pianarana ity kisary manaraka ity ka ataovy eny amin’ny solaitrabe izany.

Sary
sarina tsipika

Rehefa manomboka ny fotoam-pianarana dia asao ireo mpianatra hanadihady ilay fanehoana an-tsary eny amin’ny solaitrabe. Asaivo misaintsaina amim-pahanginana ny toerana hanisiany ny tenany eo amin’ny sary izy ireo. Toroy hevitra ihany koa izy ireo mba handinika ny lalana izay zorany—manakaiky kokoa an’ Andriamanitra ve sa manalavitra Azy. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Asao ny iray kilasy hihaino ireo fomba ahafahantsika manatona bebe kokoa an’ Andriamanitra.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Raha te hijanona ho akaikin’ny olona izay tena tianao ianao, nefa tsy manana fifandraisana akaiky aminy dia fantatrao ny fomba hanaovana izany. Hahita fomba hiresahana amin’izy ireo ianao, hihaino azy ireo ianao ary hahita hevitra mba hanaovana zavatra miaraka amin’izy ireo. Arakaraka ny nisian’izany rehetra izany no nahatonga izany haharitra sy hahalalim-paka ny fifankatiavana misy eo aminareo. Raha betsaka ny fotoana tsy nifampiresahana, tsy nifampihainoana ary tsy nifanaovana zavatra dia hihena ilay fifankatiavana.

“Andriamanitra dia tonga lafatra sy mahavita ny zava-drehetra fa izaho sy ianao dia mety maty kosa. Raintsika anefa izy, tia antsika izy ary manome fahafahana mitovy ho antsika mba hanakaiky bebe kokoa azy tahaka ny mety hataon’ny namana mitia iray. Ka hataonao mitovy amin’izany izy io: mifampiresaka, mifampihaino ary manao zavatra” (“To Draw Closer to God,” Ensign, mey 1991, 66).

  • Araka ny zavatra nolazain’ny Filoha Eyring dia inona no afaka ataontsika hanatonantsika bebe kokoa an’ Andriamanitra? Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe miresaka sy mihaino ary manao?

Hazavao fa tany am-piandohan’ny Fiangonana dia nanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny lehilahy antsoina hoe Willliam E. McLellin rehefa nahafantatra momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy. Natao batsia ny 20 aogositra 1831 izy. Fotoana kely taorian’izany dia notendrena ho loholona izy ary niaraka tamin’i Hyrum Smith nandritra ny herinandro vitsivitsy nanao asa fitoriana. Ny volana ôktôbra 1831 dia nanao ny dia nankany Ohio mba hamonjena fihaonamben’ny Fiangonana izy. Nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy tany. Ny 29 Ôktôbra dia nivavaka mangingina Rahalahy McLellin ka nangataka tamin’ny Tompo mba hanambarany ny valin’ny fanontaniana dimy manokana tamin’ny alalan’i Joseph Smith. Tsy nilaza ireo fanontaniana ireo tamin’i Joseph Smith akory ny Rahalahy McLellin dia nangataka fanambarana. Rehefa nanonona ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66 ny Mpaminany dia hitan’ny Rahalahy McLellin fa voavaly avokoa ny fanontaniana tsirairay napetrany. Nanome toromarika sy fampitandremana azy ny Tompo mba hanampiana azy hijanona ho mahatoky ka hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny farany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sy hitady ireo antony nitahian’ny Tompo an’ny Rahalahy McLellin tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity.

  • Nahoana no afaka nandray fanambarana avy tamin’ny Tompo ny Rahalahy McLellin? (Satria nivily niala tamin’ny fahotany, nandray ireo fahamarinan’ny Tompo ary nandray ny fahefenoan’ny filazantsara izy.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana ity 66:3, sady hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo fa mbola tokony hataon’ny Rahalahy McLellin. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “tsy madio tanteraka”? Mety ilaina ny hanampianao ireo mpianatra hahatakatra fa na dia nahitana fivoarana betsaka sy notahiana betsaka aza ny Rahalahy McLellin tamin’ny ezaka nataony dia mbola nila nibebaka tamin’ny fahotana hafa sasantsasany izy.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny andininy 3? (Tokony hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Nodidiana hibebaka amin’ny fahotantsika rehetra isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fotopampianarana io.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny mibebaka amin’ny fahotantsika rehetra, fa tsy ny sasantsasany amin’izy ireo fotsiny ihany?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina indray ny andininy 3 sady hikaroka ny zavatra hataon’ny Tompo mba hanampiana an’i William E. McLellin hibebaka amin’ny fahotany rehetra.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io andininy io momba ny fomba hanampian’ny Tompo antsika amin’ny fibebahantsika? (Tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Hasehon’ny Tompo antsika ny zavatra ilaina hibebahantsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany izay mety anehoan’ny Tompo antsika ny zavatra tsy maintsy hibebahantsika?

Asao hamaky ity fanambarana nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ity ny mpianatra iray. Asaivo mihaino ny fomba iray hahafahantsika mangataka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fibebahana ny mpianatra rehetra.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Toy izao ny iray amin’ireo fanontaniana tsy maintsy hapetratsika ny Raintsika any an-danitra mandritra ny vavaka ataontsika manokana: ‘Inona no nataoko na ny tsy nataoko androany izay tsy ankasitrahanao? Raha mahafantatra izany aho dia hibebaka amin’ny foko manontolo, tsy misy hatakandro.’ Hivaly izany vavaka feno fanetren-tena izany” (“Do Not Delay,” Ensign, nôv. 1999, 34).

Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra ireo fitahiana noraisiny rehefa nivily niala tamin’ny fahotany sy nandray ny filazantsara izy ireo. Asao izy ireo hikatsaka ny fahafantarana ny zavatra mila hibebahany mba hahafahany mandray fitahiana lehibe kokoa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:4–13

Nodidian’ny Tompo i William E. McLellin mba hitory ny filazantsara, hahafoy ny tsy fahamarinana rehetra ary hanohy haharitra am-pahatokiana hatramin’ny farany

Jereo indray ilay fampanantenan’ny Tompo hampiseho an’i William E. McLellin ny fahotana izay ilaina hibebahany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:4 Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra hafa nampanantenain’ny Tompo fa hasehony amin’ny Rahalahy McLellin. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Nahoana no fitahiana ny mahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra mikasika antsika?

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny vondrona hiara-hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:5–9, sady hitady ny zavatra izay tian ny Tompo hataon’ny Rahalahy McLellin. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8–9, inona ireo fitahiana izay horaisin’ny Rahalahy McLellin raha toa ka hanao amim-pahatokiana ny sitrapon’ny Tompo izy? (Hiaraka aminy ny Tompo ary hitahy azy mba hahafahany mampatanjaka ny mahatoky sy manasitrana ny marary.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny fitahiana azontsika raisina rehefa manaraka ny sitrapon’ny Tompo ho antsika isika? (Tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity ireo mpianatra: Raha mahatoky amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Tompo isika dia hiaraka amintsika Izy ary hitahy antsika mba hahafahantsika manatanteraka ny zavatra takiany amintsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Hazavao fa ankoatra ny fanomezana toromarika an’ny Rahalahy McLellin mikasika ny zavatra tokony hataony dia nanome fampitandremana azy ihany koa ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fehezan-teny roa voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:10 Alohan’ny hamakiany teny dia hazavao fa ny fehezan-teny voalohany dia ahitana ny teny hoe hahasahirana. Hazavao fa ny zavatra iray dia manahirana antsika raha toa manakana ny lalantsika na mahatonga ny asantsika ho sarotra atao izany.

  • Ny Tompo dia nandidy ny Rahalahy McLellin mba “hahafoy ny tsy fahamarinana rehetra.” Ahoana no hahatonga ny tsy fahamarinana, na ny fahotana, hanahirana ny asa fitoriana ataon’ny Rahalahy McLellin? Ahoana ny tsy fahamarinana no mahatonga antsika ho sahirana ara-panahy?

Eo am-pamalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Tian’ny Tompo isika hahafoy ny zava-drehetra izay manahirana ny fivoarantsika ara-panahy.

Entano ny mpianatra hieritreritra mangina ny zavatra izay mety mahasahirana azy ireo eo amin’ny fiainany.

Vakio mafy ny fehezan-teny fahatelo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:10 ka asao ny iray kilasy hitady ny fampitandremana manokana izay nomen’ny Tompo an’ny Rahalahy McLellin.

  • Araka ny andininy 10, inona no fakam-panahy izay nanahirana an’ny Rahalahy McLellin?

  • Inona no azontsika ianarana avy ao amin’ny andininy 10 mikasika ny fahalalan’ny Tompo momba ny tsirairay amintsika? (Ampio ny mpianatra hahita fa mahafantatra ny olana sy fakam-panahy manokana izay mianjady amintsika ny Tompo, tahaka ny nahafantarany ny an’ny Rahalahy McLellin. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanoratra io fahamarinana io eo akaikin’ny andininy 10.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fahatakarana fa ny Tompo dia mahafantatra ireo olana sy fakam-panahintsika manokana?

Amafiso fa ankoatra ny fahafantarany ny fanamby sy ny fakam-panahy mianjady amintsika dia mahafantatra ny tanjatsika sy ny fahaiza-manaontsika koa ny Tompo. Fantany ny zava-drehetra momba antsika tsirairay avy. Raha takatsika fa tia sy mahafantatra tsara antsika Izy dia afaka mikatsaka sy manaraka ny sitrapony amim-pahatokiana sy amim-pitokiana isika.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:11–13. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hitady ny torohevitra fanampiny nomen’ny Tompo ny Rahalahy McLellin. Asao ihany koa ny mpianatra mba hitady ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo raha toa ka hanaraka izany torohevitra izany ny Rahalahy McLellin. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Araka ny andininy 12, inona no zavatra tokony hataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? (Ampio ireo mpianatra hahatsapa fa raha manohy amim-pahatokiana hatramin’ny farany isika dia hahazo ny fiainana mandrakizay. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Midika inona ny hoe fanohizana amim-pahatokiana hatramin’ny farany?

Hazavao fa rehefa nomena ity fanambarana ity Rahalahy McLellin dia nahazo ny fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy. Rehefa avy nomena ilay fanambarana dia nijoro ho vavolombelona momba ny maha mpaminany voantso an’i Joseph Smith izy. Hoy izy: “Joseph Smith dia tena Mpaminany… an’ny Tompo ary … manana hery sy mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra” (Taratasy nalefan’i William E. McLellin ho an’ny fianakaviana, 4 aog. 1832, RLDS Archives, 4; nindramin’i M. Russell Ballard tao amin’ny: “What Came from Kirtland” [Fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ny tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony, 6 nôv. 1994], 8, speeches.byu.edu). Ny Rahalahy McLellin dia nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro ary nantsoina mba ho anisan’ny mpikambana voalohany tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy tato amin’ity fotoampitantanana ity. Tsy nanohy tamim-pahatokiana hatramin’ny farany anefa izy. Raha ny marina dia nihodina nanohitra ny Mpaminany Joseph Smith izy ary nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 1838. Azonao atao ny mamaky mafy ity andinin-tsoratra manaraka ity.

“Raha mbola tany am-ponjan’i Richmond, Missouri i Joseph dia nandeha nankany amin’ny serifa i McLellin, izay lehilahy vaventy sy ranjanana, ka nangataka ny fahafahana hidaroka ny Mpaminany. Nomena lalana izy hanao izany raha toa ka hiady i Joseph. Nampahalala … ny fangatahana nivaivay nataon’i McLellin ny serifa, ka neken’i Joseph izany raha toa ka nesorina ny gadrany. Avy eo dia nandà ny hiady i McLellin raha tsy nahazo kibay, izay tsy nampaninona mihitsy an’i Joseph; saingy tsy navelan’ny serifa hiady izy ireo noho ny tsy fitovian’ny fitaovam-piadiana” (“History of Brigham Young,” Millennial Star,17 Des. 1864, 808).

Sariho ho amin’ilay kisary eny amin’ny solaitrabe ny sain’ny mpianatra ka tolory hevitra izy ireo mba hieritreritra hoe aiza no toerana hametrahany ny tenany ao amin’io kisary io. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no hataonao mba hanatonana akaikikaiky kokoa an’ Andriamanitra sy haharetana am-pahatokiana hatramin’ny farany?

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fotopampianarana sy fitsipika izay vao avy noresahanao ary entano ny mpianatra mba hampihatra izany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66 Ireo fanontaniana dimy napetrak’i William E. McLellin

Folo taona taorian’ny nanesorana azy tsy ho mpikamban’ny Fiangonana intsony dia nanoratra mikasika ny fanambarana izay noraisin’i Joseph Smith ka voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66 amin’izao fotoana izao i William E. McLellin:

Sary
William E. McLellin

“Tamin’ny alalany no nandraisako ny fanambarana mikasika ahy ka nosoratako araka ny teny naloaky ny vavany izany. Nanantena hahazo fanambarana iray aho sy nino fa rehefa hahita an’ny Rahalahy Joseph dia tokony hahazo iray. Nandeha nangataka mangingina tamin’ny Tompo aho, ary rehefa nandohalika aho dia nangataka taminy mba hanambarany ny valin’ny fanontaniana dimy amin’ny alalan’ny Mpaminany, izay tsy nahafantatra ihany koa fa nanao izany fangatahana izany aho. Ao anatin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra no anambarako ankehitriny fa ny fanontaniana tsirairay izay napetrako toy izany tamin’ny Jehovah, Tompon’ny maro, dia voavaly sy nahafa-po ahy avokoa. Naniry izany aho mba hahazoako fijoroana ho vavolombelona momba ny fitaomam-panahin’i Joseph. Ary hatramin’izao aho dia mbola mandray izany ho toy ny porofo mivaingana izay tsy azoko holavina” (ao amin’ny Ensign of Liberty, an’ny Fiangonan i Kristy,jan. 1848, 61).

Tsy fantatsika hoe inona avy ireo fanontaniana dimy napetraky ny Rahalahy McLellin. Kanefa, raha araka ny filazany hoe namaly ny fanontaniany ilay fanambarana dia azontsika atao ny maminavina fa nanahiran-tsaina azy ny fahamendrehany teo anatrehan’ny Tompo ka te-hahafantatra ny zavatra tian’ny Tompo hatao aminy izy.