Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–7; 10; Joseph Smith—Tantara 1:66–67 (Fizarana 3)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–7; 10; Joseph Smith—Tantara 1:66–67 (Fizarana 3)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–7; 10; Joseph Smith—Tantara 1:66–67 (fizarana 3) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjanao ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 310)

Rehefa mianatra momba ny toe-javatra manodidina ny fahaverezan’ny lahatsoratry ny Bokin’i Môrmôna miisa 116 pejy ny mpianatra dia hahita fa tsy azo sakanana ny fikasan’ Andriamanitra. Ny fananaran’ny Tompo an’i Joseph Smith noho ny namerimberenany ny fangatahana ny hanomezany ny lahatsoratra an’i Martin Harris dia nampianatra ny mpianatra fa tokony hatahotra an’ Andriamanitra bebe kokoa noho ny fandresen-dahatry ny olombelona izy ireo ary raha mahatoky amin’ny didin’ny Tompo isika dia hanohana antsika Izy mandritra ny fotoan-tsarotra. Taorian’ny namerenana ny takelaka tamin’i Joseph Smith dia nampianatra azy ny Tompo fa i Satana dia maniry ny handrava ny asany sy ny handrava antsika, fa raha mivavaka mandrakariva isika dia hanana hery handresena an’i Satana sy izay manompo azy.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4)

Araka ny valintenin’ny Tompo tamin’ny fanirian’i Joseph Smith rainy hahafantatra ny zavatra irian’ny Tompo hataony dia nianatra ny mpianatra fa raha manompo an’ Andriamanitra amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjaka rehetra izy ireo dia hijoro tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Nianatra ihany koa izy ireo fa raha miasa amim-pahazotoana mba hitondrana ny hafa eo amin’i Jesoa Kristy izy ireo dia afaka handray famonjena ho an’ny tenany koa. Farany, ireo mpianatra dia nianatra ireo toetra araka an’ Andriamanitra izay mahatonga ny olona iray ho mendrika hanampy amin’ny asan’ny Tompo.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5)

Rehefa nikatsaka vavolombelona fanampiny momba ny fisian’ny takelaka i Martin Harris dia nampianatra an’i Martin ny Tompo fa niantso an’i Joseph mba hitondra ny teniny ho an’izao tontolo izao Izy fa ny tenivavolombelon’ny Vavolombelona Telo dia hijoro ihany koa ho porofo ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Nianatra ireo mpianatra fa raha mino ny tenin’ny Tompo izy ireo dia hanamafy ny fahamarinan’izany ny Fanahy. Ity fizarana ity dia nanampy ihany koa ny mpianatra hahatakatra fa raha tena mivavaka amim-panetrentena sy am-pinoana isika dia handray valiny araka ireo faniriana feno fahamarinana ananantsika.

Andro 4 (Joseph Smith—Tantara 1:66–67; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–7)

Ny Tompo dia nampianatra an’i Oliver Cowdery fahamarinana manan-danja momba ny fandraisana sy famantarana fanambarana. Nisaintsaina ny amin’ny fomba hiantefan’izany fahamarinana izany amin’izy ireo ny mpianatra. Ho fanampin’izany dia nianatra izy ireo fa ny Tompo dia miteny fiadanana ao an-tsaintsika, izay tenivavolombelon’ny fahamarinana. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa raha mibanjina an’i Jesoa Kristy amim-pinoana isika dia afaka handresy ny ahiahy sy ny tahotra.

Fampidirana

Mandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia hianatra voalohany indrindra avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana­10, izay nambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith taorian’ny nahaverezan’ireo pejin-dahatsoratra miisa 116 pejy an’ny Bokin’i Môrmôna. Talohan’ity fanambarana ity i Môrônia dia naka ireo takelaka sy ny Orima sy Tomima avy tamin’i Joseph Smith ary very nandritra ny fotoana voafetra ny herin’ny fandikan-teny nananan’ny Mpaminany. Rehefa naverina ireo takelaka dia nandidy an’i Joseph ny Tompo ny tsy hamerenany intsony ny fandikana ny ampahan’ny takelaka mifandray amin’ireo pejin-dahatsoratra very. Nanambara ihany koa ny Tompo ny amin’ ny tetika fandravana ny asa nananan’i Satana ary nampianatra ny fomba handresentsika an’i Satana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 310

Mikatsaka ny handrava an’i Joseph Smith sy ny asan’ Andriamanitra i Satana

Asao ireo mpianatra mba hanazava ny toe-javatra nanodidina ny nahaverezan’ireo pejin-dahatsoratra 116. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3, dia nahoana araka ny eritreritrao i Joseph Smith no nikiry tamin’ny fametrahana hatrany ilay fanontaniana tamin’ Andriamanitra na dia efa nandray valinteny mazava tsara aza?

  • Inona araka ny eritreritrao no nianaran’i Joseph Smith avy tamin’io zavatra niainany io?

  • Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph izay afaka manampy anao rehefa teren’ny hafa hanao zavatra tsy mety ianao?

Mampisehoa fandrika iray (na manaova sarin’izany eny amin’ny solaitrabe). Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hamintina ny zavatra nianarany avy amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10 mikasika ny namandrihan’i Satana an’i Joseph Smith tamin’ireo pejin-dahatsoratra 116 very.

Sary
fandri-boalavo

Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:20–29 ny Tompo dia namariparitra ireo izay nanome vahana ny fitaoman’i Satana azy ireo mba haka ny pejin-dahatsoratra 116 ary namariparitra ny fomba namandrihan’i Satana azy ireo.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:20–29 ny mpinamana tsirairay, hitady ireo andininy izay mampianatra momba ny tanjon’i Satana. Asao ilay mpianatra iray hafa mba hamaky an’io andininy io ihany ka hitady ny fomba hikatsahan’i Satana ny fanatanterahana ny tanjony. Rehefa nahavita izany izy ireo dia asao ireo mpianatra ao amin’ny ekipa tsirairay mba hifampizara ny zavatra hitany. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:20–29 mikasika ny tanjon’i Satana? (Mety hahita karazana fitsipika maro ireo mpianatra saingy alaivo antoka ny ahatakaran’izy ireo fa maniry ny handrava ny asan’ny Tompo sy ny fanahintsika i Satana. Azaonao atao ny manoratra izany fotopampianarana izany eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ihany koa ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny andininy 22–23 sy 27.)

  • Araka ny zavatra novakianao tao amin’ireo andininy ireo, ahoana no fomba hikatsahan’i Satana ny fandravana ny asan’ny Tompo sy ny fanahintsika? (Mampiasa fitaovana toy ny famitahana, fahatezerana, fandokadokafana ary filazana lainga izy. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ireo fitaovana fampiasan’ilay fahavalo ao amin’ny soratra masiny.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe an’io fahamarinana io dia asao izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana ireto miaraka amin’ny namany (azonao atao ny manoratra ireto fanontaniana ireto eo amin’ny solaitrabe na manomana taratasy hozaraina alohan’ny fotoam-pampianarana):

  • Inona no zavatra hitanao izay mampiseho fa i Satana dia mbola mampiasa famitahana, fahatezerana, fandokadokafana ary filazana lainga mba handravana ny asan’ny Tompo sy ny fanahin’ny olombelona?

  • Ahoana no hanampian’ny fahafantarana ny fanirian’i Satana amin’ny fialana sy fitsoahana ny fandrika apetrany?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireo fomban’ny fahavalo voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:20–29 izay efa tsapany na hitany, ary koa ny zavatra azony atao mba hialana na hitsoahana ireo fandrik’i Satana.

Hazavao fa ao amin’io fanambarana io ny Tompo dia nanome didy sy fampanantenana mikasika ny ezaka ataontsika mba hialana amin’ny fitaoman’i Satana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5 ka asao ireo mpianatra mba hitady ny didy sy ny fampanantenana nomen’ny Tompo.

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Rehefa , isika dia hanana hery mba .

Anontanio ny mpianatra hoe: Ahoana no hamenoanao io fitsipika io araka ny andininy 5? (Mety hahita karazana fitsipika maro ny mpianatra, saingy alaivo antoka ny hanantitranteranao fa rehefa mivavaka foana isika dia hanana hery handresena an’i Satana sy ireo izay manompo azy.)

Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:38–45. Rehefa izany dia asao ny mpianatra iray hanazava ny fomba nanoneran’ny Tompo ny nahaverezan’ireo pejin-dahatsoratra 116.

Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:43 ka hijery fahamarinana iray manan-danja izay nirian’ny Tompo ho takatr’i Joseph Smith. (Rehefa mizara ny heviny ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Ny fahendren’ Andriamanitra dia lehibe noho ny hafetsen’ny devoly. Azonao hazavaina fa ny hafetsena dia milaza ny fampiasana fandrika mba hamitahana ny olona.)

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana ny drafitry ny Tompo mba hanoloana ny lahatsoratra very no maneho io fahamarinana io?

  • Ahoana no hanampian’izany anao hahafantatra fa ny fahendren’ Andriamanitra dia lehibe noho ny hafetsen’i Satana?

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:44–45, ka hitady zavatra fanampiny izay maneho ny fahamarinana nosoratana teo amin’ny solaitrabe.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:44–45, nahoana ny takelaka kely no sarobidy kokoa noho ny famintinan’i Môrmôna ny takelaka lehibe izay tao amin’ny pejy 116 very? (Ireo takelaka kely dia ahitana amin’ny fomba mivantana ny tantaran’ny zavatra ara-panahy. Ireo pejy 116 very dia mirakitra ny famintinana ny zava-nitranga ara-tantara.)

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa Andriamanitra dia nanomana fomba hanonerana ny pejin-dahatsoratra 116 very no manampy anao hahatoky bebe kokoa Azy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4–7

Manoro hevitra an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Tompo mba tsy hiahiahy na hatahotra

Asao ny mpianatra mba hizara mandritra ny fotoana fohy ny fahamarinana sasany mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay nianarany nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6. Asao izy ireo mba hisaintsaina ireo traikefa izay nahatsapany ho voazava saina sy nahatsapany fiadanana mikasika ny zavatra iray izay nivavahany. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany amin’ny mpianatra rehetra.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa anisan’ny fandalinana ny andinin-tsoratra masina fehezina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 ny fanoratana lahateny fohy izay mamariparitra ireo fomba hampiharana ny torohevitry ny Tompo ao amin’io andininy io. Asao izy ireo mba hamaky mafy sady miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36. Azonao atao ny mamerimberina izany mba hanampiana azy ireo hitadidy izany. Asaivo mizara ny lahateniny amin’ny hafa avy eo ny mpianatra izay maniry hanao izany. Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fomba nanampian’ny Tompo anao mba handresy ny ahiahy na ny tahotra tamin’ny lasa.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8–9; 11–16)

Inona no atao hoe fanahin’ny fanambarana? Ahoana no hamantaranao fa mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra ianao? Hazavao fa mandritra ny fizarana manaraka ireo mpianatra dia hianatra ireo fitsipiky ny fanambarana izay hitahy azy ireo rehefa mikatsaka fitarihana ho an’ny fiainana avy amin’ Andriamanitra izy ireo.