Seminera
Sosokevitra ho an’ny andro azo isafidianana izay hatao


Sosokevitra ho an’ny andro azo isafidianana izay hatao

Ny torolalana handrindrana ny taom-pianarana ho an’ireo mpampianatra isan’andro dia mifototra amin’ny taom-pianarana ahitana herinandro 36 na 180 andro. Ity boky torolalana ity dia misy lesona atao isan’andro miisa 160, ary misy 20 andro navela izay tsy hanaovana lesona. Tokony hampiasaina amim-pahendrena ho an’ny tanjona sy asa atao mendrika ho an’izany ireo 20 “andro azo isafidianana izay hatao” ireo, anisan’izany ireto manaraka ireto:

  1. Fitsapam-pahaizana Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana Filazantsara dia ny “hanampy ny zatovo sy ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rainy any An-danitra.” Noho izany tanjona izany dia nanomana fitsapam-pahaizana ny S&I. Ireo fitsapam-pahaizana ireo dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra, hanazava, hino ary hiaina ny zavatra izay ianaran’izy ireo ao an-dakilasy.

    Tamin’ny 2014 dia nohatsaraina ireo zavatra takina amin’ny fahavitana ny fianarana seminera ka tsy maintsy mahavita ireo fitsapam-pahaizana ho an’ny fandaharam-pianarana tsirairay ny mpianatra mba hahazoana diplaoma. Tokony hanatanteraka fitsapam-pahaizana indray mandeha ianareo isaky ny misasaka ny taom-pianarana. Misy fizarana roa ny fitsapam-pahaizana tsirairay: (1) fanatanterahana ilay fitsapam-pahaizana, izay mandany eo amin’ny 40 minitra eo ho eo, na andro fotoam-pianarana iray, sy (2) fanitsiana ary fifanakalozana hevitra momba ilay fitsapam-pahaizana miaraka amin’ny mpianatra amin’ny fotoam-pianarana manaraka. Ampahany manan-danja amin’ny fanampiana ny mpianatra hianatra avy amin’ilay traikefa izany fanitsiana izany. Raha toa ka mihoatra ny 60 minitra ny kilasinareo dia tokony haka fotoam-pianarana iray ihany ianareo hanatanterahana sy hanaovana ny fanitsiana ny fitsapam-pahaizana.

    Natao ampiasaina hanampiana ny mpianatra ireo fitsapam-pahaizana. Raha nanambara ny fampidirana ireo fitsapam-pahaizana ho ao anatin’ireo zavatra takina amin’ny fahavitana ny fianarana seminera ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy, dia nilaza izy hoe: “Hitondra fanovana lehibe ny fihetsiky ny mpampianatra iray. Raha toa ireo mpampianatra ka mba mijery ny fitahiana entin’izany eo amin’ny fiainan’ny mpianatra dia handray ireo fitsapam-pahaizana ho fomba iray entina hanampiana ny mpianany izy ireo. … Mieritreritra aho fa raha toa ka misy fampitandremana tokony holazaina dia ny hoe, tsy tianay horaisin’ny mpampianatra ho toy ny fitaovana handemena saina na langilangy famaizana izany—mety misy dikany roa eto ilay hoe langilangy— dia fitaovana dombondombo hikapohana olona iray, na langilangy tena tsara vitsivitsy ho an’ny mpianatra sasany fotsiny ihany. Tianay ny handraisan’izy ireo izany ho zavatra iray izay tena hitahy ny fiainan’izy ireo” (Elevate Learning Announcement” [Fivoriana maneran-tanin’ny sampam-pampianarana Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 20 jona 2014], si.lds.org).

  2. Fampifanarahana ny lesona isan’andro amin’izay zavatra ilaina. Azonao atao ny mandany fotoana fanampiny amin’ny lesona iray izay mitaky fotoana misimisy kokoa mba hahafahana mampianatra amim-pahombiazana. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ireo hevitra enti-mampianatra fanampiny izay hita any amin’ny faran’ny lesona sasany, na maka fotoana hamaliana ny fanontanian’ireo mpianatra mikasika ny andinin-tsoratra masina iray manokana na lohahevitra iray avy amin’ny filazantsara. Ny andro azo isafidianana izay hatao dia ahafahanao manararaotra manao ireo zavatra ireo sady hazoninao ihany ny lamina andrindranao ny taom-pianarana ary tontosainao ny andraikitrao mba hampianatra ny soratra masina araka ny filaharany.

  3. Fifehezana ireo andinin-tsoratra masina manan-danja sy ireo Fotopampianarana Fototra. Azonao atao ny mampiasa ireo asa fanaovana famerenana ireo andinin-tsoratra masina fehezina izay hita manerana ny boky sy ao amin’ny tovana. Afaka mamorona asa atao hafa ho famerenana ireo andinin-tsoratra masina fehezina ianao izay mifanaraka amin’ny filana sy ireo zavatra mahaliana manokana ny mpianatra ao amin’ny kilasinao. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny ampahany amin’io andro azo isafidianana izay hatao io hanaovana asa izay manampy ireo mpianatra hamerina hijery ny Fotopampianarana Fototra sy hanamafy ny fahatakaran’izy ireo izany.

  4. Famerenana ireo lesona tany aloha. Tena manampy ireo mpianatra ny mamerina mijery matetika ny zavatra nianarany tamin’ny lesona tany aloha na avy amin’ny bokin-tsoratra masina iray manokana. Azonao atao ny manome fahafahana ireo mpianatra mba hanazava ny fahamarinana iray avy tamin’ny lesona teo aloha ary hizara ny fomba fiantraikan’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mamorona sy manatanteraka ankamantatra na asa atao mba hianaran-javatra izay ahafahana mamerina ireo lesona tany aloha.

  5. Fahafahana manao fialan-tsasatra. Ny atrikasa na fivoriana any an-tsekoly, ny fety ho an’ny daholobe, ny toetr’andro, na ny fanapahana hafa dia mety mitaky ny hanafoananao na ny hanafohezanao ny fotoam-pianarana tsindraindray. Ny andro azo isafidianana izay hatao dia azo hanatanterahana ny andro hialan-tsasatra toy izany.