Seminera
eesona 45: Tao Ohio


Lesona 45

Tao Ohio

Fampidirana

Ity lesona ity dia hanome topimaso fohy amin’ny mpianatra mikasika ireo zavatra niainan’ireo Olomasina tao Ohio. Nodidiana handeha tany Ohio ireo Olomasina tamin’ny volana desambra 1830 (jereo ny F&F 37:3) ary tamin’ny volana janoary 1831 izy ireo dia nampanantenaina fa “hotafiana … amin-kery avy any ambony” raha mankatò (F&F 38:32).

Nahazo fitahiana lehibe tokoa ireo izay niangona tao Ohio. Nanome fahatakarana lehibe kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho an’ireo Olomasina ny fitohizan’ny fahazoana ireo fanambarana. Ankoatra izay dia nahazo ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fananganana tempoly sy ny fitoriana ny filazantsara izy ireo. Rehefa nitombo ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana sy ny tanjak’izy ireo ara-panahy tao Ohio dia nitombo ihany koa ny fanoherana mivaivay nanohitra ny Fiangonana sy ireo mpitarika izany. Nipetraka tao Kirtland ny Mpaminany Joseph Smith nanomboka tamin’ny volana janoary 1831 ka hatramin’ny volana janoary 1838.

Sosokevitra enti-mampianatra

Topimaso mikasika ny tao Kirtland

Hazavao fa tamin’ny volana Janoary 1831 dia niala tao New York mba handeha tany Ohio ny Mpaminany Joseph Smith sy i Emma vadiny ary koa i Sidney Rigdon sy i Edward Partridge. Nanaraka azy ireo ny ankamaroan’ireo Olomasina tao New York nandritra ireo dimy volana manaraka. Ireto lesona kely manaraka ireto dia mirakitra topimaso mikasika ireo zava-niseho manan-danja nandritra ny fotoana naha-tao Ohio teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Zarao ho vondrona efatra ny mpianatra ary omeo iray amin’ireo lesona kely ireo ny vondrona tsirairay. (Raha tsy ahafahana manao izany ny isan’ny mpianatra ao amin’ny kilasinao dia azonao zaraina ho vondrona vitsy kokoa ny mpianatrao ary omeo lesona kely mihoatra ny iray ny vondrona tsirairay avy.) Asao ny mpianatra handalina ny topimaso nomena azy ka hiomana hampianatra ilay lesona amin’ny kilasy manontolo. Rehefa avy nomena fotoana hiomanana ny mpianatra dia asao ny vondrona tsirairay hifidy mpikambana iray ao aminy hampianatra ny kilasy manontolo. Tokony haharitra roa ka hatramin’ny telo minitra ny lesona tsirairay.

Lesona kely 1—Ny Lalàn’ny Fiangonana

Atombohy amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny mpianatra:

  • Nahoana ny lalàna no manan-danja?

  • Inona no mety maha-manan-danja ny lalàna ao amin’ny Fiangonana?

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa ny Tompo dia nampanantena hoe “hanome ho an’[ny Olomasina] ny lalàko” rehefa nandeha tany Ohio izy ireo (F&F 38:32). Hazavao fa raha vao tonga tao Ohio ireo Olomasina dia notanterahin’ny Tompo ny fampanantenany ary nomeny fanambarana izay nantsoina hoe Lalàn’ny Fiangonana izy ireo. Ity lalàna ity, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 dia ahitana ireo didy sy torolalana izay mitarika ny fampandehanana ny Fiangonana. Asao ny mpianatra mba hijery vetivety ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 (izay hita eo alohan’ny andininy voalohany), ka hitady ireo lalàna sasantsasany izay nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina.

Asao ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “Aroso etoana ny lalàna mifehy ny fanokanana fananana” ao amin’ilay sasin-tenin’ny fizarana.

Hazavao fa ato amin’ity fanambarana ity ny Tompo dia manome ny lalàn’ny fanokanana izay “fitsipika avy amin’ Andriamanitra izay anokanan’ny lehilahy sy ny vehivavy an-tsitrapo ny fotoany, ny talentany ary ny hareny ho fananganana sy fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Manokana,” scriptures.lds.org). Ny tanjona sasantsasan’ny lalàn’ny fanokanana dia ahitana ny fikarakarana ny mahantra, ny fanafoanana ny fitiavan-karena, ary ny fanorenana firaisankina eo anivon’ny Olomasina.

Teo amin’ny herintaona mahery kely teo, taorian’ny nanambaran’ny Tompo ny lalàn’ny fanokanana, dia nandidy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana Izy mba hanangana Orinasa Miray. Tanjona iray nananganana ilay Orinasa Miray, izay mifototra amin’ireo fitsipiky ny lalàn’ny fanokanana, ny hanangana trano fitehirizana mba hitondrana fanampiana teo amin’ny zavatra nilain’ireo mpikamban’ny Fiangonana, indrindra fa ireo izay nahantra. Izy ity dia fitahiana ho an’ireo Olomasina tamin’izany fotoana izany satria maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay niala tao New York ary nifindra tao Ohio no tsy maintsy namela ny tranony sy ny taniny. Ilay Orinasa Miray koa dia namatsy vola ireo tetikasa isan-karazany nataon’ny Fiangonana, toy ny asa fitoriana ny filazantsara sy ireo asa famoahana boky. Hianatra bebe kokoa mikasika ny lalàn’ny fanokanana sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny Olomasina isika ao anatin’ireo lesona manaraka.

Lesona kely 2—Ny Tempolin’i Kirtland

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra ilay fampanantenan’ny Tompo mba hanafy an’ireo Olomasina “amin-kery avy any ambony” rehefa tonga tao Ohio izy ireo (jereo ny F&F 38:32). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ilay didy nomen’ny Tompo ho an’ireo Olomasina. Rehefa hitan’ny mpianatra fa nandidy azy ireo ny Tompo mba hanorina trano dia hazavao fa ilay “trano” noresahin’ny Tompo teto dia tempoly. Ny Tempolin’i Kirtland no tempoly voalohany naorina tamin’ity fotoampitantanana ity.

Asao ny mpianatra hamadika ny boky soratra masiny ao amin’ilay sarin’ny Tempolin’i Kirtland (Sarin’ny Tantaran’ny Fiangonana, sary 9, “Tempolin’i Kirtland”).

Hazavao fa naharitra telo taona teo ho eo ny fananganana ny Tempolin’i Kirtland. Taorian’ny nitokanana ilay tempoly tamin’ny 27 martsa 1836 dia nanomboka nanatanteraka ny fampanantenany ny Tompo mba hanafy ireo Olomasina amin-kery, ka dia nahazo fitahiana ara-panahy mahatalanjona izy ireo. Ohatra, niseho manokana tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny Tompo dia nanambara fa “efa nekeny ity trano ity” (F&F 110:7). Nandefa iraka telo avy any an-danitra koa Izy—i Mosesy, i Elià, ary i Elia—mba hamerina amin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana eto an-tany. Ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo dia hanome fahefana an’ireo Olomasina mba hanatanteraka ireo ôrdônasin’ny tempoly sy hamehy ireo fianakaviana ho mandrakizay. Ankoatra izay dia naverina tamin’ny laoniny tamin’io fotoana io ny “fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely” (F&F 110:11). Vokatr’izany dia antsoina ireo misiônera ary omena fahefana hampianatra ny filazantsara manerana izao tontolo izao.

Lesona kely 3—Asa fitoriana ny filazantsara

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:6–7. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ilay didy nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina taorian’ny nahatongavan’izy ireo tao Ohio. Rehefa avy mamaky ireo andininy ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no didy nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 6, dia ahoana no fomba hitorian’ireo misiônera ireo ny filazantsara?

  • Inona no hitovian’izany amin’ny fomba hitorian’ny misiônera amin’ny fotoana feno ny filazantsara amin’izao fotoana izao ?

Hazavao fa rehefa vita ny fitokanana ny Tempolin’i Kirtland ary voaverina tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely dia nanomboka nitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tany amin’ny toerana maro kokoa ireo mpikamban’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hanokatra ny soratra masiny ao amin’ny Sarintany 3 ao amin’ny fizarana mikasika ny sarintany sy fanondroana anaran-toerana ao amin’ny soratra masin’izy ireo (“Ny faritr’i New York, Pennsylvania, ary Ohio any Etazonia”).

Rehefa mijery ilay sarintany ny mpianatra dia ampahatsiahivo azy ireo fa ny Tompo dia nampanantena an’ireo Olomasina fa haniraka azy ireo hitory “any anivon’ny firenena rehetra” (F&F 38:33). Hazavao fa i Kirtland tamin’izany dia toerana tsara indrindra mba hanombohana ny fandefasana ireo misiônera manerana izao tontolo izao. Teo akaikin’ireo lalana lehibe ho an’ny fitateram-bahoaka tao Etazonia no nisy an’i Kirtland. Tsy nila nandeha lavitra akory ireo misiônera raha niainga avy ao Kirtland mba hahafahany mandray sambo mandeha amin’ny etona teo amin’ireo renirano lehibe tao Amerika sy ny farihin’i Erie. Afaka nampiasa vondron-dalam-pirenena iray nankany atsimo koa izy ireo ary vondron-dakandrano nankany avaratra. Noho izany antony izany dia i Kirtland no toeram-piaingana ho an’ny asa fitoriana tany Kanadà sy tany amin’ireo faritra hafa tao Etazonia ary tany Grande Bretagne.

Hazavao fa noho ny asa fitoriana filazantsara nandritra io fotoana io dia nitombo an’arivorivony ny isan’ny mpikambana manerana izao tontolo izao. Tamin’ny taona 1837 dia nantsoina niaraka tamin’ny olona dimy hafa ny Loholona Heber C. Kimball sy i Orson Hyde mba hanao asa fitoriana tany Grande Bretagne, izay toerana nanaovan’izy ireo batisa olona 2.000 teo ho eo. Talohan’ny taona 1838, rehefa niala tao Kirtland noho ny fanenjehana ireo Olomasina, dia mpikamban’ny Fiangonana niisa 2.000 teo ho eo no nipetraka tao Kirtland ary tokotokony ho 18.000 manerana izao tontolo izao.

Lesona kely 4—Fanambarana sy zava-niseho manan-danja hafa

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61. Rehefa avy mamaky izany izy ireo dia hazavao fa taorian’ny nahatongavan’i Joseph Smith tao Ohio dia nilaza taminy ny Tompo fa “handray fanambarana miampy fanambarana” izy raha mangataka amin’ Andriamanitra. Dia asao avy eo ireo mpianatra hamadika ny bokiny ao amin’ny filahatr’ireo fizarana araka ny vanimpotoan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (izay hita aorian’ny fampidirana). Asaivo faritan’izy ireo ny toerana izay nandraisana ny ankamaroan’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Rehefa hitan’izy ireo fa voaray tao Ohio ny ankamaroan’ireo fanambarana dia hazavao fa nanatanteraka ny tenin’ny Tompo ny fahabetsahan’ny fanambarana voaray tao Ohio.

Mba hanehoana amin’ny mpianatra rehetra ny sasany amin’ireo fanambarana manan-danja voaray tao Ohio dia omeo ny mpianatra tsirairay ny iray na ny roa amin’ireto fizarana manaraka avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76; 89; 107; 137.

Asao ireo mpianatra nomena soratra masina mba hamaky ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny fizarana tsirairay avy ary hamaky haingankaingana ny sasin-teny eo alohan’ny andininy voalohany. Dia asao avy eo ny mpianatra tsirairay hilaza ny antony maha-manan-danja ireo fizarana nampandraiketina azy ireo. Rehefa milaza izany izy ireo dia ataovy izay hahazoana antoka fa hitan’izy ireo izao manaraka izao:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76; 137 (Fanambarana mikasika ireo ambaratongam-boninahitra telo sy ny fahitana ny fanjakana selestialy)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 (Ny Tenin’ny Fahendrena)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 (Fanambarana mikasika ny fisoronana)

Rehefa avy nanana fahafahana nilaza ny zavatra hitany ny mpianatra tsirairay dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Araka ny eritreritrareo dia mety ho toy ny ahoana ny fihetsika nasehon’ireo Olomasina tao Ohio rehefa nahare voalohany indrindra ny sasany tamin’ireo fahamarinana ireo?

Hazavao fa ankoatra ireo fahamarinana nambara ireo dia nampianatra ihany koa an’i Joseph Smith mba handamina ny fitarihana ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany ny Tompo. Nalamina nandritra ny fotoana nipetrahan’ireo Olomasina tao Ohio tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Kôlejin’ny Fitopololahy. Ankoatra izay dia nanohy ny fandikany ny Baiboly i Joseph Smith.

Nampahory ireo mahatoky tao Ohio ny fanoherana sy ny apôstazia

Rehefa vitan’ny mpianatra ilay asa atao etsy ambony dia hazavao fa sady nahazo fitahiana lehibe tokoa tamin’ny Tompo ireo Olomasina fony tao Ohio no sady nampitombo ny fanoherany ny Fiangonana ihany koa i Satana. Raha vao tonga tao Kirtland ny Olomasina dia nanomboka namely ny Fiangonana ireo mpitsikera manohitra ny Môrmôna.

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka nambaran’i Joseph Smith ity mikasika ireo toe-javatra niainana ireo:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Maro ireo tatitra diso sy lainga ary tantara tsy mitombina navoaka tao amin’ireo gazety an-tsoratra, ka naparitaka tetsy sy teroa, mba hanakanana ny olona tsy hamantatra ilay asa, na hanaiky ny filazantsara” (ao amin’ny History of the Church,1:158).

Hazavao fa ny sasany tamin’ireo tatitra ratsy ireo dia natombok’ireo olona sasany izay niala tao amin’ny Fiangonana noho ny antony samihafa. Tamin’ny volana septambra 1831 ohatra dia niezaka nandresy lahatra ny olona tsy hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny mpikambana iray teo aloha atao hoe Ezra Booth ary namoaka taratasy miisa sivy izay nilaza tamin’ny antsipiriany ny fitsikerany ny Fiangonana (jereo ny Documents, Volume 1: July 1828–June 1831, vol. 1 of the Documents series of The Joseph Smith Papers [2013], 203–4; jereo ihany koa ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, 2nd ed. [Church Educational System manual, 2003], 113–15). Nampahazo vahana ny fanoherana ny Fiangonana ireo taratasy ireo. Ny fanenjehana nateraky ny fitaomana toy izany dia matetika no lasa nampiasana herisetra, indrindra fa tamin’ny Mpaminany sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana.

Tao anatin’ny tranga goavana iray izay tsy nampoizina, ny alin’ny 24 martsa 1832, dia nanafika ny tranon’i John Johnson tao Hiram Ohio, izay toerana nipetrahan’i Joseph sy i Emma Smith, ny andian’olona iray miisa 25 ka hatramin’ny 30. Nogejain’ireo lehilahy i Joseph Smith ary notarihin’izy ireo tany ivelany tao anatin’ny haizin’ny alina. Nokendain’izy ireo izy, naboridany, ary nezahin’izy ireo nampisotroana asidra tamin’ny tavoahangy kely, izay nampiala ny iray tamin’ny nifiny, ka nahatonga azy ho toy ny nisioka kely taorian’izay rehefa niteny. Ary rakotry ny tara sy ny volom-borona no namelan’izy ireo azy teo. Rehefa niha-nahazo hery i Joseph dia niverina tany amin’ilay trano. Rehefa tonga teo am-baravarana izy ka hitan’i Emma fa rakotra tara, izay noheveriny fa rà, dia safotra i Emma. Namana maro no nanaisotra ny tara nandritra ny alina. Ny ampitson’io, izay alahady, dia nanao toriteny izay niantefa tamin’ny mpikambana sasany tao amin’ilay andian’olona i Joseph. Nanao batisa olona telo i Joseph taorian’ilay toriteny. (Jereo ny History of the Church,1:261–65.)

Nandritra ilay tolona sy fahasahiranan-tsaina avy amin’ilay fanafihana dia tavela nibanabana teo ny varavaran’ilay trano. Vokatr’izany dia maty dimy andro taorian’izay i Joseph Murdock Smith, zanakalahin’i Joseph, izay efa nararin’ny kitrotro noho izy voan’ny “gripa mahery.” Tamin’io alina io ihany dia notarihina tamin’ny vodi-tongony avy tao an-tranony i Sidney Rigdon. Tatatataka tanteraka tamin’ilay tany mafy sady tena mamanala ny lohany ka dia nirediredy tsy nahatsiaro tena nandritra ny andro maromaro izy. (Jereo ny History of the Church,1:265.)

Hazavao fa na dia teo aza ireo zavatra ireo sy ireo zava-tsarotra hafa dia nanohy niangona tao Kirtland ireo Olomasina, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1836 ka hatramin’ny 1838. Nanjary mafy dia mafy anefa ny fanenjehana nandritra ny ririnin’ny taona 1837 sy ny lohataonan’ny taona 1838 ka dia voatery niala tao Ohio ny ankamaroan’ireo Olomasina. Tsy maintsy nitsoaka niala tao Kirtland mba ho fitandroana ny ainy ireo mpitarika sasany tao amin’ny Fiangonana, ka anisan’izany i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary i Brigham Young.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa na dia nandalo fitsapana sy fanenjehana goavana tao Kirtland aza ny Fiangonana dia nanome fitahiana lehibe ho an’ireo izay nitoetra ho mahatoky ny Tompo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fihemorana tao Kirtland

Tamin’ny taona 1833 dia nisy mpikambana iray hafa nahatonga olana lehibe ho an’ny Fiangonana. Loholona tao amin’ny Fiangonana ny Dokotera Philastus Hurlbut saingy nalana tsy ho mpikambana noho izy nijangajanga nandritra ny fotoana nitoriany ny filazantsara. Na dia naneho famindram-po taminy aza ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ary namela azy hiverina ho mpikambana indray, dia nandika lalàna indray izy ka dia nalana tsy ho mpikambana fanindroany indray. Nikasa ny hanaratsy endrika ny Fiangonana sy an’i Joseph Smith i Hurlbut tamin’izany tamin’ny alalan’ny fanangonana ireo porofo manohitra ny Môrmôna ary nanao fanambarana sandoka fa niainga avy tamin’ny sora-tanana nosoratan’i Solomon Spaulding ny Bokin’i Môrmôna fa tsy nadika tamin’ny herin’ Andriamanitra.

Nanambara i Hurlbut fa nahazo ny sora-tanan’i Spaulding an-tsokosoko i Sidney Rigdon ka naka tahaka izany tamin’ny fomba tsy ara-dalàna niaraka tamin’i Joseph Smith mba hamoronana ny Bokin’i Môrmôna. Tsy nitombina tanteraka anefa io fanaratsiana ny Bokin’i Môrmôna io. Rehefa hita ilay sora-tanan’i Spaulding dia tsy afaka nilaza ny fanadihadiana iray natao fa nifandrindra tamin’ny Bokin’i Môrmôna izany na nisy zavatra nitovizana teo amin’izy roa ireo. Ary ankoatra izay dia tsy nihaona tamin’i Joseph Smith akory aza i Sidney Rigdon raha tsy efa afaka fotoana maromaro taty aorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna. Nijoro ho vavolombelona mikasika ny maha-tsy mitombina ny fiampangan’i Hurlbut i Oliver Cowdery hoe: “‘Izaho dia … nitazona tamin’ny tanako ireo takelaka volamena izay nandikana [ny Bokin’i Môrmôna]. Hitako ihany koa ireo fitaovana fandikan-teny. Marina izany boky izany. Tsy nosoratan’i Sidney Rigdon ilay izy. Tsy nosoratan’Andriamatoa Spaulding ilay izy. Izaho no nanoratra izany araka izay notononin’ny vavan’ny mpaminany.’ [Reuben Miller, journal, 1848–1849, Family and Church History Department Archives, 21 Oct. 1848; mari-piatoana sy tsipelina nampanarahana toetr’andro.]” (araka ny voalaza ao amin’ny James E. Faust, Some Great Thing,” Ensign, nôv. 2001, 47).

Noho ireo mponina sasany tao Ohio izay nanana fanahiana fa hitombo be afaka fotoana fohy ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana ka ho lasa vondron’olona mpifidy hanana fahefana ara-pôlitika izy ireo, dia nanakarama an’i Philastus Hurlbut ireo mponina tao Ohio ireo mba hanaratsiana an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna. Nitaraina tao anatin’ny taratasy iray i Joseph Smith fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia “miaritra fanenjehana lehibe noho ny lehilahy iray nantsoina hoe Dokotera Hurlbut izay nalana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana noho ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fijangajangana, ka mba handrangitana anay dia mandainga amin’ny fomba mahatalanjona izy ary dia manaraka ny fitaomany avokoa ny olona ka manome vola azy mba handravana ny Môrmônisma, izay tena mampidi-doza ny fiainanay amin’izao fotoana izao” (“Letter to William W. Phelps and Others, 18 August 1833,” 3; jereo ny josephsmithpapers.org; tsipelina nampanarahana fitsipika).

Ireo fivoarana hafa tao Kirtland

Tao Kirtland no nanomezan’ny Tompo fanambarana bebe kokoa mikasika ny firafitry ny Fiangonana. Ireto anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ireto dia nampahafantarina nandritra ny fotoana nijanonana tao Kirtland: eveka, mpisorona avo, ny Fiadidiana Voalohany, patriarika, filankevitra avo, Apôstôly, ary Fitopololahy.