Seminera
Lesona 61: Ilay toerana afovoanʼi Ziona


Lesona 61

Ilay toerana afovoanʼi Ziona

Fampidirana

Ny taom-pahavaratry ny taona 1831 dia nanomboka ny diany mba hanorim-ponenana tany aminʼny faritry ny Fivondronanʼi Jackson, Missouri ny sasany taminʼireo Olomasina izay nivondrona tao Ohio. Tao aminʼny fanambarana noraisinʼny Mpaminany Joseph Smith, ny 20 Jolay 1831, dia nanondro anʼi Independence, Missouri, ho “toerana afovoanʼi” Ziona ny Tompo (F&F 57:3). Nasaina nanomboka nividy tany teo aminʼny faritra ireo Olomasina, ary nasaina ihany koa nitandrina ny didinʼny Tompo ho fiomanana aminʼny fananganana anʼi Ziona. Kanefa, rehefa nandeha ny fotoana dia nisy fifandirana teo aminʼny Olomasina sy ny maro taminʼireo mponina tao aminʼny Fivondronanʼi Jackson, Missouri izay nitarika ireo mpihetraketraka hanao herisetra taminʼireo Olomasina. Ny volana Nôvambra sy Desambra 1833 dia voatery nandao ny ny Fivondronanʼi Jackson ireo Olomasina.

Sosokevitra enti-mampianatra

Notendren’ny Tompo ho toerana afovoan’i Ziona i Independence, Missouri

Alohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eo aminʼny takela-pamantarana iray ny hoe: Kirtland, Ohio ka apetraho eo aminʼny ilanʼny efitrano izany. Asehoy eo aminʼny ilanʼny efitrano iray hafa kosa ny takela-pamantarana iray izay mivaky hoe: Independence, Missouri. Na, raha tianao kokoa dia azonao atao ny manao sarina sarintany tsotra momba ny faritra afovoany-andrefan’i Etazonia, ka miavaka tsara i Kirtland sy Ohio ary Independence, Missouri (jereo ny Sarin’ny toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana, Sarintany 6, “Ny dian’ny Fiangonana miakandrefana”). Jereo ny sarintany rehefa mampianatra ilay lesona ianao.

Sary
sarintany avaratra-antsinanan’i Etazonia

Atombohy aminʼny alalanʼny fanasana ny mpianatra izany ka asaivo alainy sary an-tsaina hoe manao lasy izy ireo ary mandre fa ho avy ny tafio-drivotra iray.

  • Inona ireo fomba vitsivitsy izay mety ahitanao fialofana aminʼny tafio-drivotra? Ahoana no fomba mety hanampianʼny lay aminʼity toe-java-miseho ity?

Hazavao fa ny mpaminany Isaia dia naneho anʼi Ziona ho toy ny lay lehibe iray. Hoy Izy: “Halalaho ny toeran’ ny lainao, ary avelao ireo hamelatra ny lamba fonenanao; aza mitsitsy, halavao ny tadinao ary hamafiso ny tsatòkanao” (Isaia 54:2). Ho fanatontosana anʼio faminaniana io dia manohy mitarika ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejinʼny Apôstôly Roambinifolo ny Tompo aminʼny fanorenana ny Tsatòkanʼi Ziona manerana anʼizao tontolo izao.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:41–43. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ary hitady ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo marina izay miangona ao Ziona.

  • Inona no fitahiana nampanantenainʼny Tompo ireo marina izay miangona ao Ziona?

Hazavao fa ny volana Jolay 1831 dia nilaza ny Tompo fa ny taninʼi Missouri no tany nampanantenaina ho anʼi Ziona ary i Independence, Missouri no “toerana afovoanʼny” tanànanʼi Ziona (jereo ny F&F 57:1–3).

Asao ny mpianatra iray hijoro na hipetraka eo akaikinʼilay takela-pamantarana Independence, Missouri. Asao ny mpianatra iray hanao sarina lay eo aminʼny solaitrabe. (Raha lehibe ilay efitrano fianarana dia azonao atao ny mitondra lay ao an-dakilasy ka asao ny mpianatra iray na roa hamelatra izany mba hanehoana ny fanombohanʼny Olomasina ny fananganana ny tanàna fialofana iray.)

  • Efa nanangana lay iray ve ianao ka sendra diso ny fomba nanaovanao izany na niezaka nanangana izany tsy nisy ireo kojakoja rehetra? Inona no nitranga?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:5, ary hitady ny fomba tsy maintsy ananganana ny “lainʼi” Ziona mba ho ekenʼny Tompo izany. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: I Ziona dia tsy maintsy atsangana eo amboninʼny fitsipiky ny lalànʼny Fanjakana selestialy. Hazavao fa taorianʼny nanambaranʼny Tompo ny toerana misy ny taninʼi Ziona ny taona 1831 dia nanome fanambarana maro Izy nandritra ny roa taona nanaraka ka nanoritsoritra ny fitsipika tokony hanangananʼny Olomasina anʼi Ziona.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:14–19

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–16

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21–22, 25–27

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–9

Zarao ho vondrona efatra ny mpianatra, ary omeo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay. Asao ny vondrona hamaky ny andinin-tsoratra masina nampandraiketina azy ireo, ka hijery ny fitsipiky ny fahamarinana na ny didy ilainʼny Olomasina harahina mba hananganana soa aman-tsara anʼi Ziona.

Rehefa avy nianatra ny andininy izay nomena azy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara izay zavatra hitany. Manasà ankizy iray hanao lisitry ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. (Tokony ahitana ireto ny valinteninʼny mpianatra: miaina ny lalànʼny fanokanana ary mikatsaka izay mahasoa ny hafa [F&F 82:17–19]; manorina tempoly sy mandray torolalana any [F&F 97:10–14]; madio am-po [F&F 97:16, 21]; mitandrina ny didy [F&F 97:25–26]; ary lasa hamasinina ka “mandeha… miala anʼi Babylona,” izay midika hoe miala aminʼizao tontolo izao [F&F 133:4–5].)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety nanampiana ireo Olomasina hanangana an’i Ziona sy ho voaro tamin’ny tafio-drivotra ara-panahy rehefa niaina ireo fitsipiky ny fahamarinana ireo izy ireo? Ahoana no mety hahatonga antsika ho voaro aminʼizao fotoana izao rehefa miaina ireo fitsipika ireo isika?

Azonao atao ny manasa mpianatra maromaro mba hitondra ny soratra masiny ka hijoro na hipetraka eo akaikinʼilay takela-pamantarana Kirtland, Ohio ary asao ny iray na ny roa aminʼireo mpianatra ireo hankeny aminʼilay takela-pamantarana Independence, Missouri ka hijoro na hipetraka eny. Hazavao fa taorianʼny nanambaranʼny Tompo ny toerana misy anʼi Ziona ny volana Jolay 1831 dia maro taminʼireo Olomasina no nandeha efa ho 1448 km nankany Independence, Missouri, mba hanorim-ponenana sy hanangana anʼi Ziona. Ny hafa kosa nijanona tany Kirtland sy taminʼny faritra hafa tany antsinanana. Haorina any Kirtland ny tsatòka iray ny 17 Febroary 1834.

Tondroy ny sarinʼny lay (na ny lay izay nentinao tao an-dakilasy). Hazavao fa rehefa niara-niasa taminʼny fananganana anʼi Ziona ny Olomasina dia nahazo taminʼny fitahianʼny fiarovanʼi Ziona izy rehetra, eny fa na ireo izay tsy nonina tany Independence, Missouri aza. Niara-niasa ny Olomasina ho fandraisana anjara teo aminʼny lafiny ara-bola sy enti-mihetsika mba handatsahana ny fanorenana ny tanànanʼi Ziona. Asaivo haka sary an-tsaina ny fihitaranʼny lainʼi Ziona izay nandrakotra ny Olomasina tany Kirtland ny mpianatra.

Nanomboka nisy fifandirana teo aminʼny Olomasina sy ny mponina hafa tao Missouri

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zava-niseho tany Ohio sy Missouri teo anelanelanʼny 1831 sy 1833 dia angataho ny mpianatra iray eo akaikinʼny takela-pamantarana Kirtland mba hamaky mafy ny fanazavana manaraka momba ny fomba nanohananʼny Olomasina tany aminʼny tsatòkanʼi Ziona Kirtland ny fananganana ny toerana afovoanʼi Ziona tany Missouri. Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra izay nataonʼny Olomasina sasany tany Kirtland mba hanampiana taminʼny fanorenana anʼi Ziona.

Kirtland, Ohio: Nandritra ny fivoriambe nisesisesy natao ny volana Novambra 1831 dia nanangona ny fanambarana izay voaray hatrizay i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ka nikasa ny hanonta printy azy ireny ho lasa boky. Nomena anʼi Oliver Cowdery sy John Whitmer ny andraikitra hitondra ireo fanambarana ho any Missouri mba hahafahanʼi William W. W. Phelps manao printy azy ireny ho lasa Bokinʼireo Didy. Nandritra ny taona 1831 ka hatraminʼny taona 1832 dia nahazo fanambarana tsy tapaka i Joseph ka nanohy ny fandikana ny Baiboly. Taminʼny lohataonanʼny 1832 dia nandeha tany Missouri i Joseph mba hamangy ireo Olomasina tany Ziona, mba hampitandrina azy ireo fa nikatsaka ny “hampiodina ny fony hiala aminʼny fahamarinana” i Satana (F&F 78:10), sy mba handrindra ny ezaka momba ny trano fitehirizanʼny eveka tany Kirtland sy Independence. Nandray anjara teo aminʼny lafiny ara-bola ny mpikambanʼny Fiangonana sasany mba hanampiana aminʼny fividianana tany sy famatsiana tany Missouri. Maro taminʼireo Olomasina no nanohy nifindra tany Ziona, ka taminʼny fiafaranʼny taona 1832 dia saika ny iray ampahatelonʼny mpikambana tao aminʼny Fiangonana no niaina tao aminʼny Fivondronanʼi Jackson

  • Ahoana no fomba nanampianʼi Joseph Smith sy ny Olomasina hafa tany Kirtland ireo Olomasina tany Missouri hanomboka ny fananganana anʼi Ziona?

Asaivo vakianʼny mpianatra mafy ny fampahalalana momba ny ezaka nataonʼny Olomasina mba hanorenana ny tanànanʼi Ziona. Asao ny mpianatra hijery ny zavatra mety sy tsy mety nataonʼny Olomasina rehefa nanomboka nanangana anʼi Ziona izy ireo.

Independence, Missouri: Toy izao no nolazain’i Parley P. Pratt raha nanazava ny fipetrahan’ireo Olomasina tao Ziona izy: “Fiadanana sy firoboroboana no valisoan’ny asa nataon’izy ireo ary lasa tany namokatra tokoa ilay tany foana” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 93). Niasa ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Missouri mba hahazoana ny zavatra ilainʼny Olomasina vao tonga. Anisan’izany ny fividianana tany sy ny fananganana tranombarotra sy fanontana printy. Taminʼny volana Jolay 1833 dia nitombo efa ho 1 200 ny isanʼny Olomasinʼny Andro Farany. Saingy tsy nitsahatra nisedra olana ireo mpitarika sy ny Olomasina. Navelan’ireo mpikambana sasany hanakana azy ireo tsy hiaina ny lalàn’ny fanokanana ny fitiavan-tenany sy ny fimatimatesan-kareny.

Ankoatra ny olanʼny Olomasina noho ny tsy fankatoavany ihany, dia nisy ny tsy fifankahazoana taminʼireo mponina voalohany teo aminʼilay faritra. Ny mponina tao Missouri dia nanomboka niahiahy fatratra momba ny fihanaky ny “Môrmôna” sy ny fanananʼizy ireo hery teo aminʼny toe-karena sy ny pôlitika teo an-toerana. Tsy niombon-kevitra taminʼny finoanʼny Olomasina ny mpitarika fivavahana teo an-toerana. Nisy mpitarika fivavahana iray namafy lainga mikasika ny mpikambana ao aminʼny Fiangonana sy namporisika ny mponina mba hanao herisetra aminʼizy ireo. Ka taminʼny volana Jolay 1833 dia namoaka lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Free People of Color” (Vahoaka mainty nafahana) i W. W. Phelps izay nampitandrina ny misiônera taminʼny fanaovana ny asa fitoriana teo anivonʼireo andevo. Ireo mponina tao Missouri izay nandàla ny fanandevozana dia nanao tsoakevitra diso fa ny Olomasina dia nanasa ireo andevo afaka ho any Missouri. Nanampy ny toe-javatra izay efa nananosarotra tao aminʼny faritany izany. Taminʼny 20 Jolay 1833, ireo mpihetraketraka dia nanary teny an-dalambe ny masinina fanontana printy, nandrodana ny birao fanaovana printy, namotika ny ankamaroanʼny takelaky ny Bokinʼireo Didy izay mbola tsy vita fatotra, nanisy tara sy volom-borona ny Eveka Partridge sy Charles Allen izay vao niova fo, ary nampihorohoro ny tanàna. Nitohy ny fankahalana ka voatery nandao ny Fivondronanʼi Jackson ireo Olomasina ny volana Nôvambra sy Desambra taminʼio taona io.

  • Araka ny eritreritrao, mety hanao ahoana ny fahatsapana anananao raha anisanʼireo Olomasina marina izay nanantena ny fiarovanʼny Tompo ianao kanefa voatery nandao ny Fivondronanʼi Jackson?

  • Inona no holazainao raha misy olona iray manontany anao ny antony nahatonga ireo Olomasina tany aloha tsy afaka nanangana ny tanànanʼi Ziona? (Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:6–7; 103:2–4; 105:3–4, 9.)

Raha mbola tsy nasainao niverina nipetraka teny aminʼny toerany ireo mpianatra dia ataovy izany.

Hanao ahoana ny hoavinʼi Ziona?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hijery ny fomba nanoritsoritan’ny Tompo anʼi Ziona. Tolory hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny izay mampianatra ireto fahamarinana manaraka ireto: I Ziona dia ny madio am-po. Jereo ny lisitrʼireo fitsipika sy fihetsika eny aminʼny solaitrabe ary apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Aminʼny fomba ahoana no hanampianʼireo fitsipika marina ireo ny olona ho lasa madio am-po?

  • Inona no anjara asantsika aminʼny fananganana anʼi Ziona aminʼizao fotoana izao? (Afaka miaina amim-pahamarinana isika ary mandrisika ny hafa mba hiaina amim-pahamarinana. Rehefa miaina sy mizara ny Filazantsara isika dia hihitatra ny sisin-taninʼi Ziona, hihamatanjaka ny tsatòkany ary hitahy ny Olomasina aminʼny fiarovana Andriamanitra.)

Asao ny mpianatra mba hijery ny fitsipiky ny fahamarinana izay voatanisa eny aminʼny solaitrabe. Entano izy ireo hanoratra tanjona iray mba hiaina am-pahatokiana ny iray aminʼireo fitsipika ireo ao anatinʼny kahie ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Tsy maintsy atsangana eo amboninʼny fitsipiky ny fahamarinana i Ziona

Niresaka momba ny zavatra takiana aminʼny fananganana anʼi Ziona eo amboninʼireo fitsipiky ny lalànʼny fanjakana selestialy ny Loholona D. Todd Christofferson avy ao aminʼny Kôlejinʼny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Ny ankamaroanʼny asa hatao aminʼny fanorenana anʼi Ziona dia miompana aminʼny ezaka ataon’ny tenantsika manokana ho lasa ‘madio am-po’(F&F 97:21). ‘I Ziona dia tsy azo aorina raha tsy aminʼny alalanʼny fitsipiky ny lalànʼny fanjakana selestialy,’ hoy ny Tompo; ‘raha tsy izany dia tsy afaka handray azy ao Amiko Aho’ (F&F 105:5). Mazava ho azy fa ny lalànʼny fanjakana selestialy no lalàna sy fanekempihavananʼny filazantsara, izay ahitana ny fahatsiarovantsika lalandava ny Mpamonjy sy ny fanekempihavanantsika aminʼny fankatoavana, fahafoizan-tena sy fanokanana ary fahatokiana.

“Nitsikera ny sasany tamin’ireo Olomasina tany am-boalohany noho ny ‘faniriany feno fahavetavetana’ ny Mpamonjy (F&F101:6; jereo ihany koa ny F&F 88:121). Ireo olona ireo dia niaina tao anatinʼny tontolo tsy nisy vata fahitalavitra, na sary mihetsika, na Internet na iPod. Aminʼizao vaninʼandro izay feno sary sy mozika maneho fahavetavetana izao, moa ve isika afaka aminʼny faniriana feno fahavetavetana sy ireo zava-dratsiny mifandray aminʼizany? Tsy maintsy mikatsaka mafy ny fahamarinana isika toy izay manao fitafy efa mila tsy ho maotina na miroboka amin’ny fijerena pôrnôgrafia. Raha mankao Ziona isika dia tsy ampy ho ahy sy ho anao fotsiny ny hoe tsy dia ratsy fanahy loatra raha oharina aminʼny hafa. Tsy vitanʼny hoe tsy maintsy lasa tsara fotsiny isika fa tsy maintsy lehilahy sy vehivavy masina koa. Raha averintsika eto ny teninʼny Loholona Neal A. Maxwell dia hoe: andeha isika hametraka maharitra mandrakizay ny toeram-ponenantsika ao Ziona ka handao ny trano fialan-tsasatra any Babylona (jereo ny Neal A. Maxwell, A Wonderful Flood of Light [1990], 47)” (Avia aty Ziona,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 38–39).

Nitanisa ireo fitsipika sasany izay tsy maintsy ananganana anʼi Ziona ny Eveka Keith B. McMullin avy ao aminʼny Episkôpà Mpiahy:

Sary
Eveka Keith B. McMullin

“Ny fanekempihavananʼny fanokanana dia ahitana ny fahafoizan-tena; mamaritra ny fitiavana, ny asa sy ny fahavitan-tena ary fototry ny fanorenana ny fanjakanʼAndriamanitra. ‘I Ziona dia tsy azo aorina,’ hoy ny Tompo, ‘raha tsy aminʼny alalanʼny fitsipiky ny lalànʼny Fanjakana selestialy’ [F&F 105:5.] Ny fanekempihavananʼny fanokanana no ivonʼio lalàna io. Indray andro any dia hampiharintsika feno izany. Tafiditra ao anatinʼio fanekempihavanana io ny “fanomezana ny fotoana, ny talenta ary ny fitaovana ho fikarakarana ireo sahiranana—na eo aminʼny lafiny ara-panahy na eo aminʼny lafiny ara-nofo—sy ny fananganana ny fanjakanʼny Tompo.” [Jereo ny Ensign, Aug. 1984, 4; Tambuli, Dec. 1984, 7.]

“Ireo fitsipiky ny fitiavana, ny asa, ny fahavitan-tena ary ny fanokanana ireo dia avy aminʼAndriamanitra. Ireo izay manaraka azy ireny sy mitondra tena mifanaraka aminʼizany no lasa madio am-po. Ny firaisan-kina marina no endrika mampiavaka ny fiaraha-moniny. Ny fiadanany sy ny filaminany no lasa fanevany ho anʼny firenena. Hoy ny Mpaminany Joseph Smith:

“‘Foto-kevitra izay nahaliana ny vahoakanʼAndriamanitra taminʼny taon-jato rehetra ny fananganana anʼi Ziona; lohahevitra izay nampitolagaga fatratra ny mpaminany, mpisorona ary mpanjaka izany; … anjarantsika no mahita, mandray anjara ary manampy aminʼny fampandrosoana ny voninahitrʼi [Ziona] aminʼny Andro farany… asa izay natao mba hitondra ny fandravana ny herinʼny maizina, ny fanavaozana ny tany, ny voninahitrʼAndriamanitra, ary ny famonjena ny zanakʼolombelona.’ [Teachings of the Prophet Joseph Smith, sel. Joseph Fielding Smith (1976), 231–32; nampiana fanamafisana.]” (“Come to Zion! Come to Zion!” Ensign na Liahona, nôv. 2002, 96).

Naninona no tsy nahavita nanangana ny tanàna masina ny Olomasina tany aloha?

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Niezaka ny hanangana ny ivontoerana misy an’i Ziona ao Missouri ireo mpikambana tany amin’ny fiandohan’ny Fiangonana teo ambany fitarihan’ny Mpaminany Joseph Smith kanefa tsy mendrika ny hanangana ilay tanàna masina izy ireo. Nanazava ny iray aminʼireo antony tsy nahavitanʼizy ireo izany ny Tompo:

“‘Tsy nianatra ny ho mpankatò amin’ ny zavatra izay notakiako teo an-tanany izy ireo fa feno faharatsiana isan-karazany ary tsy mizara amin’ ny fananany ho an’ ny mahantra sy ny mijaly eo anivony,’

“‘Ary tsy miray hina araka ny firaisan-kina takin’ny lalàn’ny fanjakana selestialy’(F&F 105:3–4).

“‘Indro, lazaiko aminareo, nisy fifamaliana sy fifandirana ary fialonana sy fifanjihirana mbamin’ny faniriana feno fahavetavetana sy fitsiriritana teo anivony; koa nolotoiny tamin’izany ny lovany’ (F&F 101:6).

“Aleo mandinika ny tenantsika mba hijerena raha toa ka mahita fahombiazana kokoa isika toy izay hitsara ireo Olomasina tany am-boalohany.

“I Ziona dia Ziona noho ny toetra sy ny fahatokian’ireo mponina ao aminy. Tadidio fa, “nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ny vahoakany, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy nahantra teo anivony” (Mosesy 7:18). Raha te-hanorina an’i Ziona isika ao an-tokantranontsika, any amin’ny sampana misy antsika, ny paroasintsika, ny tsatòkantsika, dia tsy maintsy manatanteraka izany fitsipika izany. Ilaina ny (1) lasa miray fo sy saina; (2) lasa vahoaka masina, na ny tsirairay na ny daholobe; (3) mikarakara ny mahantra sy ny sahirana aminʼny fomba mahomby mba hamongorana ny fahantrana eto anivontsika. Tsy afaka miandry anʼi Ziona ho tonga isika vao hanao ireo zavatra ireo—Tsy ho tonga i Ziona raha tsy mitranga ireo” (“Come to Zion,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 37–38).

Ny famoronana tsatòka dia toy ny fanorenana ny tanànanʼi Ziona

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie fa ny tsatòka no toeram-piangonanʼny Olomasina monina manerana anʼizao tontolo izao:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Manana faritra ara-jeôgrafika ny tsatòka. Ny famoronana tsatòka iray dia toy ny fanorenana ny Tanànanʼny Fahamasinana. Ny tsatòka tsirairay eto amboninʼny tany dia toeram-piangonana ho anʼny ondry very aminʼny taranakʼIsiraely izay miaina ao aminʼny faritra misy azy. …

“Isika tsirairay avy dia afaka manorina anʼi Ziona eo aminʼny fiainantsika rehefa madio am-po. Ary ny fampanantenana dia hoe: “Ary sambatra ny madio am-po rehetra, fa izy no hahita an’ Andriamanitra.” (Mat. 5:8.) Ny tsirairay amintsika dia afaka manitatra ny sisin-taninʼi Ziona aminʼny fanangonana ny namantsika sy ny mpifanolo-bodirindrina amintsika ho ao aminʼny valanʼi Isiraely” (“Come: Let Israel Build Zion,” Ensign, Mey 1977, 118).

Ny fiverenanʼi Joseph Smith tany Kirtland rehefa avy tany Missouri

Izao no zavatra nosoratanʼi Joseph Smith momba ny fiverenany tany Kirtland taorianʼny namangiany ny Olomasina tany Missouri:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Taminʼny 6 Mey [1832] dia nametra-beloma taminʼireo rahalahy tao Independence aho ary nanohy ny dia hiverina tany Kirtland niaraka taminʼny Rahalahy Rigdon sy Whitney, ka nandeha kalesin-tsoavaly nankany St. Louis, dia niala avy eo nankany Vincennes, Indiana; ary niala avy eo nankany New Albany, teo akaikinʼny rian-dranonʼny renirano Ohio. Talohanʼny nahatongavanay taminʼio toerana farany io dia lasa raiki-tahotra ny soavaly, ary teo am-pandehanana mafy dia niezaka nitsambikina niala ny kalesy ny Eveka Whitney, kinanjo tery loatra ny akanjony, ary tafatsofoka tao anatinʼny kodiarana ny tongony ka tapaka teo aminʼny faritra maromaro ny tongony sy ny ranjony; taminʼizay koa anefa dia nitsambikina aho fa tsy naratra. Nitoetra tao an-trano fandraisam-bahininʼAndriamatoa Porter tao Greenville izahay, raha nandeha nivantana tany Kirtland kosa ny Loholona Rigdon. Nandritra izay fotoana rehetra izay dia nihinan-kanina sy natory tsara ny Rahalahy Whitney. Ary ny Dokotera Porter, izay rahalahinʼny tompon-tranonay, izay nikarakara azy dia nilaza fa nahonena fa tsy nisy ‘Môrmôna’ teo satria afaka nanasitrana taolana tapaka na nanao zavatra hafa izy ireny. Nijanona niaraka taminʼny Rahalahy Whitney aho ka nikarakara azy ambara-pahafahany nihetsika. Raha mbola nitoetra teo aminʼio toerana io aho dia matetika no nankany anʼala, izay nahitako fasam-bao maromaro; ary indray andro rehefa nitsangana avy teo an-databatra fisakafoana aho dia nankeny am-baravarana avy hatrany ka nanomboka nandoa be. Nandoa rà sy zavatra feno poizina maro aho, ary tena niolakolana mafy tokoa ny hozatry ny rafi-batako hany ka nivilana nandritra ny fotoana vitsivitsy mihitsy ny valanoranoko. Voaveriko taminʼny laoniny soa aman-tsara taminʼny tanako izany, ka nandeha mafy araka izay azoko natao aho nankany aminʼny Rahalahy Whitney (izay teo am-pandriana); nametraka ny tanany teo amiko izy ka nanao izany taminʼny anaranʼny Tompo, ary dia sitrana avy hatrany aho, na dia nahery vaika tokoa aza ny vokatrʼilay poizina ka nahatonga ny ankabeazanʼny voloko nihintsana. Isaorana ny Ray any An-danitra noho ny fidirany an-tsehatra mba hanampiana ahy taminʼiny fotoan-tsarotra iny, aminʼny anaranʼi Jesoa Kristy. Amena.

“Tsy afa-nanala ny tongony teo am-pandriana nandritra ny efa ho efatra herinandro ny Rahalahy Whitney, rehefa nankao an’efitranony aho, taorian’ny nandehanako tany anaty kirihitrʼala, dia nilaza taminy fa raha ekeny ny handehananay hody ny ampitso marainanʼiny dia handray kalesy hatreny an-drenirano izahay, izay tokony ho fito kilometatra. Rehefa eny izahay dia hisy lakana fiampitana hiandry eo izay hampiampita anay haingana. Hahita soavaly hitondra anay avy hatrany hankeny aminʼny fitodian-dakana izahay, ka tokony hahita sambo eny izay efa miandry fotsiny. Handeha hiorika ny renirano izahay alohanʼny aminʼny folo ora, ary hambinina soa aman-tsara ny dianay mody. Nahazo herim-po izy ka nilaza tamiko fa handeha. Ny ampitso maraina dia nandeha izahay, ka hitanay araka ny zavatra nambarako taminy ny zava-drehetra, satria namakivaky ny renirano izahay talohanʼny taminʼny folo ora, nitody tao Wellsville, nandray kalesin-tsoavaly ho any Chardon, ary niainga avy eo nandeha kalesy ho any Kirtland, ka tonga tokotokony ho taminʼny volana Jona” (ao aminʼny History of the Church, 1:271–72). (Jereo koa ny ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, 2nd ed. [Church Educational System manual, 2003], 116.)

Fankahalana tao aminʼny Fivondronanʼi Jackson

“Talohanʼny fiafaranʼny volana Aprily [1833] dia nitranga ho azy ny fanenjahana. Tany am-boalohany dia nampitandrina ireo mpikambanʼny Fiangonana ny mponina teo an-toerana, izay tsy faly taminʼny fahatongavanʼny Olomasinʼny Andro Farany marobe, izay natahorany handresy azy ireo aminʼny fifidianana. Ny ankamaroanʼireo Olomasina dia avy any aminʼny faritany tavaratra ary aminʼny ankapobeny dia nanohitra ny fanandevozana ny olona mainty, izay ara-dalana taminʼizany fotoana izany tao aminʼny faritaninʼi Missouri. …

“Nanaparitaka taratasy iray izay nantsoina hoe lalam-panorenana miafina ny mpanohitra mba hahazoana ny sonianʼireo vonona ny hanaisotra ny ‘Môrmôna mpanakorontana.’ Ny zava-dehibe indrindra taminʼireo fankahalana ireo dia niseho taminʼny 20 Jolay 1833 izay fotoana nihaonanʼireo mpihetraketraka, izay lehilahy miisa tokony ho 400, tao aminʼny trano fitsarana tao Independence mba handrindra ny ezaka nataony. Napetraka teo anoloanʼireo mpitarika tao aminʼny Fiangonana ny fitakiana an-tsoratra mba hiantsoana ny Olomasina handao ny Fivondronanʼi Jackson; hampitsahatra ny fanaovana printy ny gazetiny, dia ny Evening and the Morning Star;izany, ary mba tsy hamela ny mpikambanʼny Fiangonana hafa ho tonga ao aminʼny Fivondronanʼi Jackson. Rehefa hitanʼny mpihetraketraka fa tsy hanaiky ireo fitakiana tsy ara-dalana ireo ny mpitarika tao aminʼny Fiangonana dia notafihany ny biraonʼny gazety, izay sady trano fonenanʼi William W. Phelps, izay tonian-dahatsoratra. Nangalaranʼireo mpanafika ny masinina fanontana printy ary narodany ny trano. …

“Tonga indray ireo mpihetraketraka taminʼny 23 Jolay [1833], ka nanolotra ny tenany hatao takalo ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana raha toa ka tsy mikitika ny vahoaka izy ireo. Saingy nandrahona ny hamotika ny Fiangonana iray manontolo ireo mpihetraketraka ka voatery ireo rahalahy nanaiky ny handaozan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fivondronana. Satria tsy ara-dalàna sy nanohitra ny lalam-panorenan’i Etazonia sy ny faritanin i Missouri ny fihetsik’ireo mpihetraketraka dia nitady fanampiana tany amin’i Daniel Dunklin, izay governoran’ny faritany ny mpitarika tao amin ny Fiangonana. Nanome torohevitra azy ireo momba ny zony izy sy nanoro azy ireo haka torohevitra any amin’ny mpisolo vava. …

“Tamin’ny faramparan’ny taona 1833 dia niampita ny Renirano Missouri avaratra ho any amin’ny Fivondronan’i Clay ny ankamaroan’ny Olomasina ka nahita fialofana vonjimaika tao” (Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany[1996]).