Seminera
Lesona 87: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–61


Lesona 87

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–61

Fampidirana

Tamin’ny 22 sy 23 Septambra 1832 dia nandray ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 i Joseph Smith. Tao amin’io fanambarana io dia nanambara ny fahamarinana mikasika ny fisoronana araka izay noresahina tao amin’ny lesona tany aloha ny Tompo. Nampianatra ny Olomasina ny maha-zava-dehibe ny fitandremana fatratra ny tenin’ Andriamanitra ihany koa ny Tompo. Nofaiziny izy ireo noho ny fanamaivanana ny Bokin’ i Môrmôna sy ny didy hafa ary ny fanambarana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–53

Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fitandremana fatratra ny tenin’ Andriamanitra ny Tompo

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny tanjona izay napetrany tany am-boalohan’ny taona mba handalina isan’andro ny soratra masina. Asao izy ireo handinika hoe hatraiza ny zava-bitany amin’io tanjona io. Rehefa avy nandinika izany ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo fanamby sasantsasany izay atrehinao rehefa miezaka mandalina ny soratra masina isan’andro ianao? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia ekeo fa mety sarotra ny mitazona ny fahazarana handalina ny soratra masina isan’andro.)

  • Nahoana no misafidy ny handalina ny soratra masina ianao na dia mety sarotra aza ny manao izany indraindray?

Hazavao fa hianatra ny fahamarinana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 izay afaka mitaona azy ireo hanohy ny ezaka ataony amin’ny fandalinana ny soratra masina ny mpianatra mandritra ny lesona androany.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–44 sady hamantatra ny teny sy andian-teny izay mampianatra ny lanjan’ny fandalinana sy fampiharana ny tenin’ny Tompo.

  • Inona no teny sy andian-teny izay hitanao ka mampianatra ny lanjan’ny fandalinana sy fampiharana ny tenin’ny Tompo? (Mety hanambara ny teny sy andian-teny toy ny hoe “didy,” “mitandrina fatratra,” sy “mivelona amin’ny teny rehetra” ireo mpianatra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:45–46. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo teny sy andian-teny ao anatin’ireo andininy ireo izay mitovy hevitra amin’ny hoe “ny tenin’ny Tompo.”

  • Inona ireo teny sy andian-teny hitanao? (Tokony ahitana ireto ny valiny: “fahamarinana,” “fahazavana,” “Fanahy” sy “ny Fanahin’i Jesoa Kristy” ary “ny feon’ny Fanahy.”)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Raha mitandrina fatratra ny tenin’ Andriamanitra isika dia …

Asao hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:45–46 ireo mpianatra.

  • Araka ny zavatra hitanao tao amin’ny andininy 45–46 dia ahoana no hamenoanao ny banga ao amin’io fanambarana eny amin’ny solaitrabe io? (Mety ho samy hafa ny valintenin’ireo mpianatra. Fenoy ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe mba hampita ity fitsipika manaraka ity: Raha mitandrina fatratra ny tenin’ Andriamanitra isika dia hohazavain’ny Fanahin’i Kristy.)

Sariho ny sain’ny mpianatra hifantoka amin’ilay fehezan-teny hoe “ny Fanahin’ i Jesoa Kristy” ao amin’ny andininy 45. Hazavao fa ny hoe “ny Fahazavan’i Kristy” no andian-teny izay mitovy hevitra amin’izany. Ny Fahazavan’i Kristy dia “hery mitarika hanao ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olon-drehetra. … [Kanefa,] tokony tsy ho afangaro amin’ny Fahazavan’i Kristy ny Fanahy Masina. Tsy olona tahaka ny Fanahy Masina izy io” (Miorim-paka ao amin’ny finoana [2004], ). Ao anatin’ny olona tsirairay ny Fahazavan’i Kristy izay manome ny “fahalalana ny tsara sy ny ratsy, [na] fahatsapan-tena ara-môraly, na feon’ny fieritreretana.” “Afaka mitarika antsika handanjalanaja ny zavatra ataontsika izany—raha tsy hoe ampandeferintsika na ampanginintsika” (Boyd K. Packer, “The Light of Christ,” Ensign, apr. 2005, 9).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:47–48. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hamantatra ny fomba hitahiana antsika raha toa ka mihaino ny Fanahin’i Jesoa Kristy isika.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 47 dia amin’ny fomba ahoana no hitahiana antsika raha mihaino ny Fanahin’i Jesoa Kristy isika? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hahalala ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha mihaino ny Fanahin’i Jesoa Kristy isika dia hanatona ny Ray. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 48 dia inona no hataon’ny Ray rehefa manatona Azy isika? (Hampianatra antsika Izy.)

  • Hitantsika ao amin’ny andininy 48 fa tsy vitan’ny hoe hampianatra antsika noho ny amintsika fotsiny ny Ray fa noho ny amin’izao tontolo izao ihany koa. Midika inona ho anao izany?

Lazao fa ankoatra ny fananana ny Fahazavan’i Kristy dia afaka mahazo ny Fanahy Masina ho namany ny olona aorian’ny fidirany amin’ny fanekempihavanan’ny batisa. Afaka mahazo fahazavana fanampiny izy ireo amin’ny alalan’io fanomezana io izay hitarika azy ireo hiverina eo anatrehan’ny Ray mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.

Asao ny mpianatra iray mba hamono ny jiro ao amin’ny efitrano fianarana ka hiverina eny amin’ny toerany. (Ataovy izay hampisy hazavana sahaza ao amin’ny efitrano mba hahafahan’ilay mpianatra mandeha soa aman-tsara.) Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana izay tsy maintsy nandehanany tao anatin’ny haizina tanteraka. Angataho ny sasany mba hanoritsoritra ny hoe tahaka ny ahoana ny fahatsapany mikasika an’io traikefa io. Avy eo dia areheto indray ny jiro.

Hazavao fa matetika ny soratra masina no miresaka mikasika ny haizina mba entina hanoritsoritana amin’ny alalan’ny tandindona ny toetra ara-panahy iray. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:49–53. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hamantatra ny olona izay nolazain’ny Tompo fa ao anatin’ny haizina ara-panahy sy ny antony mahatonga azy ireo ao anatin’izany toetra izany.

  • Iza no ao anatin’ny haizina? Nahoana no ao anatin’ny haizina izy ireo?

Asehoy fa ireo izay nolazaina ho ao anaty haizina ao anatin’ireo andininy ireo dia nolazaina ihany koa ho toy ny eo ambanin’ny famatoran’ny fahotana. Midika izany fa voafandrika ao amin’ny vokatry ny fahotany izy ireo satria tsy nibebaka.

  • Amin’ny fomba ahoana no mampitovy ny famatoran’ny fahotana sy ny fijanona ao anatin’ny haizina?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:54–61

Faizin’ny Tompo ny Olomasina noho ny fanamaivanana ny Bokin’ i Môrmôna

Hazavao fa ankoatra ny filazana fa ao anatin’ny haizina izao tontolo izao dia nilaza ihany koa ny Tompo fa nohamaizinina ny sain’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:54–56. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny antony roa nahatonga ny sain’ny mpikamban’ny Fiangonana nohamaizinina.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 54 dia naninona no nohamaizinina ny sain’ny mpikamban’ny Fiangonana?

  • Inona no dikan’ny hoe manamaivana ny zavatra iray? (Tsy miraharaha ny zavatra iray na maneho tsy fanajana na atao tsirambina.) Ahoana no hanamaizinan’ny tsy finoana na ny fanamaivanana ny zava-masina iray ny sain’ny olona?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:57. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra izay nohamavainin’ny Olomasina.

  • Inona no nohamavainin’ny Olomasina? (Ny Bokin’i Môrmôna sy ny “didin’ny Tompo teo aloha,” na ireo fanambarana taloha, anisan’izany ireo izay ao anatin’ny Baiboly.)

  • Araka ny zavatra nianaranao avy amin’ny andininy 54–58 dia inona no voka-dratsy hohatrehantsika raha toa ka manamaivana ny tenin’ Andriamanitra isika? (Tokony hambaran’ny mpianatra fa raha manamaivana ny tenin’ Andriamanitra isika dia hohamaizinina ny saintsika ka ho eo ambany fanamelohana. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson mikasika ny Bokin’ i Môrmôna ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Moa ve miankina amin’ny fandraisantsika ity boky ity ny voka-javatra mandrakizay? Eny, na izany ho fitahiana ho antsika na ho fanamelohana ho antsika.

“Tokony handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny androm-piainany ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay. Fa raha tsy izany dia tandindomin-doza ny fanahiny ary mandà ireo zavatra izay tokony hitondra firaisan-kina ara-panahy sy ara-pahalalana eo amin’ny fiainany manontolo izy. Misy maha-samy hafa azy ny olona iray izay niova fo ka miorina eo amin’ny vatolampin’i Kristy amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna ary mihazona mafy ny anjam-by, sy ny olona izay tsy manao izany” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, jan. 1988, 5).

“Ndeha isika tsy hijanona eo ambany fanamelohana, miaraka amin’ireo antambo aterany sy ny fitsarany, noho ny fanamaivanana ity fanomezana lehibe sy mahatalanjona nomen’ny Tompo ho antsika ity. Fa aleo isika handrombaka ireo fampanantenana izay mifandray amin’ny firaketana izany ao am-pontsika” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 7).

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fandraisany ny Bokin’ i Môrmôna sy ny zavatra afaka ataony mba haharitra mandritra ny androm-piainany ny fandalinany izany.

Asaivo vakian’ny mpianatra amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:57.

  • Inona ihany koa no nolazain’ny Tompo fa tokony hataon’ireo Olomasina ankoatra ny fibebahana noho ny fanamaivanany ny Teniny? (Ampio ireo mpianatra hahalala fa ankoatra ny fahatsiarovana ny Bokin’ i Môrmôna sy ireo “didy teo aloha” izay nomen’ny Tompo dia nila nanatanteraka izay voasoratra tao amin’izy ireny ireo Olomasina.)

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra tian’ny Tompo hataontsika mikasika ny Bokin’ i Môrmôna? (Mety hahita karazana fitsipika maro samihafa ny mpianatra fa ataovy izay hanamafisana ity manaraka ity: Asaina mandalina ny Bokin’i Môrmôna amim-pahatokiana isika ary miaina mifanaraka amin’ny fampianarany. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Dia angataho ireo ekipa mba hizara ny valinteniny mikasika ity fanontaniana manaraka ity:

  • Iza no ohatra tsara ho anao mikasika ny fandalinana ny Bokin’ i Môrmôna sy ny fiainana araka ny fampianarany?

Mba hamaranana ity lesona ity dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:60–61. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny toromarika fanampiny nomen’ny Tompo ireo izay mandray ny Teniny amin’ny alalan’ny Bokin’ i Môrmôna. Aorian’ny vakiteny dia hazavao fa araka ny voalazan’ny andininy 61 dia nasaina hijoro ho vavolombelona amin’ny hafa ireo izay mandray ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hijoro ho vavolombelona mikasika ny fitahiana voarainy rehefa nandalina ny Bokin’ i Môrmôna izy ireo ka nikatsaka ny hiaina araka ny fahamarinana izay ampianarin’izany. (Azonao atao ny manome fotoana ny mpianatra mba hieritreretra ny traikefany alohan’ny hamaliany.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny tanjony mikasika ny fandalinana ny soratra masina isan’andro. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ka asao ny mpianatra hanoratra ny valin’izany ao amn’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina:

Inona no zavatra nianaranao androany ka nanosika anao hanohy ny fandalinana ny Bokin’ i Môrmôna?

Inona no zavatra hataonao mba handalinanao amim-pahazotoana bebe kokoa ny Bokin’ i Môrmôna sy hiainanao ny fahamarinana izay nianaranao avy amin’izany?

Amin’ny fomba ahoana no hampiasanao ny Bokin’ i Môrmôna mba hizarana ny filazantsara amin’ny hafa?

Mijoroa ho vavolombelona fa hanatona akaiky kokoa an’ny Ray any An-danitra izy ireo rehefa miaina ny fahamarinana izay noresahina tao an-dakilasy anio.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:46. “Ny Fanahy dia manome fahazavana ho an’ny olona rehetra”

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny Fahazavan’i Kristy sy ny Fanahy Masina:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Samy hafa ny Fanahy Masina sy ny Hazavan’i Kristy. Na dia voafaritra amin’ny teny mitovy aza izy ireo ao amin’ny soratra masina dia zavatra roa samy hafa sy miavaka. Zava-dehibe ny ahafantaranao ny mikasika azy roa ireo. …

“Ny Fahazavan’i Kristy dia faritan’ny soratra masina ho toy ‘ny Fanahy izay manome fahazavana ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao’ (F&F 84:46; nampiana fanamafisana); ‘ilay fahazavana izay ao amin’ ny zava-drehetra, izay manome aina ny zava-drehetra, dia lalàna izay itondrana ny zava-drehetra’ (F&F 88:13; jereo koa ny Jaona 1:4–9; F&F 84:45–47; 88:6; 93:9).

“Ary ny Fahazavan’i Kristy ihany koa dia soritsoritan’ny soratra masina ho toy ‘ny Fanahin’i Jesoa Kristy’ (F&F 84:45), ‘ny Fanahin’ny Tompo’ (2 Korintiana 3:18; jereo koa ny Môsià 25:24), ‘ny Fanahin’ny fahamarinana’ (F&F 93:26, ‘ny fahazavan’ny fahamarinana’ (F&F 88:6), ‘ny Fanahin’ Andriamanitra’ (F&F 46:17), ary ‘ny Fanahy Masina’ (F&F 45:57). Entina hilazana ny Fanahy Masina ihany koa ny sasany amin’ireo teny ireo.

“Nanoratra ny Fiadidiana Voalohany hoe: ‘Misy hery izay miparitaka manerana an’izao tontolo izao, izay fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao, “izay manome fahazavana ny olona rehetra tonga eto amin’izao tontolo izao,” izay mivoaka avy eo anatrehan’ Andriamanitra manerana ny fidadasiky ny habakabaka, izay fahazavana sy hery arotsak’ Andriamanitra amin’ny ambaratonga samy hafa ho “an’ireo izay mangataka Aminy,” araka ny finoany sy ny fankatoavany.’ [“‘Receiving’ the Holy Ghost,” Improvement Era, mar. 1916, 460.]

“Na antsoina hoe Hazavan’i Kristy, na fahatsapan-tena ara-môraly, na feon’ny fieritreretana ity hazavana anaty ity, ity fahalalana ny tsara sy ny ratsy ity, dia afaka mitarika antsika handanjalanja ny zavatra ataontsika izany—raha tsy hoe ampandeferintsika na ampanginintsika izany” (“The Light of Christ,” Ensign, aprily 2005, 8–9).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:54–57. “Mibebaka sy mahatsiaro … ny Bokin’ i Môrmôna”

Nitsimbina tamim-pitandremana ny fanambarana sy ny fiarovana ny Bokin’ i Môrmôna nandritra ny vanim-potoana maro ny Tompo sy ireo mpaminaniny. Zava-dehibe ho an’ny olon-drehetra ny hafany. Namporisika ny Olomasin’ny Andro Farany mba tsy hanamaivana izany hafatra izany ny Filoha Ezra Taft Benson:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Nofaizin’ny Tompo ny sasany tamin’ireo misiônera fahiny rehefa niverina nody, ao amin’ny fizarana 84 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, satria nanamaivana ny Bokin’ i Môrmôna izy ireo. Ny vokany dia nohamaizinina ny sain’izy ireo. Nilaza ny Tompo fa io karazana fandraisana ny Bokin’ i Môrmôna io dia nitondra ny Fiangonana iray manontolo ho eo ambany fanamelohana, dia ny zanak’i Ziona rehetra. Ary hoy ny Tompo: -Ary hitoetra eo ambanin’ izany fanamelohana izany izy ireo ambara-pibebany sy ahatsiarovany ny fanekempihavanana vaovao, dia ny Bokin’ i Môrmôna.- (Jereo ny F&F 84:54–57.) Sao dia mbola eo ambanin’izany fanamelohana izany isika?

“… Lehibe dia lehibe ny vokatry ny fomba fandraisantsika ny Bokin’ i Môrmôna:

“‘Ary ireo izay mandray izany amin’ ny finoana’ hoy ny Tompo ‘ary manao ny marina no handray ny satroboninahitry ny fiainana mandrakizay;

“‘Fa ireo izay manamafy ny fony kosa ao amin’ ny tsy finoana ary mitsipaka izany, dia hivadika ho fanamelohana ho azy ireo ihany izany—

“‘Fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany.’ (F&F 20:14–16.)

“Moa ve marina ny Bokin’i Môrmôna? Eny.

“Natao ho an’iza izy io? Ho antsika.

“Inona no tanjony? Hitondra ny olona ho eo amin’i Kristy.

“Amin’ny fomba ahoana no anaovany izany? Amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy sy amin’ny fampahafantarana ny fahavalony.

“Ahoana no fomba hampiasantsika azy? Nasaina hitady fijoroana ho vavolombelona ny amin’izany isika, nasaina hampianatra avy amin’izany isika, nasaina hihazona izany ho toy ny faneva isika ka “hisiaka izany.” [Jereo ny 2 Nefia 29:2.]

“Efa nanao izany ve isika? Tsia, tsy araka izay tokony hanaovantsika izany, na araka izay tsy maintsy ataontsika.

“Moa ve miankina amin’ny fandraisantsika ity boky ity ny voka-javatra mandrakizay? Eny, na izany ho fitahiana ho antsika na ho fanamelohana ho antsika.

“Tokony handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny androm-piainany ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay. Fa raha tsy izany dia tandindomin-doza ny fanahiny ary manamaivana ireo zavatra izay tokony hitondra firaisan-kina ara-panahy sy ara-pahalalana eo amin’ny fiainany manontolo izy.” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, jan. 1988, 5).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:57–61. Fampiasana ny Bokin’ i Môrmôna amin’ny fandalinana sy ny fampianarana ataontsika

Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Tsy niompana ary tsy mbola miompana amin’ny Bokin’ i Môrmôna ny fandalinantsika manokana, ny fampianarantsika ao anatin’ny fianakaviana sy ny fitoriantsika ary ny asa fitoriana ataontsika. Tsy maintsy ibebahantsika izany” (“Cleansing the Inner Vessel,” Ensign, mey 1986, 5–6).