Seminera
Lesona 28: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–84


Lesona 28

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–84

Fampidirana

Ato amin’ity ampahany amin’ny fizarana faha 20 ity dia manome torolalana mikasika ny fitantanana ny Fiangonany ny Tompo, ao anatin’izany ny fanazavana mikasika ireo zavatra takina amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary ny fomba marina hanatanterahana ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary ny fanasan’ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–74

Manambara ireo zavatra takina amin’ny tsirairay aloha sy aorian’ny batisa ny Tompo

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra mety holazain’izy ireo amin’ireto toe-javatra manaraka ireto :

Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny namana iray izay mpikambana ao amin’ny Fiangonana hafa. Manontany anao izy hoe: “Inona no tokony hataoko mba hahafahako ho atao batisa sy ho lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonanareo?”

Asaivo soratan’ny mpianatra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny valinteniny amin’io fanontaniana io. Dia asao izy ireo avy eo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 mba hitady ireo zavatra takina ho an’ireo izay maniry ny hatao batisa. Azonao atao ny miteny ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra takina tsirairay izay hitany. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny hevitra fonosin’io andininy io dia azonao atao ny manazava fa ireo olona manana “fo torotoro sy fanahy manenina” dia manetry tena ary manaiky ny sitrapon’ Andriamanitra. Mahatsapa alahelo lalina noho ny fahotana izy ireo ary faniriana marina ny hibebaka.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity: Alohan’ny hahazoana manao batisa ny olona dia tsy maintsy …

Asao ny mpianatra iray ho eo amin’ny solaitrabe mba hanoratra izay lazain’ny mpianatra hafa. Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana ireto:

  • Raha miainga avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 dia inona no tsy maintsy asehon’ny olona iray alohan’ny hahazoana manao batisa azy? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia asaivo mameno ilay fehezan-teny eo amin’ny solaitrabe ilay mpanoratra. Mety hanoratra zavatra toy izao ilay mpanoratra: Alohan’ny hahazoana manao batisa ny olona dia tsy maintsy manetry tena izy ireo, efa nibebaka, vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy, ary manana finiavana hanompo Azy hatramin’ny farany.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mila mahavita ireo zavatra takina ireo ny olona iray alohan’ny hanaovana batisa azy?

Lazao amin’ny mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 dia manazava ihany koa ny fanekempihavanana izay nataontsika rehefa natao batisa isika. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao mba hiaina mifanaraka amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny batisa.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa io namana io ihany dia nanontany mikasika ny zavatra mitranga rehefa misy olona atao batisa. Rehefa avy mamaly ny mpianatra vitsivitsy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:72–74. Azonao atao ny milaza amin’ireo mpianatra mba hanisy marika ny fomba fanaovana batisa izay nofaritan’ny Tompo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 72–74 dia amin’ny fomba ahoana no tian’ny Tompo hanatanterahana ny batisa? (Ny valintenin’ireo mpianatra dia tokony hahitana taratra ity fitsipika manaraka ity: Ny batisa dia tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fanitrihana ao anaty rano ary tanterahin’ny olona iray izay manana ny fahefana hanao izany. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay fitsipika teo aloha io fitsipika io.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:68–69 ka hitady ireo zavatra andrasan’ny Tompo amin’ny tsirairay avy amintsika aorian’ny nanaovana batisa antsika. Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanisy marika ireo zavatra andrasana ireo.

  • Inona ireo zavatra sasantsasany izay hitanao fa andrasan’ny Tompo amintsika aorian’ny nanaovana batisa antsika ?

Fanamarihana: Mety hametra-panontaniana mikasika ilay zavatra takina ao amin’ny andininy 68 ny mpianatra, izay milaza fa tokony ho ampianarin’ireo loholona ireo mpikambana vaovao alohan’ny handraisana azy ireo ho mpikambana. Hazavao fa ilay fomba fanao amin’izao fotoana izao amin’ny fampianarana ireo lesona ampianarin’ny misiônera amin’ireo naman’ny fiangonana alohan’ny batisa dia efa mamela ny olona horaisina ho mpikambana sy handray ny fanomezana ny Fanahy Masina fotoana fohy aorian’ny nanaovana batisa azy ireo.

  • Manomboka eo amin’ny andininy 69 dia inona no zavatra ianaranao mikasika ny fomba hanehoantsika amin’ny Tompo ny fahamendrehantsika aorian’ny batisa? (Mety ho samihafa ny valintenin’ireo mpianatra, kanefa tokony ho hitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Aorian’ny batisa dia maneho amin’ny Tompo ny fahamendrehantsika isika amin’ny alalan’ny fandehanantsika sy ny firesahantsika araka an’ Andriamanitra. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ireo roa teo aloha io fitsipika io.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “haneho … fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra”? (Azonao atao ny manazava fa ny olona iray dia maneho “fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra” amin’ny alalan’ny asa atao sy ny fihetsika ary ny teny izay mifanaraka amin’ Andriamanitra.)

Araka ny zavatra ilain’ireo mpianatrao, dia angataho izy ireo hamadika ny bokiny ao amin’ny fizarana iray ao amin’ny Ry Tanora, Mahereza mba hitady torohevitra miresaka manokana mikasika ny fomba ahafahan’ny tanora iray maneho “fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra.”

  • Oviana ianao no nahita ny hafa “naneho … fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra”? Ahoana araka ny eritreritrao no hitaoman’ny asan’izy ireo sy ny fihetsik’izy ireo ny hafa manodidina azy ireo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra io fitsipika io dia amporisiho izy ireo hisaintsaina ny fomba azon’izy ireo hanehoana feno kokoa ny “fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra” ao anatin’ireo andro vitsivitsy ho avy. Raha misy mpianatra tsy manana olana amin’ny fizarana ny fomba hanomanany izany dia asao izy ireo hizara ny heviny amin’ny kilasy manontolo. Azonao atao ny manao toy izany, mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana izay tonga rehefa manaja ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79

Ny Tompo dia manome torolalana momba ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo.

Manasà mpianatra roa ho eny aloha. Angataho ny iray amin’ireo mpianatra ho eo amin’ny toeran’ny namana iray izay tonga manatrika voalohany ny fivoriana fanasan’ny Tompo ary maniry ny hahalala ny antony hizarana mofo sy rano amin’ny mpiangona. Angataho ilay mpianatra iray hanazava ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo amin’ilay namana. Rehefa avy mizara ny heviny ilay mpianatra dia amporisiho ny mpianatra rehetra hitady soratra masina hanatevenana ny zavatra nohazavain’ilay mpianatra iray sy hevi-baovao fanampiny azon’izy ireo ampiasaina mba hanazavana ny fanasan’ny Tompo rehefa mandalina ireo andininy maro manaraka izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75 ary asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra. (Azonao atao ny milaza fa mampiasa rano isika amin’izao fotoana izao ao amin’ny fanasan’ny Tompo fa tsy divay. (Jereo F&F 27:1–2.)

  • Nahoana isika araka ny eritreritrao no omena torolalana mba hivory miaraka matetika mba handray fanasan’ny Tompo?

Angataho ny mpianatra iray ato anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity mba hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Loholona Melvin J. Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. (Azonao atao ny manazava fa rehefa niresaka mikasika ny “fahatongavana eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo” ny Loholona Ballard dia ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo no tiany horesahina.)

Sary
Loholona Melvin J. Ballard

“Ny zavatra iray izay hitondra fiarovana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia ny fahatongavana eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo isaky ny andro Sabata. Tsy ho lasa lavitra loatra isika ao anatin’ny herinandro iray—tsy ho lavitra loatra hany ka tsy afaka hanitsy ireo hadisoana mety ho vitantsika amin’ny alalan’ny fanaovana fandinihan-tena manokana. … Ny lalana mankeo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo no lalan’ny fiarovana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (ao amin’ny Bryant S. Hinckley, Sermons and Missionary Services of Melvin Joseph Ballard [1949], 151).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto:

Ny zavatra ampanantenaintsika Ny zavatra ampanantenain’ny Tompo

Angataho ny antsasaky ny kilasy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77–79 mba hitady ny zavatra ampanantenaintsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika. Asao ilay antsasany iray hafa hamaky ireo andininy ireo ihany ary hitady ny zavatra ampanantenain’ny Tompo. Rehefa nahazo ny fotoana sahaza nandalinana ireo andinintsoratra masina ny mpianatra dia asaivo ataon’izy ireo tatitra ny zavatra hitany. Asao ny mpianatra iray hanao lisitra ny valintenin’izy ireo eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ireo lohateny mifanaraka amin’izany. Rehefa vitan’ny mpianatra ireo lisitra ireo dia hahita ireto fitsipika manaraka ireto izy ireo:

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona fa vonona ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, fa hahatsiaro Azy mandrakariva isika, ary hitandrina ny didiny isika.

Rehefa mahatoky amin’ireo fampanantenana ataontsika mandritra ny fanasan’ny Tompo isika dia afaka ny hanana mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika.

Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hanisy marika ireo fahamarinana ireo ao anatin’ny soratra masin’izy ireo.

  • Raha ampitahaina amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 ireo lisitra eo amin’ny solaitrabe dia inona no zavatra mitovy izay hitanareo ao amin’ireo fampanantenana natao nandritra ny fanasan’ny Tompo amin’ny fanekempihavanan’ny batisa?

Hazavao fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manavao ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny fotoana nanaovana batisa sy nandraisana antsika ho mpikambana.

  • Ahoana no azontsika hanehoana ny fahavononantsika hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy? (Ireo valinteny dia mety ahitana ny hoe mijoro amin’ny marina, milaza amin’ny hafa fa mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika, mizara ny finoantsika Azy, ary mandray anjara amin’ny fanaovana ny asany.)

  • Inona avy ireo zavatra azontsika atao mba hahatsiarovana mandrakariva ny Mpamonjy ?

  • Ahoana no hanampian’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo antsika “haneho … fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra”?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny lanjan’ny fananana ny Fanahy miaraka amintsika dia angataho ny mpianatra iray hamaky ity fehezan-teny manaraka ity izay nalaina tao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana. Asao ny mpianatra rehetra hihaino ireo fitahiana avy amin’ny fanavaozana ny fanekempihavanan’ny batisa.

“Mahazo fitahiana goavana ianao rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa. Rehefa manavao izany ianao dia manavao ny famelany ny fahotanao izay nampanantenainy ny Tompo. Rehefa voadio amin’ny fahotana ianao dia afaka ny ‘hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka [aminao]’ (F&F 20:77). Ny fananana ny Fanahy ho namana lalandava no iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra azonao raisina eto amin’ity fiainana an-tany ity. Ny Fanahy Masina dia hitarika anao amin’ireo lalan’ny fahamarinana sy fiadanana, mitondra anao ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy ” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], ).

Asao ireo mpianatra hisaintsaina (na hanoratra) no fomba hiomanan’izy ireo handray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny lanjan’ny fanavaozana isan-kerinandro ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:80–84

Mampianatra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny Tompo mba hitana lisitra ara-dalàna mirakitra ny anaran’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:81–84 amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny mpianatra fa ireo mpihazona ny fisoronana tany am-piandohan’ny Fiangonana dia nampianarina mba handray an-tsoratra ny anaran’ireo olona niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Noraketin’izy ireo tao anaty boky ireo anarana ireo. Nesorina tao anatin’ilay boky ny anaran’ireo izay nihemotra ka niala tao amin’ny Fiangonana. Ankoatra izay dia nasaina naka ny taratasy fanamarinana ny maha mpikambana azy ireo mpikambana izay nifindra monina nankany amin’ny toerana iray hafa mba hanomezany izany an’ireo mpitarika azy ireo vavovao tao amin’ny fisoronana. Amin’izao androntsika izao dia manohy mitana lisitra ara-dalàna misy ny anaran’ireo mpikambana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, fa mahomby kokoa ny fomba hanaovana izany.

Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fotopampianarana sy fitsipika noresahina tao amin’ny lesona.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–74. Fifaliana amin’ny fanatrehana ny batisan’ireo havan-tiana

Tamin’ny 6 aprily 1830, nandritra ilay fivoriana nandaminana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, dia nandray ho mpikambana ireo izay efa vita batisa i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ary nanome azy ireo ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ny Histoire de l’Église, 1:61).

Natao batisa sy noraisina ho mpikambana tamin’io andro io ny ray aman-drenin’i Joseph Smith. Fotoam-pifaliana izany ho an’ny Mpaminany, izay nihiaka hoe: “Deraina anie ny Andriamanitro! fa mbola velon’aina aho mba hahita ny nanaovana batisa ny raiko mba ho lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy!” (tao amin’ny Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith by His Mother, boky navoakan’i Preston Nibley 1958, 168; jereo koa ny Histoire de l’Église, 1:79).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77. “Hahatsiaro Azy mandrakariva”

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina dia manampy antsika hanaja ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa dia ny hahatsiaro ny Tompo mandrakariva.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Saintsaino ny antony hivavahantsika sy handalinantsika ny soratra masina. … Ireo fomba mahazatra masina ireo dia fomba voalohany indrindra izay ahafahantsika mahatsiaro ny Ray any An-danitra sy ny Zanany tiany ary takina amin’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva” (“Raiso ny Fanahy Masina,”Ensign na Liahona, nôv. 2010, 96).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79. “Mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy”

Ity teny manaraka ity, izay nambaran’ny Filoha President James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia manampy antsika hahatakatra ny hasarobidin’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana:

Sary
Filoha James E. Faust

“Ny batisa asitrika dia ‘ôrdônansy voalohan’ny filazantsara, ary tsy maintsy harahin’ny batisan’ny Fanahy mba ho feno.’ [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Batisa,” 21-22.] …

“Raha mendrika ireo izay manana io fanomezam-pahasoavan’ny fanahy io dia afaka ny hanana fahatakarana sy fahalalana ary fitarihana lehibe kokoa izy ireo amin’ny zavatra rehetra atao eo amin’ny fiainana, na ara-panahy na ara-nofo. Mijoro ho vavolombelona amintsika ny amin’ny fahamarinana ny Fanahy Masina ary mitaona ny fanahintsika mba hanaiky ny fisian’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany, izay tena azontsika antoka tokoa ka tsy hisy hery na fahefana ety an-tany izay afaka hampisaraka antsika amin’izany fahalalana izany. [Jereo ny 2 Ne. 31:18.] Mazava ho azy fa ny tsy fananana ny fanomezana ny Fanahy Masina dia toy ny hoe manana vatana tsy misy hery fiarovana. …

“Ireo izay manana ny fanomezana ny Fanahy Masina aorian’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia afaka mahazo fahazavana sy fijoroana ho vavolombelona bebe kokoa. Mitranga izany satria ny fanomezana ny Fanahy Masina dia ‘vavolombelona maharitra sy fanafiana hery avo lenta kokoa noho ny fiasan’ny Fanahy Masina izay mahazatra.’ [Ao amin’ny James R. Clark, natambatra ao amin’ny Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 6 vols. (1965–75), 5:4.] Izany no fanafiana hery avo lenta kokoa satria ny fanomezana ny Fanahy Masina dia afaka miasa toy ny ‘akora mpanadio mba hanadio olona iray sy hanamasina azy ho afaka amin’ny fahotana rehetra.’ [Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanahy Masina,” 62.]” (“Born Again,” Ensign, mey 2001, 55, 58).